Fampaherezam-panahy 2025
Vavolombelon’i Kristy


Vavolombelon’i Kristy

Filoha Dallin H. Oaks (1984): Ity fihaonambe fanao isaky ny tapa-taona ity no fotoana voalohany ho ahy hiresahako amin’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany, hilazako ny fanekeko ny antsoko ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy. … Hanokana ny foko, ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako manontolo amin’ilay fitokisana lehibe napetraka tamiko aho, indrindra fa amin’ireo andraikitra sahanin’ny vavolombelona manokana iray an’ny anaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao.

Filoha Dallin H. Oaks (1987): Tiantsika i Jesoa Kristy Tompo. Izy no ilay Mesia, Mpamonjintsika sy Mpanavotra antsika. Ny anarany no hany anarana ahafahana mamonjy antsika.

Filoha Dallin H. Oaks (1994): Manomana anao amin’izay rehetra entin’ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Io karazana finoana io dia manomana anao hiatrika ireo zavatra azo araraotina atao eo amin’ny fiainana—mba hakana tombony avy amin’ireo izay azo ary hananana faharetana ao anatin’ireo fahadisoam-panantenana avy amin’ireo izay very.

Filoha Dallin H. Oaks (2000, “Ilay Kristy Velona”): Mijoro ho vavolombelona izahay amin’ny maha-Apôstôly voatendriny anay—fa i Jesoa Kristy no Ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanana an-kavanan’ny Rainy ankehitriny. Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao.

Filoha Dallin H. Oaks (2006): Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika, izay manasa antsika rehetra hanatona Azy sy ho lasa tanteraka ao Aminy. Hamehy ny ferintsika Izy ary hanasitrana ny mavesatra entana.

Filoha Dallin H. Oaks (2013): Ny fanarahana an’i Kristy dia tsy zavatra ataotao fahatany na atao tsindraindray, fa fanoloran-tena tsy tapaka sy fomba fiainana izay mihatra amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra.

Filoha Dallin H. Oaks (2025): “Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompo izay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay. Manasa antsika Izy hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitarika ho amin’ny fihaonan’ny fianakaviana any an-danitra. Ny herin’ny famehezan’ny fisoronana, tantanan’ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland no mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay. Mitombo tsy ankijanona ankehitriny ny fampiasana azy ireo ao amin’ireo tempolin’ny Tompo manerana izao tontolo izao. Tena misy izany. Aoka isika ho tafiditra ao anatin’izany.

Filoha Dallin H. Oaks (2025): Fantatro mihoatra ireo zavatra rehetra azoko antoka fa marina teo amin’ny fiainako fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, izay lohan’ity Fiangonana ity, ary mangataka ny tsodranony aho ho amintsika rehetra rehefa mikatsaka ny hanompo Azy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Dallin H. Oaks, “Why Do We Serve?”, Ensign, nôv. 1984

  2. Dallin H. Oaks, “The Light and Life of the World”, Ensign, nôv. 19987

  3. Dallin H. Oaks, “Faith in the Lord Jesus Christ”, Ensign, mey 1994

  4. “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly”, Médiathèque de l’Évangile

  5. Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden,” Liahona, Nov. 2006

  6. Dallin H. Oaks, “Manara-dia an’i Kristy”, Liahona, nôv. 2024

  7. Dallin H. Oaks, “Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mifototra amin’ny fianakaviana”, Liahona, nôv. 2025

  8. “Special Announcement: The New First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints”, ao amin’ny “Dallin H. Oaks Named 18th President of the Church of Jesus Christ of Latter-day Saints”, 14 ôkt., 2025, newsroom.ChurchofJesusChrist.org