“8–14 desambra: -Mino isika-: Ireo fanekem-pinoana sy Filazana Ôfisialy 1sy 2” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025(2025)
“Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny To All Worthy Male Members [Ho an’ny lehilahy mpikambana mendrika rehetra], nataon’i Emma Allebes
8–14 desambra: “Mino isika”
Ireo fanekem-pinoana sy ireo Filazana Ôfisialy 1 sy 2
Hatramin’ny nitrangan’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, dia nanohy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana Andriamanitra. Ahitana fanovana ireo fitsipika mifehy sy fomba fanaon’ny Fiangonana amin’ny toe-javatra sasantsasany izany fanambarana izany. Ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2 dia milaza io karazana fanambarana io—ny iray dia nitondra ho amin’ny fampitsaharana ny fampakarana vady maro, ary ny iray hafa dia namela ny olona avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra rehetra ho afaka ny hahazo ireo fitahian’ny fisoronana. Ny fanovana tahaka izany dia isan’ny hevitra fonosin’ilay hoe manana “fiangonana marina sy velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30), miaraka amin’ny mpaminany marina sy velona, tarihin’ny Andriamanitra marina sy velona.
Saingy tsy miova ny fahamarinana mandrakizay, na dia miova aza ny fahatakarantsika izany. Ary indraindray dia manome fahatakarana fanampiny momba ny fahamarinana ny fanambarana. Ireo Fanekem-pinoana dia manana izay tanjona hanazava izay. Ny Fiangonana dia miorim-paka mafy amina fahamarinana mandrakizay, kanefa afaka mitombo sy miova “araka izay sitrapon’ny Tompo, izay mampifanaraka ny famindram-pony araka ny toe-piainan’ny zanak’ombelona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:15). Izany hoe “Mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isika fa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Ireo fanekem-pinoana 1:9).
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ireo fanekem-pinoana dia mirakitra ireo fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
Diniho ity fomba hoenti-mandalina ny Fanekem-pinoana ity: Manaova “lesona kely” ho an’ny fanekem-pinoana tsirairay mba hanazavana ny zavatra inoanao. Azo ampidirina ao amin’ilay lesona kelinao ny soratra masina, sary, hira ao amin’ny fihirana, na hiran’ny ankizy mifandray amin’izany, na zavatra niainana momba ny fampiharana fahamarinana iray izay ampianarin’ilay fanekem-pinoana.
Manova inona eo amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fahamarinana ireo? Ahoana no nanatsaran’ny Fanekem-pinoana ny fandalinanao ny filazantsara na nanampian’izany anao hizara ny filazantsara tamin’ny hafa?
Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ireo fanekem-pinoana,” Médiathèque de l’Évangile; L. Tom Perry, “Ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ireo fanekem-pinoana,” Liahona, nôv. 2013, 46–48; “Chapitre 38: La lettre à Wentworth,” ao amin’ny Enseignement des présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2021), 467–80.
Ireo fanekem-pinoana 1:9; Filazana Ôfisialy 1 sy 2
Tarihina amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
“Mino isika fa [Andriamanitra] dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maro mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Ireo fanekem-pinoana 1:9). Eritrereto izany fitsipika izany dia vakio ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2 ary tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mampatanjaka ny finoanao ny fanambarana mitohy. Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao? Ahoana no nanampian’izany mba hampandrosoana ny asa ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra?
Inona no porofo hitanao fa tarihina “amin’ny alalan’ny fitaoman’ Andriamanitra Tsitoha” ny Fiangonana amin’izao fotoana izao? (Filazana Ôfisialy 1) Azonao atao angamba ny mamaky hafatra [iray na mihoatra] nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ary mitady ny fomba itarihan’ny Tompo ny Fiangonany, sy ny fiainanao. Mety ho loharano tsara hanombohana izany ny hafatra farany indrindra avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana.
Inona no azonao atao raha manana olana amin’ny fahatakarana na fanekena ny fampianaran’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ianao na ny ny olona akaikin’ny fonao? Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny fananana mpaminany?
Jereo koa ny Amosa 3:7; 2 Nefia 28:30; Allen D. Haynie, “Mpaminany velona iray ho an’ny andro farany,” Liahona, mey 2023, 25–28; “Misaotra anao noho ny Mpaminany,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 72.
Tsy maintsy mandroso ny asan’ Andriamanitra.
Ao amin’ilay “Ampahany tamin’ireo lahateny telo nataon’ny filoha Wilford Woodruff mikasika ny Manifestô” (any amin’ny fiafaran’ny Filazana Ôfisialy 1), inona avy ireo antony nomen’ny mpaminany izay nahatonga ny Tompo nampitsahatra ny fampakarana vady maro? Inona no ampianarin’izany anao momba ny asan’ Andriamanitra?
Wilford Woodruff, nataon’i H. E. Peterson
Afaka matoky ny Tompo aho, na dia rehefa tsy lavorary aza ny fahatakarana ananako.
Tsy fantatsika ny antony tsy nahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana avy amin’ny taranaka Afrikanina nandray ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly nandritra ny fotoana iray. Na dia nanana fanontaniana sarotra tsy voavaly momba izany fitsipika izany aza ireo Olomasin’ny Andro Farany mainty hoditra, dia natoky ny Tompo ny maro tamin’izy ireo (jereo ny Ohabolana 3:5) ary nitoetra ho mahatoky Taminy nandritra ny fiainan’izy ireo. Afaka mitondra fitaomam-panahy ho anao ny mianatra momba ny finoana nananan’izy ireo sy ny zavatra niainany. Ireto dia tantaran’ny sasantsasany tamin’izy ireo izay hita ao amin’ny history.ChurchofJesusChrist.org:
-
“Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” (Tantaran’i Green Flake)
-
“Tonga ihany ianareo tamin’ny farany” (tantaran’i Anthony Obinna)
Rehefa mamaky ny Fanambarana Ôfisialy 2 ianao dia inona no ianaranao momba ny dingana apetraky ny Tompo hitarihana ny fitsipika mifehy ny Fiangonany? Saintsaino ny fomba nianaranao natoky ny Tompo na dia tamin’ny fotoana tsy nanananao fahatakarana lavorary aza.
Jereo koa ny 2 Nefia 26:33history.ChurchofJesusChrist.org.
Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” Raha toa ka tokony hanao izay tsara indrindra vitanao ianao mba hanampiana ny olona ampianarinao hamaly ny fanontaniana ananan’izy ireo momba ny filazantsara, dia tsy manantena anao hahalala ny zavatra rehetra ny Tompo. Rehefa tsy hainao ny fomba hamaliana zavatra iray dia tsory izany. Avy eo dia tariho mankany amin’ny fotopampianarana nambara ireo mpianatra ary manaova fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fo momba ny zavatra fantatrao.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Mino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.
-
Hevero ny hitady sy hihira hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy izay afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny iray na mihoatra izany amin’ Ireo Fanekem-pinoana. Azon’izy ireo atao mihitsy ny manampy anao hisafidy ireo hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira. Ampio ny ankizy hahita ny zavatra mampifandray an’ireo hira amin’ Ireo Fanekem-pinoana.
-
Afaka miara-miasa ianao sy ny ankizy mba hanoratra ireo fanontaniana izay mety hananan’ny olona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na ny Fiangonany. Afaka miara-miasa ianareo avy eo mba hamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana Ireo Fanekem-pinoana. Aiza koa no azontsika aleha rehefa manana fanontaniana momba ny filazantsara isika?
Ireo fanekem-pinoana 1:9; Filazana Ôfisialy 1 sy 2
Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminaniny Andriamanitra.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny fanekem-pinoana faha-9, dia azonao atao tsara ny manome azy ireo andiana soratra masina sy sarin’ny mpaminany velona (na laharan’ny fihaonambe nivoaka farany amin’ny Liahona). Angataho izy ireo hihazona ambony ireo soratra masina rehefa mamaky ireo teny hoe “ny zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra” ianao ary ilay sary na ilay gazetiboky rehefa mamaky ireo teny hoe “izay ambarany ankehitriny” ianao (Fanekem-pinoana 1:9). Nahoana isika no sady mila ireo mpaminany fahiny no mila ireo mpaminany maoderina?
-
Afaka mianatra ny fomba hitarihan’ny tenin’ny mpaminany antsika ny ankizy amin’ny alalan’ny fanarahana torolalana hanamboarana zavatra iray, toy ny sakafo na kilalao. Azonao ampitahaina amin’ireo torolalana omen’i Jesoa Kristy antsika amin’ny alalan’ny mpaminany izany. Inona avy ireo zavatra sasantsasany nampianarin’ny Tompo antsika tamin’ny alalan’ny mpaminaniny velona amin’izao fotoana izao?
Miantso mpaminany Andriamanitra mba hitarihana ny Fiangonany.
Manampy antsika hahafantatra ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ny mpaminany.
-
Angamba mety hanampy ny ankizy hahatakatra ireo Filazana Ôfisialy ny fahatakarana ny fomba ifandraisan’ireo soratra masina fahiny amin’ny fanambarana maoderina. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamaky ny Asan’ny Apostoly 10:34–35 sy ny Jakôba 2:27–30 ary asao izy ireo hamaritra ny soratra masina izay mifandray amin’ny Fanambarana Ôfisialy 1 (izay nitarika nankany amin’ny fampitsaharana ny fampakarana vady maro) sy ny soratra masina mifandray amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2 (izay nilaza fa afaka mandray ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly daholo ny olona rehetra avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra rehetra). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny Tompo dia manambara ny sitrapony amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.