Doctrine and Covenants 2025
27 ôktôbra–2 nôvambra: “Trano ho an’ny anarako”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124


“27 ôktôbra–2 nôvambra: -Trano ho an’ny anarako-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary hosodoko maneho an’i Nauvoo, Illinois

Nauvoo the Beautiful (I Nauvoo tsara tarehy), nataon’i Larry C. Winborg. Copyright 2023

27 ôktôbra–2 nôvambra: “Trano ho an’ny anarako”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124

Na dia sarotra be aza ireo enin-taona farany ho an’ireo Olomasina dia nanomboka nihatsara ny toe-draharaha tamin’ny lohataonan’ny 1839: Nangoraka ireo Olomasina mpitsoa-ponenana ireo olom-pirenena tao Quincy Illinois. Nisy ireo mpiambina izay nanao ny tsy hisamborana an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao Missouri. Ary vao avy nividy tany tao Illinois ny Fiangonana mba hahafahan’ireo Olomasina mivory indray. Eny, tany be honahona sy feno moka tokoa izany, saingy raha ampitahaina amin’ireo olana izay efa natrehan’ireo Olomasina izany dia toa azo ihafiana ihany. Koa dia noritin’izy ireo ny rano teo amin’ilay honahona ary nanoratra lalam-panorenana ho an’ilay tanàna vaovao izay nantsoiny hoe Nauvoo izy ireo. “Tsara tarehy” no dikan’izany amin’ny teny Hebreo, kanefa fanehoana finoana no tena hevitra nampitain’izany fa tsy tena famariparitana azy araka ny tena izy, tamin’ny voalohany aloha izay. Tao anatin’izany fotoana izany dia nataon’ny Tompo nahatsapa ny Mpaminany fa misy zavatra maika ilaina atao. Nanana fahamarinana sy ôrdônansy betsaka kokoa haverina tamin’ny laoniny Izy, ary nila tempoly masina hahafahany “mampisatroka [ny Olomasiny] amin’ny haja, ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:55). Hita mibaribary eo amin’ny asan’ny Tompo amin’izao fotoana izao amin’ny fomba maro ireo fahatsapana finoana sy hamehana ireo.

Hamantatra misimisy kokoa momba ireo toerana manan-tantaran’ny Fiangonana ao Illinois.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–11

Afaka manasa ny hafa hanatona an’i Kristy aho.

Nasain’ny Tompo “[nanao] fanambarana marina ny amin’ny filazantsara[ny] … amin’ny mpanjaka rehetra amin’ny tany” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:2–11) ny Mpaminany Joseph Smith. Raha ianao no naharay ity andraikitra ity, dia inona no holazain’ny fanambarana ataonao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny? Saintsaino ihany koa ny fomba ahafahanao mizara toy ny mahazatra sy mandeha ho azy ny tenivavolombelonao amin’ny olona izay mifanerasera aminao isan’andro.

Jereo koa “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona, Médiathèque de l’Évangile.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21

Afaka ny ho mpianatra atokisan’ny Tompo aho.

Hevero ny hizara amin’ny hafa, tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:12–21, ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitanao ao amin’izy ireo. Ahoana no nanehoany ny fitiavany sy ny fitokiany taminao?

Jereo koa ny Richard J. Maynes, “Fahazoana ny fitokian’ny Tompo sy ny fianakavianao,” Liahona, nôv. 2017, 75–77.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61

Tian’ny Tompo handray tsara sy hanaiky ny hafa aho.

Rehefa misaintsaina ny torolalan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:22–24, 60–61 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manao izay hahatonga ny tokantranonao sy ny paroasy misy anao ho toerana tahaka izay nandrandrain’ny Tompo ho an’i Nauvoo.

ChurchofJesusChrist.org

4:2

PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_AFriendToAll_SUB_21Aug2025_HDF-2398_MLG.mov

Tempolin’i Nauvoo eo andalam-pitsanganana

Ampahan-tsary avy amin’ny Joseph Smith at the Nauvoo Temple (i Joseph eo amin’ny Tempolin’i Nauvoo), nataon’i Gary E. Smith

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–45, 55

Manangana tempoly ho an’ny Tompo isika mba handraisana ôrdônansy masina.

Nahoana ianao no mahatsapa fa “[nandidy] mandrakariva” ny olony ny Tompo “[hanorina tempoly] ho an’ny anara[ny] masina”? Hevero ny hitanisa ireo antony hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:25–45, 55. Mety hahita antony hafa ianao ao amina hira ao amin’ny fihirana toy ny “Nous aimons ta maison” (Cantiques, no. 152). (Médiathèque de l’Évangile). Nahoana no famantarana ny fitiavan’ny Tompo anao ny asa fanorenana tempoly?

5:41

What Is a Temple?

Hatramin’ny niorenan’ny Tempolin’i Nauvoo tamin’ny 1840, dia tempoly mihoatra ny 300 no naorina na nambara. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Fantatsika fa zava-dehibe amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika ary ny famonjena sy ny fisandratan’ny fianakaviantsika ny fotoanantsika ao amin’ny tempoly. … Mitombo be hatrany hatrany ny fanafihan’ny fahavalo, na eo amin’ny heriny izany na eo amin’ny karazany. Tsy mbola lehibe toy izao ny filantsika mandeha matetika tsy tapaka any amin’ny tempoly” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 114). Ahoana no fomba nanampian’ny tempoly anao hahatohitra ny “fanafihan’ny fahavalo”? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanarahana ny torohevitry ny Filoha Nelson?

Jereo koa ny “Pourquoi les saints des derniers jours construisent des temples,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:45–55

Mitahy ny olona miezaka mankatò ny didiny ny Tompo.

Nodidina hanangana tempoly tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny Olomasina saingy “nosakanan’ny fahavalony” izy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:51). Ny andininy 49–55 dia ahitana hafatra mifono fanomezan-toky ho an’ny olona izay te hankatò ny didin’ Andriamanitra nefa tsy afaka manao izany noho ny fianakaviany na toe-javatra hafa. Inona no torohevitra hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy ny olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92

sary famantarana ny seminera
Afaka mitarika ahy amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika ny Tompo.

Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith Rainy, izay rain’i Mpaminany, dia niantso an’i Hyrum Smith hanao ny antso izay nohazonin’ny rainy ny Tompo, dia ny Patriariky ny Fiangonana izany. Afaka mamaky momba izany ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124: 91–92.

Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny tantaran’ireo patriarika sy ny tsodranon’ny patriarika dia tsindrio eto.

Ahoana no hamariparitanao ny tsodranon’ny patriarika amin’ny olona iray izay tsy mbola nahare momba izany mihitsy? Inona no holazainao mba hamporisihana olona iray handray izany? Mitadiava valiny ho an’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny hafatry ny Loholona Randall K. Bennett hoe “Ny tsodranonao avy amin’ny patriarika, fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra” (Liahona, mey 2023, 42–43).

Saintsaino miainga avy amin’ny zavatra nohalalininao sy niainanao ny fomba hamenoanao ity fehezan-teny ity: “Ny tsodranon’ny patriarika dia toy ny .” Nahoana ny Ray any An-danitra no maniry ny handraisan’ireo zanany tsodranon’ny patriarika?

Raha toa ka tsy mbola nahazo tsodranon’ny patriarika ianao dia inona no azonao atao mba hiomanana hahazo izany? Raha efa nandray tsodranon’ny patriarika ianao dia ahoana no ahafahanao mampiseho amin’ Andriamanitra fa sarobidy aminao ilay fanomezana?

Jereo koa ny Kazuhiko Yamashita, “Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika,” Liahona, mey 2023, 88–90; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 18.17, Médiathèque de l’Évangile.

Mampianara avy amin’ny fo. Faran’izay manan-danja ny fampianarana rehefa ahitana zavatra niainan’ny tena manokana sy fijoroana ho vavolombelona. Ohatra, raha efa nahazo tsodranon’ny patriarika ianao dia jereo indray ny votoatin’izany eo am-piomananao hampianatra momba ireny tsodrano miavaka ireny. Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny tsodrano azonao? Ahoana no hanentananao ny hafa hiomana handray ny azy ireo na handalina matetika kokoa momba ny tsodranon’ny patriarika?

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20

Tia ny fahitsiana i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20, dia afaka manampy azy ireo ianao hanao sarina fo taratasy sy hanety izany. Afaka manampy azy ireo ianao hanoratra andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo eo amin’ireo sarina fo. Ny hira iray toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao’ (Bokin-kiran’ny ankizy, 81) dia azo hanamafisana ny tenin’ny Tompo.

  • Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15, 20 ianareo dia azonao atao angamba ny manampy ny ankizy hitady ny dikan’ny hoe miaina amim-pahitsiana ao amin’ny pejy 31 an’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Inona no nolazain’ny Tompo manokana momba an’i George Miller ao amin’ny andininy 20 “noho ny fahitsian’ny fo[n’i George]”? Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra avy amin’ny zavatra niainanao na avy amin’ny gazetiboky Namana izay ahitana ankizy naneho fahitsiana. Asao ny ankizy hametraka tanjona iray mba haneho fahitsiana amin’ity herinandro ity ary hitantara aminao ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa manao izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–29, 39

Mandidy ny vahoakany mba hanangana tempoly i Jesoa.

  • Mety hankafy hijery sarina tempoly ny ankizy, isan’izany ny tempoly taloha iray sy ny tempoly iray any akaikin’ny toerana ipetrahan’izy ireo (jereo ny ChurchofJesusChrist.org/temples/list). Afaka mampiasa ireo sary ireo sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:39 ianao mba hanazavana fa nandidy lalandava ny vahoakany mba hanorina tempoly i Jesoa Kristy, fahiny sy amin’izao androntsika izao (jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity).

  • Raha mipetraka any akaiky kelin’ny tempoly iray ianareo, dia hevero ny hitondra ny ankizy ao ary handehandeha amim-panajana fatratra eo amin’ny tokotanin’ny tempoly. Asao izy ireo hitady ireo teny hoe “Hamasinina ho an’ [ny Tompo]—Ny tranon’ [ny Tompo]” eo ivelan’ny tempoly. Resaho amin’ny ankizy ny dikan’ireo teny ireo.

  • Hevero ny hampiasa ireo hevitra ao amin’ny “Atao batisa sy raisina ho mpikambana ho an’ireo razambe” ao amin’ny tovana A mba hanampiana ny ankizy hiandrandra ilay andro hahafahan’izy ireo miditra ny tempoly (jereo koa ny “Ny tempoly sy ny drafitry ny fahasambarana” ao amin’ny tovana B).

Ny tempolin’i Solomona

Solomon’s Temple [Ny tempolin’i Solomona], nataon’i Sam Lawlor

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92

Hitahy ahy amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika ny Tompo.

  • Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:91–92 ianareo dia ampio ny ankizy hahita ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Hyrum Smith mba hataony. Miresaha momba ny atao hoe tsodranon’ny patriarika: tsodrano manokana izay ampianaran’ny Tompo antsika momba ny tenantsika sy izay tiany hataontsika sy hahatongavantsika. Hevero ny hampiasa ny fizarana “Fandraisana ny tsodranon’ny patriarika” ao amin’ny tovana A mba hanampiana ny ankizy hiomana handray tsodranon’ny patriarika.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

sary hosodoko maneho ny Tempolin’i Nauvoo

The Nauvoo Temple [Ny tempolin’i Nauvoo], nataon’i George D. Durrant

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy