Fampaherezam-panahy 2025
Lahateny fanokafana


22:37

Lahateny fanokafana

Miavaka sy kanto ary mahatalanjona ilay izy teo. Ary mieritreritra izany aho eto amin’ity sary kanton’ny Mpamonjy ity, ny Christus, ary fantatro fa mitsotra aminareo ny tanany. Misaotra anareo noho izany fanehoana amin’ny fomba kanto ny fitiavana ny Mpamonjy izany. Misaotra, tena misaotra betsaka.

Ry rahalahy sy anabaviko manerana izao tontolo izao, maneho ny fitiavako anareo aho, ary mampita aminareo ny fitiavan’ny Fiadidiana Voalohany ato amin’ny Fiangonana izay vao naorina—ny Filoha Dallin H. Oaks, ny Filoha Henry B. Eyring, ny Filoha D. Todd Christofferson.

Ampitaiko aminareo ihany koa, mazava ho azy, ny fitiavan’ny kôlejy misy ahy, dia ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Feno fankasitrahana tokoa izaho sy i Kathy tonga eto amin’ny Ivontoerana ho an’ny mpitsidika ny Tempolin’i Washington D.C., eto akaikin’ity tranon’ny Tompo tsara tarehy ity.

Tena faly aho miaraka aminareo, ry tanoranay mahafinaritra, na ianareo manatrika eto na ianareo maneran-tany. Tianay ianareo. Feno fankasitrahana tokoa izahay noho ny fanolorantenanareo ho an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroanareo ho mpianany.

Mivavaka mafy aho mba hiarahan’ny Fanahin’ny Tompo amintsika mandritra ny ora manaraka ary mba hohatanjahina sy hohamafisina ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Anio hariva isika dia hiresaka momba ny mpaminany sy ny tempoly ary ny fomba hitarihan’izy ireo antsika hankany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Fa voalohany indrindra, dia indro misy fanehoam-pitiavana ho an’ny Filoha Oaks avy amin’ny tanora lavitra antsika eto.

Tanora avy any Kanadà Avaratra: Manahoana, Filoha Oaks. Tianay ho fantatrao fotsiny fa mieritreritra anao sy Rahavavy Oaks izahay. Mampita ny vavakay sy ny fitiavanay aminareo avy aty amin’ny faritra avaratr’i Kanadà izahay ry zareo a! Veloma ô!

Vondron-tanora avy ao amin’ny Ensign College: Ry Filoha Oaks, tena feno fankasitrahana izahay noho ny ohatra asehonao sy ny fampianaranao. Miandrandra ny hianatra avy aminao izahay.

Tanora avy any Afrika Atsimo: Arahaba avy aty Johannesbourg, Afrika Atsimo. Tianay ianao ry Filoha Oaks.

Tanora avy any Filipina: Miarahaba anao avy aty Filipina ry Filoha Oaks. Faly tokoa izahay mianatra avy amin’ireo hafatrao.

Loholona Neil L. Andersen: Manerana izao tontolo izao. Tiako ny hanomboka amin’ny fitantarana aminareo zavatra niainana tena masina iray nitranga vao andro vitsy izay, tamin’ny talata 14 ôktôbra.

Tamin’io andro io no niarahanay apôstôly voatendry 14 nivory, nifady hanina sy nivavaka tamin-kafanam-po mba hahazo ny fitahian’ny Tompo tamin’ny fandaminana indray ny Fiadidiana Voalohany vaovao. Fotoana mampifandray ny lanitra sy ny tany izany.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny teny vavolombelona sy fanamafisana ara-panahy mahery vaika sy tsy hay hadinoina izay tonga tamiko sy tamintsika tsirairay, na ny isam-batan’olona na niaraka. Niaraka tamin’ny tanan’ireo Apôstôly 13 rehetra nipetraka teo ambony lohan’ny Filoha Dallin H. Oaks no nanokanan’ny Filoha Jeffrey R. Holland izay Apôstôlin’ny Tompo Zokiny indrindra azy ho Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Mizara aminareo ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny fomba ôfisialy sy am-panetrentena aho fa izy no mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany. Fantany ny feon’ny Tompo. Hitarika antsika ao amin’ny fahamarinana izy ary hitarika antsika ho any amin’ny Tompo Jesoa Kristy. Rehefa vonona isika, rehefa azo ampianarina isika, dia hivelatra ny saintsika sy ny fanahintsika, ary hitahy ny fiainantsika ny herin’ny lanitra.

Hazonina amin’ny fahafenoany amin’izao fotoana izao ny fanalahidin’ny fisoronan’ Andriamanitra, miaraka amin’ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy ireo izay hazonin’ny Filoha Dallin H. Oaks. Hotsaroanareo ny tenin’i Jesoa tamin’i Petera izay Apôstôliny.

Hoy Izy: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra”.

Hoy ny Tompo momba ny mpaminany Joseph: “Fa ny teniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra”. Marina ihany koa ireo teny ireo ho an’ny mpaminanintsika, dia ny Filoha Dallin H. Oaks izany. Eritrereto anie e.

Nandritra ny 41 taona tao anatin’ny antsony masina, dia nijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelona manokan’ny Tompo Jesoa Kristy azy ny Filoha Oaks. Andao hojerentsika izany.

Filoha Dallin H. Oaks (1984): Ity fihaonambe fanao isaky ny tapa-taona ity no fotoana voalohany ho ahy hiresahako amin’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany, hilazako ny fanekeko ny antsoko ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy. … Hanokana ny foko, ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako manontolo amin’ilay fitokisana lehibe napetraka tamiko aho, indrindra fa amin’ireo andraikitra sahanin’ny vavolombelona manokana iray an’ny anaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao.

Filoha Dallin H. Oaks (1987): Tiantsika i Jesoa Kristy Tompo. Izy no ilay Mesia, Mpamonjintsika sy Mpanavotra antsika. Ny anarany no hany anarana ahafahana mamonjy antsika.

Filoha Dallin H. Oaks (1994): Manomana anao amin’izay rehetra entin’ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Io karazana finoana io dia manomana anao hiatrika ireo zavatra azo araraotina atao eo amin’ny fiainana—mba hakana tombony avy amin’ireo izay azo ary hananana faharetana ao anatin’ireo fahadisoam-panantenana avy amin’ireo izay very.

Filoha Dallin H. Oaks (2000, “Ilay Kristy Velona”): Mijoro ho vavolombelona izahay amin’ny maha-Apôstôly voatendriny anay—fa i Jesoa Kristy no Ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanana an-kavanan’ny Rainy ankehitriny. Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.

Filoha Dallin H. Oaks (2006): Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika, izay manasa antsika rehetra hanatona Azy sy ho lasa tanteraka ao Aminy. Hamehy ny ferintsika Izy ary hanasitrana ny mavesatra entana.

Filoha Dallin H. Oaks (2013): Ny fanarahana an’i Kristy dia tsy zavatra ataotao fahatany na atao tsindraindray, fa fanoloran-tena tsy tapaka sy fomba fiainana izay mihatra amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra.

Filoha Dallin H. Oaks (2025): “Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo izay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay. Manasa antsika Izy hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitarika ho amin’ny fihaonan’ny fianakaviana any an-danitra. Ny herin’ny famehezan’ny fisoronana, tantanan’ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland no mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay. Mitombo tsy ankijanona ankehitriny ny fampiasana azy ireo ao amin’ireo tempolin’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Tena misy izany. Aoka isika ho tafiditra ao anatin’izany.

Filoha Dallin H. Oaks (2025): Fantatro mihoatra ireo zavatra rehetra azoko antoka fa marina teo amin’ny fiainako fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, izay lohan’ity Fiangonana ity, ary mangataka ny tsodranony aho ho amintsika rehetra rehefa mikatsaka ny hanompo Azy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Neil L. Andersen: Anio izahay dia maniry ny hifanakalo hevitra momba ireo fampianarana mahery vaika voaraintsika avy amin’ny Filoha Oaks, ary tianay koa ny hieritreritra momba ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ireo mitahy ny fiainantsika. Ary eto amin’ity toerana masin’ny tempoly ity, dia tianay koa ny hifanakalo hevitra mikasika ny fomba hitondran’ny tranon’ny Tompo hery, fiadanana ary fanambarana ao anatin’izao fotoana tena manan-danja eo amin’ny fiainanareo izao.

Nisy zavatra niainan’i Kathy tamin’ny fotoana nanambarana ny Tempolin’i Washington D.C. izay tiako hotantarainy aminareo. Kathy.

Rahavavy Kathy Andersen: Tena miavaka amiko manokana ity Tempolin’i Washington D.C. ity. Fony aho zazavavy kely, dia lehibe tao Floride aho, izay any amin’ny faritra atsimon’i Etazonia, ary tany amin’ny 3701,49 km tao Salt Lake City no nisy ny tempoly akaiky anay indrindra.

Fony aho efatra taona dia nandeha tany Salt Lake City ny fianakaviako mba hahafahana mamehy ny fianakavianay. Rehefa 12 taona aho dia natao ny fanambarana fa haorina ny Tempolin’i Washington D.C. Faly ery izahay nieritreritra fa hisy tempoly amin’izay teo amin’ny 1448,41 km monja miala ny toerana misy anay.

Tadidiko tsara ny alahady iray izay nangatahan’ny eveka ny ray aman-dreny rehetra hijanona rehefa nirava ny fiangonana ary hiara-hivory taminy nandritra ny fivoriana manokana iray. Ary tamin’ny naha-ankizy ahy dia nanontany tena fotsiny aho—somary natahotra aho nieritreritra ny antony tokony niarahan’ny eveka nivory tamin’ny ray aman-dreny rehetra.

Ary rehefa nivoaka avy tao amin’ilay fivoriana izy ireo, dia niditra tao anaty fiara izahay handeha hody, ary niteny tamiko ny reniko sy ny raiko hoe: “Nangataka ny eveka, ary nangataka tamintsika ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, mba hanome vola be dia be hananganana ny Tempolin’i Washington D.C.”

Tsy nanana vola betsaka ny fianakaviako, ary toa vola be dia be mihitsy ilay nangatahana mba homen’izy ireo. Saingy hoy i Neny sy i Dada hoe: “Mila mahafoy zavatra isika mianakavy hanaovana izany. Fa azonareo an-tsaina ve hoe ho voatahy isika hanana tempoly any amin’ny 1448,41 km monja miala eto amintsika?” Mitana toerana tena miavaka ato am-poko sy ho an’ny fianakaviako ity tempoly ity.

Loholona Neil L. Andersen: Misaotra. Tena tsara be. Misaotra anao ry Kathy.

Mitarika antsika hankany amin’ny Mpamonjy ny mpaminany sy ny tempoly. Ao anatina tontolo feno korontana, fisafotofotoana, ary zavatra mahavariana maro, dia mihazona antsika hifantsika amin’ny fototra ara-panahintsika ny mpaminany sy ny tempoly.

Rehefa misosa miala ny tady ara-panahy mihazona azy izao tontolo izao, dia mandefa hery fanohanana ho anareo mpianany ny Tompo. Ny roa amin’ireo fitahiana fanohanana tsara indrindra ho an’ny olo-marina dia ny fampianaran’ireo mpaminany sy ny fanomezan’ny tranon’ny Tompo.

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia notsimbinina, nomanina, ary nodiovina nandritra ny sivifolo taona mahery. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany iray volana lasa izay, dia niresaka momba ny alahelo goavana tsapany tamin’izy 7 taona izy rehefa nodimandry ny rainy. Reny tokan-tena izay mpampianatra tao amin’ny sekolim-panjakana teo an-toerana no nitaiza azy.

Tamin’ny fahazatovony dia niroborobo be ara-tsaina sy ara-panahy izy, ka dia voaray hianatra tao amin’ny iray amin’ireo oniversite fianarana lalàna tsara laza indrindra ao Etazonia, dia ny oniversite an’i Chicago. Namiratra aoka izany izy ka nahatonga ny Mpitsara Earl Warren, lehiben’ny fitsarana tao amin’ny fitsarana tampony tao Etazonia, izay nitana ny anjara asa ambony indrindra ara-pitsarana tao amin’ny firenena manontolo, hisafidy an’i Dallin Oaks mba ho mpanampy azy sy ho mpitambokiny rehefa nahavita ny fianarany momba ny lalàna izy.

Niantomboka tamin’izany ny lalana izay nitondra teo amin’ity tovolahy marani-tsaina sy mahay ity ireo lala-misokatra goavana teto ambonin’ny tany. Tsy nampiala ny Filoha Oaks tamin’ny drafitry ny Mpamonjy ho azy ireo tolotra maro nitondra firoboroboana ara-bola sy dera avy amin’izao tontolo izao.

Naleony kosa nanaraka ireo bitsika mangina teo am-pitantanan’ny Tompo azy. Hoy izy: “Nandritra ny androm-piainako dia ny feo tony sy malefaka sy ireo fahatsapana nampitain’ny Fanahin’ny Tompo no mpampianatro voalohany indrindra”. Teo amin’ny faha-38 taonany dia voatendry ho filohan’ny Brigham Young University izy.

Izaho manokana dia nampianarina sy nobeazina ary voataonan’ny hery mitariky ny Filoha Oaks sy ny fampianarany nandritra ny 50 taona mahery. Ny nihaonako voalohany tamin’ny Filoha Oaks dia nitranga rehefa tafaverina avy nanao asa fitoriana aho ary izy no filohan’ny oniversite izay navitrika sy nahay nijery lavitra tao BYU. Tia namana sy nahafinaritra ary nolalain’ny mpianatra izy.

Indro misy sombina horonan-tsary fohy avy amin’ny lahateny nataony tamin’ny taona nahavitako ny fianarako.

Filoha Dallin H. Oaks (1975): Mandritra ny taona, dia matetika aho no mitsidika ny iray amin’ireo toeram-pisakafoanana ato amin’ny faritry ny oniversite antsika, dia mandray lovia ary mankafy ny sakafo antoandroko miaraka amin’ny andiana mpianatra izay tsy manam-po. Hitako fa isan’ireo fotoana tsara indrindra azoko araraotina izany mba hahalalako izay ao an-tsain’ireo mpianatra ato amintsika. Indray fararano taona vitsy lasa izay dia nandeha teo an-databatry ny zazalahy vitsivitsy ao amin’ny taona voalohany aho tao amin’ny Cannon Center (toeram-pisakafoana). Tsy nampahafantatra ny tenako aho fa avy dia nanomboka nametraka fanontaniana tamin’ilay vondrona momba ny zavatra niainan’izy ireo sy ny fahitany ny BYU. Vetivety dia nilaza izao ny iray tamin’ireo tovolahy, izay hita niharihary fa somary sosotra tamin’io fanadihadiana nataon’ny olona tsy fantatra io, hoe: “Miasa ato angaha ianao sa ahoana?” Rehefa namaly aho hoe miasa ato, dia nametraka fanontaniana vitsivitsy nananany izy: “Inona no asanao”? “Izaho no filoha”, hoy aho namaly. Tsy niraharaha ny donan-kiho nataon’ireo teo akaikiny izy fa nanohy hoe: “Filohan’inona ianao”? Nanazava aho dia niara-nihomehy tsy sazoka izahay rehetra. Dia nanampy ity fanamarihana izay tsy hohadinoiko na oviana na oviana ity izy. “Oay!” hoy izy, “Manatrika ny fivoriana rehetra aho dia mahita anao ao, saingy lavitra loatra ianao dia tsy hitako ny tarehinao”.

Rehefa nanao izany fanamarihana izany io zazalahy tao amin’ny taona voalohany io, dia nanapa-kevitra aho fa hiezaka ny hanampy ny mpianatra hahita ny tarehiko. Nihamafy izany fanapahan-kevitra izany taty aoriana rehefa niteny tamin’ny mpianatra iray aho fa efa nanao lasy be dia be izaho sy ny vady aman-janako, ary natory alina tao amin’ny lainay tokoa izahay, natory tamin’ny tany tao amin’ny faritany samy hafa miisa dimy amby roapolo tao Etazonia. Tsy nino izy. “Tena manao izany ve ianao”? hoy izy nanontany. “Tsy mino aho hoe misy filoha manao zavatra toy izany”.

Dia mbola nampahatsiahivina ahy indray fa manan-kaja sy ambony loatra ny andraikitra sahaniko ka toy ny olona tsy tena nisy izaho sy ny fianakaviako ho an’ny ankamaroan’ny olona. Na ireo zanako aza dia nahatsapa izany elanelana izany rehefa avy nahita ahy nipetraka teny amin’ny lampihazo mba hanao ny iray tamin’ireo lahateniko. Hoy ny iray amin’ireo zanako roa vavy zokiny indrindra: “Dada a! Ohatra an’ny hoe tezitra be sy motomototra izany ianao. Raha tsy nahafantatra anao izahay, dia ho nieritreritra hoe tezitra ianao”. Nampahatsiahy ahy izany fa ireo olona akaiky indrindra ahy ihany no nahare ahy nihomehy na nahafantatra fa nahay nifaly foana aho na dia tao anatin’ny toe-javatra vitsivitsy niainana tena nampisy rarin-tsaina lehibe aza. Te hanarina izany aho satria mpampianatra ny tenako ary tsy mety ho an’ny mpampianatra iray ny mihataka be amin’ny hafa ka mahatonga azy ho toy ny tsy olona tena izy amin’izy ireo. Manan-danja ny ahitanareo ny tarehiko, tahaka ny hiezahako hahita ny anareo.

Loholona Neil L. Andersen: Raha mbola nianatra tao BYU aho dia afaka nifanerasera mivantana taminy tao anatin’ny hetsika maromaro nifanesy. Nahatsapa ny finoany sy ny fandalinany ny rariny, ny fahaizany mandinika ary ny fiahiany ny tsirairay aho. Ho natrehany, raha afaka izy, ny lanonam-panambadian’ny mpianatra maro tao amin’ny oniversite.

Eto izao izy miaraka amin-dRahavavy June Oaks tamin’ny lanonam-panambadianay. Tena mahaliana fa herinandro vitsy monja talohan’ny nahaterahan’ny zanaka fahaenin’ny fianakaviana Oaks ity fotoana ity, dia i Jenny Oaks Baker mpitendry lokanga fanta-daza izany.

Taorian’ny fianarako tao BYU dia nianatra avy amin’ireo lahateniny sy ny fampianarany aho. Fa 16 taona taty aoriana, tamin’ny 1991, amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nitondra azy tany Bordeaux, France ny asa nampandraiketina azy, ary filohan’ny misiôna tany aho tamin’izay.

Tao anatin’ny 32 taona naha-Manampahefana Ambony ahy, izaho, tahaka ireo rahalahiko, dia notahiana noho ny fahavononany hampianatra ahy, hihaino ahy, ary hizara amiko ny fahendrena miavaka ananany. Inty ny sarin’ny Filoha sy Rahavavy Kristen Oaks miaraka aminay sy Kathy tany Amerique Latine taona vitsy lasa izay.

Tao anatin’ny 93 taona niainany, ny Filoha Oaks dia nahatontosa zava-bita goavana, fa izy koa dia niaina fotoana nahatsapana alahelo sy fahadisoam-panantenana. Nahafantatra azy aho fony aho tao amin’ny Fitopololahy ary izy tao amin’ny Roambinifololahy rehefa nodimandry Rahavavy June Oaks vadiny 27 taona lasa izay. Nahita ny fanaintainany sy ny fijaliany aho tao anatin’ireo volana maro taorian’izay. Mba hanomezam-boninahitra an’i June malalany, dia nanoratra boky mahatalanjona iray momba ny fiainany sy ny fitiavany azy ary ireo eritreriny momba azy izy mba hozarainy tamin’ny fianakaviany.

Roa taona taty aoriana izy vao nanokatra ilay fony maratra ka nihaona tamin-dRahavavy Kristen MacCain. Nitondra fitiavana sy fifaliana goavana teo amin’ny fiainany izy tao anatin’ireo 25 taona lasa. Kathy, afaka milaza zavatra momba an-dRahavavy Kristen Oaks izay olona tena miavaka ve ianao?

Rahavavy Kathy Andersen: Tiako tokoa ny hilaza zavatra momba an-dRahavavy Oaks. Tiako ny Rahavavy Kristen Oaks. Ary raha tsy mbola mahafantatra azy ianareo, dia ho tianareo koa izy. Nody tao an-trano ny vadiko andro maromaro lasa izay, dia hoy aho: “Hitanao ve ilay horonan-tsarin’ny Filoha sy Rahavavy Oaks?”

Tsy haiko raha niteny tamiko ianao hoe efa nahita na tsia—fa hoy aho: “Mahatalanjona ilay izy, ary ho tian’ny tanora izany”. Dia hoy izy: “Tsy maintsy hoe efa nahita izany ny tanora rehetra”.

Dia niteny aho hoe: “Tsy maninona izany. Ho tian’izy ireo indray ny hahita izany satria tiako ny mijery ilay izy isan’andro. Tena tsara be ilay izy”. Ka dia nanaiky izy.

Filoha Dallin H. Oaks: Noterenao hiresaka zavatra tsara momba ahy angaha izy ireo?

Rahavavy Kristen Oaks: Tsy nanery azy ireo hanao izany aho.

Filoha Dallin H. Oaks: Amin’ny tsingerintaona nahaterahanao dia te hisaotra anao aho noho ny nampifalianao ahy, ny nanaovanao ahy ho lehilahy tsara kokoa, sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana mahara-baovao kokoa, ary raibe sy rain’ny raibe sy dadabe an’ny dadabe mahomby kokoa. Manana zafikely 29 izahay sy zafiafy 75 ary zafin-dohalika roa efa akaiky ho telo. Izy dia vehivavy niahy vahoaka maro teo amin’ny faha-28 taonany.

Rahavavy Kristen Oaks: Ary tombontsoa lehibe ho ahy izany. Amiko ny zavatra mahafinaritra ahy indrindra dia ny fahafahako manana fianakaviana sy manana fianakaviana akaiky, ary ny maha-vadinao ahy.

Filoha Dallin H. Oaks: Misaotra.

Rahavavy Kristen Oaks: Miteny aminy foana aho hoe izy no olona tiako indrindra manerana izao tontolo izao.

Filoha Dallin H. Oaks: Ary ahy izy.

Rahavavy Kathy Andersen: Tena maha-te-ho tia tokoa e? Tena kanto ery? Mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena Rahavavy Kristen oaks. Heniky ny finoana sy fitiavana ny fiainany. Mora mangoraka izy, ary raha ny hevitro dia anjely be fitiavana eto an-tany izy.

Loholona Neil L. Andersen: Feno fankasitrahana lalina aho fa notsimbinin’ny Tompo i Dallin Harris Oaks tao anatin’ireo am-polo taona maro ireo, nampianatra azy, niantsoroka azy, ary nanomana azy ho an’izao taona maromaro farany eo amin’ny fiainany izao.

Mbola kely izy dia efa nametraka teny filamatra azy manokana, dia ny hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany”.

Izany no nataony ary tsy niraharaha ny laza sy ny harenan’izao tontolo izao izy. Notefen’ny Tompo ny fony ary hampiasa azy Izy mba hanampy amin’ny fanefena antsika tsirairay avy mandritra ny fanompoany amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy eto ambonin’ny tany.

Mba hanomezana anareo hevitra hoe toy ny ahoana ny mpaminanintsika, dia nihantona tao amin’ny biraony nandritra ny 40 taona mahery ity sary hosodoko mahaliana an’i Maynard Dixon ity. “Forgotten Man [Lehilahy hadino]” no lohatenin’izany.

Ilay sary hosodoko dia maneho lehilahy iray mipetraka eo amoron-dalana ao anatin’ny hakiviana. Mandalo ao aoriany ny olona rehetra, tsy miraharaha azy.

Tia ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra rehetra ny Filoha Oaks, ary ity sary hosodoko ity dia nampahatsiahy azy fa tokony hanolo-tanana ireo izay mahatsapa ho irery, kivy, mila mahafantatra ny lanjan’izy ireo manokana ary ny fitiavan’ny Rain’izy ireo any An-danitra izy.

Nilaza ny Filoha Oaks fa na dia mahatsapa ho hadino aza ilay lehilahy ao amin’ilay sary hosodoko, dia miposaka eo ambony lohany ny masoandro, izay midika fa mahafantatra ny ady atrehany ny Rainy any An-danitra. Nilaza ny Filoha Oaks fa ilay sary hosodoko dia manan-danja lehibe aminy ary mampahatsiahy azy ireo zavatra ilainy hotadidiana. Tiako ny toe-pon’ny Filoha Dallin H. Oaks.

Nifanakalo hevitra niaraka tamin’ireo tanorantsika eto Washington D.C. mikasika ny lohahevitra telo manan-danja izay noresahan’ny Filoha Oaks matetika izahay. Fa voalohany indrindra, dia andeha horaisintsika an-tanandroa ny fanehoam-pitiavana iray hafa ho an’ny Filoha Oaks avy amin’ireo tanora maneran-tany.

Vondron-tanora avy any Hawaii: Aloha, Filoha sy Rahavavy Oaks! Feno fankasitrahana izahay noho ny ohatra asehonareo roa anay sy ny Fiangonana. Tia sy manohana anareo izahay.

Vondron-tanora avy ao Ogden, Utah: Arahaba, avy aty Ogden, Utah. Ry Filoha Oaks, feno fankasitrahana izahay noho ny torohevitrao, indrindra fa mikasika ny maha-raharaham-pianakaviana ny fisandratana. Tia anao sy manohana anao izahay.

Tanora avy any Rome, Italie: Manahoana, Filoha Oaks. Mampita ny fitiavanay avy aty Rome Italie izahay. Tianay ny fampianaranao momba ny fianakaviana mandrakizay, ary miandrandra ny hahita anao aty amin’ny Tanàna Mandrakizay izahay. Veloma! Tianay ianareo!

Loholona Neil L. Andersen: Ny lohahevitra horesahantsika androany dia voalohany, ny fijoroana amin’ny fahamarinana, faharoa, ny fianakaviana, ny fanambadiana ary ny zanaka, ary fahatelo, ny fanambarana.

Fanamarihana

  1. Matio 16:19

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5

  3. Dallin H. Oaks, “Why Do We Serve?”, Ensign, nôv. 1984

  4. Dallin H. Oaks, “The Light and Life of the World”, Ensign, nôv. 1987

  5. Dallin H. Oaks, “Faith in the Lord Jesus Christ”, Ensign, mey 1994

  6. “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly”, Médiathèque de l’Évangile

  7. Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden,” Liahona, Nov. 2006

  8. Dallin H. Oaks, “Manara-dia an’i Kristy”, Liahona, nôv. 2024

  9. Dallin H. Oaks, “Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana”, Liahona, nôv. 2025

  10. “Special Announcement: The New First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints”, ao amin’ny “Dallin H. Oaks Named 18th President of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints”, 14 ôkt., 2025, newsroom.ChurchofJesusChrist.org

  11. Dallin H. Oaks, “The Student Body and the President”, (Fampaherezam-panahy nataon’ny Brigham Young University, 9 sept. 1975), speeches.byu.edu

  12. Matio 6:33