Fampaherezam-panahy 2025
Fanambadiana, fianakaviana, ary zanaka


12:5

Fanambadiana, fianakaviana, ary zanaka

Loholona Neil L. Andersen: Nampihetsi-po antsika rehetra ny hafatra nozarain’ny Filoha Oaks nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo. Niresaka tamin-kery lehibe momba ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary ny zanaka izy. Tadidinareo angamba izy niteny hoe: “Indraindray Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fantatra amin’ny hoe fiangonana mifototra amin’ny fianakaviana. Izany mihitsy!” Andao hijery ity horonan-tsary fohy ity sy ny fifanakalozan-kevitra nataonay niaraka tamin’ny tanora.

Filoha Dallin H. Oaks (2025): Amin’ny alalan’ny fianakaviana no anazavana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny tanjon’ny fiainantsika ety an-tany. … Zava-dehibe tokoa ny tsy hamerezan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahatakarany momba ny tanjon’ny fanambadiana sy ny lanjan’ny zanaka. Izany no hoavy izay ilofosantsika.

Mifototra amin’ny fianakaviana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Fiangonana miompana amin’ny fianakaviana isika.

Filoha Dallin H. Oaks (2023): Ny fanambadiana dia tena manan-danja amin’ny tanjon’ny fiainana an-tany sy izay hitranga aorian’izany. Isika dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana izay nahary antsika ary nomeny fahafahana hanaraka ilay didiny mba hihabetsaka sy hameno ny tany isika ao anatin’izany. Ny herin’ny fahariana dia isan’ireo fanomezam-pahasoavana sarobidy indrindra izay ananantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Kanefa mitana anjara fototra ao amin’izany fanomezam-pahasoavana izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ilay didy mba tsy hampiasana afa-tsy ao anatin’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ny hery ahafahantsika miteraka. …

Saintsaino ny zavatra tsy azon’ireo tanora Olomasin’ny Andro Farany rehefa iniana ahemotra mandritra ny fotoana maharitra ny fanambadian’izy ireo: fahafahana hanao zavatra no very ary mihemotra ny fahazoana fitahiana. Ny dikan’izany dia hoe fihemoran’ireo fivoaran’ny tena manokana manan-danja izay mitranga ao anatin’ny fiarahana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny mpivady, ny fivoarana amin’ny toetra toy ny fahafoizan-tena sy ny fanetrentena. Ny hevitr’izany dia hoe fihenan’ireo fahafahana hiara-hiasa mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ny tena manan-danja, dia midika izany hoe vitsy kokoa ireo zanaka teraka mba hihalehibe miaraka amin’ireo fitahian’ny filazantsara.

Tadidio fotsiny fa manana drafitra ho an’ireo tanorany ny Ray any An-danitra be fitiavana, ary isan’izany drafitra izany ny fanambadiana sy ny zanaka.

Loholona Neil L. Andersen: Tsy mahatalanjona anareo ve ity toerana malaza kanto dia kanto izay ahafaha-mitazana ny Tempolin’i Washington D.C. ity? Ary eto isika miresaka momba ny fianakaviana, momba ny fanambadiana, ary momba ny zanaka.

Ary miaraka amintsika eto i Max sy i Nicole izay mpivady. Miaraka amintsika ato amin’ny ilany ato koa i Chris sy i Lindsay, izay mpivady ihany koa. Inona no tonga tao an-tsainareo rehefa nahare ny Filoha Oaks nandahateny tamin’ny fihaonambe farany teo?

Max: Feno fankasitrahana aho noho ny Filoha Oaks sy ny nampianarany ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana. Inoako fa ho ahy manokana sy ho an’i Nicole, dia ny nanambady an’i Nicole no isan’ireo fitahiana tsara indrindra teo amin’ny fiainako. Ny fananana fianakaviana ihany koa. Manana zanaka lahy telo taona antsoina hoe i Enoch izahay.

Nicole: Feno fankasitrahana tokoa aho noho ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana. Inoako fa mety ho sarotra ny miezaka mamantatra isan’andro isan’andro hoe hanao ahoana ny fiainantsika miaraka amin’ny asa fivelomana sy miaraka amin’ny fianakaviana koa. Raha ny momba ahy, dia fantatro fa te hahazo diplaoma amin’ny fianarana ambaratonga ambony aho, ary te hanana fianakaviana koa aho. Tsy mora ny lalana hahatongavana amin’izy roa ireo ho ahy. Nandany fotoana be dia be izaho sy i Max nifady hanina sy nivavaka ary nandeha tany amin’ny tempoly mba hianatra ny fomba handanjalanjana ireo zavatra roa ireo. Dia nahatsapa ho notaomim-panahy izahay fa raha ataonay lohalaharana ny fianakaviana, dia handeha tsara ny zava-drehetra.

Tsy fantatray indraindray isam-bolana ny fomba mety hampandeha tsara ny zavatra rehetra, fa dia nandeha anefa izany. Ary manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana sy ny fametrahana ny fianakaviana ho lohalaharana aho.

Loholona Neil L. Andersen: Lindsay, mba lazao anay hoe ahoana izany manambady an’i Chris izany.

Lindsay: Tato amin’ity tempoly ity mihitsy izahay no nivady. Ny fahafahana ho voafehy tamin’i Chris fotsiny, amin’ny olona tena mahafinaritra sy tsara fanahy tahaka an’i Chris, dia fitahiana lehibe tokoa. Fitahiana ny mahalala fa miara-miatrika izahay, kanefa tsy izahay roa irery koa, fa fianakaviana izahay ary mifantoka amin’i Kristy. Ka na inona na inona olana tojo anay, na ny famerenana ny vola nindramina hamitana fianarana izany, na ny fitadiavana na ny fiezahana hanana fivelomana tsara fototra, dia fantatray fotsiny fa hiaraka hanao izany amin’i Kristy izahay.

Chris: Mety efa lehibe kokoa izahay vao nivady teo amin’ny fiainanay, fa tsy noho ny tsy fiezahana hiroso tamin’ny fanambadiana anefa. Amiko dia manana ny fotoanany amin’ny zava-drehetra ny Tompo, ary inoako fa samy nahatoky sy nanana fatokian-tena izahay roa fa nanana drafitra ho anay ny Tompo. Ary raha nazoto tamin’ny fitandremana ny didiny izahay, dia ho tonga foana ilay fotoana hanambadianay any aoriana any.

Loholona Neil L. Andersen: Miaraka amintsika eto i Ethan, Joy, Olivia, Zach, Sameeta, Lindsey, ary i Kelson. Hiresaka kely momba ireto teny telo ireto isika: fianakaviana, fanambadiana, zanaka.

Kelson: Ho ahy dia maro ny olona miaina karazana toe-javatra samy hafa eo anivon’ny fianakaviana. Mahatsapa ho voatahy manokana aho nomena fianakaviana izay nanome ahy fitarihana maro, torolalana maro, tanjona hotratrarina, ny maha-izaho ahy, ary fahatsapana ho voaro.

Tiako fotsiny ny misaintsaina ireo fitahiana noraisiko amin’ny maha isan’ny fianakaviana iray ny tenako, sy ny fahitako ireo rahalahiko sy anabaviko ary ny fianakavian’izy ireo, ary ny hoe afaka ny ho tena hahafinaritra tokoa izany fiainam-pianakaviana izany. Mahafantatra olona maro aho. Haiko hoe tsisy fianakaviana tonga lafatra, fa rehefa manandrana ny tsiron’ny fifaliana afaka ny ho azo ao anatin’ny fianakaviana ianao, dia mamporisika anao haniry ny hanana fianakaviana koa izany.

Sameeta: Tsy mbola manambady aho, kanefa miandrandra fatratra fanambadiana any amin’ny tempoly. Fantatro fa manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana, ary ny filazantsara mihitsy no mampianatra antsika—mitahy antsika sy manandratra antsika mandrakizay izany. Indraindray dia tiantsika handeha tsara ny zava-drehetra, saingy tsy izany no miseho.

Fa zavatra iray nianarako teo amin’ny fiainako ny mino ny fotoanan’ Andriamanitra. Ary fantatro fa manana drafitra ho an’ny tsirairay avy amintsika Izy, ary mahafantatra antsika sy tia antsika tsirairay. Ka na ho ela na ho haingana no hitrangan’izany, dia matokia Azy fotsiny.

Ny zavatra faharoa nianarako dia ny manomana ny tenako ara-panahy sy miomana manokana. Tsy manomboka amin’ny fotoana ahitanao olona iarahana ny fiomanana amin’ny fanambadiana mandrakizay. Azonao atomboka dieny izao ny dianao manokana.

Loholona Neil L. Andersen: Joy, antenaiko fa tsy mampaninona anao ny hilazako izao. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ianao taona vitsy monja taorian’ny niainanao fanambadiana tena nampalahelo. Toy ny ahoana izao no fahitanao ny fianakaviana, ny fanambadiana? Inona no hevitrao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Joy: Tena tiako ny fomba niresahan’ny Filoha Oaks tamin’ny olona rehetra, ary tiako ny fomba nanekeny fa tsy ny toe-javatra iainana rehetra no mahafaly. Ary tena tiako ny fomba niresahany tamin’ireo reny, satria reny avy tamin’izany fanambadiana izany aho ary manan-janaka lahy kely efatra taona.

Tiako ny fomba nilazany fa na dia tsy manambady aza ianao amin’izao fotoana izao, dia mbola afaka mampianatra ireo zanakao mba hiandrandra ireo fitahiana ho an’ny fianakaviana sy mba ho voafehy any amin’ny tempoly. Tsapako hoe fantany tsara izany aho rehefa niresaka tamin’ireo olona miaina ao anatina toe-javatra tsy mahazatra izy, toy ireo reny tsy manambady.

Loholona Neil L. Andersen: Tena voalazanao tsara.

Ethan: Isan’ireo zavatra nolazain’ny Filoha Oaks teo aloha nandritra ny fampaherezam-panahy nataon’ny BYU ny hoe tsy azonao terena ny hitrangan’ireo zavatra ara-panahy. Namaky izany andalana izany aho dia nisy fiantraikany be tamiko izany satria maniry fanambadiana ara-panahy isika, maniry fianakaviana ara-panahy isika. Te hanana fianakaviana mifantoka amin’i Kristy isika. Te hanana vady manam-pinoana izay azontsika tompoina sy azontsika tohanana isika. Ary tsy azo izany raha tsy mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika. Indraindray koa amiko dia misy ny fahadisoam-panantenana rehefa mbola tanora kokoa isika, ilay hoe “Tahaka izay aho nanao an’izao”, na izao na izao rehetra izao. Raha ny marina, dia tsy azonao terena hitranga ny zavatra ara-panahy.

Loholona Neil L. Andersen: Tiako ny zavatra lazainao. Somary ampanaoviko fanamby kely ianao eto. Tsy afaka manery ny zavatra ara-panahy hitranga ianareo, kanefa afaka manao izay hisian’ny fifandraisana misimisy kokoa amin’ny tanora vavy. Inona no ataonao eo anatrehan’izany?

Ethan: Hitanao, misy fomba isan-karazany anaovana izany. Miezaka foana aho manao ilay manopy maso ilay olona ery am-pita ao anaty efi-trano. Dia mampiasa application iray na roa. Fa raha ny marina, ny manan-danja indrindra dia ny mahatakatra hoe io zavatra katsahina io no zavatra manan-danja indrindra afaka ny ho ataontsika.

Manana fahasahiana hanao zavatra fotsiny ary manana fahatokian-tena ny hilaza hoe, hitanao, zanakalahin’ Andriamanitra aho, ary betsaka ny zavatra tsara azoko atolotra anao. Hivoaka ny trano aho dia hampahafantatra ny tenako aman’olona sy hamantatra azy ireo fotsiny sy hamantatra misimisy ny momba azy, ny zavatra inoany ary izay ataony eo amin’ny fiainany. Rehefa mifantoka amin’ilay olona iray hafa ianao, dia afaka mamantatra misimisy kokoa momba ny tenanao.

Loholona Neil L. Andersen: Olivia. Rehefa mijery olona iray azonao heverina ho lasa vadinao ianao, dia inona no tadiavinao?

Olivia: Ny zavatra voalohany indrindra tadiaviko dia olona mitandrina ny fanekempihavanana nataony no tadiaviko.

Loholona Neil L. Andersen: Zach, hitanao niresaka kely momba ny fanambarana momba ny fianakaviana ny Filoha Oaks. Tsy hafahafa aminao ve ireo fitsipika samihafa ao anatin’io? Nieritreritra momba izany ve ianao tato ho ato?

Zach: Zavatra roa angamba no ato an-tsaiko. Voalohany dia mety ho sarotra ny mihaino ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mamaky ny fanambarana ho an’ny fianakaviana sy mahita ny lafim-piainako tsy dia mety amin’izao fotoana izao ka mety ho sarotra be ilay izy. Fa tsy midika akory izany hoe sarotra na mafy ilay izy dia hoe tsy marina na tsy fahamarinana. Ny faharoa angamba dia hoe raha nihaino ny tao amin’ilay horonan-tsary isika, ny Filoha Oaks dia niteny fa ny fivoarana lehibe indrindra dia tonga ao amin’ny fanambadiana sy ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Koa ny fahafantarana fa marina izany, ny finoana sy fahatokisana fa marina izany, dia tsy manala ny tenako, amin’ny maha tokan-tena ahy, tsy hifantoka amin’ireo fanekempihavanana nataoko sy hiezaka ho lasa toa an’i Kristy kokoa amin’ny fomba rehetra azoko atao.

Loholona Neil L. Andersen: Izany mihitsy. Misaotra anareo ny amin’izany fomba fijery mahafinaritra izany.

Mety ve raha mijery fanehoam-pitiavana iray farany ho an’ny Filoha Oaks isika alohan’ny hiresahana ilay lohahevitra fahatelo?

Tanora avy any Tonga: Izahay avy aty amin’ny nosy kanton’i Tonga dia mivavaka ho anao.

Tanora avy any Corée: Mandefa fitiavana avy aty Corée izahay! Tianay ianao ry Filoha Oaks!

Tanora avy ao amin’ny Brigham Young University–Idaho: Tombontsoa lehibe ho anay ny manohana anao ho Mpaminanin’ny Fiangonana mandritra ity vanim-potoana manaraka hitarihana ny Fiangonana ity ry Filoha Oaks. Miandrandra ny hanara-dia anao izahay ary faly manohana anao izahay tanora manerana izao tontolo izao.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana”, Liahona, nôv. 2025

  2. Dallin H. Oaks, “Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana”