Doctrine and Covenants 2025
3–9 nôvambra: “Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128


“3–9 nôvambra: -Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025

sary hosodoko maneho fianakaviana miaraka amin’ny razambe any amin’ny tontolon’ny fanahy

Us with Them and Them with Us (Izahay miaraka amin’izy ireo ary izy ireo miaraka aminay), nataon’i Caitlin Connolly

3–9 nôvambra: “Feon’ny fifaliana ho an’ny velona sy ny maty”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128

Tamin’ny aogositra 1840 dia nisy vehivavy vonton’alahelo iray nantsoina hoe Jane Neyman izay nihaino ny Mpaminany Joseph nandaha-teny tamin’ny fandevenana an’i Seymour Brunson namany. Vao maty vao haingana ihany koa i Cyrus zanaka lahitokan’i Jane izay mbola zatovo. Nanampy trotraka ny alahelony ihany koa ny tsy mbola nahavitana batisa an’i Cyrus hatramin’izay, ary niasa saina i Jane ny amin’ny vokatr’izany ho an’ny fanahiny mandrakizay. Efa nametra-panontaniana ny amin’ny zavatra toy izany momba an’i Alvin rahalahy malalany i Joseph, izay maty ihany koa talohan’ny nanaovana batisa azy. Noho izany dia nanapa-kevitra ny Mpaminany mba hizara amin’ny olona rehetra izay nanatrika ilay fandevenana ny zavatra izay efa nambaran’ny Tompo taminy mikasika ireo olona izay efa nodimandry kanefa tsy mbola nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara, sy ny zavatra izay azontsika hatao mba hanampiana azy ireny.

Nahavelom-bolo an’ireo Olomasina ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Avy hatrany dia nitodika tany amin’ireo olona tao amin’ny fianakavian’izy ireo izay efa nodimandry ny eritreritr’izy ireo. Ankehitriny dia nisy fanantenana ny amin’izy ireny! Niara-nifaly tamin’izy ireo i Joseph, ary nampiasa fiteny feno fifaliana sy zotom-po, tao anatina taratasy iray mampianatra io fotopampianarana io, mba hanehoana ny zavatra izay nampianarin’ny Tompo azy mahakasika ny fanavotana an’ireo maty: “Aoka ny tendrombohitra hihiaka ny fifaliany ary ianareo lohasaha rehetra hiantso mafy; ary ianareo ranomasina rehetra sy tany maina hitantara ny zava-mahagagan’ny mpanjakanareo Mandrakizay!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:23).

sary famantarana ny fandalinana

Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

Tian’ny Tompo hikarakara ny fianakaviako aho.

Rehefa tafaverina avy namita iraka tany Angletera, izay isan’ireo asa fitoriana maro be nataony i Brigham Young, dia nahazo antso iray hafa manan-danja avy amin’ny Tompo. Nangatahina izy “hikarakara manokana ny fianakavia[ny]” (andininy 3), izay nijaly nandritra ny tsy naha-teo azy. Rehefa mandalina ity fizarana ity ianao dia eritrereto ny antony itakian’ny Tompo fahafoizan-tena indraindray amin’ny asa fanompoana ataontsika. Inona no azonao atao mba hikarakarana ny fianakavianao?

.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:2–4

Afaka miantehitra amin’ny Tompo aho mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Voatery niafina indray i Joseph Smith tamin’ny aogositra 1842 noho ireo fanenjehana sy fandrahonana ny hisamborana azy. Kanefa na dia izany aza dia feno fanantenana zavatra tsara sy fifaliana ireo teny izay nosoratany ho an’ireo Olomasina nandritra izany fotoana izany (izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 ankehitriny). Inona no ampianarin’ny andininy 2–4 anao momba an’ Andriamanitra? momba ny fiatrehana fanalam-baraka na fanoherana? Andian-teny inona avy amin’ireo andininy ireo no mety hanampy anao rehefa mahatsapa ho henjehina ianao? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny fomba izay anohanan’ny Tompo anao amin’ny “rano lalin’”ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–8; 128:1–8

“Na inona na inona raketinareo ety an-tany dia ho voarakitra any an-danitra.”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–8; 128:1–8 ianao dia tadiavo ireo antony nahatonga ny Tompo nanome an’i Joseph Smith torolalana mazava tsara toy izany mahakasika ny batisa ho an’ny maty. Mampianatra inona anao momba ny Tompo sy ny asany izany? Ahoana raha ny fahatsapanao no ahafahana mampihatra io torolalana io amin’ireo rakitsoratry ny fianakaviana, toy ny diarin’ny tena manokana?

zatovolahy manao tantaram-pianakaviana

Mamatotra ny fontsika amin’izy ireo ny fanaovana asa fanompoana ho an’ireo razambentsika ao amin’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5–25

sary famantarana ny seminera
Tena ilaina amin’ny famonjena ahy ny famonjena ireo razambeko.

Tena mazava avy amin’ny zavatra izay nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Joseph Smith ny antony ilan’ireo razambentsika izay tsy vita batisa teto amin’ity fiainana ity antsika: atao batisa ho azy ireo isika mba hahafahany misafidy ny hanaiky na handà io ôrdônansy io. Kanefa nampianatra ihany koa ny Mpaminany fa “ny famonjena [ireo razambentsika] dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika.” Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128: 15–18 ianao dia eritrereto ny antony mahatonga izany.

Mampianatra ny andininy 5 fa ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty dia efa “nomanina talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.” Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny? Inona no zavatra mampitombo ny fahatakaranao ao amin’ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: famehezana sy fanasitranana”? (Liahona, mey 2018, 46–49).

Nampiasa andian-teny toy ny “hery mamehy,” “fifamatorana,” sy “firaisana feno” i Joseph Smith rehefa nampianatra momba ny ôrdônansin’ny fisoronana sy ny batisa ho an’ny maty. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5–25 ianao dia tadiavo ireo andian-teny ireo na andian-teny izay mitovitovy amin’ireo. Misy zavatra tonga ao an-tsainao izay azonao ampiasaina mba hanehoana ireo andian-teny ireo ve, toy ny rojo na tady? Nahoana ireo no andian-teny tsara hamaritana io fotopampianarana io?

Mety hanampy ihany koa amin’ny fandalinanao an’ireo andininy ireo ny fandinihana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha ny hevitrao, dia nahoana ny batisa ho an’ny maty no azo heverina ho “lohahevitra faran’izay be voninahitra amin’ny rehetra … izay an’ny filazantsara maharitra mandrakizay”? (andininy 17). Inona ny zavatra niainana izay nanampy anao hahatsapa izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahavoan’ny ozona ny tany raha tsy misy “ny fifamatorana … mampifamatotra ny ray sy ny zanaka”? (andininy18).

  • Inona no zavatra manaitra ny saina ao amin’ireo tenin’i Joseph Smith ao amin’ny andininy 19–25? Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy? momba ny fanompoana ny razambenao ao amin’ny tempoly?

Rehefa avy mandalina ireo andininy ireo ianao dia mety hahatsapa ho voataona hanao zavatra ho an’ireo razambenao. Afaka manampy ireo hevitra ao amin’ny FamilySearch.org.

Ny amboaran’ireo “Vidéos inspirantes” ao amin’ny “Œuvre de l’histoire familiale et du temple” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile dia afaka manome anao fanampiana hanaovana fampiharana, tantara manome hevitra, ary hafatra avy amin’ireo mpitarika momba ny tantaram-pianakaviana.

Mampiasà loharanom-pahalalana avy amin’ny Fiangonana. Ireo rohy ao amin’ny lesona Avia, hanaraka Ahy dia manamora ny fahafahana mahazo ireo loharanom-pahalalana tena ilaina izay afaka manampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, na hanao asa mifandray amin’ireo fahatsapana voarainao. Ohatra, ilay rohy FamilySearch etsy ambony dia mitondra mankany amin’ireo sahanasa toy ny fanorenana ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao, ny fitadiavana razambe izay mila ireo ôrdônansin’ny tempoly, ny fijerena ny fiavian’ireo razambenao, na ny fampidirana tantaram-pianakaviana.

Jereo koa ny Kevin R. Duncan, “Feon’ny fifaliana!,” Liahona, mey 2023, 95–97.

“Fanomezana mahafinaritra sy feno voninahitra .”

Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Ny Sorompanavotan’i Jesoa ho an’ny rehetra dia maneho sorona lehibe isoloany toerana ho antsika. Nametraka fakan-tahaka Izy rehefa nisolo toerana ny olombelona rehetra. Izany fakan-tahaka izany izay ahafahan’ny olona iray manao zavatra ho an’ny olona iray hafa dia hoentina ao anatin’ireo ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo. Any isika dia manompo ho an’ireo izay maty tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara. Afaka misafidy ny hanaiky na handà ilay ôrdônansy izay notanterahina izy ireo. Apetraka amina toerana mitovy amin’ireo izay mandia ny tany izy ireo. Nomena fahafahana mitovy amin’ny velona ireo maty. Averiko indray, fanomezana mahafinaritra sy feno voninahitra no nomen’ilay Tsitoha tamin’ny alalan’ny fanambarana nomeny ny Mpaminaniny” (“The Great Things Which God Has Revealed,” Liahona, May 2005, 82–83).

sary famantarana ny fizarana ho an’ny ankizy 02

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:3

Afaka manampy amin’ny fikarakarana ny fianakaviako aho.

  • Mba hanampiana ny ankizy hianatra hanompo ny olona ao amin’ny fianakaviany, dia hevero ny hizara ilay fampahalalana momba an’i Brigham Young ao amin’ny “Toko 50: Ireo Olomasina tao Nauvoo” (Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 184) na fintino amin’ny teninao manokana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126. Azonao atao ny manamafy ilay andian-teny hoe “hikarakara manokana ny fianakavianao” (andininy 3) ary miresaka amin’ny ankizy ny dikan’ny hoe mikarakara manokana ny fianakavianao.

    1:33

    Chapter 50: The Saints in Nauvoo: January–July 1841

  • Mety hahafinaritra anao sy ny ankizy ny hitady sarin’ny fianakaviana (na hanao sary) rehefa miara-miresaka momba ireo fomba ahafahantsika “mikarakara” ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika ianareo. Afaka manao hira toy ny “Notre foyer ici-bas” (Cantiques, no.188) koa ianareo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5, 12

Mila fahafahana ny hatao batisa avokoa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

  • Asao ny ankizy hamantara avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1 hoe inona no lohahevitra nibahana tao an-tsain’i Joseph Smith. Azon’izy ireo atao koa ny manao fikarohana ao amin’ny andininy 17 mba hahitana ny lohahevitra izay noraisiny ho “faran’izay be voninahitra.” Avelao izy ireo hizara ny zavatra hitany sy hiresaka momba ny antony mahatonga io lohahevitra io ho mampientanentana tokoa.

  • Ankoatra ny fanampiana ny ankizy hiomana hanao ny fanekempihavanan’ny batisa ho an’ny tenany manokana (sy hiaina izany), dia afaka manampy azy ireo ianao hahafantatra ny fomba anampiana ireo olona tsy nanao ireo fanekempihavanana ireo nandritra ny androm-piainan’izy ireo. Tantarao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray fantatrao izay maty tsy vita batisa. Aorian’izay dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:5 ianareo ary mijery sarina dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly (tahaka ilay iray any amin’ny faran’ity lesona ity). Lazao amin’ny ankizy ny zavatra tsapanao momba izany hoe atao batisa ho an’ireo olona maty izany mba hananan’ny olona rehetra fahafahana ny hanao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18

Tian’ny Ray any An-danitra aho hianatra mikasika ny tantaram-pianakaviako.

  • Mety hahafinaritra anao sy ny ankizy ny hanao rojo vita amin’ny taratasy misy anaran’ny ray aman-dreny, ny an’ireo raibe sy renibe, ny ray aman-drenin’ny raibe sy ny renibe, sy ny sisa (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra fantatrareo momba ireo razambe ireo ianareo. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 mba hahafantarana ilay “fifamatorana” izay mahatonga ny tantaran’ny fianakaviantsika hikambana sy ho feno.

    1:44

    PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_CourageIThinkIGetItFromHim_SUB_21Aug2025_HDF-2398_MLG.mov

  • Misy sahanasa fanampiny hanampiana ny ankizy handray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana azo jerena ao amin’ny “Ny tempoly sy ny drafitry ny fahasambarana” ao amin’ny tovana B na ao amin’ny FamilySearch.org.

reny sy zanakavavy manamboatra rojo vita amin’ny taratasy

Manampy antsika hampiray ny fianakaviana toy ireo rohy amina rojo iray ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

Ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah.

pejin’ny sahanasa ho an’ny ankizy