“29 septambra–5 ôktôbra: -Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
A Glorious Light—Kirtland Temple [Fahazavana feno voninahitra—Tempolin’i Kirtland], nataon’i Glen S. Hopkinson
29 septambra–5 ôktôbra: “Izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109–110
Tsy tokony hivoha ireo varavaran’ny Tempolin’i Kirtland raha tsy tamin’ny valo ora ny marainan’ny 27 martsa 1836. Saingy nanomboka nilahatra vao maraina tamin’ny fito ora ireo Olomasina izay nanantena ny hanatrika ireo fivoriana fanokanana. Hipoka ilay toerana ka nila fivoriana faharoa mba hahafahana mampiditra ny rehetra. Ary tsy ireo velona ihany no maika fatratra ny hanatrika teo. Maro be ireo vavolombelona izay nahita anjely tao anatin’ny tempoly sy teny ambony tafo mihitsy aza nandritra sy taorian’ny fanokanana. Tena toy ireny hoe tonga ireny tokoa ireo tafiky ny lanitra mba “hihira, hidera, hihoby” miaraka amin’ny Olomasin’ny Andro Farany (“Fanahin’ny Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56).
Inona no anton’io fientanentanana lehibe avy ao amin’ny lafy roan’ny voaly io? Taonjato maro taty aoriana dia nisy tranon’ny Tompo indray teto an-tany. Notanterahin’ny Tompo ny fampanantenany hanafy ny Olomasiny “amin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Ary izany, raha ny nambarany, dia “fiandohan’ny fitahiana” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:10) fotsiny ihany. Ny vanim-potoana izay iainantsika ankehitriny, izay nanafaingana ny asa sy ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly izay azon’ny velona sy ny maty an-tapitrisany atao, dia niantomboka tao Kirtland rehefa “[nanomboka n]isinda ny voaly nanarona [ny tany]”(“ Fanahin’ny Ray”).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109
Manome ahy fitahiana sarobidy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny tempoly ny Tompo.
Ny Tempolin’i Kirtland dia miavaka amin’ireo tempoly izay fantatsika amin’izao fotoana izao. Tsy nisy alitara sy dobo fanaovana batisa tao tamin’izany, ohatra. Fa ireo fitahiana voalazalaza ao amin’ny fizarana 109, sy ny vavaka fanokanana ho an’ny Tempolin’i Kirtland dia misy ao amin’ny tranon’ny Tompo ankehitriny ihany koa. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hitadiavana ny sasany amin’ireo fitahiana ireo, ary saintsaino ny fomba ahafahan’izany manamafy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Andininy 5, 12–13 (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:6–8): Afaka maneho ny Tenany amiko ny Tompo ao amin’ny tranony, ary afaka mahatsapa ny heriny aho.
Fitahiana hafa:
Raha efa tany amin’ny tranon’ny Tompo ianao, dia eritrereto ny fomba nahatanterahan’ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainanao.
Ilay hira hoe “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56) dia nosoratana ho an’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland, ary nanomboka teo dia nohiraina tamin’ny fanokanana tempoly rehetra izany. Hevero ny hihira na hihaino izany mandritra ny fandalinana na ny fitsaohana ataonareo. Inona avy ireo fitahian’ny tempoly hitanao resadresahina ao amin’io hira ao amin’ny fihirana io?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109
Ny vavaka dia fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra.
Ny fizarana 109 dia vavaka fanokanana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana). Inona no ianaranao momba ny vavaka avy amin’io fizarana io? Ohatra hoe, azonao raisina an-tsoratra ny zavatra nanehoan’ny Mpaminany fankasitrahana sy ireo fitahiana nangatahiny. Inona koa ny zavatra lazainy ao amin’io vavaka io? Rehefa mandalina ianao, dia afaka manombantombana ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra. Inona no ianaranao momba Azy sy ny Zanany avy amin’io vavaka io?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 1–10
Afaka maneho ny Tenany amiko ao amin’ny tranony ny Tompo.
Rehefa mamaky ireo famariparitana ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10 ianao, isan’izany ny sasin-tenin’ny fizarana, dia saintsaino ny zavatra tian’izany holazaina momba Azy.
Ahoana no hanehoan’i Jesoa Kristy ny Tenany, na hampahafantarany ny Tenany aminao, ao amin’ny tranony? Ahoana no hanampiany anao hahafantatra fa manaiky ny fahafoizan-tenanao Izy?
ny ao anatin’ny Tempolin’i Kirtland.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:10–16
Mitarika ny asany amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana ny Mpamonjy.
Nialoha indrindra ny nisehoan’i Mosesy sy i Elià ary i Elia tao amin’ny tempoly mba hamerina amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana, dia hoy i Jesoa Kristy: “Izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110: 10). Rehefa mamaky ny andininy 11–16 ianao dia eritrereto ireo fitahiana izay arotsaky ny Mpamonjy eo aminao amin’ny alalan’ny asa izay tarihin’ireo fanalahidy ireo. Ohatra:
-
Andininy 11: i Mosesy sy ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely (na ny asa fitoriana ny filazantsara). Ahoana no nitahian’ny Mpamonjy anao sy ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny ezaka izay ataon’ny Fiangonany amin’ny fitoriana ny filazantsara?
-
Andininy 12: i Elià sy ny fanalahidin’ny filazantsaran’i Abrahama, tafiditra ao anatin’izany ny fanekempihavanan’i Abrahama. Ahoana no ahafahan’ny Tompo mitahy anao sy ny “fara aman-di[mbinao]” noho ny fanekempihavanana ataonao? (Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022, 4–11; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Elià,” Médiathèque de l’Évangile.)
-
Andininy 13–16: i Elia sy ny herin’ny famehezana, miseho amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana. Nahoana raha ny hevitrao no tian’ny Ray any An-danitra hifandray amin’ireo razambenao amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly ianao? (Jereo ny Gerrit W. Gong, “Sambatra sy mandrakizay,” Liahona, nôv. 2022, 83–86.)
Inona no hitanao fa mampifandray an’ireo fanalahidy ireo amin’ireo andraikitsika amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fikarakarana ireo sahirana, fanasana ny rehetra handray ny filazantsara, ary ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay)?
Inona no traikefa azonao tamin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana? Inona no ampianarin’ireo traikefa ireo anao momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ary ny asany?
Mitadiava fomba hampandraisana anjara ny hafa. Raha mampianatra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16 ianao dia azonao heverina ny hanome andraikitra ny mpianatra tsirairay handalina momba an’i Mosesy, na i Elià, na i Elia sy ireo fanalahidy naveriny tamin’ny laoniny. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra. Ny fomba tahaka ity dia mampandray anjara ny rehetra amin’ny fianarana sy ny fampianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy , 24–27).
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13; 110:1–7
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.
-
Azonao sy ny ankizy atao ny miresaka zavatra tianareo momba ny tokantranonareo. Afaka mijery sarin’ny Tempolin’i Kirtland ianareo avy eo ary mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13; 110:1–7 mba hiresahana mikasika ny fomba nanokanana izany tempoly izany sy nahatongavan’izany ho ny tranon’ny Tompo (jereo koa ny “Toko 39: Notokanana ny Tempolin’i Kirtland,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 154). Mifampizarà zavatra tianareo momba ny tranon’ny Tompo.
2:17Chapter 39: The Kirtland Temple Is Dedicated: January–March 1836
-
Azonao sy ny ankizy atao ohatra ny maka sary an-tsaina hoe misy namana iray miezaka mitady ny tranonareo. Ahoana no hanampiantsika ilay namantsika hahafantatra hoe ilay aiza no tranontsika? Ahoana no ahafantarantsika fa ny tempoly no tranon’ny Tompo? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110
Mitahy ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana ny Mpamonjy.
-
Azonao ampiasaina ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity na ny “Toko 40: Ireo fahitana tao amin’ny tempolin’i Kirtland” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 155–57) mba hitantarana amin’ny ankizy momba ireo olona avy any an-danitra nitsidika ny tempoly. Afaka mampiasa ilay sary any amin’ny faran’ity lesona ity ihany koa ianao.
1:17The Kirtland Temple
-
Mba hianarana mikasika ny maha-zava-dehibe ny zavatra nitranga tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, dia afaka miresaka mikasika ny zavatra tontosain’ireo fanalahidy ianao sy ny ankizy. Azon’ny ankizy atao, ohatra, ny mifandimby mihazona lakile ary mody manao hoe manokatra varavarana mihidy. Ampio izy ireo hahita ny teny hoe fanalahidy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16, ary hiresaka momba ireo fitahiana izay vahan’ireo fanalahidy ireo. Azonao hazavaina fa ny fanalahidin’ny fisoronana dia fanomezan’ Andriamanitra lalana mba hitarika ny Fiangonany. Zarao ny fanehoanao fankasitrahana fa nomen’ny Tompo antsika ireo fanalahidin’ny fisoronana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15
Tian’ny Tompo hampody ny foko amin’ireo razambeko aho.
-
Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15 ianareo dia tantarao amin’ny ankizy ny zavatra iray niainanao izay nanampy anao hampody ny fonao tamin’ireo razambenao. Azonareo atao koa ny miaraka manao hira momba ny tantaram-pianakaviana.
-
Inona no mety hanampy mba “hampody ny fon’”ny ankizy amin’ny razamben’izy ireo? Afaka mahita hevitra mahafinaritra ianao ao amin’ny FamilySearch.org/discovery. Afaka miara-miasa ianareo mba hamantarana ireo razambe mila ôrdônansin’ny tempoly. Nahoana isika no tian’i Jesoa hanao ny asany?
Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.