“Elisa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Elisa mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
2 Mpanjaka 2; 4
Elisa mpaminany
Fahagagana avy amin’ny Tompo
Tamin’ny alalan’i Elia mpaminany dia nanomana an’i Elisa ny Tompo mba ho mpaminany manaraka. Avy eo dia nalain’ny Tompo ho any an-danitra i Elia.
2 Mpanjaka 2:1–15
Nanampy an’i Elisa hanatanteraka fahagagana maro ny Tompo. Indray mandeha i Elisa dia nitsodrano ny diloilon’ny vehivavy mahantra iray ka nahafeno siny maro izany. Dia namidin’ilay vehivavy avy eo ny diloilo handoavany ny trosany.
2 Mpanjaka 4:1–7
Tamin’ny fotoana iray hafa dia nisy vehivavy be finoana iray nanompo an’i Elisa ary tena tsara fanahy taminy. Nanontany azy i Elisa ny amin’izay azony atao mba hanampiana azy. Nanantena zanaka iray izy. Nitsodrano azy sy ny vadiny i Elisa mba hanan-janaka.
2 Mpanjaka 4:8–17
Saingy afaka taona vitsivitsy dia narary ilay zaza ka maty. Nandeha nitady an’i Elisa ilay vehivavy satria nanam-pinoana izy fa afaka hanavotra ilay zanany izy. Tonga i Elisa ary nitsodrano ilay ankizilahy ka velona indray izy. Nanampy an’i Elisa hanao fahagagana maro ny Tompo. Mpaminany lehiben’ny Tompo izy.
2 Mpanjaka 4:18–37