Doctrine and Covenants 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fisehoana ara-panahy sy ny Tempolin’i Kirtland


“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Fisehoana ara-panahy sy ny Tempolin’i Kirtland,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fisehoana ara-panahy sy ny Tempolin’i Kirtland,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary famantarana ny feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Fisehoana ara-panahy sy ny Tempolin’i Kirtland

sary hosodoko maneho ny Tempolin’i Kirtland

Ireto eto ambany eto ireto ny tenin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny Tempolin’i Kirtland nandritra ny fanokanana izany sy tao amin’ireo fivoriana hafa nanaraka izany. Maro no nampitaha ny zavatra niainany tamin’ny zavatra niainan’ireo Olomasina fahiny rehefa “[notafiana … ta]min’ny hery avy any amin’ny avo” izy ireo tamin’ny andron’ny Pentekôsta (Lioka 24:49; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 2:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:36–37).

Eliza R. Snow

Portrait photograph of Eliza R. Snow seated in a chair.

“Mety azo haverina ireo fombafomba natao nandritra io fitokanana io, saingy tsy misy teny afaka mamariparitra ny zava-nitranga masina tamin’io andro manan-tantara io. Nisy anjely niseho tamin’ny olona sasany, ary nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra kosa ny rehetra nanatrika teo, ary heniky ny -fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra ny fo tsirairay.-”

Sylvia Cutler Webb

“Iray amin’ireo zavatra tsaroako nitranga tamin’ny fahazazako ny fanokanana ny tempoly. Niampofo anay ny dadako ary nilaza taminay ny antony handehananay any sy ny lanjan’izany hoe manokana tranon’ Andriamanitra izany. Ary na dia tena mbola kely aza aho tamin’izany dia tadidiko tsara ilay fotoana. Afaka manao jery todika ireo zavatra nitranga tamin’ny lasa aho ary mahita tahaka ny nahitako ny Mpaminany Joseph nijoro naninjitra ny tanany nanondro ny lanitra, ny endriny hatsatra tokoa, ny ranomasony nikoriana teo amin’ireo takolany rehefa niteny izy tamin’io andro tsy hay hadinoina io. Efa saika ho latsa-dranomaso avokoa ny rehetra. Hipoka olona ilay tempoly ka nampofoin’ny olon-dehibe ny ankamaroan’ireo ankizy. Nampofoin’ny raiko ny rahavaviko ary izaho nampofoin’ny reniko. Mbola tadidiko na ny akanjo nanaovanay aza. Mbola kely loatra aho tamin’izay fotoana izay ka tsy nahatakatra ny hevitr’izany iray manontolo ny saiko, saingy rehefa nandeha ny fotoana dia nihanahatakatra izany aho, ary feno fankasitrahana aho fa nahazo tombontsoa lehibe tamin’ny fanatrehana izany.”

Oliver Cowdery

Head and shoulder portrait of Oliver Cowdery in suit and tie.

“Niara-nivory tamin’ireo mpiandraikitra tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny tranon’ny Tompo aho ny hariva. Nirotsaka ny Fanahy. Nahita ny voninahitr’ Andriamanitra aho, tahaka ny rahona lehibe, nidina ary nitoetra teo ambonin’ny tempoly, ary nameno ny tempoly toy ny rivotra mahery mifofofofo. Nahita lela mitarehin’afo ihany koa aho, tahaka ny afo nitoetra teo ambonin’ny olona maro, … teo am-pitenenan’izy ireo tamin’ny fiteny hafa sy naminanian’izy ireo.”

Benjamin Brown

“Nisy fahitana maro hita. Nisy olona iray nahita ondana na rahona nidina teo ambonin’ny tempoly, izay namiratra toy ireny rehefa mamiratra eny amin’ny rahona tahaka ny volamena ireny ny masoandro. Nisy olona roa hafa nahita olona telo nanetsiketsika fanalahidy namiratra teny an-tanany tao anatin’ny efitrano, ary rojo vy namiratra ihany koa teny an-tanan’izy ireo.”

Orson Pratt

Portrait engraving of Orson Pratt

“Tao Andriamanitra, tao ireo anjeliny, niaraka tamin’ny olona ny Fanahy Masina … ary heniky ny fitaoman’ny Fanahy Masina hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladihany izy ireo.”

Nancy Naomi Alexander Tracy

“[Rehefa] vita sy natokana ny tempoly … dia ireo no andro roa mahafaly indrindra teo amin’ny fiainako. Ilay hira sahaza tsara izay nosoratana sy narindra ho an’ilay fotoana dia ny -Fanahin’ny Ray mitarehin’afo.- Tena marina tokoa fa nitoetra tao amin’izany tempoly izany ny fitaoman’ny Lanitra. Tsapako fa lanitra teto an-tany izany.”

Fanamarihana

  1. Ao amin’ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 95.

  2. Ao amin’ny Karl Ricks Anderson, Joseph Smith’s Kirtland: Eyewitness Accounts (1996), 182–83.

  3. Diarin’i Oliver Cowdery, 27 mar.1836, Tranom-bokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  4. Taratasy nosoratan’i Benjamin Brown ho an’i Sarah vadiny, teo ho eo amin’ny aprily 1836, zavatra nangonin’ny fianakaviana Benjamin Brown, Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ny mari-piatoana sy ny sora-baventy.

  5. Orson Pratt, “Remarks,” Deseret News, Jan. 12, 1876, 788.

  6. Ao amin’ny edisiôna nataon’i Richard E. Turley Jr. sy Brittany A. Chapman, Women of Faith in the Latter Days (2011), 1:442.