Doctrine and Covenants 2025
6–12 ôktôbra: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114


“6–12 ôktôbra: -Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

i Joseph Smith mampianatra ao amin’ny Tempolin’i Kirtland

6–12 ôktôbra: “Harindrako ny zavatra rehetra ho tombontsoanareo”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111–114

Efa nisy zavatra niainanao ara-panahy izay nahatonga anao nahatsapa ho matoky tena sy lavitry ny loza tao anatin’ny finoanao an’i Kristy ve, saingy taorian’izay dia nosedrain’ireo fahoriana eo amin’ny fiainana ny finoanao, ary nitolona mba hahatsapa indray ilay fiadanana tsapanao teo aloha ianao? Zavatra toy izany no nitranga tamin’ireo Olomasina tao Kirtland. Herintaona latsaka taorian’ilay fitobahan’ny Fanahy nifandray tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland dia nipoitra ireo olana. Nahatonga ny Olomasina sasany tsy hiorina tamin’ny finoany ny tsy fahampiana ara-bola sy ny tsy fifanarahana teo amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo fitsapana hafa na dia teo aza ny zavatra niainan’izy ireo tany aloha tany.

Tsy afa-miala amin’ny fitsapana isika, koa ahoana ary no ahafahantsika manakana azy ireny tsy hampidi-doza ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Ny ampahany amin’ny valin’izany angamba dia afaka ny ho hita ao amin’ilay torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112, izay nomena raha mbola nihanahazo vahana ny fahoriana. Hoy ny Tompo: “Diovy eo anoloako ny fonareo” (andininy 28), “Aza mikomy” (andininy 15), “Sikino ho amin’ny asa ny valahinao” (andininy 7), ary “Aoka ianao hanetry tena” (andininy 10). Rehefa manaraka io torohevitra io isika dia “hitarika [antsika] amin’ny tanana” ny Tompo ao anatin’ny fahoriana sy ho amin’ny fahasitranana sy ny fiadanana (jereo ny andininy 10, 13).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Afaka “[mandrindra] ny zavatra rehetra ho tombontsoa[ko]” ny Tompo.

Tamin’ny 1836 dia nidiran-trosa mavesatra ny Fiangonana noho ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Natahotra noho ireo trosa ireo i Joseph Smith sy ireo olona hafa ka dia nieritreritra fomba handoavana izany (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111).

Rehefa mamaky ny fizarana 111 ianao dia diniho hoe ahoana no fiantefan’ny tenin’ny Tompo tamin’i Joseph aminao sy amin’ireo zavatra mampiahiahy anao. Ohatra, oviana ianao no nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra “na dia [teo] aza ny hadalanao” (andininy 1)? Ahoana no nanampian’ny Tompo anao hahita “rakitsoa” tsy nampoizina? (andininy 10)? Inona no zavatra nataony mba “[handrindrana] ny zava-drehetra ho tombontsoa[nao]” (andininy 11)? Inona no ampianarin’ilay andian-teny hoe “haingana araka izay ahaizanareo mandray azy ireny” momba ny Ray any An-danitra?

Jereo koa ny Matio 6:19–21, 33.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:3–15, 22

sary famantarana ny seminera
Hitarika ahy ny Tompo rehefa mikatsaka ny sitrapony amim-panentrentena aho.

Tezitra i Thomas B. Marsh, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa niantso mpikambana roa tao amin’ny kôlejiny hitory ny filazantsara tany Angletera i Joseph Smith, kanefa tsy nifampidinika taminy akory. Nihaona tamin’ny Mpaminany izy, izay nandray fanambarana hanampiana an’i Thomas hanadino ny fahatohinany. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 izany fanambarana izany.

Ataovy ao an-tsaina hatrany io sahan-kevitra io rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ianao. Inona no hitanao fa mety ho nanasitrana ny fahatohinan’i Thomas? Afaka mitady ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto ianao ao amin’ny andininy 3–15 sy 22: Inona no atao hoe fanetrentena? Midika inona amin’ny Tompo ny hoe mitarika anao “amin’ny tanana”? Nahoana araka ny eritreritrao no manampy anao hahazo ny fitarihan’ny Tompo ny fanetrentena? Afaka mahita valiny fanampiny ianao ao amin’ny “Lamin’ny fanetrentena” ao amin’ny hafatry ny Loholona Joseph W. Sitati hoe “Lamin’ny maha-mpianatra” (Liahona, nôv. 2022, 87–88).

Mieritrereta olona iray izay fantatrao fa manetry tena. Inona no ataon’io olona io mba hanehoana fanetrentena? Inona no ianaranao avy amin’ny Mpamonjy momba ny hoe manetry tena? Azonao atao tsara ny mitady sary ahitana ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay nanehoany fanetrentena.

Oviana no nahatsapanao fa notarihan’ny Tompo ianao rehefa nanetry tena?

Jereo koa ny Ulisses Soares, “Aoka ho malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, nôv. 2013, 9–11; “Oh, sois humble,” Cantiques, no. 69.

Ampandraiso anjara mavitrika ny mpianatra. Eritrereto ny fomba azonao anampiana ireo olona ampianarinao mba handray anjara mavitrika amin’ny fianarana ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Ohatra, mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny zavatra nolazain’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10, dia afaka manampina ny mason’ny olona iray ianao ary mitarika azy amim-pitandremana tsara amin’ny tanana handeha hihodina hiala ny sakana kely iray toy ny andian-tseza na zavatra hafa. Inona no azontsika ianarana momba ny fanetrentena avy amin’io ohatra naseho io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–26, 28, 33–34

Ireo izay tena niova fo marina dia lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy.

Ny fivadihan’ny Apôstôly sasany tamin’ny Mpaminany tamin’ny 1837, izay zava-nisy marina, dia fampahatsiahivana tena tsara fa na inona na inona antso ananantsika, na hoe, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny halehiben’ny fahalalantsika momba ny filazantsara, dia tsy maintsy maka antoka isika tsirairay avy fa mikolokolo ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy isika. Azonao atao tsara ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:12–26, 28, 33–34 ary mitady ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handresy fisedrana ny finoana na ho lasa miova fo misimisy kokoa ho an’ny Tompo. Mety hahatsapa ho taomim-panahy ianao hizara ny zavatra hitanao mba hanampiana olona hafa hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113

“[Mpanompo] teo an-tanan’i Kristy” i Joseph Smith.

Ny mpaminany Isaia dia niantso ny iray tamin’ireo taranak’i Jese hoe “solofo” sy “fototra” (Isaia 11:1, 10). Nohazavain’ny Tompo ao amin’ny fizarana 113 fa io taranaka io, izay mpanompon’i Kristy, dia ho fitaovana amin’ny fanangonana ny olon’ny Tompo amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:4, 6). Mamariparitra tsara ny Mpaminany Joseph Smith io faminaniana io. Ahoana no mety nankaherezan’io sy ireo fahamarinana hafa ao amin’ny fizarana 113 ireo Olomasina nandritra ny fahoriana izay niainan’izy ireo tao Kirtland? Inona no hitanao ao amin’io fanambarana io izay manentana anao hijanona ho matanjaka sy hanohy handray anjara amin’ny asan’ny Tompo amin’izao fotoana izao?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jese,” Médiathèque de l’Évangile; 2 Nefia 21:10–12; Joseph Smith—Tantara 1:40.

sary fanehoana ny Isaia 11:1

Nanoratra momba ny “solofo” sy “[faka]” hitsimoka avy eo amin’ny “fototr’i Jese” i Isaia.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 01

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 10–11

Ireo zavatr’ Andriamanitra dia afaka ny ho rakitsoa ho ahy.

  • Azonao sy ny ankizy atao ny manao sary ny zavatra tonga ao an-tsaina rehefa mahare ny teny hoe rakitsoa (harena be) ianareo. Aorian’izay dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, 10–11 ianareo ary mampitaha ireo harena eto an-tany amin’ireo zavatra sarobidy amin’ny Tompo. (Jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity.) Ahoana no ahafahantsika mandray ho sarobidy kokoa ireo zavatr’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10

Ny Tompo dia hitarika ahy amin’ny tanana ary hamaly ny vavaka ataoko.

  • Rehefa avy miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 ianareo dia afaka miara-mihira ny “Oh, sois humble” (Cantiques, no. 69) ianao sy ny ankizy. Afaka manao kilalao koa ianareo izay ahitana ny fifampitarihana “amin’ny tanana” (toy ny lalana misy sakana). Ahoana no itarihan’ny Tompo antsika “amin’ny tanana”, na dia tsy miaraka amintsika mivantana aza Izy? Nahoana isika no mila ny Tompo mitantana antsika? Oviana isika no nahatsapa ny Tompo nitarika antsika?

  • Afaka manoratra ireo teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 ianao na ny ankizy ary manipika ireo fitahiana omen’ny Tompo antsika rehefa mitodika any aminy amim-panetrentena isika. Amporisiho ny ankizy hizara ireo fotoana nangatahany tamim-panetrentena ny fanampian’ny Tompo ary nahazoany ny valin’ny vavaka nataony, na nitarihana azy ireo hanao zavatra tsara (jereo ny Môrônia 7:13, 16).

i Jesoa manasitrana zaza iray

Ampahan-tsary avy amin’ny Arise and Walk (Mitsangana ka mandehana), nataon’i Simon Dewey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11

Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho.

  • Afaka mifandimby ianao sy ny ankizy mamaky ny Toko 41: Korontana tao Kirtland” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,158–60). Iza ao amin’ilay tantara no nahatonga ny olana tao Kirtland ho niharatsy kokoa? Iza no niezaka nanatsara ny toe-draharaha? Azonareo atao avy eo ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11 ary miresaka mikasika ny antony itiavan’ny Mpamonjy antsika ho tia ny olon-drehetra. Oviana Izy no naneho fitiavana an’ireo olona ratsy fanahy Taminy? (ohatra, jereo ny Lioka 23:34). Afaka manao hira momba ny fitiavana ny hafa ihany koa ianareo, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 78–79).

2:20

Chapter 41: Trouble in Kirtland: 1837–1838

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:11–14, 24–26

Ireo izay tena niova fo marina dia lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy.

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:24–26, dia afaka miresaka momba ny tsy mampitovy ny hoe mahafantatra ny anaran’olona iray sy ny hoe mahafantatra azy ianao sy ny ankizy. Fampianarana inona ao amin’ny andininy 11–14 no manampy antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe mahafantatra ny Tompo?

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Mirakitra an-tsoratra ny fanambarana nomena azy tamin’ny alalan’i Joseph Smith i Thomas B. Marsh.

Be Thou Humble [Aoka ianao hanetry tena], nataon’i Julie Rogers.

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy