“28 jolay–3 aogositra: -Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny The Restoration of the Melchizedek Priesthood [Ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka], nataon’i Liz Lemon Swindle
28 jolay–3 aogositra: “Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84
Hatramin’ny namerenana amin’ny laoniny ny fisoronana tamin’ny taona 1829 dia voatahy tamin’ny alalan’ny hery masin’ny Tompo ny Olomasin’ny Andro Farany tany am-piandohana. Natao batisa sy noraisina ho mpikambana ary nantsoina hanompo amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izy ireo, tahaka ny miseho eo amintsika amin’izao fotoana izao. Saingy ny hoe manana ny herin’ny fisoronana dia tsy mitovy amin’ny hoe mahatakatra tanteraka ny fisoronana ary mbola betsaka ny zavatra tian’ Andriamanitra ho takatr’ireo Olomasiny indrindra rehefa nanakaiky ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansin’ny tempoly. Ilay fanambarana tamin’ny 1832 mikasika ny fisoronana izay hita ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia nampivelatra ny fahatakaran’ireo Olomasina ny tena dikan’ny fisoronana. Ary afaka ny hitranga amintsika ankehitriny koa ny toy izany. Raha ny marina, dia betsaka ny zavatra azo ianarana mikasika ilay hery avy any an-danitra izay mihazona “ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra,” izay mampiseho “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” ary manomana antsika “[h]ahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona” (andininy 19–22).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–32
Manana fahafahana handray ny hery sy ireo fitahian’ny fisoronan’ Andriamanitra aho.
Rehefa misaintsaina ny teny hoe fisoronana ianao dia inona no tonga ao an-tsainao? Ahoana no hitondran’ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra fiovana eo amin’ny fiainanao?
Rehefa avy misaintsaina ireo fanontaniana ireo dia azonao halalinina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:17–32, dia tadiavo ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatrao momba ny herin’ny fisoronany. Eritrereto ny fomba azonao ampiasana ireo andininy ireo hamariparitana amin’ny olona iray ny fisoronana sy ny tanjon’izany.
Zavatra iray ho hitanao ao ny hoe amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana dia “miharihary … ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra” (jereo ny andininy 19–21). Azonao atao angamba ny mitanisa ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay nandraisanao anjara (mety hanampy ilay lisitra ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 18.1, 18.2). Ahoana no nitondran’ireo ôrdônansy ireo, sy ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany, ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainanao? Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nisy azy ireny?
Nampianatra ny Filoha Russel M. Nelson hoe: “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra” (“Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 77). Hevero ny handalina ny hafatry ny Filoha Nelson mba hitadiavana ireo fomba azonao “[hanovozana] ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiaina[nao]?”
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10, 13, 15; 121:34–37, 41–46; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.6, Médiathèque de l’Évangile.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–44
Ny fisoronana dia raisina miaraka amin’ny fianianana sy fanekempihavanana.
Ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–44) dia mihatra amin’ny fomba manokana ho an’ireo zanakalahin’ny Ray any An-danitra izay notendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana, kanefa maro amin’ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ireo andininy ireo no afaka ny ho azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Inona avy ireo fampanantenana ireo, ary inona no asain’ Andriamanitra ataontsika mba handraisana izany?
Nampianatra ny Loholona Paul B. Pieper hoe: “Mahavariana fa ao anatin’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31-44], dia mampiasa ny matoanteny hoe mahazosy mandray ny Tompo. Tsy mampiasa ny matoanteny hoe manendry Izy. Ao amin’ny tempoly no ahazoan’ny lehilahy sy vehivavy ary andraisan’izy ireo, miaraka, ireo fitahiana sy hery avy amin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka” (“Revealed Realities of Mortality,” Ensign,, jan. 2016, 21).
Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–44 ianao dia saintsaino ny mety ho dikan’ny hoe “mahazo” sy “mandray” ny fisoronana. Inona no tsy mampitovy izany amin’ny hoe tendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana? Inona koa no asain’ny Tompo raisinao ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no anaovanao izany?
Inona ny zavatra hitanao fa manentana anao ho mahatoky kokoa amin’ny fandraisana ny Mpamonjy, ny Rainy, ny mpanompony, ary ny herin’ny fisoronany?
Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–46.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–61
Mitondra fahazavana sy fahamarinana eo amin’ny fiainako ny mivelona amin’ny tenin’ Andriamanitra.
Inona ireo fahamarinana hitanao ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–61 izay manampy anao hahatakatra ny antony ilanao mandalina tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra? Jereo ny fahasamihafan’ny fahazavana sy ny haizina ao amin’ireo andininy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny “[fitandremanao] fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay” nitondra hazavana sy fahamarinana ary ny “Fanahin’i Jesoa Kristy” teo amin’ny fiainanao? (andininy 43, 45).
Jereo koa ny 2 Nefia 32:3.
Ampitahao amin’ireo zavatra mahazatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Misy fanoharana azonao an-tsaina ve maneho ireo fahamarinana ao amin’ny andininy 43–44? Ohatra hoe inona no mampitovy ny fanarahana ny dingana rehetra ao amina fomba fahandroan-tsakafo iray amin’ny fivelomana “amin’ny teny rehetra … [an’] Andriamanitra”?
“[Mitandrina] fatratra ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–91
Hiaraka amiko ny Tompo rehefa manao ny asany aho.
Rehefa mamaky ireto andininy ireo ianao dia afaka mamantatra ireo fomba nolazain’ny Tompo fa hanohanany ireo mpanompony. Amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’ireo fampanantenana ireo amin’ny asa izay nangatahiny hataonao? Ohatra, tamin’ny fomba ahoana no nahatanteraka ny fampanantenana ao amin’ny andininy 88 teo amin’ny fiainanao?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106–110
Afaka mitondra anjara biriky amin’ny asan’ Andriamanitra ny olona rehetra.
Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba hanatanterahan’ny Tompo ny asany? Inona no torohevitra sy fitahiana hitanao? Azonao atao koa ny mieritreritra ny fomba “[nampiorenana anao tao] amin’ny fandeferana tanteraka” noho ny niarahanao nanompo tamin’ny olona “matanjaka ao amin’ny Fanahy”, isan’izany ny olona ao amin’ny fianakavianao.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:4–5
Manampy ahy hiomana hiara-hiaina indray amin’ny Ray any An-danitra ireo ôrdônansin’ny tempoly.
-
Mba hanampiana ny ankizy hiandrandra ny handeha any amin’ny tempoly dia afaka mamorona piozila avy amina sarina tempoly iray ianao. Azonao soratana ao ambadiky ny singa tsirairay avy ny zavatra ataontsika ao amin’ny tempoly, toy ny fanaovana batisa ho an’ireo razambe, fehezina amin’ny fianakaviantsika, ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:4–5 dia angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra nodidian’ny Tompo mba hataon’ny Olomasina. Rehefa manambatra ilay piozila ianao sy ny ankizy, dia mifampizarà zavatra azontsika atao mba hiomanana hiditra ny tempoly.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22
Afaka mandray ny herin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana aho.
-
Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny atao hoe ôrdônansy, dia hevero ny hijery miaraka amin’izy ireo sary maneho ôrdônansin’ny fisoronana maromaro, toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–8, na ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Angataho izy ireo hamariparitra ny zavatra mitranga eo amin’ny sary tsirairay. Avy eo dia azonareo iarahana mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra handray ireo ôrdônansy ireo? Lazao amin’ny ankizy ny fomba nahatsapanao ny herin’ Andriamanitra noho ireo ôrdônansy noraisinao sy ireo fanekempihavanana nataonao. (Jereo koa ny “Hery sy fahefana ary fanalahidin’ny fisoronana” ao amin’ny tovana A na ny tovana B.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77
Sakaizan’i Jesoa aho satria manara-dia Azy.
-
Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:77 dia anontanio an’ny ankizy ny dikan’izany hoe sakaiza izany. Afaka miresaka momba ireo namana tsara nanananao ianao. Ahoana no hanehoan’i Jesoa amintsika fa tiany ho namany isika? Ahoana no hanehoantsika fa maniry izany koa isika? Ny hira toy ny hoe: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41) dia afaka manampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88
Manampy ireo mpanompony ny Ray any An-danitra.
-
Mety ho ankafizin’ny ankizy ny mihaino ny fomba nanampian’ny misiônera anao, ny fianakavianao, na ny razambenao handray ny filazantsara. Avy eo dia afaka mamaky momba ny fampanantenana manokana iray izay nataon’ny Tompo tamin’ireo misiônera ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 ianao. Azon’ny ankizy atao tsara ny mieritreritra ireo fihetsika izay mifanaraka amin’io andininy io. Hevero ny hizara momba ny fotoana iray izay nanompoanao ny Tompo sy nahatsapanao fa niaraka taminao Izy, araka ny voafaritra ao amin’ny andininy 88. Azonao atao koa ny manampy ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo ho lasa misiônera amin’izao fotoana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia manampy antsika hahafantatra izay holazaina rehefa miresaka amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy isika.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.