Doctrine and Covenants 2025
22–28 Septambra: “Ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108


“22–28 septambra: -Ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

I Jesoa Kristy manome ny fahefan’ny fisoronana

22–28 septambra: “Ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

Amin’ny voalohany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 raha jerena dia mety ho toy ny hoe momba ny fandaminana ireo anjara fanompoan’ny fisoronana ho lasa rafitra hoenti-mitarika ny Fiangonan’ny Tompo fotsiny. Tamin’ny fotoana namoahana io fanambarana io dia efa nihoatra izay zakan’ireo mpitarika vitsy tao anatin’ny Fiangonana teo an-toerana ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tena nilaina sy tena nanampy ny fitanisana ireo anjara asa sy andraikitra sahanin’ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Fitopololahy, ny eveka, ary ireo fiadidian’ny kôlejy. Saingy mbola misy zavatra hafa maro anefa ao amin’ilay torolalana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ny fizarana 107 fa tsy mikasika ny fomba tokony handaminana ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana fotsiny ihany. Eto ny Tompo dia mampianatra antsika momba ny heriny sy ny fahefany: “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra” (andininy 3). Ny tanjon’ny fisoronana dia ny hamaha “ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana” mba hahafahan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra “manana ny lanitra misokatra eo anoloany” ary “manana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao” (andininy 18–19). Rehefa mampianatra antsika momba ny fisoronany ny Mpamonjy dia mampianatra antsika momba ny tenany sy ny fomba ahafahantsika manatona Azy Izy.

Jereo ny “Révélations dans leur contexte,” ao amin’ny Rétablir l’ordre ancien, 208–12.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106; 108

sary famantarana ny seminera
Manohana ahy ny Tompo rehefa miantso ahy hanompo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 sy 108 ny Tompo dia nanome torohevitra sy fampanantenana ho an’ny mpikambana miisa roa izay nantsoina hanompo tao amin’ny Fiangonany. Rehefa mandalina ny toroheviny ianao dia mety hieritreritra ireo fahafahana anananao manokana mba hanompo ny Tompo, mety hoe andraikitra hanompo, antso ao amin’ny Fiangonana, andraikitra ao amin’ny fianakavianao, na bitsika ara-panahy hanao ny tsara.

Inona no tsapanao fa hafatra omen’ny Tompo anao ao amin’ireo fanambarana ireo? Inona ireo andian-teny izay manan-danja manokana aminao? Ireto misy vitsivitsy azo dinihina:

Rehefa naharay andraikitra sarotra tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Carl B. Cook, dia zavatra niainan’ny razambe iray no nisintonany hery. Vakio ao amin’ilay hafany hoe Manompo” (Liahona, nôv. 2016, 110–12) ny mikasika izany. Hevero ny hanoratra taratasy hankaherezana ny taranakao, na ho an’ny tenanao manokana any aoriana any, mba hanaiky ireo fahafahana hanompo ny Tompo. Ampidiro ao amin’ny taratasinao ireo fahamarinana ianaranao avy amin’ny hafatry ny Loholona Cook, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106 sy 108, ary ny zavatra niainanao manokana.

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Mandehana miaraka Amiko,” Liahona, mey 2017, 82–85; “Warren Cowdery” sy “’Poussé par l’Esprit’” à rechercher une révélation,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 219–23, 224–28.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4, 18–20

Ny fisoronana dia “araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra.”

Ny Tompo dia manomboka ny “fanambara[ny] momba ny fisoronana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107, sasin-tenin’ny fizarana) amin’ny alalan’ny fampianarana antsika ny anaran’ny Fisoronana Melkizedeka tany am-boalohany (jereo ny andininy 1–4). Nahoana no zava-dehibe ny mahalala izany raha ny hevitrao? Manova inona amin’ny fomba fiheveranao ny fisoronana io anarana io?

Tadidio ireo hevitra ireo rehefa mamaky momba ny fisoronana ianao, indrindra fa ao amin’ny andininy 18–20. Inona no dikan’ny hoe “[m]anana ny lanitra misokatra”? Inona no dikan’ny hoe “manana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa”? Ahoana no hamelan’ny hery sy ny fahefan’ny fisoronan’ny Mpamonjy izany ho afaka ny ho azonao?

Jereo koa ny Almà 13:2, 16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–27.

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. “Maro ireo zavatra ampianarina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny: fitsipika, didy, faminaniana, ary tantara avy ao amin’ny soratra masina. Saingy ireo rehetra ireo dia rantsana avy amin’ny hazo iray ihany satria manana tanjona iray izy rehetra: hanampy ny olona rehetra hanatona an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy (jereo ny Jarôma 1:11; Môrônia 10:32). Noho izany na inona na inona ampianarinao dia tsarovy fa tena mampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy ianao.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6). Ohatra, rehefa mampianatra sy mianatra momba ny fisoronana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107 ianao dia manontania matetika hoe: “Inona no ianarantsika momba ny Mpamonjy?”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22

Ireo mpanompon’ny Tompo dia “notohanana tamin’ny fahatokiana, ny finoana ary ny vavaky ny Fiangonana.”

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manohana ireo mpanompon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahatokianao? amin’ny alalan’ny finoanao? amin’ny alalan’ny vavakao?

Jereo koa ny “Dieu veuille nous garder,” Cantiques, no. 9.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23–24, 33–35, 38, 91–92

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ireo mpaminany sy apôstôly.

Nizara ny fizarana 107 tamin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao nantsoina i Joseph Smith tamin’ny 1835 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana). Inona no nampianarin’ny Tompo azy ireo momba ny antsony ao amin’ny andininy 23–24, 33–35, 38? Ahoana no nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny fanompoan’ireo Apôstôliny velona?

Ao amin’ny andininy 91–92 ny Tompo dia mampianatra momba ny Apôstôliny zokiny indrindra, dia ny Filohan’ny Fiangonana. Inona no maha “toa an’i Mosesy” azy? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mosesy,” Médiathèque de l’Évangile).

Jereo koa ny David A. Bednar, “Nofinidy ho vavolombelona manambara ny anarako,” Liahona, nôv. 2015, 128–31.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31, 85–89

Manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny filankevitra ny Tompo.

Jereo ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ireo filankevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27–31, 85–89. Inona no mampahomby ny filankevitra iray? Ahoana no azonao hampiharana ireo fitsipika ireo amin’ny antsonao ao am-piangonana, ao an-tokantranonao, na amin’ireo andraikitrao hafa?

Jereo koa ny M. Russell Ballard, “Ireo filankevitry ny mpianakavy,” Liahona, mey 2016, 63–65; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 4.3–4.4, Médiathèque de l’Évangile.

Fianakaviana miara-manao drafitra

Manasa ny fianakaviana hiaraka hanao filan-kevitra ny Tompo.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–20

Mitahy ahy amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronany i Jesoa Kristy.

  • Rehefa miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–19 ianao sy ny ankizy dia antitrantero ilay andian-teny hoe “ny fitahiana ara-panahy rehetra.” Azonao sy ny ankizy atao angamba ny mitanisa ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fisoronana. Azonareo atao kilalao izany. Jereo hoe iza no mahavita mitanisa betsaka indrindra. Azon’ny ankizy atao koa ny manao sary na mitady sary mba hanehoana ireo fitahiana ireo (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Avy eo ianareo dia afaka miresaka mikasika ny fomba hanampian’ireo ôrdônansin’ny fisoronana (toy ny batisa na ny fanasan’ny Tompo) antsika handray ireo fitahian’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26, 33–35, 91–92

Ireo mpanompo voafidin’ny Tompo dia mitarika ny Fiangonany.

  • Ny laharan’ny Liahona mirakitra ny fihaonambe tsirairay avy dia ahitana pejy misy sarin’ireo Manapahefana Ambony. Hevero ny hijery ireo sary ireo miaraka amin’ny ankizy eo am-pamakianao ny andraikitr’izy ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21–26, 33–35, 91–92. Azonao sy ny ankizy atao ny miresaka momba ny antony maha-feno fankasitrahana anareo fa nomen’ny Tompo an’ireo andraikitra ireo izy ireo.

  • Afaka mianatra misimisy kokoa momba ireo mpanompon’ny Tompo ao amin’ny “Dirigeants généraux de l’Église” ny ankizy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Afaka mianatra momba ny iray amin’ireo mpitarika ireo angamba ny tsirairay avy amin’ireo ankizy ary mifampianatra zavatra momba ilay olona. Ifampizarao ny fomba ahafantaranareo fa tena mpanompon’ Andriamanitra marina ireo mpitarika ireo.

  • Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 22 ianareo dia afaka mifandimby ianao sy ny ankizy mihazona sary iray ahitana ny Fiadidiana Voalohany ary mizara fomba azonareo hanohanana azy ireo amin’ny maha mpanompon’ny Tompo azy ireo.

Fiadidiana Voalohany

Ny Fiadidiana Voalohany

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3

Afaka mitandrina aho amin’ny fiainana ny fanekempihavanako.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba io andininy io, dia afaka manasa ny ankizy ianao hanao zavatra izay mitaky fitandremana tsara, toy ny famenoana rano kaopy iray ary atao tsy misy very. Inona no mitranga rehefa tsy mitandrina isika? Avy eo dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:3 ianareo mba hahitana ny zavatra tian’ny Tompo hataontsika amim-pitandremana. Inona ny “voady” (fampanantenana na fanekempihavanana) ataonao amin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika mitandrina kokoa amin’ny fanajana azy ireny? Azonao atao ny mizara ampahany amin’ny hafatra nozarain-dRahavavy Becky Craven hoe “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy mitandrina firy” (Liahona, mey 2019, 9–11) izay tsapanao fa afaka mamporisika ny ankizy hitandrina ny fanekempihavanan’izy ireo. Afaka manao hira momba ny fitandremana fanekempihavanana koa ianareo, toy ny “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85).

Ankizivavy mandraraka rano

Ny fandrarahana rano amim-pitandremana dia azo ampitahaina amin’ny fitandremana tsara ny fanekempihavanantsika.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Hosodoko maneho an’i Melkizedeka sy i Abrahama

Melchizedeck Blesses Abram [Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka], nataon’i Walter Rane

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy