Doctrine and Covenants 2025
11–17 aogositra: “Manorena … tranon’ Andriamanitra”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88


“11–17 aogositra: -Manorena … tranon’ Andriamanitra-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

Toerana ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao anatina trano kely

Natao tao amin’io efitrano io ny Sekolin’ny Mpaminany.

11–17 aogositra: “Manorena … tranon’Andriamanitra”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Matetika ny Tompo no manome antsika sombiny kely amin’ilay “fahandrianany sy ny heriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:47) tsy misy fetra amin’ny alalan’ny fanomezana fanambarana mahatalanjona. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 dia karazany amin’izany fanambarana izany, izay mahakasika ny fahazavana sy ny voninahitra ary ireo fanjakana izay afaka mahatonga an’ireo ahiahintsika eto an-tany ho lasa tsy misy dikany raha ampitahaina amin’izany. Na dia tsy vitantsika aza ny mahatakatra ny zava-drehetra, dia farafaharatsiny afaka mahatsapa isika fa betsaka lavitra noho izay takatsika hatrizay ireo zavatra mikasika ny mandrakizay. Mazava ho azy fa tsy nilaza ireo fahamarinana goavana ireo akory ny Tompo ho fampitahorana antsika na mba hahatonga antsika hahatsiaro ho bitika. Raha ny marina dia nampanantena Izy fa “ho avy ny andro izay hahazoanareo na dia Andriamanitra aza” (andininy 49, nampiana fanamafisana). Angamba ho an’izany fiafarana feno voninahitra izany no nahatonga ny Tompo nandidy ireo Olomasiny tao Kirtland hanorina ny Sekolin’ny Mpaminany. “Mifandamina ianareo,” hoy Izy. “Omano ny zavatra rehetra ilaina; ary manorena … tranon’ Andriamanitra” (andininy 119). Ao an-trano masin’ Andriamanitra sy ao an-tokantranontsika no ahafahany, mihoatra noho ny any amin’ny toeran-kafa, mampiakatra ny fijerintsika hihoatra ny fiainana an-tany, “[mampiseho antsika] ny tavany,” ary manomana antsika “handray ny voninahitra selestialy” (andininy 68, 22).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88

Manolotra fiadanana ho ahy i Jesoa Kristy.

Andro vitsy monja taorian’ny fampitandremany fa hisy ady “[hilatsaka] amin’ny firenen-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:2), dia nanome fanambarana ny Tompo izay nantsoin’i Joseph Smith hoe “ravin’oliva,” izay tandindon’ny fiadanana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88, sasin-tenin’ny fizarana; jereo koa ny Genesisy 8:11). Mandritra ny fandalinanao ny fizarana 88 amin’ity herinandro ity, dia tadiavo ny hafatra mitory fiadanana omen’ny Tompo anao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6–67

Avy amin’i Jesoa Kristy ny fahazavana sy ny lalàna.

Ireo teny hoe fahazavana sy lalàna dia miverina imbetsaka ao amin’ny fizarana 88. Asio marika na raiso an-tsoratra ireo andininy izay ahitanao an’ireo teny ireo ao amin’ny andininy 6–67, ary soraty ny zavatra ianaranao momba ny fahazavana sy ny lalàna, ary momba an’i Jesoa Kristy. Mahatsapa ho voatosika hanao inona ianao mba handray fahazavana sy hiaina ny “lalàn’i Kristy”? (andininy 21).

Jereo koa ny Isaia 60:19; Jaona 1:1–9; 3 Nefia 15:9; Timothy J. Dyches, “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,” Liahona, mey 2021, 112–15; Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76.

Fianakaviana miara-mamaky soratra masina

Ny soratra masina dia ahitana ny lalàn’i Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–64

“Manakaikeza Ahy.”

Inona no zavatra niainana izay nampiseho anao fa marina ireo fampanantenana ao amin’ireo andininy ireo? Inona no dingana manaraka hataonao mba hanakaikezana an’i Kristy? Hevero ny hanisy marika ilay hira hoe “Mon Dieu, plus près de toi” (Cantiques, no. 54) mandritra ny fandalinana sy ny fitsaohana ataonao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–76

Afaka ny ho lasa madio aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

Ny fanomezan’ny Tompo didy hoe “manamasina ny tenanareo” dia miseho indroa ao amin’ny fizarana 88, (andininy 68, 74). Inona araka ny eritreritrao no dikan’io andian-teny io? Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireo andalana ao anatin’ny “Fanamasinana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (Médiathèque de l’Évangile). Ahoana no ahafahantsika ho lasa masina? Avelao hitarika ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88: 67–76 io fanontaniana io dia raiso an-tsoratra izay hevitra ara-panahy azonao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80, 118–26

sary famantarana ny seminera
“Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”

Nasain’ny Tompo nanorona “sekolin’ny mpaminany” tao Kirtland ny Olomasina (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:137). Nampianatra azy ireo ny fomba hanaovana izany ny ankamaroan’ny torolalana ao amin’ny fizarana 88. Io torolalana io dia afaka ihany koa manampy anao “[hanorina] … tranon’ny fianarana” (andininy 119) eo amin’ny fiainanao. Raha ny marina, dia afaka mijery ny andininy 77–80 sy 118–26 ianao mba ho drafitra “[hanamboarana] ny tokantrano[nao] ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara” sy ho “toerana masina isian’ny finoana” (Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113). Mety hahaliana ny manao sary izay mety ho endriky ny fanamboarana manokana ataonao, tafiditra ao anatin’izany ireo andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay tsapanao fa mila hampiharinao.

Mety hanampy ihany koa ny mitady ny valin’ireto fanontaniana ireto: Nahoana no manan-danja amin’ny Tompo ny fianarana sy ny fanabeazana? Inona no tiany halaliniko? Ahoana no fomba tiany ianarako? Tadiavo ao amin’ny andininy 77–80 sy ao amin’ny “Hanafaka anao ny fahamarinana” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 30–33) ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Araka ny hevitrao dia inona no dikan’ny hoe mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”? (andininy 118). Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ny hafatry ny Loholona Mathias Held hoe “Mikatsaka fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy”? (Liahona, mey 2019, 31–33).

Jereo koa ny “Une école et une dotation,” amin’ny Révélations dans leur contexte, 174–82.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy, lah. 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33

Manome fanomezana tsara ny Ray any An-danitra.

  • Azonao atao ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33 amin’ny alalan’ny fangatahana ireo ankizy hiresaka momba ireo fanomezana nomena azy ireo, na ireo izay noraisiny tamim-pifaliana izany na ireo hafa izay tsy noraisin’izy ireo. Azon’izy ireo atao angamba ny maneho fihetsika toy ny hoe mandray fanomezana amim-pifaliana. Avy eo dia azonareo atao ny miresaka ireo fanomezana omen’ny Ray any An-danitra antsika (toy ny fanomezana ny Fanahy Masina). Ahoana no handraisantsika ireo fanomezana ireo amim-pifaliana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63

Raha mitady fatratra ny Mpamonjy aho dia hahita Azy.

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63 dia mirakitra teny milaza asa izay mety hanosika hanao sahanasa mahafinaritra mba hamporisihana ny ankizy hikatsaka ny fanatrehan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra hoe misy kilalao tonga ao an-tsainao sy ny ankizy ve mba hifanakalozana hevitra momba ilay fehezan-teny hoe “tadiavo fatratra aho dia hahita Ahy ianareo” (nampiana fanamafisana),na “dondòny dia hovohana ianareo”?

Ilaina ovaovaina ny zavatra atolotra ny ankizy. “Tena mianatra tsara ny ankizy rehefa ampandraisina anjara ireo retsi-pamantarana isan-karazany. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsi-pahitany sy ny retsi-pandrenesany ary ny retsi-pahatsapany rehefa mianatra izy ireo. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety hahita fomba aza ianao hampiasana ny retsi-pamofonany sy ny retsik’andrany mihitsy aza ianao!” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32).

  • Mba hanamafisana ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “manakaikeza Ahy,” dia afaka mangataka ankizy iray ianao hihazona sarin’i Jesoa (toy ilay sary any amin’ny faran’ity lesona ity) eny amin’ny lafiny ilany amin’ilay efitrano, raha toa kosa ireo ankizy hafa ka mijoro eny am-pita. Rehefa mieritreritra ny zavatra azony atao mba hanakaikezana ny Mpamonjy ny ankizy, dia afaka manao dingana mankeny amin’ilay sary izy ireo, ary afaka manao dingana iray manatona ireo ankizy hafa ilay ankizy mihazona ny sary. Resaho amin’ny ankizy ny fomba anakaikezanao ny Mpamonjy sy ny fomba anakaikezany anao. Azonao atao koa ny miara-manao hira momba io lohahevitra io amin’izy ireo, toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80, 118

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra aho.

  • Angataho ny ankizy mba hitantara aminao ny zavatra ianaran’izy ireo any an-tsekoly na ao amin’ny Kilonga. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra vitsivitsy izay ianaranao. Avy eo dia azonao aseho an’ny ankizy ireo teny hoe inona, nahoana, ary ahoana. Ampio izy ireo hanao fikarohana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–79 mba hahafantarana hoe inona no tian’ny Tompo ianarantsika. Avy eo dia iaraho mijery ny andininy 80 mba hamantarana hoe nahoana isika no tiany hianatra ary ao amin’ny andininy 118 mba hamantarana hoe ahoana no fomba tokony ianarantsika.

Fianakaviana miara-mamaky soratra masina

“[Katsaho] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119

Afaka ny ho masina tahaka ny tempoly ny tokantranontsika.

  • Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119 amin’ny ankizy ianao,dia afaka manao sarina tilikambon’ny tempoly amin’ny sandriny izy ireo isaky ny mahare ny teny hoe “trano.” Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra i Joseph Smith sy ireo Olomasina mba hanorina tempoly iray, na “tranon’ Andriamanitra.”

  • Azonao atao ny mangataka ny ankizy hisafidy teny miisa fito izay mamaritra ny tranon’izy ireo. Avy eo dia ampio izy ireo hitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119 ireo teny fito nampiasain’ny Tompo hamaritana ny tranony. Ahoana no fomba ahafahantsika manao ny tokantranontsika ho “tranon’ Andriamanitra”?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Kristy miverina

Be Not Afraid [Aza manahy], nosoratan’i Michael Malm

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy