“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fonjan’i Liberty,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fonjan’i Liberty,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Fonjan’i Liberty
Fony izy nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty Missouri dia naharay taratasy i Joseph Smith izay nampahafantatra azy momba ny toe-javatra nampidi-doza niainan’ny Olomasin’ny Andro Farany izay noterena hiala ny faritany tamin’ny alalan’ny baiko avy amin’ny governora. Nisy taratasy nampihetsi-po avy amin’i Emma vadiny. Ny teny nolazainy, sy ny taratasy namalian’i Joseph izany, dia samy nilaza ny fijalian’izy ireo sy ny finoany nandritra io fotoan-tsarotra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana io.
Notanana tao amin’io fonja io i Joseph Smith sy ireo olona hafa tamin’ny ririnin’ny taona 1838–39.
Taratasy nosoratan’i Emma Smith ho an’i Joseph Smith, 7 martsa 1839
Ry vady malalako
Manandrana manoratra ho anao aho satria afaka mandefa ity taratasy ity amin’ny alalan’ny namana iray, saingy tsy hotantaraiko eto daholo ny zavatra tsapako rehetra noho ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao, ireo rindrina, ireo bara vy, ary ireo hidim-baravarana, ny renirano mikoriana, ny tendrombohitra avo, ny lohasaha lalina, ary ny sahalava midadasika izay manasaraka antsika, ary ny tsindry hazo lena mahatsiravina izay nampidoboka anao am-ponja sy mbola mihazona anao any hatramin’izao, sy ny zavatra maro hafa, dia mahatonga ny zavatra tsapako ho tsy hay lazaina.
Raha tsy noho ny fahafantarako fa tsy manan-tsiny isika, ary raha tsy noho ny firotsahan’ny famindram-pon’ Andriamanitra an-tsehatra, dia azoko antoka fa tsy ho afaka ny hiaritra ny fijaliana izay niainako aho … ; saingy mbola velona aho ary mbola vonona ny hijaly kokoa raha sitrak’ilay Andriamanitra tsara ny mbola hiaretako izany ho anao.
Salama daholo izahay amin’izao, afa-tsy i Fredrick izay tena marary.
I Alexander kely izay trotroiko amin’izao fotoana izao dia zazakely faran’izay mahafinaritra tokoa. Matanjaka tokoa izy ka raha afaka mitehina amin’ny seza dia mihazakazaka manerana ny efitrano. …
Tsy misy mahalala afa-tsy Andriamanitra ny zavatra neritreretiko tato an-tsaiko sy ny zavatra tsapako tato am-poko rehefa nandao ny trano fonenantsika aho, sy ny ankamaroan’ny fananantsika rehetra afa-tsy ireo zanatsika mbola kely, ary nandeha nivoaka ny faritanin’i Missouri, namela anao ho voatana samirery ao amin’izany fonja izany. Mafy noho izay zavatra voatery iainan’ny olon-kafa ny mieritreritra ny fandaozana anao sy ny tokantranontsika.
… Manantena aho fa mbola hisy andro hamiratra ho antsika. … Amim-pitiavana lehibe.
Emma Smith
Taratasy nosoratan’i Joseph Smith ho an’i Emma Smith, 4 aprily 1839
Ho an’ny vady malalako be fitiavana.
Tamin’ny alakamisy hariva aho dia nipetraka raha iny nody masoandro iny indrindra, teo am-pitazananay teo amin’ireo bara vy an’ity fonja mitoka-monina ity, mba hanoratra aminao ka hahafantaranao ny toe-javatra iainako. Mino aho fa eo amin’ny dimy volana sy enina andro eo izay no lasa hatramin’ny niambenan’ny mpiambina masiaka endrika ahy andro aman’alina, sy ny naha-tato anatin’ireo rindrina sy bara vy ahy ary ireo varavaram-by mikarantsan’ny fonja iray mitoka-monina sy maizina ary maloto. Andriamanitra irery no mahafantatra ny fihetseham-po izay entiko hanoratana ity taratasy ity. Tsy misy soratra na fomba fiteny afaka milaza ny zavatra ato an-tsaiko ato anatin’izao toe-javatra iainako izao, na anjely na hosodoko afaka hilaza izany amin’ny olona izay tsy mbola niaina mihitsy ny zavatra izay iainanay. … Tsy miantehitra amin’iza na iza afa-tsy amin’ny sandrin’i Jehovah izahay mba hanafaka anay, ary raha tsy manao izany Izy, dia tsy hisy izany, tena azo antoka ny amin’izany, satria maro ny olona mifofo ny ainay eto amin’ity faritany ity. Tsy noho ny fahamelohanay na amin’ny inona na inona anefa izany. … Ry Emma malalako, mieritreritra anao sy ireo zanatsika foana aho. … Te hahita an’i Frederick kely, sy i Joseph, i Julia, i Alexander, i Joana, ary i major be [ilay alikan’ny fianakaviana] aho. … Amin-kafaliana tokoa no handehanako any aminareo avy aty tsy manao kiraro, tsy misatroka, ary zara raha mitafy, mba hahita anareo sy hieritreritra fa ho fifaliana lehibe ho ahy izany, ary tena hahafinaritra tokoa. … Zakaiko amin-kerim-po ny tsindry mahazo ahy, ary toy izany koa ireo izay miaraka amiko. Tsy mbola nisy taminay no nilavo lefona. Aza avela hisy hanadino ahy [ireo zanatsika]. Lazao azy ireo fa tia azy amin’ny fitiavana lavorary i Dada, ary manao izay rehetra azony atao izy mba hialana amin’ireo andian’olona mpihetraketraka mba hankanesana any amin’izy ireo. … Lazao azy ireo fa tokony ho zaza hendry izy ireo hoy i Dada, ary hihaino ny renin’izy ireo. …
“Amim-pitiavana,
Joseph Smith Zanany