“22–28 desambra: -Ilay fanomezana tsy manam-paharoa ny Zanaka masin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Ampahan-tsary avy amin’ny Nativity in Copper and Umber (Ny fahaterahan’i Kristy amin’ny lokom-barahina sy mavo antitra), nataon’i J. Kirk Richards
22–28 desambra: Ny fanomezana tsy manam-paharoa ny Zanaka masin’ Andriamanitra
Krismasy
Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia fanampin’izany fotsiny” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2011], 54). 160 taona mahery taty aoriana dia nitondra fitaomam-panahy ho an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io teny nambara io mba hamoaka ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” mba ho fanomezam-boninahitra ny faha-2000 taonan’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40).
Amin’ny maha-Olomasin’ny andro Farany antsika dia mifaly isika amin’ny fahazoana fanambarana mitohy amin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina sy ireo apôstôly. Feno fankasitrahana isika noho ireo teny fananarana sy fampitandremana ary fankaherezana mitaona fanahy avy amin’izy ireo. Fa ny tena lehibe indrindra dia voatahy isika noho ireo fijoroana ho vavolombelona mahery vaikan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy, rehefa Krismasy sy mandritra ny taona. Tsy tenina mpanoratra na mpandahan-teny mahay manainga fanahy fotsiny ireo na hevitra avy amina manam-pahaizana momba ny soratra masina. Izy ireny dia tenin’ireo “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23) izay voafidin’ Andriamanitra sy nantsoiny ary nomeny fahefana.
Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
“Tsy nisy olona hafa nanana akony [lehibe mihoatra noho izany].”
Inona no holazainao mba hanohanana ilay teny nambara hoe “Tsy nisy olona hafa nanana akony [lehibe mihoatra noho i Jesoa Kristy] teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany”? Tadiavo ireo ampahany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” izay mijoro ho vavolombelona momba ny fitaomana lehibe ananan’ny Mpamonjy. Ahoana no nitaomany anao?
Mody ataovy hoe manontany anao ny antony hankalazanao ny Krismasy ny olona iray izay tsy mahafantatra zavatra firy momba ny maha-Kristianina. Inona no havalinao azy? Miaraka amin’izany fanontaniana izany ao an-tsaina, jereo ny “Ilay Kristy Velona” ary hevero ny hanoratra izay eritreritra na fahatsapana tonga ao aminao.
Why We Need a Savior
“Nitsangana tamin’ny maty Izy.”
Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ny Apôstôly dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, ary nilaza fotoana anankitelo nisehoan’ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty izy ireo (jereo ny andiam-pehezan-teny faha-5). Hevero ny hamaky tantara vitsivitsy momba ireo fitsidihana ireo ao amin’ny Jaona 20; 3 Nefia 11; ary Joseph Smith—Tantara 1:14–20. Inona no nianaranao mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny teniny sy ny fihetsiny nandritra ireo fisehoana ireo?
Mifantoha amin’ny Mpamonjy. “Ny famakiana ombam-bavaka ny -Ilay Kristy Velona- dia mitovy amin’ny famakiana ireo tenivavolombelon’i Matio, Marka, Lioka, Jaona, ary ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hampitombo ny finoanao ny Mpamonjy sy hanampy anao hifantoka Aminy izany” (M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, 2017, 65).
“Ny fisoronany sy ny Fiangonany dia naorina indray eto ambonin’ny tany.”
Nandritra ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ity taona ity dia nanana fahafahana ianao ny hianatra kokoa momba ny fomba “[namerenana tamin’ny laoniny] ny fisoronany sy ny Fiangonany.” Inona avy ireo fahamarinana na fitsipika naverina tamin’ny laoniny izay manan-danja indrindra aminao? Diniho ny hamaky ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto izay mampianatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–23; 13; 20:1–12; 65; 110; 112:30–32; 124:39–42; 128:19–21. Saintsaino ny fomba hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny anao hahafantatra sy hitia an’i Jesoa Kristy.
“Hiverina eto an-tany Izy indray andro any.”
Ny Krismasy dia fotoana iray hahatsiarovana ny andro nahaterahan’i Jesoa Kristy sy hiandrandrana ilay andro izay hiverenany indray. Inona no nianaranao momba ny fiverenany avy eo amin’ny andiam-pehezan-teny faharoa ka hatramin’ny farany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”? Azonao heverina koa ny mamaky, mihira, na mihaino hira ao amin’ny fihirana momba ny Krismasy izay mampianatra momba ny Fiaviana Fanindroany, toy ny “Oh, quel Bonheur, Jésus viendra” na “Minuit, c’est l’heure où retentit” (Cantiques,, nos. 123, 130).
“Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”
Jereo ireo toetra sy anarana fiantsoana nomena ny Mpamonjy ao amin’ny andiam-pehezan-teny farany ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”. Hevero ny hanokana fotoana hianarana momba ny sasany amin’izy ireo. Ohatra:
Fahazavana: Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy aminao? Azonao atao ny manao sary na maka sary izay maneho ny fahazavana omeny anao raha ny fijerinao azy. Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona ianao mba hizarana ny fahazavany? (Jereo koa ny Jaona 8:12; 3 Nefia 18:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.)
Fiainana: Nahoana no teny tsara hamaritana an’i Jesoa Kristy ny hoe fiainana? Ahoana no hanomezany anao fiainana? Raha tsy misy Azy sy ny filazantsarany, dia mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao? (Jereo koa ny Jaona 10:10; 1 Korintiana 15:19–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:2.)
Fanantenana: Inona no antenainao noho ny fisian’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Mahafantatra olona mahatsapa ho tsy manana fanantenana ny amin’ny hoavy ve ianao? Saintsaino ny fomba ahafahanao mizara amin’izany olona izany ny fanantenana tsapanao ao amin’i Jesoa Kristy. (Jereo koa ny Romana 8:24–25; Etera 12:4; Môrônia 7:41.)
“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany.”
Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” ireo Apôstôly dia miantso ny Mpamonjy hoe “fanomezan[a]” avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Raha miainga avy amin’ny zavatra hitanao ao amin’ny “Ilay Kristy Velona,” dia ahoana no hamenoanao ity fehezan-teny ity: “Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no anomezan’ Andriamanitra ahy ny fanomezana dia ny …” Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hahazoana feno kokoa ireo fanomezana ireo.
Inona no fiantraikan’ny fandalinana ny “Ilay Kristy Velona teo amin’ny finoanao sy ny fitiavanao ny Mpamonjy?
Excerpts from "The Living Christ: The Testimony of the Apostles"
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.
Hevitra enti-mampianatra ny ankizy
Afaka “manolotra ny tenivavolombelo[ny]” ny ankizy ho fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy.
-
Diniho ny fomba hampahafantaranao ny “Ilay Kristy Velona” amin’ny ankizy. Azonao atao ohatra ny manampy azy ireo hanondro ilay anarana hoe Kristy eo amin’ilay lohateny ary ny sonian’ny Fiadidiana Voalohany sy ny an’ny Roambinifololahy. Azonao hazavaina fa io no fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy izay tian’izy ireo hozaraina amin’izao tontolo izao.
-
Azonao omena andian-teny avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ny ankizy tsirairay ary angataho izy ireo hitady sary maneho ilay andian-teny na hanao sary maneho izany. Afaka manampy azy ireo ianao avy eo hitady ilay andian-teny ao amin’ny “Ilay Kristy Velona.” Azonareo atao mihitsy aza ny manambatra ireo sary sy andian-teny ireo ho lasa boky iray.
-
Ifampizarao ny fomba nahazoanareo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy. Azonareo atao tsara ny mifampitampita sarin’ny Mpamonjy iray ary mifandimby mizara izay zavatra fantatrareo momba Azy (isan’izany ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny “Ilay Kristy Velona”).
“Nandehandeha nanao soa [Izy].”
-
Resaho amin’ny ankizy ireo zavatra sasany nataon’i Jesoa rehefa mamaky ny andiam-pehezan-teny faharoa ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” ianareo. Afaka mijery sary mahakasika ny fiainany koa ianareo (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity sy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Asao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra ataon’i Jesoa ao amin’ireo sary. Ahoana no ahafahantsika manompo ny hafa tahaka izay nataony?
“Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.”
-
Ampio ny ankizy hitady hiran’ny Krismasy ao amin’ny fihirana izay miresaka ny fahazavana, fiainana, ary fanantenana nentin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ho an’izao tontolo izao, toy ny “Petite ville, Bethléhem” (Cantiques, no. 136). Miaraha mihira ilay hira ao amin’ny fihirana, ary avelao ny ankizy hizara ny fomba nitondran’i Jesoa fahazavana, fiainana, ary fanantenana teo amin’ny fiainan’izy ireo.
“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany.”
-
Inona avy ireo fanomezana azontsika noho i Jesoa Kristy? Azonao sy ny ankizy atao tsara ny mitady ireo fanomezana ireo ao amin’ny “Ilay Kristy Velona” na ao anatina hira toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 34–35). Avy eo izy ireo dia afaka mamono zavatra iray amin’ny famonosana fanomezana mba hanehoana ireo fanomezana ireo. Afaka mandroso hevitra ianao ny hanokafan’ireo ankizy ireo fanomezana ireo amin’ny Andron’ny Krismasy mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy sy ny fanomezana nomeny antsika.
Mba hahitana torohevitra misimisy kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.