Doctrine and Covenants 2025
8–14 septambra: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101


“8–14 septambra: -Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Andian’olona nanafika ny Olomasina tao Missouri

C. C. A. Christensen (1831–1912), Saints Driven from Jackson County Missouri [Olomasina noroahina hiala ny Fivondronan’i Jackson, Missouri], nanodidina ny taona 1878, tempera sur mousseline, 196 cm. x 287 cm. Tranombakoky ny zava-kanto ao Brigham Young University, fanomezana avy tamin’ireo zafikelin’i C.C.A. Christensen, 1970.

8–14 septambra: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Ho an’ireo Olomasina tamin’ny 1830 dia i Independence, Missouri no ilay tany nampanantenana ara-bakiteny. Izany no “toerana afovoan’” i Ziona (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3)—ilay tanànan’ Andriamanitra eto an-tany—ary ny fivondronan’ny Olomasina tao dia fanomanana mampientanentana ny Fiaviana Fanindroany. Saingy nanana fomba fijery hafa ny olona nanodidina azy ireo teo amin’izany faritra izany. Notoherin’izy ireo ny filazana fa efa nomen’ Andriamanitra an’ireo Olomasina ilay tany, ary tsy dia nety tamin’izy ireo ny fiantraikany ara-pôlitika, ekônomika, sy ara-tsôsialy izay ateraky ny olona tsy fantatra mifindra monina eo amin’ilay faritra haingana dia haingana tokoa. Nivadika ho fanenjehana sy herisetra vetivety teo ny tsy fahazoana aina. Tamin’ny 1833 dia nopotehina ny birao fanaovana printin’ny Fiangonana, ary noterena handao ny tokantranon’izy ireo ny Olomasina.

Mihoatra ny 1300 kilômetatra miala an’i Kirtland no nisy an’i Joseph Smith, ary afaka herinandro maromaro izany vaovao izany vao tonga tany aminy. Saingy fantatry ny Tompo ny zavatra nitranga, ary nambarany tamin’ny Mpaminaniny ireo fitsipiky ny fiadanana sy fankaherezana izay hampionona ireo Olomasina—fitsipika izay afaka ny hanampy antsika ihany koa rehefa miatrika fanenjehana isika, rehefa tsy tanteraka ireo faniriana tsara ao anatintsika, na koa rehefa mila fampahatsiahivana isika fa ireo fahoriana isan’andro izay lalovantsika dia “hiara-hiasa hahasoa [antsika]” any aoriana any (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3).

Jereo ny Saints, 1:171–93; “L’attente de la parole du Seigneur,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 196–201.

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 11–14, 22; 101:1–16, 22–31, 36

sary famantarana ny seminera
Ireo fitsapana lalovako dia afaka ny hiara-miasa ho tombontsoako.

Ny sasany amin’ireo olantsika eo amin’ny fiainana dia vokatry ny safidintsika manokana ihany. Ny sasany dia vokatry ny safidin’olon-kafa. Ary indraindray dia misy zavatra mitranga fotsiny ao anatin’ny fiainana an-tany. Na inona na inona antony dia afaka manampy hanatratrarana ireo tanjona masina ny fahoriana rehefa mitodika any amin’ Andriamanitra isika.

Marina izany ho an’ireo Olomasina tao Missouri tamin’ny 1833 ary marina koa izany ho antsika amin’izao fotoana izao. Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ireo Olomasina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 sy 101 ianao dia saintsaino ny fomba azo ampiharana io hafatra io amin’ireo fitsapana na fahasarotana isan-karazany izay mety holalovanao. Ireto misy fanontaniana sy loharanon-kevitra vitsivitsy hanampiana anao.

Raha toa ny fitsapana iray ka vokatry ny:

  • Safidy nataon’ny tena manokana: Inona no torohevitra, fampanantenana, hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–12; 101:1–9? Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa ho asain’ Andriamanitra hataonao?

  • Safidy nataon’ny hafa: Inona no fampiononana hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3, 22; 101:10–16, 22? Ahoana no tian’ny Tompo hamaliantsika ny fanararaotana, ny fampijaliana, na ny herisetra? (Jereo ny Fanampiana amin’ny fiainana, “Herisetra,” Médiathèque de l’Évangile.) Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hametrahanao ny fitokisanao amin’ny Tompo?

  • Ireo zava-tsarotra eto amin’ny fiainana an-tany: Inona no fomba fijery azonao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3; 101:22–31, 36? Inona no ianaranao avy amin’ireo fitsapana lalovanao? Inona no ataonao mba hahatongavan’ny fanampian’ Andriamanitra? Ahoana no hanampiany anao?

Mba hahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba ahafahan’Andriamanitra manao ny “zava-drehetra izay efa nampahoriana [anao] … hiara-hiasa hahasoa [anao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:3), hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona Anthony D. Perkins hoe “Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô” (Liahona, nôv. 2021, 103–5). Azonao atao ny mitady andalana ao amin’ny hafany izay manampy anao hahatakatra ny fomba asain’ny Mpamonjy hiheveranao ireo olanao. Ahoana no niarahan’ireo fitsapana nolalovanao niasa mba hahasoa anao na nanatanterahan’izany ny tanjon’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Romana 8:28; 2 Nefia 2:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; D. Todd Christofferson, “Avia aty Ziona,” Liahona, nôv. 2008, 37–40; ChurchofJesusChrist.org.

2:53

PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_TrialOfAdversity_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4

4:21

PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_FeelingTheLordsGoodness_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4

4:60

PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_TheRefinersFire_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48

Tian’ny Tompo hikatsaka fiadanana amin’ny fombany aho.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho ohatra mba harahin’izao tontolo izao. Miangavy anareo aho mba hanao izay rehetra azonareo atao hampitsaharana ireo fifandirana an’ny tena manokana izay mirongatra ao am-ponareo sy eo amin’ny fiainanareo” (“Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97).

Na dia mety tsy ho azo ampiharina amin’ny fifandraisanao manokana amin’ny hafa aza ny zavatra rehetra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–48 dia inona ireo fitsipika izay hitanao fa afaka ny hitari-dalana anao mba hamaranana ireo fifandirana an’ny tena manokana eo amin’ny fiainanao? Afaka mitady fahamarinana fanampiny ao amina hira momba ny fiadanana na ny famelan-keloka ianao.

Sary hosodoko maneho an’i Jesoa Kristy

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler [I Kristy sy ilay tanora mpanapaka mpanan-karena], nataon’i Heinrich Hofmann

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 99–100

Mitsimbina ireo izay manompo Azy ny Tompo.

Ireo fanambarana ao amin’ny fizarana 99 sy 100 dia nomena ireo olona nanana andraikitra manan-danja tao amin’ny Fiangonana, kanefa niahiahy ny amin’ny fianakavian’izy ireo koa. Inona ao amin’ireo fanambarana ireo no hitanao fa afaka nanampy azy ireo? Inona no hafatra omen’ny Tompo anao ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny “Une mission au Canada,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 87–89, 202–7.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–65

Ny fanarahana ny torohevitr’ Andriamanitra dia manampy ahy ho voaro.

Ilay fanoharana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62 dia manazava ny antony namelan’ny Tompo ireo Olomasina mba hoterena hiala tao Ziona. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao, moa ve misy fomba itovizanao amin’ireo mpanompo ao amin’ilay fanoharana? Ahoana no hanehoanao amin’ Andriamanitra fa ianao dia “vonona … ny hotarihina amin’ny fomba marina sy mety mba ho famonjena [anao]”? (jereo ny andininy 63–65).

Lalaovy an-tsehatra ireo tantara na fanoharana. Indraindray dia mora kokoa ny mianatra sy mampifandray ny tena amin’ireo tantara sy fanoharana ao amin’ny soratra masina rehefa mametraka ny tenantsika eo amin’ny toeran’ireo olona izay tantarain’izany isika. Raha mampianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: 43–62 ianao dia azonao asaina ireo mpianatra mba hilalao ilay fanoharana rehefa mamaky izany mafy ny olona iray. Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ny fanehoana ireo teny amin’ny alalan’ny fihetsika?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, 03

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3

Afaka manova ireo fitsapana lalovako ho fitahiana i Jesoa Kristy.

  • Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra ianao amin’ny alalan’ny fanontaniana an’ireo zanakao ireo olana atrehan’ireo ankizy mitovy taona amin’izy ireo. Avy eo ianareo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–3 ary miresaka momba ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manova ireo fitsapana ho fitahiana. Azonao zaraina amin’ireo zanakao ireo ohatra amin’ny fomba nanovany ireo fitsapana nolalovanao ho fitahiana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–40

Manampy ahy hamela heloka ny Mpamonjy.

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ny ankizy ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka ianao dia ataovy ihany koa izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa misy olona mandratra azy ireo, dia tokony hilaza amin’ny olon-dehibe azo itokisana izy ireo.

  • Ny toko 34 sy 35 ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (128–34) dia afaka manampy anao hampianatra momba ny fomba nitondrana ireo Olomasina tao Missouri tamin’ny 1833. Azonao sy ny ankizy atao ny miresaka momba ny zavatra mety ho tsapan’ireo Olomasina ireo. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23, 39–40 ianareo mba hahitana ny zavatra tian’ny Tompo ho nataon’izy ireo. Azonao sy ny ankizy atao ny miresaka momba ireo fotoana nilainareo mba hamelana olona iray sy ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anareo.

  • Azonao ampisehoana sarina endrika faly sy endrika malahelo koa ireo ankizy. Miresaha momba ireo toe-javatra hanehoan’ny olona iray haratsiam-panahy, dia mandrosoa sosokevitra mikasika ny fihetsika tokony hamaliana izany. Ampio ireo ankizy hisafidy raha toa ka hahafaly na hampalahelo azy ireo ny fihetsika hoentina mamaly amin’ny alalan’ny fanondroana ny endrika mifandray amin’izany. Nahoana no tian’i Jesoa hamela heloka ny olona isika, na dia ireo izay ratsy fanahy amintsika aza?

2:42

Chapter 34: God Warns the People of Zion: July–August 1833

2:10

Chapter 35: The Saints Leave Jackson County, Missouri: September–December 1833

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16, 23–32

Afaka mitondra fiadanana ho ahy i Jesoa Kristy.

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16 dia ampio ireo ankizy hamantatra ny fiadanana tsapa rehefa tony sy mieritreritra an’i Jesoa isika, ohatra, rehefa mivavaka isika na mandray ny fanasan’ny Tompo. Azonareo atao koa ny miara-manao hira momba ny fanajana fatratra, toy ny “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 11). Ahoana no ahafahantsika mahatsapa ny fiadanany ao an-tokantranontsika?

  • Mety hahaliana ny ankizy ny mianatra momba ny mety ho toetry ny fiainana rehefa tonga indray i Jesoa Kristy. Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101: 23–32 ary resaho ireo zavatra izay hitan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo fa hitondra fifaliana ho antsika rehefa tonga Izy. Nahoana no manampy ny mahafantatra ireo zavatra ireo rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika?

I Jesoa Kristy mamihina ankizy iray

Hitondra fiadanana sy fifaliana i Jesoa Kristy rehefa miverina indray.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Hosodoko maneho andian’olona manenjika ireo Olomasin’ny Andro Farany tany aloha tany

Missouri Burning [Mirehitra i Missouri],, nataon’i Glen S. Hopkinson

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy