Lahateny famaranana
Loholona Neil L. Andersen: Tena nankafiziko ny niaraka taminareo izay nandray anjara tamin’ireo fifanakalozan-kevitra ireo ary mahavariana ahy tokoa ny fanolorantenanareo sy ny maha-mpianatra anareo. Ho an’ireo izay maniry ny hahita misimisy kokoa ireo fifanakalozan-kevitra ireo, dia hasiana rohy ho an’ny endrika nomerikan’ity fampaharezam-panahy ity izany.
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena nankafy ny fiarahana taminareo izaho sy i Kathy androany hariva. Kathy, ho famaranana, dia azonao zaraina ve ireo eritreritra mety ho tonga tao an-tsainao teto am-panaovantsika ity fampaherezam-panahy ity?
Rahavavy Kathy Andersen: Misaotra. Feno fankasitrahana tokoa aho noho ny fahafahako nanatrika teto niaraka tamin’ny vadiko tamin’ity takariva ity sy niaraka taminareo rehetra. Takariva tena niavaka izy ity, ary nahatsapa izany lalina tao am-pontsika isika.
Faly tokoa aho hanana fahafahana ao aoriana ao, na mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka izany na rehefa mijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny hanangana ny tanako mba hanohana ny Filoha Dallin H. Oaks ho mpaminany, mpahita ary mpanambara, ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Ary mandra-pahatonga izany fotoana ahafahako manangana avo dia avo ny tanako izany, ato am-poko sy ao anatin’ny vavaka ataoko, dia misaotra ny Ray any An-danitra aho noho io lehilahy lalaina izay mpaminanin’ Andriamanitra io amin’izao fotoana izao. Misy soratra masina izay resahinay mivady matetika rehefa mieritreritra ny Filoha Oaks izahay. Ilay soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay niresahan’ny Tompo momba an’i Hyrum Smith.
Hoy Izy: “Izaho … dia tia azy noho ny fahitsian’ny fony, ary satria tia izay marina eo anoloako izy”. Ary raha ny fiheverako azy dia nolazainay im-be dia be teo amin’ny fiainanay fa toy izany ny fon’ny Filoha Dallin H. Oaks.
Tiako ny Raiko any An-danitra, ary tiako i Jesoa Kristy Mpamonjiko. Hizara ny fijoroako ho vavolombelona aho amin’ny fampiasana ny tonon’ilay hira tsara dia tsara rentsika androany hariva avy amin’ity amboaram-peo ity hoe: “Derao ny Tompo, ilay Tsitoha, ilay Mpanjakan’ny zavaboary”. Ary avy eo ny andininy iray dia milaza hoe: “Derao ny Tompo. Avelao izay rehetra ato anatiko hidera Azy”. Tiako Izy, midera Azy amin’ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
Loholona Neil L. Andersen: Hateriko eto ianao.
Tiako ianao.
Mahafaly anay ny hatsaranareo sy ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo. Tianay ny niara-nivory taminareo sy niaraka aminareo rehetra manerana izao tontolo izao—tanora lahy sy vavy, zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, zanaky ny fanekempihavanana, mpianatr’i Jesoa Kristy. Talanjona izahay amin’ny fanolorantenanareo ho an’ny Mpamonjy, ary misaotra an’ Andriamanitra izahay fa miaraka aminay ianareo eo am-piomanantsika amin’ny Fiverenan’ny Tompo Fanindroany.
Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika—fotoana izay handadizan’ireo fakam-panahy, ary tsy mitovy mihitsy ny fenitr’izao tontolo izao sy ny fenitry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao anatin’izany. Miaina ao anatin’ny fotoana izay tsy tokony hanaovantsika tsinontsinona ny maha-mpianatra antsika isika. Fony aho nitovy taona taminareo dia nisy mpaminanin’ Andriamanitra niteny hoe: “[Ny olona manam-pinoana tsirairay] amin’ny farany dia tsy maintsy hiatrika ny rindrin’ny finoana, ary eo izy no … tsy maintsy maneho ny safidiny”. Fantatro fa marina izany.
Misy mpaminanin’ Andriamanitra iray hafa nilaza hoe: “Tsy mbola tena niova fo ny olona iray raha tsy rehefa mahita ny herin’ Andriamanitra mitoetra eo amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany, ary mandra-pilatsahan’izany ao am-pony toy ny afo”. Marina koa izany.
Mitarika antsika ho any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany sy ny tempoly. Amin’ny maha-mpianany antsika amin’izao andro tena farany izao, izay iomanana amin’ny fiverenany, dia ampatanjahina amin’ny fomba tsy hay refesina isika amin’ny alalan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny mpaminanin’ny Tompo sy ny tranon’ny Tompo.
Miaraka amin’ny herin’ny Fanahiny, ny mpaminany sy ny tempoly dia fitahiana fanonerana mahery vaika anankiroa izay nomen’ny Tompo antsika ato anatin’ny tontolontsika feno korontana, mba hanavahana ny tsara amin’ny ratsy, mba hahatakarana ny tena tanjontsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany, ary mba tena hahatongavana ho mpianany.
Mijoro ho vavolombelona momba ny Filoha Dallin H. Oaks aho. Nomanina sy nodiovina tamin’ny afon’ny fahoriana izy, nohavaozina tao amin’ny vatany sy ny sainy mba hitarika antsika amin’izao fotoana izao mba hiteny amin’ny anaran’ny Tompo.
Ijoroako ho vavolombelona fa ity tempoly eto anoloantsika ity, sy ireo trano masin’ny Tompo rehetra dia feno hery, fiadanana, fampiononana ary fanambarana izay misongadina amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana izay mamela ireo zavatra izay voafehy eto an-tany ho voafehy any an-danitra. Feno fankasitrahana tokoa isika noho ny habetsahan’ireo tempoly izay hatsangana amin’izao fotoana izao maneran-tany.
Fotoana tena tsara iainana izao, fotoana iandrasana sy iomanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ary nankahery antsika Izy hoe: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.
Amin’ny fahefan’ny Apôstôly izay ananako, dia mitsodrano anareo aho eo am-pikatsahanareo hiomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjintsika, mba hanomezana anareo fijoroana ho vavolombelona manamafy momba ny mpaminanin’ny Tompo sy ny hery masin’ny trano masiny. Mampanantena anareo aho fa hitahy anareo ireo anjelin’ny lanitra rehefa mikatsaka ny ho lasa mpianatra marin’i Jesoa Kristy ianareo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona rehetra. Izany no fijoroana ho vavolombelona ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.