“25–31 aogositra: -Mandray amin’ ny fahafenoany-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny I See the Son of Man [Mahita ny Zanak’olona aho], nataon’i Walter Rane
25–31 aogositra: “Mandray amin’ ny fahafenoany”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
“Raha miakatra tohatra ianao,” hoy i Joseph Smith nampianatra, “dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandra-pahatonganao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandra-pahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana” (Enseignement des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 268).
Indraindray ilay tohatry ny fisandratana dia toa avo be loatra ka tsy ho tody any mihitsy isika, saingy nateraka mba hiakatra hatrany an-tampony omban’ny fanampian’ny Mpamonjy tsy tapaka isika. Na inona na inona no sakantsakana mety ho hitantsika eo amintsika, ny Ray any An-danitra sy ny Zanany lahy kosa dia mahita zavatra be voninahitra sy araka an’ Andriamanitra ao anatintsika. Tahaka an’i Jesoa Kristy izay “niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana,” “ianareo dia niaraka [Taminy] koa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21, 23). Tahaka Azy izay “nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana,” dia toy izany ihany koa no “[handraisanareo] fahasoavana miampy fahasoavana” (andininy 13, 20). Ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra antsika momba ny toetra marin’ Andriamanitra, ary toy izany ihany koa no ampianarany antsika mikasika ny tena toetranao manokana sy izay tokony hiafaranao. Zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianao izay manana fahafahana ny “[h]andray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany” (andininy 19).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93
Tahaka an’i Jesoa Kristy, izaho koa dia afaka ny ho feno voninahitra sy handray ny “fahafenoan’” Andriamanitra.
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Raha tsy mahatakatra ny toetoetran’ Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany manokana izy ireo.”(Teachings: Joseph Smith, 40). Rehefa mianatra momba ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 dia tadiavo koa ny zavatra izay ianaranao momba ny tenanao. Ohatra hoe inona no ianaranao momba Azy avy amin’ny andininy 3, 12–13, 21, ary 26? Inona no fahamarinana mitovy amin’izany hitanao momba ny tenanao ao amin’ny andininy 20, 23, sy 28–29? (jereo koa ny 1 Jaona 3:2; 3 Nefia 27:27). Mety hanampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fahamarinana ao amin’io fizarana io ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tsapanao fa dikan’ny hoe mandray “fahasoavana niampy fahasoavana” sy ny manohy ny “fahasoavana niampy fahasoavana”? (andininy 12–13). Raha manampy, dia afaka mamaky ny “Fahasoavana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (Médiathèque de l’Évangile) ianao.
-
Inona no lasa fantatrao ao amin’io fanambarana io momba ny fomba anampian’ Andriamanitra anao hivoatra sy hianatra? Inona no fiantraikan’ny fahalalana izany amin’ny fomba itondranao ny hafa, na ny tenanao?
-
Inona no ianaranao mikasika ny fomba “[ivavahana] sy izay [ivavahana]”? (andininy 19; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fitsaohana,” Médiathèque de l’Évangile).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1–39
Ny voninahitr’ Andriamanitra dia fahazavana sy fahamarinana.
Mety ho tsikaritrao fa ny teny toy ny hoe voninahitra, fahazavana, ary fahamarinana dia voatonona matetika ato anatin’ity fanambarana ity. Rehefa mandalina ny andininy 20–39 manokana ianao, dia ataovy lisitra ireo fahamarinana ianaranao momba ireo hevitra ireo. Mety hanampy ny fanaovana tabilao tahaka ity:
|
Andinin-tsoratra masina |
Ny zavatra ianarako |
Fanontaniana hosaintsainina |
|---|---|---|
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina Feno fitaka eto amin’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahako mahalala ny fahamarinana? (Jereo koa ny Jakôba 4:13). |
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina |
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako Andriamanitra dia olon’ny fahazavana sy fahamarinana. | Fanontaniana hosaintsainina |
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina Iza no olona fantatro fa toa afaka manohitra ny fitaoman’ny ratsy? Nahoana izy ireo no afaka manao izany? |
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina |
Andinin-tsoratra masina | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina |
Andinin-tsoratra masina Jereo koa: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24 | Ny zavatra ianarako | Fanontaniana hosaintsainina |
Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mitaona anao hikatsaka fahazavana sy fahamarinana lehibe kokoa? Nahoana ny fahazavana sy fahamarinana no anarana fiantsoana tsara ho an’i Jesoa Kristy? (jereo ny Jaona 8:12; 14:6). Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao?
Azonao raisina an-tsoratra koa ireo fampanantenana momba ny anjaranao mandrakizay ao amin’ny andininy 20, 22, 28, 33–35. Inona no ifandraisan’ireo fampanantenana ireo amin’ny fahazoana fahazavana?
Hevero ny hanao fikarohana ao amin’ny “Mandehana ao amin’ny fahazavan’ Andriamanitra” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 18–21) mba hahafantarana ny zavatra azonao atao hahazoana fahazavana sy ny fomba hitahian’ny fampanantenan’ny Tompo anao.
Jereo koa ny “Toroy handeha amin’ny mazava aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 129.
Light and Truth, Part 1
Light and Truth, Part 2
“Ny voninahitr’ Andriamanitra dia … fahazavana sy fahamarinana.”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40–50
“[Alamino] ny ankohonanao.”
Ilay baiko hoe “handamina ny ankohonanao” (andininy 43 dia tsy hoe mandamina ny ao anaty lalimoara sy ny fitoeran-javatra akory fa momba ny fampianarana—sy fianarana—“fahazavana sy fahamarinana” (andininy 42). Diniho ny fomba iezahanao manaraka io torohevitra io. Inona avy ireo olana na fanamby atrehanao? Fahamarinana inona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93 no afaka manampy?
Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ireo fampianarana nomen’ny Loholona David A. Bednar ireo?
“Ao amin’ny biraoko dia misy sary hosodoko tsara tarehy iray izay mampiseho saham-barimbazaha. Ilay sary hosodoko dia fitambaran’ireo faoka tsirairay navelan’ny borosin-doko, ary tsy misy na iray aza amin’izy ireo izay tena mahaliana na manaitra raha alaina mitokana. Raha ny marina, rehefa mijoro eo akaikin’ilay sary hosodoko ianao dia soritsori-tsipika maro miloko mavo sy volom-bolamena ary volon-tany izay toa tsy mifandray ary tsy manaitra mihitsy no hitanao. Kanefa rehefa manalavitra tsikelikely ilay sary hosodoko ianao dia mitambatra ireo faoka indray mandehan’ny borosin-doko ireo ary manome ny endrika tsara tarehin’ny saham-barimbazaha iray. Faoka indray mandehan’ny borosin-doko be dia be izay mahazatra no niara-niasa ka namorona sary hosodoko izay maharevo sy kanto ery.
“Ny vavaka tsirairay fanaon’ny mpianakavy, ny fotoana tsirairay handalinan’ny fianakaviana soratra masina, ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia faoka indray mandehan’ny borosin-doko eo amin’ny sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra ireo no hoe manaitra be na miavaka be. Saingy rehefa mifameno ireo faoka indray mandehan’ny borosin-doko miloko mavo sy volom-bolamena ary volontany ireo dia mamokatra asa-tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy.” -Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33]. Ny tsy fiovaovana dia fitsipika iray manan-danja ilaina rehefa mametraka ny fototry ny asa iray lehibe eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy isika ary rehefa lasa mazoto kokoa sy mikarakara kokoa ao an-tokantranontsika” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009).
Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Tokantrano itoeran’ny Fanahin’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 22–25.
Mandidy ny ray aman-dreny ny Tompo mba “[hitaiza] ny [zanak’izy ireo] ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2–21
I Jesoa Kristy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.
-
Hevero ny hampiseho sarin’ny Mpamonjy dia angataho ny ankizy hoe nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra momba an’i Jesoa Kristy sy manara-dia Azy. Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19 ianareo mba hahafantarana antony iray manan-danja.
-
Azonao atao ny misafidy fahamarinana maromaro momba an’i Kristy ao amin’ny Fizarana 93 izay mitondra fitaomam-panahy ho anao ary ampio ny ankizy hahafantatra sy hahatakatra izany (jereo koa ny “Toko 33: Fanambarana iray momba an’i Jesoa Kristy,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 126–27). Ho an’ny fahamarinana tsirairay safidinao dia azonao atao ny manome an’ny ankizy teny na andian-teny iray hohenoina eo am-piarahanareo mamaky ilay andininy. Ohatra hoe Jesoa Kristy:
-
Nanao ny asan’ny Ray (andininy 5).
-
Fahazavan’izao tontolo izao (andininy 9).
-
Mpahary izao tontolo izao (andininy 10)
-
Nahazo ny hery rehetra tany an-danitra sy teto an-tany (andininy 17).
-
Niaraka tamin’ Andriamanitra tany am-piandohana (andininy 21).
1:18Chapter 33: A Revelation about Jesus Christ: May 1833
-
Ampahan-tsary avy amin’ny Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’ i Howard Lyon
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23, 29, 38
Niara-nipetraka tamin’ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahatongavako teto an-tany.
-
Nanamafy in-telo ny Mpamonjy ao amin’ny fizarana 93 fa niara-nipetraka tamin’ Andriamanitra isika “tany am-piandohana” (andininy 23, 29, 38). Mba hanampiana ny ankizy hahafantatra izany, dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:23, 29, 38 ary hitady fahamarinana momba azy ireo izay miverimberina ao amin’ireo andininy ireo. Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra hahalala io fahamarinana io isika? Azonao atao koa ny manontany ny ankizy ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fiainantsika niaraka tamin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahaterahantsika. Mba hanampiana azy ireo hianatra misimisy kokoa dia vakio miaraka amin’izy ireo ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jeremia 1:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56; Mosesy 3:5; Abrahama 3:22–26.
-
Afaka miara-mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3) ianareo ary mifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana izay ianarantsika avy amin’io hira io mikasika ny tanjona ahatongavantsika eto an-tany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24–39
Mahazo fahazavana sy fahamarinana aho rehefa mankatò an’ Andriamanitra.
-
Mba hanampiana ny ankizy hampihatra ireo fahamarinana momba ny fankatoavana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93, dia hevero ny hanoratra toko sy andinin-tsoratra masina avy amin’io fizarana io amin’ny taratasy iray. Soraty amin’ny taratasy kely maromaro hafa ireo fahamarinana izay ampianarin’ireo andininy tsirairay ireo. Afaka miara-miasa ny ankizy mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hampifandray ireo fahamarinana amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny:
-
Andininy 24: Ny fahamarinana dia fahalalana ireo zavatra tena nisy tany amin’ny lasa, sy misy ankehitriny, ary hisy amin’ny ho avy.
-
Andininy 28: Afaka mahazo fahazavana sy fahamarinana aho rehefa mitandrina ny didy.
-
Andininy 37: Rehefa manana ny fahazavana sy fahamarinana aho dia afaka manohitra ny ratsy.
-
Andininy 39: Very ny fahazavana sy fahamarinana ananako rehefa tsy mankatò aho.
Azonao atao ny mizara ohatra amin’ireo fahamarinana lasa fantatrao rehefa nitandrina ny didin’ny Tompo ianao.
-
Ampifanaraho amin’ny taonan’ireo ankizy. Fantatrao ny zavatra ilain’ireo ankizy sy ny fahaiza-manao ananan’izy ireo. Aza misalasala manamboatra ireo hevitra momba ny sahanasa mba hifanaraka amin’ny filan’izy ireo. Ohatra hoe, amin’ity sahanasa ity, raha mampianatra ankizy kely ianao, dia mety ho tsara kokoa ny mifantoka amina fahamarinana tsotra iray avy amin’ny fizarana 93.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.