“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Batisa ho an’ny razambentsika, -Fotopampianarana feno voninahitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Batisa ho an’ny razambentsika, -Fotopampianarana feno voninahitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ireo feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Batisa ho an’ny razambentsika, “Fotopampianarana feno voninahitra”
Ity sary ity dia mampiseho ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo izay mipetraka eo ambonin’ny omby lahy roa ambin’ny folo.
Phebe sy Wilford Woodruff
Nipetraka tao akaikin’i Nauvoo i Phebe Woodruff rehefa nanomboka nampianatra mikasika ny fahafahana hanao batisa ho an’ireo izay niaina teo aloha i Joseph Smith. Nanoratra momba izany tamin’i Wilford vadiny izy, izay teo am-panaovana asa fitoriana tany Angletera:
“Nianatra tamin’ny alalan’ny fanambarana Rahalahy Joseph … fa ireo izay ato amin’ity fiangonana ity dia afaka ny hatao batisa ho an’ireo havan’izy ireo izay efa maty sy tsy nanana fahafahana ny haheno an’ity filazantsara ity, eny fa na dia ho an’ny zanak’izy ireo, ny ray aman-dreniny, ny rahalahiny, ny anabaviny, ny dadabeny sy ny renibeny, ny dadatoany ary ny nenitoany aza. … Raha vantany vao vita batisa ho an’ireo naman’izy ireo izy ireo dia afaka ao amin’ny tranomaizina ny naman’izy ireo ary izy ireo dia afaka ny hangataka azy ireo amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy hitondra azy ireny ho any amin’ny fanjakana selestialy. Ity fotopampianarana ity dia noraisin’ny fiangonana tsara ary izy ireo dia mandroso amin’ny andiany lehibe, ny sasany dia natao batisa in-16 … tao anatin’ny andro iray.”
Taty aoriana dia hoy i Wilford Woodruff mahakasika an’ity fitsipika ity: “Vao naheno an’izany aho dia feno fifaliana izaitsizy tokoa ny fanahiko. … Nandroso aho ary natao batisa ho an’ireo havako rehetra izay efa maty ka tonga tato an-tsaiko. … Nahatsapa ho niteny hoe aleloia aho rehefa nivoaka ilay fanambarana nanambara ny batisan’ny maty taminay. Nahatsapa aho fa nanana zo izahay ny hifaly amin’ireo fitahian’ny lanitra.”
Vilate Kimball
Toa an-dRahavavy Woodruff, i Vilate Kimball dia nahare mikasika ny batisa isoloana tena fony mbola tsy teo an-toerana fa nandeha nitory ny filazantsara i Heber vadiny. Nanoratra taminy izy nanao hoe:
“Ny Filoha Smith dia nanomboka niresaka zavatra iray vaovao sy be voninahitra… izay niteraka fifohazam-pinoana lehibe tao amin’ny fiangonana. Momba ny hoe atao batisa ho an’ny maty izany. Niresaka momba izany i Paoly ao amin’ny Korintiana voalohany toko faha-15 andininy faha-29. Nahazo fanazavana feno kokoa mikasika izany i Joseph tamin’ny alalan’ny fanambarana. … Tombontsoa ho an’ity fiangonana ity ny hatao batisa ho an’ireo havany rehetra izay maty talohan’ny nivoahan’ity filazantsara ity; eny fa na hatrany amin’ny ray sy renin’ny raibe sy ny reniben’izy ireo aza. … Rehefa manao izany isika dia lasa manao asa ho azy ireo, sy manome azy ireo ny tombontsoa handray anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany. Nilaza izy fa hotorina amin’izy ireo ny Filazantsara … saingy tsy misy izany hoe fanahy atao batisa izany. … Hatramin’ny nitoriana io lamina io dia niasa tsy tapaka ny rano. Nandritra ny fihaonambe dia nisy loholona valo ka hatramin’ny folo tao anatin’ny renirano nifandimby nanao batisa. … Te hatao batisa ho an’ny reniko aho. Nanao kajikajy aho mba hiandry ny fiverenanao aty an-trano, saingy ny fotoana farany izay niresahan’i Joseph momba an’io lohahevitra io, dia nanoro hevitra ny tsirairay izy mba hijoro sy hanao izany, ary hanafaka haingana araka izay azo atao ireo naman’izy ireo amin’ny famatorana. Ka noho izany dia hanao aho amin’ity herinandro ity, satria misy ihany koa ireo namana akaiky izay hanao izany. Ny sasany dia efa niverimberina natao batisa imbetsaka. … Araka izany dia hitanao fa manana fahafahana daholo ny rehetra. Moa ve tsy fotopampianarana feno voninahitra tokoa izany?”
Phebe Chase
Rehefa vita ny dobo fanaovana batisa tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo dia natao tao ny batisa isoloana tena fa tsy tany amin’ny renirano intsony. I Phebe Chase, mponina tao Nauvoo dia nanoratra tamin’ny reniny momba ny tempoly, namariparitra ny toerana fanaovana batisa ho toy ny toerana izay “ahafahana manao batisa antsika ho an’ireo olona efa nodimandry ary ho lasa mpamonjy eo an-tendrombohitra Ziona.” Mbola nanohy nanazava izy fa tao amin’io dobo fanaovana batisa io no “nanaovana batisa ahy ho an’ny raiko izay efa maty sy ho an’ireo namako rehetra izay efa maty. … Ankehitriny dia tiako ho fantatra ny anaran’ny rainao sy reninao mba hahafahako manafaka azy ireo, satria tiako ny hanampy ireo maty. … Efa niteny indray ny Tompo sy namerina tamin’ny laoniny indray ny lamina taloha.”
Sally Randall
Rehefa nanoratra tamin’ireo namany sy ny fianakaviany momba ny batisa ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay niaina teo aloha i Sally Randall dia tadidiny ny fahafatesan’i George zanany lahy:
“Tena fotoana sarotra tamiko izany ary saika tsy tafarina tamin’izany aho, saingy … efa natao batisa ho azy ny rainy ary zavatra tena be voninahitra izany hoe isika dia mino sy mandray ny fahafenoan’ny filazantsara araka izay itoriana izany ankehitriny ary afaka ny hatao batisa ho an’ny ireo namantsika efa nodimandry hatrany amin’izay taloha indrindra amin’izy ireny ka afaka ny ho fantatsika, ka hanavotra azy ireny.
“Tiako hosoratanao amiko ny anaran’ireo olona misy rohim-pihavanana amintsika izay efa nodimandry hatrany amin’ny raibe sy renibe ao anatin’ny taranaka rehetra izay misy. Manana fikasana aho ny hanao izay rehetra azoko atao mba hanavotana ireo namako ary tokony ho feno fifaliana tokoa aho raha toa ka misy ho tonga ny sasany aminareo ka hanampy ahy satria asa goavana loatra izy ity ka tsy vitan’olon-tokana. … Mety hieritreritra ianao hoe fotopampianarana hafahafa izany saingy ho hitanao fa marina izany.”