“10–16 nôvambra, -Efa nahita ny fihafianao Aho tamin’ny fankatoavanao-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Joseph Smith in Nauvoo, 1840 (Joseph Smith tao Nauvoo, 1840), nataon’i Theodore Gorka
10–16 nôvambra: “Efa nahita ny fihafianao Aho tamin’ny fankatoavanao”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132
Navoakan’ny Tompo avy tao amin’ny mandrakizay tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny sasany tamin’ireo zava-miafina. Ny hatsaran’ Andriamanitra, ny voninahitry ny lanitra, ary ny fidadasiky ny mandrakizay dia mety ho toy ny zavatra efa mahazatra raha ampifandraisina amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, na dia amin’ny fisainana voafetra tahaka ny antsika aza. Ohatra tsara amin’izany ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–32. Toy ny ahoana izany Andriamanitra izany? “Manana vatana … azo tsapaina toy ny an’ny olona” Izy. Toy ahoana ny any an-danitra? “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130: 22, 2). Raha ny marina dia isan’ireo fahamarinana mahafaly indrindra momba ny any an-danitra ny hoe afaka ny ho tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisan’ny fianakaviantsika izay lalaintsika tokoa, raha voafehy amin’ny fahefana tena izy. Ny fahamarinana tahaka ireny dia afaka mahatonga ny lanitra ho toy ny tsy dia lavitra, be voninahitra nefa azontsika aleha.
Saingy amin’izany, indraindray Andriamanitra dia mety hangataka antsika mba hanao zavatra izay toa tsy mampahazo aina sy toa tsy azontsika tratrarina. Ho an’ny ankamaroan’ireo Olomasina tany am-piandohana, ny fampakarana vady maro dia iray tamin’izany didy izany. Fisedrana finoana henjana tokoa ho an’i Joseph Smith sy i Emma vadiny, sy ny ankamaroan’ireo izay nandray an’izany ilay izy. Mba hivoahana ho mpandresy tao anatin’io fitsapana io dia nila zavatra bebe kokoa noho ny fahatsapana tsara fotsiny momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo. Nila finoana an’ Andriamanitra matanjaka kokoa noho izany izy ireo. Efa tsy manan-kery intsony ilay didy ankehitriny, saingy ny ohatra feno fahatokiana nasehon’ireo olona niaina izany dia mbola mitoetra. Ary io ohatra io dia mitondra fitaomam-panahy ho antsika rehefa asaina maneho fihafiana amin’ny fankatoavana isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:50).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130–132
Te hanandratra ireo zanany Andriamanitra.
Betsaka ireo zavatra tsy fantatsika momba ny fisandratana na ny fiainana ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra amin’ny fanjakana selestialy, ilay karazam-piainana iainan’ Andriamanitra. Mety hihoatra ny fahaizantsika manaka-javatra amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’izany. Kanefa dia nanambara fampahalalana sarobidy vitsivitsy Andriamanitra, ary betsaka amin’izy ireo no hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130–32. Afaka mamaky sady mametraka fanontaniana tahaka ireto ao an-tsaina ianao: Inona no nianarako momba an’ Andriamanitra? Inona no nianarako momba ny fiainana aorian’ny fiainana an-tany? Inona no fitahiana azoko eo amin’ny fiainako amin’izao noho io fahalalana momba ny fiainana mandrakizay io?
.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; 132:5
Mitahy ny olona mankatò ny lalàny Andriamanitra.
Ahoana no hilazanao amin’ny teninao manokana ny zavatra ampianarin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130: 20–21 sy 132:5? Saintsaino ny fomba nanehoana io fitsipika io teo amin’ny fiainanao.
Indraindray dia tsy tonga avy hatrany ireo fitahiana antenaintsika, na dia rehefa mankatò an’ Andriamanitra aza isika. Ahoana no ihazonanao ny finoanao sy ny fanantenanao rehefa mitranga izany? Mitadiava hevitra vaovao avy amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra” ( Liahona, mey 2022, 78–80).
Jereo koa ny 1 Nefia 17:35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13–21
Nataon’ny Ray any An-danitra izay hahafahan’ny fianakaviana ho tafaraka mandrakizay.
Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny fahamarinana fa afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiana sy ny fifandraisana misy eo amin’ny mpianakavy. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13–21 ianao dia mitadiava andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fahasamihafana eo amin’izay zavatra ho “tafajanona” mandrakizay sy izay tsy ho tafajanona mandrakizay. Araka ny hevitrao, dia inona no dikan’izany hoe “amin’ny alala[n’ny Tompo]” ny fifandraisan’ny mpivady? (andininy 14).
Ao amin’ilay hafany hoe “Ho fiderana ireo izay manavotra,” ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nampifanohitra ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana mandrakizay tamin’ny zavatra “ariana rehefa tsy ilaina intsony” (Liahona, mey 2016, 77–78). Inona no ampianarin’io fifanoherana io anao momba ny fomba hikolokoloana, na hiomanana amin’ny fanambadiana? Eritrereto ny fifandraisana misy ao amin’ny fianakavianao, amin’izao fotoana izao sy any aoriana, rehefa mamaky ny hafatry ny Loholona Uchtdorf ianao. Inona no hitanao ao izay manome anao fanantenana ao amin’ny Kristy ho an’ny fifandraisana misy ao amin’ny fianakavianao?
Nizara ity torohevitra noraisiny tamin’ny fotoana nananany fanahiana momba ny toe-javatra nisy ny fianakaviany ity ny Filoha Henry B. Eyring: “Miaina mba ho mendrika ny fanjakana selestialy fotsiny ianao dia hahafinaritra kokoa mihoatra ny azonao eritreretina ny momba ny fianakavianao” (ao amin’ny “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 25). Ahoana no ahafahan’io torohevitra io manampy anao na ny olona iray fantatrao?
Jereo koa ny “Ensemble à tout jamais,” Cantiques, no. 192.
Azo fehezina ho mandrakizay ao amin’ny tranon’ny Tompo ny fanambadiana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 1–2, 29–40
Ny fampakarana vady maro dia tsy eken’ Andriamanitra raha tsy Izy no mandidy ny hanaovana izany.
Olona maro izay mamaky ny Testamenta Taloha no mametra-panontaniana momba an’i Abrahama, i Jakoba, i Mosesy ary ireo hafa izay nanambady vehivavy maro. Nijangajanga ve ireo mpanompon’ny Tompo ireo? Nankatoavin’ Andriamanitra ve ny fanambadian’izy ireo? Nanana fanontaniana mitovy amin’izany i Joseph Smith. Tadiavo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132: 1–2, 29–40 ny valinteny nomen’ Andriamanitra.
Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fenitry ny fanambadiana ho an’ Andriamanitra (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Filazana Ôfisialy 1; Jakôba 2:27, 30). Na izany aza anefa dia nisy fotoana izay nandidian’ Andriamanitra ireo zanany mba hampakatra vady maro.
Ireo taona voalohany nijoroan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny no isan’ireo fotoana niavaka ireo. ChurchofJesusChrist.org.
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_WhyPolygamy_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2, 18–19; 132:13, 19
Tian’ny Ray any An-danitra hifantoka amin’ireo zavatra maharitra mandrakizay aho.
-
Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13 momba ireo zavatr’izao tontolo izao? Azonao sy ny ankizy atao ohatra ny mameno valizy na kitapo babena amin’ireo singa izay maneho ireo zavatra azontsika entina miaraka amintsika any amin’ny fiainan-ko avy, araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2; 18–19; 132:19.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21; 132:5, 21–23
Mitahy ahy Andriamanitra rehefa mankatò ny lalàny aho.
-
Angamba mety ho afaka hampianatra ny ankizy hankatò ireo didin’ Andriamanitra ny fanaovana fampitahana tsotra. Ohatra, azonao atao ny mangataka azy ireo mba hanome anao toromarika handehanana amin’ny toerana iray, toy ny hoe mandeha any amina sekoly na trano Fiangonana iray. Inona no mitranga rehefa tsy manaraka ireo toromarika ianao? Azonareo atao avy eo ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:21 ary mampitaha ireo toromarika ireo amin’ireo didy nomen’ Andriamanitra antsika.
-
Azonareo atao koa ny miara-manao hira iray momba ny fankatoavana toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68), dia tadiavo ireo teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21 sy 132:5 izay mitovy amin’ireo teny ao amin’ilay hira. Ahoana no iitahian’ Andriamanitra antsika rehefa miezaka mitandrina ny didiny isika?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22
Manana vatana tsy mety maty ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22 ianareo dia afaka mijery sarin’i Jesoa Kristy ianao sy ny ankizy ary manondro ny masony, ny vavany, ary ireo faritra hafa amin’ny vatany. Afaka manondro ireo faritra ireo eo amin’ny vatany manokana ny ankizy. Lazao azy ireo ny antony maha-manan-danja aminao ny fahalalana fa mitovy endrika amin’ny vatan’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa ny vatantsika.
Noho ireo ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo dia afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19
Nataon’ny Ray any An-danitra izay hahatonga ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.
-
Ampio ny ankizy hitady ohatrana zavatra izay tsy maharitra mandrakizay: sakafo mety simba, voninkazo mety malazo, sy ny sisa. Avy eo dia miaraha mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19 ary mitadiava andian-teny manan-danja toy ny hoe “fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” “fehezina,” “haharitra … mandrakizay,” ary “mandrakizay mandrakizay.” (Jereo koa ny “Toko 55: Fanambarana iray momba ny fanambadiana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 198.) Afaka mijery sarin’ny fianakavianareo koa ianareo ary mijoro ho vavolombelona fa nataon’ny Tompo izay hampaharitra mandrakizay ny fianakaviana, amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.
Chapter 55: A Revelation about Marriage: July 1843
Mahaiza mihaino ny toe-javatra iainan’ny fianakaviana. “Miaina ao anatin’ny toe-piainam-pianakaviana maro samihafa sy sarotra ny ankizy amin’izao fotoana izao. … Mila manolo-tanana ireo izay mahatsapa ho irery sy tsy misy miraharaha ary any ivelan’ny fefy [isika]” (Neil L. Andersen, “Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy”, Liahona, mey 2016, 49, 52).
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.