“1–7 Desambra, -Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty-: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Christ Preaching in the Spirit World [I Kristy mampianatra ao amin’ny tontolon’ny fanahy], nataon’i Robert T. Barrett
1–7 desambra: “Ny fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty”
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137–138
Ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 sy ny 138 dia misy elanelany mihoatra ny 80 taona sy 2400 kilaometatra. Ny fizarana 137 dia voarain’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1836 tao amin’ny tempolin’i Kirtland, ary ny fizarana 138 dia voarain’i Joseph F. Smith, Filohan’ny Fiangonana fahaenina, tamin’ny 1918 tao Salt Lake City. Saingy ara-potopampianarana dia misy ifandraisany tsara ireo fahitana roa ireo. Samy mamaly fanontaniana izay ananan’ny olona maro, tafiditra ao anatin’izany ireo mpaminanin’ Andriamanitra, momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana izy ireo. Nametra-panontaniana ny amin’izay hiafaran’i Alvin rahalahiny, izay maty tsy vita batisa, i Joseph Smith. Nieritreritra matetika momba ny tontolon’ny fanahy i Joseph F. Smith, izay namoy ny ray aman-dreniny sy ny zanany miisa 13 noho ny fahafatesana aloha loatra, ary nametra-panontaniana momba ny fitoriana ny filazantsara tany.
Ny fizarana 137 dia manome fampahalalana santatra ambavarano vitsivitsy momba izay hiafaran’ireo zanak’ Andriamanitra any amin’ny fiainana ho avy, ary ny fizarana 138 dia manome fampahalalana misimisy kokoa. Ireo fanambarana roa ireo miaraka dia mijoro ho vavolombelona ny amin’“ny fitiavana lehibe sy mahagaga nasehon’ny Ray sy ny Zanaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:3).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137; 138: 30–37, 57–60
Hanana fahafahana hisafidy ny fiainana mandrakizay ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.
I Alvin Smith, izay rahalahy malalan’ny Mpaminany Joseph, dia nodimandry enin-taona talohan’ny namerenan’ Andriamanitra ny fahefana hanao batisa. Ny fahatakarana niraisana teo anivon’ireo Kristianina tamin’ny 1836 dia ny hoe, raha toa ka nisy olona iray nodimandry nefa mbola tsy vita batisa, dia tsy afaka ho any an-danitra izany olona izany. Nametra-panontaniana nandritra ny taona maro momba ny famonjena an’i Alvin mandrakizay i Joseph, mandra-pahazoany ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137.
Olona maro amin’izao fotoana izao no manana fanontaniana toy izany. Nahoana Andriamanitra no hitaky ôrdônansy sy fanekempihavanana kanefa be dia be tokoa ny olona izay tsy nanana na oviana na oviana ny fahafahana handray izany? Inona no holazainao amin’ny olona izay mametraka izany fanontaniana izany? Ahoana no hanorenanao ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra sy amin’ny zavatra takiny ho an’ny famonjena? Mitadiava fahamarinana azonao zaraina ao amin’ny fizarana 137 sy ao amin’ny fizarana 138:30–37, 57–60. Azonao atao koa ny mitady ireo fahamarinana ireo izay voalaza ao amin’ny hafatry ny Filoha Henry B. Eyring hoe “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2017, 19–22).
Rehefa mandalina sy misaintsaina ianao, dia azonao raketina an-tsoratra ny eritreritrao amin’ny alalan’ny famenoana fehezan-teny tahaka ireto:
-
Noho ireo fanambarana ireo dia fantatro fa ny Ray any An-danitra dia .
-
Noho ireo fanambarana ireo dia fantatro fa ny drafitry ny famonjen’ny Ray dia .
-
Noho ireo fanambarana ireo dia te aho.
.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30
Ny famakiana sy ny fisaintsainana ny soratra masina dia manomana ahy handray fanambarana.
Indraindray ny fanambarana dia tonga na dia tsy mikatsaka izany aza isika. Saingy matetika dia tonga izany noho ny fikatsahantsika sy ny fiomanantsika amim-pahazotoana handray azy. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11, 25–30 ianao, dia mariho ny zavatra izay nosaintsainin’ny Filoha Joseph F. Smith rehefa “nosokafana ny masom-pahatakara[ny].” Azonao atao koa ny mampitaha ny zavatra niainany amin’ny 1 Nefia 11: 1–6; ary ny Joseph Smith—Tantara 1:12–19. Aorian’izany dia eritrereto izay fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Filoha Smith. Ohatra, mahatsapa ho voataona hanova inona amin’ny fandalinanao soratra masina ianao mba hahazoana misimisy kokoa fanambarana ho an’ny tena manokana?
Ao amin’ilay hafatra nozarainy mitondra ny lohateny hoe “Ny fahitana momba ny fanavotana ny maty” (Liahona, nôv. 2018, 71–74), ny Filoha M. Russell Ballard dia nanolotra fomba hafa izay naha-vonona ny Filoha Smith mba handray an’io fanambarana io. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainany? Eritrereto ny fomba nanomanan’ny Tompo anao tamin’ireo zavatra izay iainanao amin’izao, sy ny fomba mety hanomanany anao amin’ireo zavatra hiainana any aoriana.
,
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_MinistryOfJosephFSmith_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
Joseph F. Smith, nataon’i Albert Salzbrenner
Asao ny Fanahy. “Inona no tsikaritrao fa mitondra anjara biriky eo amin’ny famoronana tontolo ara-panahy ho an’ny fianarana ny filazantsara? Ary inona no manakana izany?” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18). Rehefa mandalina ny zavatra niainan’ny Filoha Joseph F. Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11 ianao, dia eritrereto ny fomba azonao amporisihana ny fisaintsainana sy hanasana ireo fahatsapana ara-panahy ho an’ny tenanao, ary raha mpampianatra ianao, dia ho an’ireo olona izay ampianarinao.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–60
Mitohy any ambadiky ny voaly ny asan’ny Mpamonjy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra eo amin’ny lafy roan’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay” (“Ndao handroso hatrany,” Liahona, mey 2018, 118–19). Saintsaino io teny nambara io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–60 ianao. Azonao atao koa ny misaintsaina ireto fanontaniana ireto:
-
Inona no nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba fanatanterahana ny asan’ny Mpamonjy ao amin’ny tontolon’ny fanahy? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa efa tontosaina io asa io amin’izao?
-
Inona no manaitra anao momba ireo iraky ny Tompo ao amin’ny tontolon’ny fanahy?
-
Ahoana no ampatanjahan’io fanambarana io ny finoanao ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra?
Raha te hamantatra misimisy kokoa momba ny tontolon’ny fanahy ianao dia azonao halalinina ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Matokia ny Tompo” (Liahona, nôv. 2019, 26–29).
PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_AVisitFromFather_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:5–10; 138:18–35
Hanana fahafahana handre ny filazantsara avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
-
Mba hahafantarana hoe, nanan-danja tamin’i Joseph Smith toy ny ahoana izany nahita ireo olona tao amin’ny fianakaviany tao amin’ny fanjakan’ny lanitra izany, dia azonao zaraina ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 152–53. Mety afaka miresaka momba ny olona iray fantatrareo izay efa maty nefa tsy nanana fahafahana natao batisa ihany koa angamba ianareo. Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:5–10 momba izany olona izany?
2:25PTH_PRJ15829224_Q4ComeFollowMeD&C-VALP_JosephSmithsMinistryTemples_DUB_01Aug2025_HDF-2398_MLG.mp4
2:17Chapter 39: The Kirtland Temple Is Dedicated: January–March 1836
-
Hevero ny hampiasa sary iray maneho ny fasan’ny Mpamonjy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 58, na ireo sary mikasika ny Baiboly, no. 14) ary ilay sary any amin’ny faran’ity lesona ity mba hampianarana ny ankizy momba ny toerana nalehan’ny fanahin’i Jesoa raha mbola tao am-pasana ny vatany. Aorian’izay dia afaka miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–19, 23–24, 27–30 ianareo mba hianarana momba ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ny fotoana nandehanany tany. Nitsidika an’iza Izy? Nasainy nanao inona izy ireo? Nahoana Izy no nanao izany?
-
Azonao ampiasaina koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hampitaha ny zavatra ataon’ireo misiônera eto amin’ity lafy ilan’ny voaly ity (jereo ohatra ny Fanekem-pinoana 1:4) amin’ny zavatra ampianarin’ny misiônera ao amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:33). Inona no mitovy ao amin’ireo andininy ireo, ary inona no tsy mitovy? Inona no ampianarin’io antsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?
Manasa ny Fanahy Masina ny fisaintsainana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11
Rehefa misaintsaina ny soratra masina aho dia afaka manampy ahy hahatakatra izany ny Fanahy Masina.
-
Eo am-piarahanao sy ny ankizy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11 dia azonao asaina izy ireo mody hihevitra ny tenan’izy ireo hoe ny Filoha Joseph F. Smith hanao fihetsika mifanaraka amin’ireo teny ao amin’ny andininy 6 sy 11. Azonao atao koa ny mampiseho azy ireo sarin’ny Filoha Smith (misy iray ato amin’ity lesona ity) ary manazava fa Filohan’ny Fiangonana fahaenina izy. Azonao atao koa ny mireska momba ny fotoana iray izay nisaintsainanao zavatra tao amin’ny soratra masina ka nanampy anao ny Fanahy Masina mba hahatakatra izany.
-
Miaraha mihira hira iray mikasika ny fandalinana ny soratra masina toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Inona no lazain’io hira io fa tokony hataontsika mba hahatakarana ny soratra masina?
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.