“13–19 ôktôbra: -Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany-”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Far West, Missouri, nataon’i Al Rounds
13–19 ôktôbra: “Ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115–120
Nanana antony tsara naha-velom-panantenana azy ireo ny Olomasina tamin’i Far West, Missouri izay toerana vaovao natao iangonan’izy ireo. Nivoatra haingana ilay tanàna, toa namokatra sy nanankarena ilay tany ary tsy lavitra teo no nisy an’i Adama-Ondia-Amàna, toerana iray izay manan-danja lehibe tokoa ara-panahy tany aloha tany sy any aoriana any (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:53–56; 116). Na dia izany aza dia mety ho mafy tamin’ireo Olomasina ny tsy hieritreritra momba ny zavatr’izy ireo izay very. Ankoatra ny nanerena azy ireo hiala tao Independence, izay renivohitr’i Ziona, dia tsy maintsy nitsoaka niala tao Kirtland ireo Olomasina, nandao ny tempoly malalan’izy ireo roa taona monja taorian’ny nahavitana an’ilay tempoly. Ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy ireo fahavalo ivelan’ny Fiangonana fotsiny no niteraka olana. Betsaka ireo mpikambana fanta-daza no nivadika tamin’i Joseph Smith, tao anatin’izany ny mpikambana miisa efatra tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Naleon’ireo mahatoky nanohy tsotra izao nanangana an’i Ziona tany Far West tamin’ity indray mitoraka ity, toy izay hifantoka tamin’ireo zavatra nafoin’izy ireo. Nanao drafitra ny hanorina tempoly vaovao izy ireo. Nisy Apôstôly vaovao miisa efatra nantsoina. Takatr’izy ireo fa ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra dia tsy midika hoe tsy lavo mihitsy ianao. Midika izany hoe “hiarina indray” ianao. Ary na dia tsy maintsy hahafoy zavatra aza ianao, ireny fahafoizan-tena ireny dia masina amin’ Andriamanitra, eny “ho masina kokoa … noho ny fitomboa[nao] ” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:13).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:3–6
Manan-danja amin’ny Tompo ny anaran’ny Fiangonana.
Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa “tena zavatra manan-danja” ny anaran’ny Fiangonana (“Ny anarana marin’ny Fiangonana, Liahona, nôv. 2018, 87). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6 ianao dia eritrereto hoe nahoana no marina izany. Inona no ifandraisan’ny anaran’ny Fiangonana amin’ny iraka nampanaovina azy sy ny asany?
Jereo koa ny 3 Nefia 27:1–11.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6
Manolotra “fialofana amin’ny tafio-drivotra” i Ziona sy ireo tsatòkany.
Rehefa mandalina ilay sarin-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6 ianao, dia saintsaino ny anjara asa tian’ny Tompo hotanterahinao, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anao. Ohatra, inona no azonao atao mba “[hitsangana] ary [hamirapiratra]” na “ho faneva ho an’ireo firenena”? (andininy 5). Inona no tafio-drivotra ara-panahy tsikaritrao manodidina anao? Ahoana no ahitanao “fialofana” amin’ny alalan’ny fiaraha-mivondrona? (andininy 6).
Jereo koa ny “Brillamment, l’amour du Père,” Cantiques, no. 151b.
Afaka ny ho fahazavana sy fialofana ao anatin’ny tafio-drivotra ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117
Masina amin’ny Tompo ny fahafoizan-tenako.
Alaivy sary an-tsaina hoe i Newel K. Whitney na i Elizabeth vadiny ianao, izay niaina fiainana niroborobo tokoa tao Kirtland kanefa dia nasaina niala tao avy eo. Inona no hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11 izay mety ho nanampy anao hanao izany fahafoizan-tena izany? Inona no fahafoizan-tena ataonao ho an’ Andriamanitra? Inona no ampianaran’ireo andininy ireo anao momba ny hoe iza Andriamanitra ary inona no ataony?
Tsy mitovy amin’izay nangatahina tamin’i Whitney ny fahafoizan-tena izay nangatahina tamin’i Oliver Granger: Notendren’ny Tompo mba hijanona tao Kirtland izy ary handamina ny toebolan’ny Fiangonana. Na dia nisolo tena ny Fiangonana tamim-pahamarinan-toetra tanteraka aza izy dia tsy dia nahomby loatra izy tamin’ny farany. Saintsaino hoe ahoana no ahafahana mampihatra ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–15 amin’ireo zavatra izay nangatahiny taminao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20
Manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra ny fahafolonkarena atolotro.
Ireo fampianarana ao amin’ny fizarana 119 sy 120 dia manazava ny atao hoe fahafolonkarena: mandoa ny “iray ampahafolon’ny” vola miditra amintsika (na ny karamantsika) isan-taona isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:4). Ireo fanambarana ireo anefa dia milaza zavatra mihoatra noho ny fanomezana famaritana fotsiny ihany. Nilaza tamin’ny Olomasina ny Tompo fa “manamasina … ny tanin’i Ziona” ny fahafolonkarena. Ary raha tsy misy io lalàna io, hoy Izy, dia “tsy ho … Ziona ho anareo” (andininy 6) izany. Efa nieritreritra ny fahafolonkarena tamin’io fomba io ve ianao? Ahoana no hanampian’ny fandoavana fahafolonkarena anao ho masina kokoa, ho vonona kokoa ho an’i Ziona?
Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba ampiasan’ireo mpanompon’ny Tompo ny vola avy amin’ny fahafolonkarena? Inona no manan-danja aminao ao amin’ilay fehezan-teny hoe “amin’ny alalan’ny feoko ho azy ireo” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120?
Ny Loholona David A. Bednar dia nanome fanazavana vitsivitsy mikasika ny fomba ampiasana ny fahafolonkarena sy ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana io lalàna io ao amin’ny “Ny varavaran’ny lanitra” (Liahona, nôv. 2013, 19–20). Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ny hafany ianao:
The Windows of Heaven
-
Iza no manapaka ny fomba hampiasana ny fahafolonkarena rehefa avy aloa amin’ny Fiangonana izany?
-
Inona no ampiasana ny fahafolonkarena?
-
Inona ireo fitahiana azo vokatry ny fandoavana fahafolonkarena? Ohatra, ahoana no hanamafisan’ny fandoavana fahafolonkarena ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no azonao ianarana avy amin’ny fanasana nataon’ny Loholona Bednar?
-
Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hampitombo ny finoany ny lalàn’ny fahafolonkarenan’ny Tompo?
Jereo koa ny Malakia 3:8–12.
Ampio ny hafa hampihatra ny zavatra nianarany. Na dia te handoa fahafolonkarena aza ny olona iray, dia tsy fantany ny fomba hanaovana izany indraindray. Raha mampianatra ny fianakavianao na ny kilasy iray ianao, dia makà fotoana kely hanazavana ny fomba fandoavana fahafolonkarena, na an-jotra izany na amin’ny alalan’ilay taratasy fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra hafa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,, 27.)
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–5
Izaho dia mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
-
Mba hanampiana ny ankizy hianatra ny anaran’ny Fiangonana sy hahatakatra ny antony maha-manan-danja izany, dia hevero ny hanontany raha misy afaka milaza ny anarana fenon’ny Fiangonana amin’izy ireo. Azonao atao koa ny mampiseho azy ireo ilay anarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4 ary manasa azy ireo hamerina izany miaraka aminao. Rehefa manao izany ianao dia hevero ny hisarika ny fifantohana amin’ireo teny manan-danja sy ny antony maha-manan-danja izany. Azonareo vakina koa ny “Toko 43: Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 164) na mihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48).
Chapter 43: Jesus Christ Names His Church: April 1838
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4–6
Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny ohatra asehoko.
-
Mety mahafantatra olona manana olana sy mila “fialofana” amin’ny “tafio-drivotra” (andininy 6) ny ankizy. Ahoana no ahafahan’izy ireo manampy ireo olona ireo? Asao ny ankizy hijoro hitsangana rehefa mamaky ny teny hoe mitsangàna ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5. Afaka maninjitra ny rantsantanany toy ny tara-masoandro izy ireo rehefa mamaky ny hoe mamirapirata ianao. Ampahatsiahivo ny ankizy fa avy amin’i Jesoa Kristy ny fahazavantsika, ary ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo mamirapiratra tahaka Azy.
-
Afaka manao sary maneho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6 ny ankizy. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manao sarina tafio-drivotra ahitana olona mialoka ao amina trano Fiangonana iray. Mety haneho inona ilay tafio-drivotra? Ahoana no hanomezan’ny Fiangonan’ny Tompo fanampiana? Ampio ny ankizy hieritreritra namana, olona ao amin’ny fianakaviana, na mpiara-monina iray mila fanampiana. Ahoana no ahafahantsika manasa azy ireo hahazo fanampiana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117
Masina amin’ny Tompo ny fahafoizan-tenako.
-
Asao ny ankizy mody hanao hoe i Newel K. Whitney izy ireo. Inona no mety ho tsapan’izy ireo raha mangataka azy ireo handao ny asa tena tsara ananan’izy ireo ny Tompo ary hifindra any amina toerana iray vaovao? (Mety hanampy ny mamaky ny “Toko 41: Korontana tao Kirtland,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 158–60.) Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11 ianareo, dia angataho ny ankizy hampiato anao rehefa mahare zavatra izay hanampy azy ireo hanana finoana hankatoavana ny Tompo izy ireo. Inona no fahafoizan-tena ataontsika mba hankatoavana ny Tompo? Ahoana no hitahiany antsika?
Chapter 41: Trouble in Kirtland: 1837–1838
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119–20
Mampiasa ny fahafolonkarena ny Ray any An-danitra mba hitahiana ireo zanany.
-
Maro amin’ny ankizy ampianarinao no mety ho kely loatra ka tsy afaka mitady vola sy handoa fahafolonkarena, saingy tsara ho azy ireo ny mahatakatra ny fomba itondran’ny fahafolonkarena anjara biriky amin’ny asan’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Ampiasao ireo sary sy ny pejin’ny sahanasa any amin’ny faran’ity lesona ity mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny atao hoe fahafolonkarena. (Jereo koa ny “Toko 44: Fahafolonkarena,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 165–66.) Ahoana no ampiasan’ny Ray any An-danitra ny fahafolonkarena mba hitahiana ireo zanany? Zarao ny fahatsapanao momba ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ny fomba nitahian’izany anao.
Chapter 44: Tithing: July 1838
Mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa mandoa fahafolonkarena.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.