“1–7 septambra: -Ho famonjena an’i Ziona-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Kirtland Temple [Tempolin’i Kirtland], nataon’i Al Rounds
1–7 septambra: “Ho famonjena an’i Ziona”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97
Fahiny dia nandidy an’i Mosesy ny Tompo mba hanorina tabernakely “araka ny endrika izay naseho [taminy] tao an-tendrombohitra” (Hebreo 8:5; jereo koa ny Eksodosy 25:8–9). Tokony ho eo afovoan’ny toby nipetrahan’ny Isiraely tany an-tany foana ilay tabernakely (jereo ny Nomery 2:1–2).
Tamin’ny 1833 ny Tompo dia nandidy an’i Joseph Smith mba hanorina tempoly “tsy araka ny fomban’izao tontolo izao” fa “araka ny fomba izay hasehoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:13–14; jereo koa ny 97:10). Tahaka ilay tabernakely tany an-tany foana, ny tempoly dia natao mba ho toeram-pamantarana fototra tao Kirtland (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:1).
Ankehitriny dia ahitana tempoly manerana izao tontolo izao. Na dia tsy eo afovoan’ireo tanànantsika aza izy ireo dia mampitodika antsika any amin’i Kristy, izay tokony ho ivon’ny fiainantsika. Na dia tsy mitovy aza ny endrika ivelan’ny tempoly tsirairay avy dia lamina masina mitovy no ianarantsika ao anatin’izy ireny, dia drafitra masina mba hitondrana antsika hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika amin’i Kristy sy mampatanjaka ny fianakaviantsika “tsy araka ny fomban’ izao tontolo izao” fa araka ny lamina nasehon’ Andriamanitra antsika.
Jereo ny “Une maison pour notre Dieu,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte, 165–73.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94; 97:10–17
Afaka ny “hatokana manontolo ho an’ny Tompo” aho.
Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94 dia manome torolalana momba ny fanorenana ireo trano fitantanan-draharaha ao Kirtland—birao sy trano fanontana printy. Inona no manaitra anao momba ny zavatra lazain’ny Tompo mikasika ireo trano ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:2–12? Toy ny ahoana izay raha ampitahaina amin’ny zavatra lazainy momba ny tempoly ao amin’ny 97:10–17?
Midika inona aminao izany hoe “hatokana manontolo ho an’ny Tompo” izany?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95
Manafay ireo izay tiany ny Tompo.
Rehefa voaray ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 95, dia tokony ho dimy volana no lasana hatramin’ny nandidian’ny Tompo ny Olomasina hanorina tranon’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:117–19)—ary tsy mbola nanomboka akory izy ireo. Jereo ny fomba nanitsian’ny Tompo azy ireo ao amin’io fanambarana io. Azonao atao lisitra mihitsy aza ireo fitsipika hitanao mba hanomezana fanitsiana nentanim-panahy. Inona no ianaranao mikasika ny Tompo avy amin’ny fomba hanitsiany ireo Olomasina?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43–44; D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97–100.
Tian’ Andriamanitra ireo zanany
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8, 11–1797:10–17
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.
Taorian’ny namaizana azy ireo noho ny tsy nanorenany tranon’ny Tompo tao Kirtland, dia nisafidy toerana iray tao anaty saham-barim-bazaha izay hanorenany izany ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Nihazakazaka avy hatrany i Hyrum Smith rahalahin’ny Mpaminany naka antsim-pijinjana hanombohana hanadio ilay saha. “Miomana ny hanangana trano ho an’ny Tompo isika,” hoy izy, “ary tapa-kevitra aho fa izaho no hisantatra ny asa” (ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 271, 273). Nahoana, araka ny hevitrao, no maika ery i Hyrum ny hanorina ilay tempoly? Saintsaino izany eo am-pamakianao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8, 11–17; 97:10–17.
Amin’izao androntsika izao ny Tompo dia “manafaingana ny fanorenantsika tempoly” (Russell M. Nelson, “Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022, 121). Raha misy olona manontany anao hoe nahoana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no manorina tempoly maro be, dia inona no holazainao? Mitadiava valiny azo omena ao amin’ny:
-
Hafatry ny Filoha Russell M. Nelson manambara tempoly vaovao (toy ny “Izao no fotoana,” Liahona, mey 2022, 126).
-
“Pourquoi les saints des derniers jours construisent des temples” (temples.ChurchofJesusChrist.org).
What Is a Temple?
Azonao atao ny mampitaha ny ezaka ataon’ny Olomasina hanorina ny Tempolin’i Kirtland amin’ny ezaka ataonao mba hiomana amin’ireo zavatra iainana manan-danja miaraka amin’ny Tompo ao amin’ny tempoly. Ahoana no ahafahanao mampiseho fahatsapana fahamehana tahaka izay tsapan’i Hyrum Smith tamin’ny trano masin’ny Tompo? Ohatra hoe inona ny zavatra mitovy amin’ny hoe manadio saha azonao atao, tahaka ny nataon’i Hyrum? Inona ny fahafoizan-tena tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:12).
Jereo koa ny “Temples sur le mont de Sion,” Cantiques, no. 183.
I Hyrum Smith manadio velaran-tany ho an’ny Tempolin’i Kirtland.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–9
“Ireo no ekeko.”
Mieritrereta fotoana iray izay nanekena anao, na tsy nanekena anao, tao anatina vondrona na ekipa iray. Inona no mampitovy na maha samy hafa izany amin’ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97: 8–9 momba ny dikan’ny hoe eken’ny Tompo? Inona araka ny hevitrao no ezahin’ny Tompo ampianarina anao amin’ilay sarin-teny ao amin’ny andininy 9?
Jereo koa ny Erich W. Kopischke, “Ankasitrahan’ny Tompo,” Liahona, mey 2013, 104–6.
Mamoròna tontolo ara-panahy ho an’ny fianarana sy ny fampianarana. Nampanantena i Jesoa fa “ny Fanahy Masina […] no hampianatra anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26). Ka na mianatra irery ianao na miaraka amin’ny hafa, dia ataovy laharam-pahamehana ny manasa ny Fanahy. Ny hira masina, ny vavaka ary ny fifaneraserana am-pitiavana dia afaka miara-manampy amin’ny famoronana toerana milamina sy ara-panahy ahafahan’ny Fanahy Masina mampianatra fahamarinana anao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:18–28
I Ziona dia “ny madio am-po.”
Ho an’ireo Olomasina tamin’ny 1830 dia toerana i Ziona. Ao amin’ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 97, ny Tompo dia nanitatra ilay famaritana mba hanoritsoritana olona—“ny madio am-po” (andininy 21). Eo am-pamakianao ny andininy 18–28, dia azonao soloina io famaritana io rehefa mamaky ny teny hoe Ziona ianao. Midika inona aminao izany hoe madio am-po izany?
Jereo koa ny Mosesy 7:18.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8; 97:10–17
Ny tempoly no tranon’ny Tompo.
-
Mety ho tena tian’ireo ankizy ny mody manao hoe manampy manangana ny Tempolin’i Kirtland (manapaka hazo, mampiditra fantsika amin’ny alalan’ny marotoa, mandoko rindrina, sns). Afaka mampiseho sarin’ny Tempolin’i Kirtland azy ireo koa ianao, tahaka ireo izay ato amin’ity lesona ity eo am-pamakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8 mba hampianarana an’ireo ankizy ny antony itiavan’ny Tompo hanorenantsika tempoly.
The Kirtland Temple
-
Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97: 15–16 ianareo dia afaka mifampizara ny antony maha manan-danja ny tempoly aminareo ianao sy ny ankizy? Afaka miara-manao hira ihany koa ianareo mba hanampiana ny ankizy hahatsapa fanajana fatratra ho an’ny tranon’ny Tompo, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 99). Nahoana no masina ny tempoly?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–2, 8–9, 21
Ny Ziona dia “ny madio am-po.”
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny mety ho dikan’ny teny hoe madio ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21, dia afaka miara-mijery vera misy rano madio ianareo mandatsaka zavatra mampaloto ilay rano (toy ny vovoka na dipoavatra). Fa nahoana no manan-danja ny fahadiovan’ny rano? Avy eo dia afaka mamaky ny andininy 21 ny ankizy ary mametraka ny rantsan-tanan’izy ireo eo amin’ny teny hoe madio. Inona no dikan’ny hoe madio ny fontsika? Afaka manome hevitra vitsivitsy ny andininy 1–2 sy 8–9. Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika hampadio ny fontsika?
Tian’ny Ray any An-danitra hadio fo aho.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–9
Mitahy ny olona mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy ny Tompo.
-
Fantatry ny ankizy ve ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo rehefa atao batisa isika na mandeha ao amin’ny tempoly? Hevero ny hijery indray ireo fanekempihavanana ireo miaraka amin’izy ireo amin’ny alalan’ny famakiana ny Môzià 18:9–10, 13 na ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2. Ifampizarao ny fomba iezahanareo “[m]itandrina ny fanekempihavana[nareo] amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8).
-
Azonao atao ny manasa ny ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra fariparitan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:9. Rehefa mizara ny sary nataony izy ireo, dia resaho ny fomba nitahian’ny Tompo anao noho ny fitandremanao ny fanekempihavanana nataonao. Inona no mampitovy ireo fitahiana ireo amin’ny hoe “hazo tena mahavanom-boa izay ambolena eo … akaikin’ny riana madio”?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.