“Miteny amin’i Elia ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Miteny amin’i Elia ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
1 Mpanjaka 19
Miteny amin’i Elia ny Tompo
Mihaino ny feon’ny Tompo
Nilaza tamin’ny mpanjakavavy Jezebela i Ahaba fa resin’ny Tompo ny mpisoron’i Bala. Tezitra i Jezebela dia niteny hoe hovonoiny ny mpaminany Elia.
1 Mpanjaka 19:1–2
Mba hiarovany ny tenany dia niala tao amin’ny tanin’i Isiraely i Elia. Nandeha 40 andro sy 40 alina izy, nifady hanina nandritra ny diany. Dia tonga teo an-tendrombohitra Sinay izy ka nahita zohy hiafenana. Nasain’ny Tompo nankeny an-tampon’ilay tendrombohitra i Elia mba hahafahany niresaka tamin’i Elia.
1 Mpanjaka 19:3, 8–11
Nisy rivotra mahery vaika tonga ka namotipotika ireo vato manodidina ilay zohy. Taorian’izay dia nisy horohoron-tany nampihovitrovitra ny tany. Dia nisy afo nirehitra avy eo. Ren’i Elia ny fitabataban’ny rivotra sy ny horohoron-tany ary ny afo. Saingy tsy tao anatin’ireo feo nitabataba mafy ireo ny feon’ny Tompo.
1 Mpanjaka 19:11–12
Avy eo dia nahare feo tony sy malefaka i Elia. Fantany fa ny Tompo izany. Nanontany an’i Elia ny Tompo hoe inona no nataony tao.
1 Mpanjaka 19:12–13
Nilaza i Elia fa niafina izy mba hiarovany tena. Nisy namono daholo ny mpaminany rehetra, ary nandà ny Tompo ny olona.
1 Mpanjaka 19:14
Nampahery an’i Elia ny Tompo dia nilaza taminy fa nisy Isiraelita maro mbola nitsaoka ny Tompo. Nasain’ny Tompo niverina nody i Elia ary hanomana mpaminany hafa. Elisa no anaran’io mpaminany vaovao io.
1 Mpanjaka 19:15–18