“24–30 nôvambra: -Efa “namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy”-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Fonjan’i Carthage
24–30 nôvambra: Efa “Namehy ny asa nanirahana azy sy ny asany tamin’ny rany izy”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136
Tamin’ny tolakandron’ny 27 jona 1844, dia nampidirina tao am-ponja indray i Joseph sy i Hyrum Smith, niaraka tamin’i John Taylor sy i Willard Richards. Nino izy ireo fa tsy nisy heloka nataon’izy ireo mihitsy, saingy nanaiky nosamborina izy ireo, mba hiarovana hatrany ireo Olomasina tao Nauvoo. Tsy vao voalohany izao no nampidiran’ireo fahavalon’ny Fiangonana am-ponja ny Mpaminany Joseph Smith, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia toa fantany fa tsy ho tafavoaka velona izy. Niezaka nifampionona izy sy ireo namany tamin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fihirana hira tao amin’ny fihirana. Avy eo dia nisy feom-basy re ary tao anatin’ny minitra vitsivitsy monja dia nifarana ny fiainan’i Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny teto an-tany.
Saingy tsy mbola izany no fiafaran’ny asa masina izay neken’izy ireo mba hatao. Ary tsy izany no fiafaran’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mbola maro ny asa ilaina hatao ary mbola maro ny fanambarana izay hitarika ny Fiangonana handroso. Tsy nifarana tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany ny asan’ Andriamanitra.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135; 136:37–39
Namehy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo tamin’ny rany i Joseph sy i Hyrum Smith.
Alaivo sary an-tsaina izay mety ho tsapanao raha toa ka nipetraka tao Nauvoo ianao tamin’ny fotoana izay namonoana an’i Joseph sy i Hyrum Smith. Ahoana no ho nahafahanao nahatakatra io tranga mahaontsa io? Mety ho nanampy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135, izay navoaka telo volana taty aoriana. Rehefa mandalina io fizaranao io ianao dia eritrereto ny zavatra mety ho nitondra fahatakarana sy fahatokian-tena ho anao. Inona no holazainao amin’ny olona iray izay manontany hoe: “Fa nahoana Andriamanitra no mamela ny Mpaminaniny hovonoina?” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:37–39).
Azonao karohina ao amin’ny fizarana 135 koa ireo teny na andian-teny izay mitaona anao mba ho mahatoky hatramin’ny farany amin’i Kristy, tahaka an’i Joseph sy i Hyrum.
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:21–22; Enseignements des Presidents de L’Église: Joseph Smith (2011), .
Testimony of the Book of Mormon
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3
Mpaminany ary vavolombelon’i Jesoa Kristy i Joseph Smith
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 dia mitanisa ny sasany amin’ireo zavatra vitan’i Joseph Smith tao anatin’ny fotoana fohy izay naharitra 20 taona. Inona no fiantraikan’ireo zavatra ireo taminao sy tamin’ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Eritrereto ny fomba hamenoanao ny fehezan-teny tahaka ity iray ity: Noho ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith, Izaho dia … Azonao atao koa ny manoratra sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny hafa.
Fomba iray hafa ianarana momba ny asa nanirahana an’i Joseph Smith ny miezaka manoratra filazana manjo na teny fohy fanomezam-boninahitra ny maty, momba an’i Joseph Smith. Inona no holazainao mba hanorenana finoana an’i Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny? Mety ho tianao ny hampiditra ireo trangan-javatra na zava-bita manan-danja izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 na ireo izay voalaza ao amin’ireo loharanom-pitaovana etsy ambany.
Nanambara fahamarinana maro momba ny Tenany sy ny Sorompanavotany tamin’ny alalan’i Joseph Smith i Jesoa Kristy. Hevero ny handinika ny zavatra niainanao rehefa nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ity taona ity. Inona no fahamarinana nanan-danja taminao? Azonao atao ny mizara izany amin’ny fianakavianao, na ireo olona ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao, na amin’ny hafa rehefa mandalina ianao amin’ity herinandro ity. Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo anao hahatakatra sy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?
Jereo koa ny “Joseph Smith—Mpaminanin’ny famerenana amin’ny laoniny,” Liahona, nôv. 2009, 35–37; “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100.
Joseph Smith: The Prophet of the Restoration
Hira mifandray amin’ny lesona
Ny fihirana ireto hira manaraka ireto na ny fijerena ireto horonan-tsary ireto dia afaka ny hanasa ny Fanahy Masina na hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny asan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fahafoizan-tenan’ireo Olomasina izay nanohy ny asa taty aoriana.
“Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques,, no. 17). Nihira io hira io i John Taylor fony izy tao amin’ny Fonjan’i Carthage.
“Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah”( Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 100). Ny tonon’ity hira ity dia nosoratana ho fanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith.
Praise to the Man – The Tabernacle Choir at Temple Square
“Ndao ry Olomasina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 4).
Come, Come, Ye Saints - Mormon Tabernacle Choir
Faith in Every Footstep - Mormon Tabernacle Choir
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136
Afaka manampy amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Tompo aho rehefa manaraka ny toroheviny.
Taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia noterena hiala tao Nauvoo ny Olomasina. Niatrika dia 2100 km namakivaky tany foana sarotra nodiavina izy ireo tamin’izay. I Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia niahiahy ny amin’ny fomba izay hahafahan’ireo Olomasina hahavita ilay dia an-tongotra lava be. Nitalaho tamim-bavaka mba hahazo fitarihana izy tao amina toerana vonjimaika iray nantsoina hoe Winter Quarters. Voarakitra ao amin’ny fizarana 136 ny valintenin’ny Tompo. “Ho fanampiana ny Olomasina hahatsiaro fa manan-danja tahaka ilay toerana halehan’izy ireo ny fitondrantenan’izy ireo nandritra ilay dia, dia nanampy tamin’ny fanovana ilay fifindra-monina niankandrefana ho lasa traikefa ara-panahy nifampizarana izay nanan-danja ilay fanambarana, raha zavatra tsy maintsy natao sy nampalahelo kosa izany teo aloha” (“This Shall Be Our Covenant,” ao amin’ny Revelations in Context, 308).
Tadidio hatrany izany rehefa mandalina ny fizarana 136 ianao. Inona no torohevitra hitanao fa afaka ny hanampy mba hanova ny fitsapana sarotra iray eo amin’ny fiainanao “ho lasa traikefa ara-panahy … manan-danja”? Azonao atao ny misaintsaina ny fomba ahafahan’io torohevitra io manampy anao hanatontosa ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao manokana, tahaka ny nanampian’izany an’ireo Olomasina tamin’ireo dia nataon’izy ireo.
Jereo koa ny “Ndao ry Olomasina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 4.
Ampahan-tsary avy amin’ny Winter Quarters, nataon’i Greg Olsen
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135: 1–2, 4–5
Nahafoy ny ain’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany i Joseph sy i Hyrum Smith.
-
Fintino amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1” na zarao ny Toko 57: Maty novonoina ny mpaminany” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 201–5). Afaka ny ho fotoana tsara azo araraotina izany ho anao sy ny ankizy mba hizarana ny fahatsapanareo momba ny fahafoizan-tena nataon’i Joseph sy i Hyrum ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.
3:21Chapter 57: The Prophet Is Killed: June 1844
-
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–5 dia milaza fa namaky andinin-tsoratra masina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Hyrum Smith talohan’ny nandehanany tany amin’ny Fonjan’i Carthage. Afaka miara-mamaky io andinin-tsoratra masina io ianao sy ny ankizy (jereo ny Etera 12:36–38). Ahoana no mety ho nahafahan’ireo andininy ireo nampahery an’i Hyrum? Azonao atao koa ny mizara ireo soratra masina izay mitondra fampiononana ho anao rehefa mitaintaina na malahelo.
-
Afaka mijery sarina mpaminany ianao sy ny ankizy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7, 14, 67) ary miresaka momba ireo zavatra vitsivitsy asain’ Andriamanitra ataon’ny mpaminany. Inona no nafoin’ireo mpaminany ireo ho an’ny Mpamonjy?
Ny fianarana sy ny fampiharana dia tsy afa-misaraka ao an-tokantrano. “Azo iainana avy hatrany ao an-tokantrano ny filazantsara. Ny olona miara-mianatra ny filazantsara aminao ihany no hiara-hiaina izany aminao ao, isan’andro. Raha ny marina, ny fiainana ny filazantsara, amin’ny ankamaroan’ny fotoana, no fomba ianarantsika ny filazantsara” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3
Mpaminany sy vavolombelon’i Jesoa Kristy i Joseph Smith.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatsiaro sy hankamamy ny fomba nitahian’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny asa nanirahana an’i Joseph Smith, dia afaka mampiseho zavatra izay maneho ireo zavatra nataon’i Joseph ianao, toy ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, na sarina tempoly iray (jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Avy eo ny ankizy dia afaka mitady ireo zavatra sasantsasany nataon’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3 mba hanampiana antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hizara ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo noho ireo zavatra ireo.
American Prophet [Mpaminany Amerikana], nataon’i Del Parson
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136
Afaka mitahy ahy ny Tompo rehefa manana olana aho.
-
Ametraho sarin’ny tempolin’i Nauvoo eo amin’ny lafin-drindrina iray ao amin’ny efitrano iray ary manamboara fialofana tsotra iray eny amin’ny lafin-drindrina ilany. Asao ny ankizy hivondrona eo akaikin’ilay sary, ary tantarao azy ireo ny momba ireo Olomasina izay tsy maintsy niala tao Nauvoo taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith (jereo ny toko 58, 60, ary 62 ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 206–8, 211–16, 222–24). Antitrantero ny finoan’ireo Olomasina ireo an’i Jesoa Kristy, ary asao ny ankizy handeha ho eny amin’ilay fialofana mba hanehoana ny dia nankany Winter Quarters. Afaka manao hira toy ny “Mba ho mpamaky lay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 138–39) ny ankizy eo am-pandehanany.
1:31Chapter 58: A New Leader for the Church: July–August 1844
3:51Chapter 60: The Saints Leave Nauvoo: September 1845–September 1846
2:29Chapter 62: The Saints Establish Winter Quarters: 1846–1847
-
Hazavao fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ny Tompo dia nanome torohevitra hanampiana ireo Olomasina nandritra ny dian’izy ireo nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Ampio ny ankizy hitady ao amin’io fanambarana io zavatra izay afaka manome herim-po azy ireo hanao io dia io (jereo ny andininy 4, 10–11, 18–30). Ahoana no ahafahan’io torohevitra io manampy antsika amin’ireo fitsapana atrehantsika amin’izao fotoana izao?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.