Fanambarana
Loholona Neil L. Andersen: Fanambarana no lohahevitra fahatelo horesahantsika. Lohahevitra izay tsy vitan’ny hoe noresahin’ny Filoha Oaks fotsiny, fa lohahevitra iray izay tena niainany. Araka ny nolazaiko teo aloha dia nilaza izy hoe: “Nandritra ny androm-piainako dia ny feo tony sy malefaka sy ireo fahatsapana nampitain’ny Fanahin’ny Tompo no mpampianatro voalohany indrindra”.
Tao anatin’ny lahateny mafonja iray natao tamin’ny 1992, dia nitantara zavatra niainana nampidi-doza iray izy ka ny fitarihan’ny Fanahy Masina no namonjy azy sy ny zatovolahy tsy fantatra iray tamin’ny loza iray. Nipetraka tany Chicago izy. Taorian’ny fivoriam-piangonana nirava tara iray, izy sy Rahavavy Oaks dia nandeha nanatitra tamin’ny fiara ny rahavavy iray tao amin’ny paroasy izay nipetraka tany amin’ny faritra tsy milamina tao Chicago. Nateriny teo am-baravarany ilay rahavavy.
Rehefa niverina teny amin’ny fiara izy, dia nisy zatovolahy iray nipoitra tampoka avy any nitondra basy teny an-tanany, ary nanambana ilay basy teo amin’ny kibon’ny Loholona Oaks. Nangataka ny volany izy, sady mbola natohony teo amin’ny kibony ihany ilay basy, ary rehefa avy nifamalimaly mafy teo izy ireo, dia nitantara ny Loholona Oaks fa nisy fiarabe fitateram-bahoaka tamy ary nisy ity hevitra manaraka ity tonga tao an-tsainy. Ndeha hojerentsika izany.
Filoha Dallin H. Oaks (1992): Rehefa nitranga tao an-damosin’ilay mpangalatra tanora izany, izay tsy tazan’ny masony, dia lasa taitaitra sy variana izy. Nikipilipily niala teo amin’ny kiboko ny basiny mandra-pitodiky ny vavan’ilay izy somary nankany amin’ny ankaviako. Efa somary niainga kely ny sandriko, ary azoko natao tsara ny nisambotra haingana ilay basy sy nifampitolona taminy sady niaro tena mba tsy ho voatifitra. Lava sy nafonja kokoa noho io zatovolahy io aho ary azo lazaina hoe bokona aho tamin’izany. Azoko antoka fa afaka nandresy tamin’ny fifampitolomana vetivety aho raha vitako ny nanala ilay basiny tao anatin’ny adinay.
Fa raha iny aho handeha hanao ilay fihetsika iny, dia niaina zavatra miavaka. Tsy nahita na inona na inona aho na nahare na inona na inona, kanefa nahafantatra zavatra aho. Fantatro ny zavatra hitranga raha nosamboriko ilay basy. Hiady eo izahay, dia hatodiko any amin’ny tratran’io tovolahy io ilay basy. Hipoaka ilay izy dia ho faty ilay tovolahy. Takatro ihany koa fa tsy tokony hanenjika ny eritreritro mandritra ny androm-piainako sisa ny ran’io tovolahy io.
Somary nitony aho, ary rehefa lasa ilay fiara fitateram-bahoaka dia nanaraka hery iray nanosika ahy hametraka ny tanako ankavanana teo an-tsorony aho ary hanome lesona azy. Nanan-janaka zatovo izaho sy i June tamin’izany, ary zavatra nandeha ho azy izany manome lesona izany.
“Mijere aty”, hoy aho, “tsy mety izao. Tsy mety tsotra izao ny zavatra ataonao. Mety ho polisy ny fiara manaraka eo, ary mety ho faty ianao na halefa any am-ponja noho izao ataonao izao”.
Naveriny teo amin’ny kiboko ilay basy, dia fitakiana fanintelony tamiko no navalin’ilay tovolahy mpangalatra ny lesona nomeko. Saingy nihanalefaka ny feony tamin’io fotoana io. Rehefa nandrahona farany ny hamono ahy izy, dia toa tsy naharesy lahatra intsony ny feony. Rehefa mbola nandà indray aho, dia nisalasala vetivety izy, ary avy eo dia nanofoka ilay basy tao am-paosiny ary nandositra. Novahan’i June ny varavarana, dia niala teo izahay, nanonona vavaka fisaorana.
Loholona Neil L. Andersen miaraka amin’ny tanora: Miaraka amin’i Joy, i Lindsey, i Nicole, ary i Max isika izao. Miresaka momba ny fanambarana izahay. Renareo ny zavatra nolazain’ny Filoha Oaks tao anatin’izany tranga izany. Hoy izy: “Tsy nahita na inona na inona aho. “Tsy nahare na inona na inona aho, kanefa nahafantatra zavatra aho”. Misy aminareo ve efa niaina toy izany taloha na zavatra mitovy amin’izany?
Nicole: Ny zavatra iray tonga ato an-tsaiko dia ny fanapahan-kevitra hisafidy hanana fianakaviana. Nitaky vavaka maro be sy fifadian-kanina maro be izany ho ahy. Naniry ny hitondra zanaka ety ambonin’ny tany aho. Tsy tena azoko antoka izay ho fizotry ny zava-drehetra, fa tadidiko fotsiny aho nitondra teo amin’ny Tompo ny faniriako, namela Azy hahafantatra fa naniry ny hanan-janaka aho.
Faniriana lalina tao am-poko izany. Nahatsapa fiadanana lehibe hatrany hatrany tsotra izao avy amin’ Andriamanitra aho satria fantany ny tao am-poko, fantany ny zavatra tsapako, nekeny ny faniriako, ary faniriana mendrika izany.
Loholona Neil L. Andersen: Olivia, inona no holazainao anay?
Olivia: Ho ahy dia tao amin’ny tempoly ireo fotoana nahazoako fanambarana tena manan-danja manokana amiko, ary mbola ho ela be vao ho takatro ny zava-drehetra momba ny fanafiana masina. Angamba—tsy dia tena hoe ny fahatakarana marina ny lafin-javatra rehetra amin’ny fanafiana masina, fa fahatakarana kosa na fahatsapana fa ao anatin’ilay ôrdônansy i Jesoa Kristy, fa ao anatin’izany ny fahafenoan’ny fisoronany, ary Izy no manamasina ahy sy mamela ahy hahatsapa izany fahatakarana izany.
Ny “Mon doux berger” no fihirana tiako indrindra. Ary ny andininy farany dia miteny hoe: “Tsy ho vahiny intsony, fa ho toy ny zanaka ao an-trano”. Fantatro hoe vahiny isika any amin’ny tempoly. Kanefa tena lasa takatro hoe manao ahoana izany hoe zanaka ao an-trano izany. Rehefa mipetraka ao amin’ny tempoly aho ary miezaka mifandray amin’ Andriamanitra.
Loholona Neil L. Andersen: Mahafinaritra.