Fampaherezam-panahy 2025
Mijoro amin’ny fahamarinana


4:35

Mijoro amin’ny fahamarinana

Loholona Neil L. Andersen: Andao atombotsika amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana. Araka ny efa fantatrareo rehefa nihaino ny Filoha Oaks nandritra ny taona maro, dia tsy matahotra ny miresaka ny fahamarinana am-pitiavana izy. Midera ny herim-pony aho. Malemy fanahy sy mandinika tsara foana izy ao anatin’ny lahateniny, kanefa mahitsy fiteny izy amin’ny fanampiana antsika hahafantatra izay tsara.

Jereo ny ampahana horonan-tsarintsika iray minitra voalohany avy amin’ny Filoha Oaks ary avy eo ny fifanakalozan-kevitra nataonay niaraka tamin’ny sasany amin’ireo tanorantsika izay miaraka amintsika eto anio.

Filoha Dallin H. Oaks (2024): Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Tsy zavatra ataotao fahatany na tsindraindray ny fanarahana an’i Kristy. Fanolorantena tsy tapaka sy fomba fiaina izay tokony hitarika antsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izany. Mamaritra ny lalana ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy tsirairay avy ny fampianarany sy ny ohatra nasehony.

Filoha Dallin H. Oaks (2022): Miaina ao anatin’ny fotoana tena sarotra isika, izay iantsoana ny ratsy ho tsara, ary hiantsoana ny tsara ho ratsy. Tsy maintsy miambina hanohitra ireo soatoavina sy fomba fanao izay misintona antsika hiala amin’ny fampianaran’ny Tompo sy ny fanekempihavanantsika, ny tombontsoantsika, ary ny adidintsika isika. Afaka manao izany am-pitiavana isika.

Filoha Dallin H. Oaks (2023): Nampahatsiahy antsika ny Filoha Oaks fa mbola afaka mitia ny hafa foana isika ary mitady marimaritra iraisana kanefa tsy mampandefitra ireo fahamarinana izay fantatsika.

Loholona Neil L. Andersen: Tsy mampino ny hatsaran’ity toerana ity e? Hiresaka momba ny fijoroana amin’ny fahamarinana isika.

Miaraka amiko eto ny tanora mahafinaritra miisa efatra avy eto amin’ny vondromparitra Washington D.C. Miaraka aminay eto i Zach, Sumeeta; eto i Joy; ary eto i Ethan. Hiresaka kely momba ny zavatra izay vao avy nojerentsika teo momba ny fampianaran’ny Filoha Oaks isika.

Inona no tonga tao an-tsainareo rehefa nihaino ny teniny isika? Misy te hanomboka izany ho antsika ve?

Ethan: Toa ireny hoe safidy nosainina tsara ireny ny miteny hoe: “Ho lasa mpianatr’i Kristy aho. Hisafidy an’i Kristy aho na dia rehefa sarotra aza izany, na dia rehefa manakantsakana ahy aza ny toe-javatra iainako na ny zavatra tsapako. Fantatro fa afaka mandresy izany sy manampy ahy Izy”.

Zach: Ho ahy dia mety ho sarotra kokoa ny misafidy an’i Kristy rehefa tsisy mahita. Dia mila mamantatra samirery aho, hoe ahoana no hampiasako ny fotoanako na hisafidianako ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy amin’izay fotoana izay?

Loholona Neil L. Andersen: Miaraka amintsika eto anio i Chris sy i Olivia; i Lindsey ary i Kelson. Tsy andrinay ny handre ny hevitrareo momba ny zavatra renareo vao teo avy tamin’ny Filoha Oaks. Lindsey, inona no tonga tao an-tsainao raha nandre ireo teny ireo ianao?

Lindsey: Fantatro fa ny fijoroana amin’ny marina dia zavatra izay mety ho sarotra eto amin’ity tontolo ity, kanefa fantatrao fa tsy irery ianao. Manana ny Fanahy ianao, ary mihevitra aho fa raha mangataka ny Fanahy ianao mba hiaraka aminao ao anatin’ireo toe-javatra iainana izay mety ho sarotra ireo, dia ho afaka hitarika anao Izy ary hanome anao ireo teny ilainao zaraina satria tsy irery ianao. Mpandray anjara ao anatin’ilay tanjona lehibe eto an-tany ianao, dia ny ho mpianatr’i Kristy sy hisolo tena Azy.

Chris: Mino aho fa ny hevitra an-kolaka tiana holazaina ao amin’ilay andian-teny hoe “mijoro amin’ny fahamarinana” dia ny fisian’ny karazana fahoriana, ary izay no mahatonga ny fijoroana amin’ny fahamarinana ho sarotra indraindray. Kanefa ho ahy dia ny mitadidy ireo didy roa lehibe no zavatra nanampy ahy: ny iray dia ny mitia an’ Andriamanitra, izay asehontsika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo didy, fa mitia ny namantsika ihany koa avy eo. Raha ny hevitro dia ny mamorona tontolo izay manasa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra resahinao no fomba tsara indrindra hijoroana amin’ny fahamarinana. Ary amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana no fomba tsara indrindra hanasana ny Fanahy.

Loholona Neil L. Andersen: Alohan’ny hiresahana ny lohahevitsika faharoa, tsy aleo ve isika hijery fanehoam-pitiavana iray hafa avy any amin’ny toerana manerana izao tontolo izao?

Tanora avy any Môzambika: Aty Munhahva, Môzambika no misy anay. Tianay ianao ry Filoha Oaks.

Tanora avy ao amin’ny BYU: Tianay ianao ry Filoha Oaks. Feno fankasitrahana izahay noho ny ohatry ny finoana mandritra ny androm-piainana asehonao. Tianay ianao ry Filoha Oaks.

Tanora avy any Espaina: Manahoana ry Filoha sy Rahavavy Oaks! Avy aty Madrid, Espaina izahay. Misaotra amin’ny fampianaranao. Tianay ianao! Oroka mamy!

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Manara-dia an’i Kristy”, Liahona, nôv. 2024

  2. Dallin H. Oaks sy Clark G. Gilbert, “Stand Fast with Love in Proclaiming Truth”, (fampaherezam-panahy nataon’ny Ensign College, 17 mey 2022), Médiathèque de l’Évangile

  3. Dallin H. Oaks sy Kristen M. Oaks, “Mijoroa amin’ny fahamarinana”, fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 21 mey 2023, Médiathèque de l’Évangile