“20–26 ôktôbra: -Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Liberty Jail [Fonjan’i Liberty], nataon’i Welden Andersen
20–26 ôktôbra: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123
Nantsoina hoe “tranomaizina” ny tany amin’ny farany ambanin’ilay fonjan’i Liberty, Missouri. Natevina ireo rindrina, nangatsiaka sy naloto ny vato teo amin’ny tany, zara raha nisy sy nasiso ny sakafo, ary ny hany hazavana niditra tao dia avy teo amin’ny varavarankely tery dia tery anankiroa nisy bara vy, teo akaikin’ny valindrihana. Tao amin’io toerana io no nijanonan’i Joseph Smith sy ireo olona hafa vitsivitsy nandritra ny efa-bolana faran’izay nangatsiaka nandritra ny ririnin’ny taona 1838–39. Nandritra io fotoana io dia nahazo vaovao tsy tapaka momba ny fijalian’ny Olomasina i Joseph. Volana vitsy monja no naharetan’ny fandriampahalemana sy ny fananana fanantenana izay tsapa tao Far West, dia efa tsy nanan-kialofana sahady indray ny Olomasina, noterena handeha tany an-tany foana mba hitady toerana hafa iray tsy fantatra hanombohana indray, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tany am-ponja ny Mpaminanin’izy ireo.
Kanefa, na dia tao amin’izany fonja nampivarahontsana izany aza, dia nisy “fahalalana avy any an-danitra” nidina”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33). Novalina mazava sy tamin-kery ilay fanontanian’i Joseph hoe “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?”: “Aza matahotra … , fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1; 122:9).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10, 23–33; 122
Afaka ny “ho soa ho [ahy]” ny fahoriana rehefa miaraka amin’ Andriamanitra.
Rehefa mijaly isika na ireo olona tiantsika dia tsy mahagaga raha manontany tena isika raha toa ka mba mahafantatra antsika Andriamanitra. Eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6 dia eritrereto ireo fotoana izay nanananao fanontaniana na fahatsapana mitovy amin’ny an’i Joseph Smith. Inona no hitanao ao amin’ny valinteny nomen’ny Tompo ka mety hanampy anao rehefa manana ireo fanontaniana na fahatsapana ireo ianao? Ohatra, jereo ao amin’ny andininy 7–10, 26–33 ireo fitahiana izay nampanantenainy. Inona no dikan’ny hoe “[miaritra] tsara”? Ahoana no fomba hanampian’ny Mpamonjy anao hanao izany?
Rehefa mamaky ny fizarana 122 ianao dia eritrereto ny fomba tian’ny Tompo hiheveranao ireo fahorianao. Mety hisaintsaina ireo zavatra niainana avy amin’ireo fitsapana nolalovanao sy ny fomba mety hahatonga azy ireny “ho soa ho anao” ianao (andininy 7).
Jereo ihany koa ny Quentin L. Cook, “Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra,” Liahona, nôv. 2021, 89–92; “Où pourrais-je chercher?,” Cantiques, no. 68.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46
Mifototra amin’ireo “fitsipiky ny fahamarinana” ny tena hery sy fitaomana.
Nanery ny Olomasina hiala tao Missouri ny herin’izao tontolo izao ary nampiditra an’i Joseph Smith am-ponja. Saingy nandritra ny fotoana nijanonan’i Joseph tao, dia nampianatra azy momba ny karazana hery iray hafa ny Tompo, dia “ny herin’ny lanitra.” Afaka manampy anao hianatra ny fomba hahazoana izany hery izany, sy ny fomba hampiasana izany mba hitahiana ny hafa ny famakiana momba izany hery izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46. Azonao atao tsara ny mirakitra an-tsoratra ny zavatra nianaranao ao anatina tabilao misy tsanganana mitondra ny anarana hoe Herin’ny lanitra sy Herin’izao tontolo izao. Inona no tsy mampitovy ireo karazana hery roa ireo? Inona no ampianarin’ireo famaritana ny herin’ny Tompo ireo anao momba Azy?
Azonao saintsainina koa ilay teny hoe fitaomana ao amin’ny andininy 41. Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany izay tianao hahitana ny tenanao ho fitaomana ho amin’ny tsara ao anatiny, ohatra hoe ao anatina fifandraisan’ny mpianakavy, any an-tsekoly, any am-piasana, na amin’ny andraikitra ao am-piangonana? Inona no ianaranao ao amin’ny andininy 41–46 mikasika ny fomba hitaoman’ Andriamanitra ireo zanany? Azonao fintinina ny zavatra nianaranao amin’ny alalan’ny famenoana fehezan-teny tahaka ity iray ity: “Mba hitaomako ny olona amin’ny tsara dia … aho.”
Jereo ihany koa ny Jeffrey R. Holland, “Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2021, 35–38; David A. Bednar, “Ireo herin’ny lanitra,” Liahona, mey 2012, 48–51; “Ireo herin’ny lanitra” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.
"The Powers of Heaven"
Makà andian-teny iray ka halalino amin’ny antsipiriany izany. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo fitahiana mahatalanjona voafariparitra ao amin’ny andininy 45–46, dia afaka maka andian-teny iray manan-danja aminao ianao ary mandalina izany amin’ny antsipiriany. Ohatra, inona no dikan’ilay teny hoe mandravaka ary ahoana no ahafahan’ny hatsaram-panahy mandravaka ny eritreritrao? Na, azonao atao koa ny mitady sarina ando ary mianatra mikasika ny fomba iforonan’ny ando eo amin’ireo zavamaniry. Inona no mampitovy izany amin’ny fomba ampianaran’ny Tompo ny fotopampianarany? Zarao amin’ny fianakavianao na ny namanao ny zavatra hitanao, ary tafiditra ao anatin’izany ireo namanao any am-piangonana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8
Nidina tambanin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy mba hahafahany manandratra ahy.
Midika inona aminao ny filazana fa “nidina tambanin’ … [ny zavatra] rehetra” i Jesoa Kristy? Ireto misy andinin-tsoratra masina vitsivitsy fanampiny izay afaka ny hanampy anao hahatakatra io andian-teny io: Isaia 53:3–4; Hebreo 2:17–18; 1 Nefia 11:16–33; Almà 7:11–13. Avereno lazaina amin’ny teninao manokana, miainga avy amin’ny zavatra ianaranao, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8. Ahoana no ahafahanao maneho ny fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy noho ny fidinany ambanin’ny zava-drehetra?
Inona no fiantraikan’ity hevitra avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ity amin’ny fahatakaranao? “Mety hilaza mihitsy aza isika fa rehefa nidina ho ambanin’ny zava-drehetra [i Jesoa Kristy] dia Izy Tenany no mitana ny anjara toerana tsara indrindra mba hanandratra antsika sy hanome ny tanjaka ilaintsika mba hahafahantsika miaritra ny fahoriantsika” (“Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 64).
Ampahan-tsary avy amin’ny Not My Will, but Thine [Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao], nataon’i Walter Rane
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123
“Aoka isika hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika.”
Niresaka ireo finoana diso izay nitondra ho amin’ny fahoriana i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:7–8, tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana ireo Olomasina. Mety ho toy ny hoe tsy nisy zavatra firy azon’ny Olomasina natao momba izany tamin’ny martsa 1839. Kanefa nolazain’i Joseph azy ireo tao amin’ny taratasiny izay nosoratany tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny zavatra azon’izy ireo atao, dia ny: “manangona ny filazalazana momba ireo fihetsika … rehetra” sy “hahajoro … omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:1, 17). Eo am-pieritreretanao ireo olana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia eritrereto ireo fomba hiatrehana izany araka “izay tratry ny heri[nao]” (andininy 12, 17). Ary aza tsinontsinoavina ireo izay heverina ho toy ny “zavatra madinika” (andininy 15). Nahoana no manan-danja ny manao ireo zavatra ireo amim-pahazotoana? (andininy 17).
Maro amin’ireo tantara izay nangatahan’i Joseph tao amin’izany taratasy izany no naterina tany amin’ny governemanta ary navoaka tamin’ny fomba miantoana miisa 11 tao amin’ny gazety iray tao Nauvoo, ny Times and Seasons (Fotoana sy vanim-potoana) (jereo ny “A History, of the Persecution, of the Church of Jesus Christ, of Latter Day Saints in Missouri, December 1839–October 1840,” [josephsmithpapers.org]).
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–9; 122:7–9
Afaka ny ho soa ho ahy ireo fitsapana nolalovako raha miaraka amin’ Andriamanitra aho.
-
Mba hanampiana ny ankizy haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany tao amin’ny Fonjan’i Liberty izany ho an’i Joseph Smith sy ireo namany, dia afaka miara-mamaky ny “Toko 46: I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 172–74) na ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fonjan’i Liberty” ianareo. Aorian’izay, rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–9 ianareo dia afaka miresaka mikasika ny fomba nanampian’ny Mpamonjy an’i Joseph hahatsapa fiadanana. Ahoana no ahazoantsika fiadanana ao amin’ny Mpamonjy, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza?
1:51Chapter 46: Joseph Smith in Liberty Jail: November 1838–April 1839
62:4Joseph Smith: The Prophet of the Restoration
-
Mba hanampiana ny ankizy hahafantatra fa afaka ny “ho soa ho [antsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7) ireo fitsapana lalovantsika, dia afaka miresaka amin’izy ireo momba ny fomba fitombon’ny hozatsika rehefa mitondra zavatra mavesatra ianao. Azonao atao mihitsy aza ny manasa azy ireo hibata zavatra mavesatra iray. Avy eo dia afaka miresaka momba ny fomba ahafahan’ny fandalovana ao anatin’ny fotoan-tsarotra manampy ny fanahintsika mba hitombo ianareo, rehefa mitodika any amin’ny Tompo isika mba hahazo fanampiana. Mizarà ohatra vitsivitsy avy amin’ny fiainanao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46
Mitondra ny “herin’ny lanitra” ny fahamarinana.
-
Mety hanampy ny ankizy angamba ny fanoharana iray mba hahatakarana momba ny “herin’ny lanitra.” Ohatra, azonareo ampitahaina amin’ny herinaratra ny herin’ Andriamanitra. Inona no mety hanakana ny fitaovana iray mandeha amin’ny herinaratra tsy handray hery? Inona no mampihena ny herintsika ara-panahy? Inona no mampitombo izany? (Mitadiava teny sy andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46; jereo koa ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.5, 3.6, Médiathèque de l’Évangile.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–9
Fantantr’i Jesoa Kristy ny zavatra lalovako.
-
Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–9 miaraka amin’ny ankizy, dia afaka mizara zavatra niainana iray ianao izay nahatsapanao fa niaraka taminao ny Mpamonjy nandritra ny fitsapana sarotra iray. Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray toy ny “Jesoa anie fahiny koa mba zaza tahaka ahy”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 34) sy mijoro ho vavolombelona fa afaka manampy antsika i Jesoa Kristy satria fantany ny zavatra tsapantsika.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:15–17
Na ny zavatra madinika aza dia afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:15–17, dia afaka mizara amin’izy ireo sarina sambo lehibe iray sy familian-tsambo kely iray ianao, na mizara amin’izy ireo ny fanazavana nomen’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Ireo fitsipiky ny filazantsarako” (Liahona, mey 2021, 125–26). Avy eo dia afaka miresaka momba ireo fomba madinika azontsika hanompoana amim-pifaliana ny fianakaviantsika sy ny namantsika ianareo.
“The Principles of My Gospel”
Ny ezaka kely ataontsika dia afaka manova zavatra lehibe tahaka ny familian-tsambo kely amin’ny sambo lehibe iray.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.