“17–23 nôvambra: -Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ten Virgins (Virijiny folo), nataon’i Jorge Cocco
17–23 nôvambra: “Miomàna ho amin’ny fiavian’ny Mpampakatra ianareo”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134
Tamin’ny 1833 dia nisy andian’olona nanafika sy nanimba ny fanontana printin’ny Fiangonana. Isan’ireo asa fanontana natao tamin’izany fotoana izany ny Bokin’ireo didy, ilay ezaka voalohany nataon’ny Fiangonana mba hanambatra ho boky iray ireo fanambarana nomen’ Andriamanitra tamin’ny andro farany. Naparitak’ireo andian’olona ireo pejy tsy mbola voatambatra, ary na dia nahatahiry ny sasany tamin’izy ireny aza ireo Olomasina mahery fo dia tahadika tsy mbola vita tanteraka vitsivitsy an’ny Bokin’ireo didy fotsiny ihany no fantatra fa afa-bela tamin’izany.
Ilay fantatsika amin’izao fotoana izao amin’ny hoe fizarana 133 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia natao mba ho tovana ho an’ny Bokin’ireo didy, toy ny famaranana mafonja any amin’ny fiafaran’ireo fanambarana avy amin’ny Tompo izay navoaka. Mampitandrina ny amin’ny andron’ny fitsarana iray ho avy izany ary mamerimberina ilay antso izay hita manerana ireo fanambarana maoderina: Handositra ny fanaon’izao tontolo izao, izay Babylona no tandindon’izany. Hanorina an’i Ziona. Hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Ary hampiely izany hafatra izany “amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (andininy 37). Tsy tanteraka ireo drafitra voalohany natao ho an’ny Bokin’ireo didy, fa ity fanambarana ity kosa dia fampahatsiahivana sy fijoroana ho vavolombelona fa handroso hatrany ny asan’ny Tompo, “fa hampitanjaka ny sandriny masina … Izy, ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamaniny” (andininy 3).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–14
Miantso ahy handà an’i Babylona i Jesoa Kristy ary handeha ao Ziona.
Ny mifanohitra amin’i Ziona ara-panahy dia i Babylona, tanàna iray fahiny izay fanehoana an’ohatra ny faharatsiana sy ny fanandevozana ara-panahy manerana ny soratra masina. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–14 ianao dia saintsaino ny fomba iantsoan’ny Mpamonjy anao “[handeha … hiala] an’i Babylona” (andininy 5) ary “[handeha … hankany] … Ziona” (andininy 9). Ahoana no hamalianao ny antsony? Inona koa no zavatra nianaranao momba an’i Ziona avy amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Avia aty Zion”? (Liahona, nôv. 2008, 37–40).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19, 37–39
Afaka miomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany aho dieny izao.
Ny fizarana 1, izay teny fampidiran’ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, sy ny fizarana 133, izay tovan’ny Bokin’ireo didy tany am-piandohana, dia samy manomboka amin’ilay fiangaviana avy amin’ny Tompo manao hoe: “Mihainoa ianareo ry olon’ny/vahoakan’ny fiangonako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1; 133:1.) Azonao atao tsara ny mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:1–19, 37–39 ary manao lisitra ireo hafatra izay hanasan’ny Tompo anao mba hohenoinao (hankatoavinao) eo am-piomanana ho amin’ny Fiaviany fanindroany. Azonao atao lisitra, indrindra indrindra, ireo zavatra izay tiany hataonao mba (1) hanomananao ny tenanao sy (2) hanampianao an’izao tontolo izao hiomana amin’ny fiverenany. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo lisitra ireo?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara fahamarinana manan-danja momba ny hoe hanao ahoana izao tontolo izao rehefa miverina ny Mpamonjy, sy ny fomba hiomanana amin’izany. Jereo ao amin’ilay hafany hoe “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany” (Liahona, apr. 2020, 6–11) ireo fahamarinana ireo. Mahatsapa ho taomina hanao inona, na hanohy hanao inona ianao mba “[hanomana] izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy”? (“Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Médiathèque de l’Évangile).
Jereo koa ny Matio 25:1–13; Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76; “Ndao, ry zanaky ny Tompo,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 6.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–56
Ho androm-pifaliana ho an’ny olo-marina ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.
Rehefa mamaky ny famariparitana ny fiverenan’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 19–56 ianao dia inona no hitanao fa andrandrainao fatratra? Inona no teny na andian-teny izay mamaritra ny fitiavan’ny Tompo an’ireo olony? Hevero ny hanoratra ny zavatra niainanao manokana tamin’ny “fitiavan’ny Tompo[nao] ary izay rehetra efa natolony [anao] araka ny hatsaram-panahiny” (andininy 52).
Ampahan-tsary avy amin’ny Healer (Mpanasitrana), nataon’i Kelsy sy i Jesse Lightweave
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134
“Natsangan’ Andriamanitra ny governemanta mba ho tombontsoan’ny olombelona.”
Sarotra ny fifandraisan’ireo Olomasina tamin’ny governemanta. Rehefa noterena hiala tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny Olomasina tamin’ny 1833 dia nangataka fanampiana avy tamin’ny fitondram-panjakana teo an-toerana sy ny an’ny firenena izy ireo kanefa tsy nahazo. Nifanindran-dalana tamin’izay, dia nisy olona sasany ivelan’ny Fiangonana izay nandray ny hevitry ny fampianarana momba ny Ziona ho toy ny hoe nitsipaka ny fahefan’ny governemanta teto ambonin’ny tany ny Olomasina Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 dia nosoratana tamin’ny ampahany mba hanazavana ny foto-kevitra ijoroan’ny ny Fiangonana momba ny governemanta. Inona no lazain’io fizarana io momba ny zavatra tokony ho tsapan’ny Olomasin’ny Tompo mahakasika ny governemanta?
Rehefa mandalina ny fizarana 134 ianao dia tadiavo ireo fitsipika nianaranao momba ny governemanta sy ireo andraikitr’ireo olom-pirenena. Ahoana no mety ho nanampian’ireo hevitra ireo an’ireo Olomasina teo aloha? Ahoana no azo ampiharana izany any amin’ny toerana ipetrahanao?
Jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:11–12.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 14
Tian’ny Tompo aho hanalavitra ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao.
-
Afaka mitanisa toerana sy toe-javatra vitsivitsy tian’ny Tompo halavirintsika ianao sy ny ankizy. Avy eo dia azonareo ampitahaina amin’ny famaritana an’i “Babela, Babylona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Bibliothèque de l’Évangile) ireo toerana sy toe-javatra ireo. Azon’izy ireo vakina avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–5, 14. Midika inona izany hoe “Mandehana … miala an’i Babylona” (andininy 5) izany? Afaka manao lisitra mitovy amin’izany izay ahitana ireo toerana sy toe-javatra anasan’ny Tompo antsika koa ianareo ary mampitaha izany lisitra izany amin’ny famaritana an’i “Ziona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:19–21, 25
Ho avy indray i Jesoa Kristy.
-
Mety ho tian’ny ankizy ny hilalao an-tsehatra ny hoe mety ho toy ny ahoana izany miomana amina zavatra iray izany, toy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, handray olona mpitsidika manan-kaja, na fotoam-pialan-tsasatra na fety tena tiana. Nahoana no zava-dehibe ny fiomanana? Avy eo ianareo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:17–19, 21 ary asao ny ankizy hitady ny zavatra asain’ny Tompo iomanantsika. Azonao aseho azy ireo ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity dia anontanio ny ankizy ny zavatra fantany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Inona koa no ianarantsika avy amin’ny andininy 19–25, 46–52? Inona no azontsika atao mba hiomanana amin’io fotoan-dehibe mahafaly io?
-
Azonao atao ny manafina sary na zavatra isan-karazany maneho ireo zavatra azontsika atao mba hiomanana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany (toy ny mamaky soratra masina, mizara ny filazantsara, na manompo ny fianakaviantsika). Avelao ny ankizy hitady ireo sary na zavatra ary resadresaho ny hoe manampy antsika amin’ny fomba ahoana ireo zavatra ireo mba ho vonona hihaona amin’ny Mpamonjy rehefa miverina Izy.
-
Azonareo atao ny miara-mihira hira iray momba ny Fiaviana fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47). Ifampizarao ny fitiavanareo ny Mpamonjy sy ny zavatra tsapanareo momba ny fiverenany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52–53
I Jesoa Kristy dia be fitiavana sy tsara fanahy.
-
Afaka mijery sary maneho an’i Jesoa maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ianao sy ny ankizy. (Ohatra, jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 42, 47.) Inona koa no nataon’i Jesoa mba hanehoany ny fitiavany sy ny hatsaram-panahiny? Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52, ary ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo “hilaza ny halemem-panahy sy ny fitiavan’ny Tompony” amin’ny hafa.
Ampahan-tsary avy amin’ny In His Light (Ao amin’ny fahazavany), nataon’i Greg Olsen
Mampianara fotopampianarana mazava sy tsotra. Mampianatra ny filazantsarany amin’ny “fahazavana sy ny fahatsorana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57) ny Tompo. Inona no lazain’ireo teny ireo aminao mikasika ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fianakavianao na ny kilasinao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134: 1–2
Tian’ny Tompo aho hankatò ny lalàna.
-
Afaka mitanisa fitsipika na lalàna izay ankatoaviny ny ankizy. Mety hanao ahoana ny fiainana raha tsy misy mankatò ireo lalàna ireo? Avy eo dia afaka miara-mamaky amin’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–2 ianao, ary manampy azy ireo hahatakatra ireo teny na andian-teny izay mety ho tsy takany. Nahoana isika no tian’ny Tompo hankatò ny lalàna? (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:12).
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.