“Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Ny Fikambanana Ifanampiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Ny Fikambanana Ifanampiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny
Ny Fikambanana Ifanampiana
Tamin’ny 1842, taorian’ny nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo Illinois, dia hoy ny Mpaminany Joseph Smith: “Tsy ho lavorary mihitsy ny firafitry ny Fiangonana raha tsy voarindra toy izao ny vehivavy.” Mitovy amin’izany ihany, ny fandalinana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo sy ny fisoronany dia tsy feno raha tsy tafiditra ao anatin’izany ny fandalinana momba ny Fikambanana Ifanampiana, izay “famerenana amin’ny laoniny ny lamina iray fahiny” an’ireo mpianatra vehivavin’i Jesoa Kristy.
Nitana anjara asa manan-danja i Eliza R. Snow tao anatin’izany famerenana amin’ny laoniny izany. Teo izy tamin’ny nanorenana voalohany ny Fikambanana Ifanampiana ary tamin’ny naha-mpitantsoratry ny fikambanana azy dia nandray an-tsoratra izy nandritra ny fivoriana nataon’ny fikambanana. Hitany maso fa ny Fikambanana Ifanampiana dia naorina “araka ny lamin’ny fisoronana.” Ireto ambany ireto ny teniny, izay nosoratana fony izy Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faharoa, mba hanampiana ireo rahavaviny hahatakatra ny asa masina izay nankinina tamin’ireo zanakavavin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.
Mba hahalalana bebe kokoa momba ny fomba nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana, dia jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2017), 1–25.
Hosodoko maneho ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana nataon’i Paul Mann
Eliza R. Snow
“Na dia manaraka ny toetrandro aza ny anarana hoe [Fikambanana Ifanampiana] dia efa ela no niforonan’ny fikambanana. Nilaza taminay i [Joseph Smith] fa efa nisy tao amin’ny fiangonana fahiny ilay rafitra, ary misy filazana an-kolaka momba izany ao amin’ireo epistily sasany voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mampiasa ny anarana fiantsoana hoe -itompokovavy voafidy- [jereo ny 2 Jaona 1:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3].
“Io rafitra io dia tsy misy raha tsy eo ny Fisoronana, satria izany no loharano hahazoany ny fahefany sy fitarihany rehetra. Rehefa nesorina teto an-tany ny Fisoronana dia lasa tsy nisy intsony io fikambanana io sy ireo zavatra hafa izay hita tao amin’ny lamina marin’ny fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany. …
“Noho izaho nanatrika ny fanorenana ny -Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy tao Nauvoo,- … noho ny fananako ihany koa traikefa maro tao anatin’izany fikambanana izany, dia azoko atao angamba ny mampita hevitra vitsy izay hanampy ireo zanakavavin’i Ziona mba hirotsaka ao amin’io rafitra manan-danja tokoa io, izay feno andraikitra vaovao sy marobe. Raha toa ka misy zanakavavy na reny ao Isiraely mahatsapa fa voafetra na dia kely fotsiny aza ny sehatra ahafahany miasa dia hanana hery sy tanjaka bebe kokoa izy ireo ankehitriny hanaovana zavatra tsara izay tena nomena azy ireo tamim-pahalalana tokoa. …
Naorina tao amin’ny efitrano ambony rihana tao amin’ny Magazay Biriky Mena ny Fikambanana Ifanampiana.
“Raha misy manontany hoe -Inona no tanjom-pisian’ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy?- Dia hamaly aho hoe, hanao soa, hampiasa ny fahaiza-manao ananantsika amin’ny fanaovana ny tsara, tsy amin’ny fanampiana ny mahantra ihany fa amin’ny famonjena fanahy ihany koa. Ny ezaka atao mitambatra dia hanatanteraka zavatra maro be tsy tambo isaina izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ireo olona tena mahomby indrindra. …
“Rehefa manompo ny mahantra dia manana andraikitra hafa ho tanterahina ankoatra ny fanomezana izay zavatra ilaina ara-batana fotsiny ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny vehivavy. Ny fahantrana ara-tsaina sy ny ratram-po ihany koa dia mitaky fiahiana, ary amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia mitaky filazana zavatra amin-kalemem-panahy, ny teny vitsivitsy hanoroana hevitra, na fandraisan-tanana feno fitiavana mihitsy aza dia hitondra soa bebe kokoa sy hankasitrahana bebe kokoa noho ny kitapo iray misy volamena. …
“Rehefa tafavondrona avy any andafin-driaka any ny Olomasina, izay vahiny tokoa ho an’ny olona rehetra, ary atahorana ho voatarik’ireo izay miezaka ny hamitaka mba hivily lalana, dia tokony hihetsika haingana ny Fikambanana [Ifanampiana] mba hitady [azy ireo], ary hampahafantatra azy ireo an’ilay fikambanana izay hanatsara sy hanandratra azy ireo, ary ny tena zava-dehibe indrindra, hampatanjaka azy ireo ao amin’ny finoan’ny Filazantsara, ary rehefa manao izany izy ireo dia afaka ny ho fitaovana hanavotra olona maro.
“Hitaky boky maro ny famaritana ireo adidy sy tombontsoa ary andraikitra izay miaraka amin’ny andraikitra sahanin’ny Fikambanana. … Ataovy amim-pahatoniana (eo ambany fitarihan’ny evekanareo), sy an-tsitrapo, amim-pientanentanana, amim-piraisan-kina, ary amim-bavaka ny asa, dia hitahy ny ezaka ataonareo mba hahomby Andriamanitra.”