Doctrine and Covenants 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Tobin’i Ziona


“Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny: Tobin’i Ziona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Tobin’i Ziona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary famantarana ireo olo-malazan’ny famerenana amin’ny laoniny

Feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Tobin’i Ziona

Be dia be ireo olona izay nahatsapa fa ny ezaka izay nataon’izy ireo dia tsy nahomby satria tsy tafaverin’ny Tobin’i Ziona tany amin’ny tanin’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson mihitsy ireo Olomasina. Na dia izany aza dia betsaka tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny Tobin’i Ziona no nanao jery todika ny zavatra niainan’izy ireo ka nahita ny fomba nanatontosan’ny Tompo tanjona avoavo kokoa teo amin’ny fiainan’izy ireo sy tao amin’ny fanjakany. Ireto ny sasantsasany amin’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo.

Joseph Smith

One drawing in pencil, charcoal and ink on paper.  A left profile, head/shoulders portrait of Joseph Smith; drawn basically in charcoal, highlighted with white paint and black ink.  titled at bottom "Jospeh Smith the Prophet."  Signed at left shoulder "Drawn from the most authentic sources by Dan Weggeland"  A drawn border surrounds it.  No date apparent.

Efapolo taona mahery taorian’ny Tobin’i Ziona dia nanao tatitra i Joseph Young izay mpikambana tao anatin’ilay toby fa nilaza toy izao i Joseph Smith:

“Ry rahalahy, ny sasany aminareo dia tezitra tamiko, satria tsy niady tany Missouri ianareo; kanefa tiako ny milaza aminareo, fa tsy tian’ Andriamanitra hiady ianareo. Tsy afaka ny hanangana ny fanjakany amin’ny lehilahy roa ambin’ny folo Izy mba hanokatra ny varavaran’ny Filazantsara ho an’ny firenena ety an-tany, ary miaraka amin’ny lehilahy fitopolo eo ambanin’ny fitarihan’izy ireo mba hanaraka ny diany, raha tsy nalainy avy amin’ny vatan-dehilahy izay afaka manolotra ny ainy, ary nanao fahafoizan-tena goavana tahaka ny nataon’i Abrahama izy ireo.

“Ankehitriny dia efa nahita ny Roambinifolony sy ny Fitopolony ny Tompo, ary hisy kôlejin’ny Fitopololahy hafa ho antsoina izay hanao ilay fahafoizan-tena, ary ireo izay mbola tsy nanao ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fanatitr’izy ireo ankehitriny dia hanao izany any aoriana.”

Brigham Young

Photograph of Brigham Young in stately side pose.

“Rehefa tonga tany Missouri izahay dia niteny tamin’i Joseph mpanompony ny Tompo ka nilaza hoe: -Efa nankasitrahako ny fanatitrao,- ary dia nomena tombontsoa mba hiverina indray izahay. Rehefa niverina aho dia betsaka ireo namana izay nanontany ahy hoe inona no tombontsoa azo amin’ny fiantsoana lehilahy hiala amin’ny asa aman-draharahan’izy ireo mba handeha ho any Missouri ary avy eo hiverina, izay toa tsy nahavita na inona na inona akory raha ny fijery azy. Nanontany izy ireo hoe -Iza no efa nahazo tombontsoa tamin’izany?-. -Raha toa ka nandidy ny hanaovana an’izany ny Tompo, dia inona no tanjona nananany tamin’ny fanaovana izany?- … Nilaza tamin’ireo rahalahy aho fa nahazo valisoa lehibe tokoa—valisoa nihoatra ny tokony ho izy—eny, tena lehibe tokoa ny valisoako niaraka tamin’ny fahafantarako fa efa nahazo tombony tokoa aho tamin’ny alalan’ny dia nataoko niaraka tamin’ny Mpaminany.”

Wilford Woodruff

Portrait of Wilford Woodruff. He is depicted wearing a black suit, vest and bow tie, seated in a red chair and resting one arm on the arm rest and the other on a table.

“Tao amin’ny Tobin’i Ziona niaraka tamin’ny Mpaminanin’ Andriamanitra aho. Nahita ny fiasan’ Andriamanitra taminy aho. Nahita ny herin’ Andriamanitra niaraka taminy aho. Nahita aho fa mpaminanin’ Andriamanitra izy. Ny zavatra izay nampahafantarina azy tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra nandritra izany iraka novitaina izany dia nanan-danja lehibe tokoa ho ahy sy ho an’ireo izay nandray ny torolalany.”

“Rehefa voantso ireo mpikambana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia betsaka taminay no tsy mbola nifankahita tava mihitsy; tsy nifankafantatra izahay ary betsaka no tsy mbola nahita maso ny mpaminany. Nipetraka tamina toerana samihafa izahay toy ny katsaka vita sivana, nanerana ny firenena. Zatovolahy izahay tamin’izany, ary voantso tamin’izany andro izany mba handeha sy hanavotra an’i Ziona, ary tsy maintsy natao tamim-pinoana ny zavatra izay nilaina nataonay. Niara-nivondrona tao Kirtland avy tamina Faritany amerikana isan-karazany izahay ary nandeha mba hanavotra an’i Ziona ho fanatanterahana ny didy izay nomen’ Andriamanitra anay. Nankasitrahan’ Andriamanitra ny asanay toa ny nankasitrahany ny asan’i Abrahama. Nahavita zavatra betsaka izahay na dia nametraka imbetsaka ny fanontaniana hoe -inona no zava-bitanareo?- aza ireo tsy mpino sy ireo nivadi-pinoana. Nahazo traikefa izay tsy ho azonay tamina fomba hafa na oviana na oviana izahay. Nanana tombontsoa manokana mba hifankahita tava tamin’ny mpaminany izahay, ary nanana tombontsoa ny handeha arivo kilômetatra niaraka taminy sy nahita ny fiasan’ny fanahin’ Andriamanitra taminy sy ireo fanambaran’i Jesoa Kristy taminy ary ny fahatontosan’ireo fanambarana. Ary nanangona loholona teo amin’ny roanjato isa teo avy tamin’ny firenena rehetra izy tamin’izany fiantombohan’ny tantaran’ny Fiangonana izany ary nandefa anay nanodidina an’izao tontolo izao mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha toa ka tsy nandeha niaraka tamin’ny Tobin’i Ziona aho dia tsy ho teto anio [ao Salt Lake City, manompo miaraka amin’ny kôlejin’ny Roambinifolo ]. … Tamin’ny fandehananay tany dia nalefa tao amin’ny tanimboaloboka izahay mba hitory ny filazantsara, ary ny Tompo dia nankasitraka ny asanay. Ary tamin’ny fikelezanay aina sy ny fanenjehana anay rehetra dia natetika no notandindomin-doza ny fiainanay, nila niasa sy niaina tamim-pinoana izahay.”

“Ny traikefa izay azo [nay] tamin’ny fandehanana tao amin’ny Tobin’i Ziona dia nanan-danja kokoa nihoatra noho ny volamena.”

Fanamarihana

  1. Ao amin’ny Joseph Young Zokiny, History of the Organization of the Seventies (1878), 14.

  2. “Discourse,” Deseret News, Dec 3, 1862, 177.

  3. Ao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, Apr. 1898, 29–30; jereo ihany koa ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff (2004), 135.

  4. “Discourse,” Deseret News, Dec. 22, 1869, 543; jereo ihany koa ny Teachings: Wilford Woodruff, 138.

  5. Deseret News: Semi-Weekly, July 27, 1880, 2; jereo ihany koa ny Teachings: Wilford Woodruff, 138.