Fampitana fanao isan-taona
Ao amin’izy ireo ny hery


24:7

Ao amin’izy ireo ny hery

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025

Alakamisy, 23 janoary 2025

Teny fanolorana

Mafonja tokoa ilay hafatra nentin-dRahalahy Webb teo. Ary fotoana tena mampientanentana ao amin’ny Seminera sy Institiota izao! Manana ilay fandaraham-pampianarana vaovao Fiomanana hiatrika fiainana isika. Manana ilay fandaharana Fanavaozana ny Institiota isika. Mitombo ny fisoratana anarana hanao seminera; mitombo koa izany ho an’ny institiota. Ary heveriko fa ireo zavatra rehetra ataontsika ireo dia manampy amin’ny fanorenana sy famolavolana traikefa miavaka amin’ny fianarana sy ho an’ny mpianatra. Saingy miombon-kevitra amin-dRahalahy Webb aho fa misy fatrana hery fanampy avy amin’ny fanekempihavanana. Ary rehefa miditra ao anatin’ny fanekempihavanana sy manao ary manavao izany ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora dia misy hery entiny ho an’ny asantsika izay manabe voho ny zava-drehetra ataontsika.

Anio aho dia te hiresaka kely momba ny fianarana lalina ao an-dakilasintsika. Amin’ny maha Manampahefana Ambony ahy dia matetika aho no manao irony antsoina hoe fitsidihana misiôna irony ka amin’izany no ijerenay ny fivoaran’ny misiôna iray, andinihanay ny momba ireo mpitarika eo anivon’ny misiôna ary anombananay ny kolontsaina sy ny fitondrantenan’ireo misiônera.

Tamin’ny fitsidihana iray toy ireny dia nisy fotoana nampihetsi-po ahy tamin’izaho nanatrika ny Filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna izay nahitana misiônera manana andraikitra amin’ny fitarihana manerana ilay misiôna. Nahatoky avokoa ireo mpitarika tanora ireo saingy nanahirana azy ireo ny nanapa-kevitra raha toa izy ireo ka tokony hampandray anjara an’ireo misiônera vao herotrerony tamin’ireo andraikitra nomen’ny filohan’ny misiôna ho an’ny misiôna iray manontolo. Ny iray tamin’ireo misiônera moa dia naneho ny fanahiana fa tsy azo ampiandraiketina tsotra izao an’ireo misiônera hafa ireo zavatra andrasana goavam-be ireo. Tsy azony antoka hoe ampy ny fahaiza-manaon’ny hafa amin’ny fanaovana ilay asa ary tsy ampy fahamatorana ara-panahy izy ireo hoenti-manatontosa izany amim-pahombiazana. Ho an’ny hafa dia toa raharaha be ny hampandray anjara an’ireo misiônera tsy ampy traikefa ary nanontany tena izy ireo hoe hahomby kokoa ve raha toa ka ilay vondrona mpitarika ihany no miantsoraka ny adidy.

Nahatsikaiky ahy ny fahitana ireo misiônera tanora ireo izay raha jerena amin’ny fomba fijery mivelatra ny zavatra iainana ato am-piangonana, dia tsy dia be traikefa mihoatra firy noho ireo misiônera mitovy taona aminy izay manahiran-tsaina be azy ireo. Avy eo ilay vondrona mpitarika dia nasaiko nisaintsaina ny fahafahana omen’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra mba hanao asa sy hitombo ary handray andraikitra ao amin’ny filazantsara. Niaiky aho fa araka ny fomba fijerin’izy ireo dia toa mety misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny traikefan’izy ireo sy ny fahaiza-manaon’izy ireo raha mitaha ny amin’ny an’ireo misiônera ambiny. Avy eo dia nasaiko nosaintsainin’izy ireo ny mety ho fomba fijerin’ Andriamanitra rehefa mijery antsika rehetra avy eny ambony eny Izy.

Mety ho tsinontsinona ny fahitana ny elanelana misy eo amin’ny mpitarika eo anivon’ny misiôna sy ny misiônera ambiny raha ampitahaina amin’ny haavon’ny toerana misy an’ Andriamanitra rehefa mijery antsika rehetra ety ambany ety. Kanefa Izy dia tsy mitsahatra mizara andraikitra goavana sy mampandray anjara ny maro be amintsika, toy ny eveka, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, filohan’ny kôlejin’ny loholona, eny fa na dia ireo mpitarika ny faritra sy rahavavy mpampiofana mpitarika aza.

Mamaky isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Lazaiko marina tokoa, fa ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra; Fa ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ ny tenany. Ary raha manao soa ny olona, dia tsy hamery mihitsy ny valisoany izy.”

Anio aho dia te hiresaka momba ny fahatokisana takina amin’ireo mpampianatra mba hahafahan’ireo mpianatr’izy ireo mampiasa ny fahafahana misafidy mba hahatonga ny fianarana sy ny fiovam-po an’ny tena manokana ho lalim-paka. Hiompana betsaka amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ny hevitra hovoiziko.

Ao amin’ny Etera, toko 3, ny rahalahan’i Jareda dia mitalaho amin’ny Tompo hoe: “Tompo ô, kasiho amin’ny rantsantananao ireto vato ireto ary omano ireto mba hahazoany mamirapiratra ao amin’ny haizina […] mba hanananay hazavana raha mbola mita ny ranomasina izahay.” Fandraisana andraikitra sy fampiasan’ny rahalahan’i Jareda ny fahafahana misafidy no famakiko an’io tantara sy fifampiresahana manokana io hatrizay, ary tena izany tokoa no izy. Kanefa vao haingana aho vao nahafantatra ny anjara asan’ny Tompo tamin’ny fanasana ny rahalahan’i Jareda handray andraikitra aloha. Talohan’ny nahitan’io mpaminany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna io an’ireo vato mba homena hazavana, dia ny Tompo no nanasa azy handray andraikitra, tsy ho an’ny fanamboarana ireo sambofiara fotsiny ihany fa momba izay mety ho vahaolana sy ny famantarana ny vahaolana mba hisian’ny hazavana ao amin’ireo sambofiara ihany koa.

Talohan’ny nanoloran’ny rahalahan’i Jareda ilay soso-kevitra momba ny vahaolana, dia ny Tompo no nanontany azy izao manaraka izao: “Inona no tianareo homaniko ho anareo mba hanananareo hazavana rehefa voatelina ao amin’ny halalin’ny ranomasina ianareo?” Kay teo foana io hevi-baovao io. Tsy nahita an’io velively aho taloha. Kanefa talohan’ny nanaovan’ny rahalahan’i Jareda ilay asa mahavelom-piderana antsika dia nasaina nanao asa izy, mba handray andraikitra mikasika an’ilay vahaolana. Eny, nandray andraikitra tokoa ny rahalahan’i Jareda, saingy ilay Mpampianatra Lehibe no nampitombo ny tranga fanararaotra sy ny mety hitrangan’izany tamin’ny alalan’ny fanasana azy hieritreritra, hanao asa ary hitady vahaolana.

Mamaky isika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjyhoe: “Mety ho tena nahatalanjona ny nijery ny Mpamonjy nandeha teo ambonin’ny rano. Tsy ampy anefa izany ho an’i Petera. Te hanao izay nataon’ny Mpamonjy izy, ny ho eny amin’izay nisy Azy, ary hiaina izany zavatra izany mihitsy.” Izany hoe ny Mpamonjy dia nanao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana tao amin’ny mpianany tahaka ny ataony amintsika rehetra.

Anio aho dia hiompana amin’ny fomba telo ahafahantsika manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana araka ny voalaza ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Voalohany, “asao ny mpianatra hiomana hianatra.” Faharoa, “amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.” Fahatelo, “asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany.”

Eo am-piresahako momba ireo ezaka atao ireo mba hanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana dia manantena aho fa ho afaka ny hanao zavatra roa isika: Voalohany, manantena aho fa afaka ny hahita ireo mpianatsika amin’ny fomba ahitan’ Andriamanitra azy ireo isika, omban’ny fahafantarana fa misy hery ao amin’izy ireo; ary amin’ny fijerin’ Andriamanitra dia afaka mianatra avokoa isika rehetra rehefa omena fahafahana mitovy mba hanao asa sy hampiasa ny fahafahantsika misafidy. Faharoa, manantena aho fa hisaintsaina ireo fomba azonareo anaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana ianareo, toy ireny hoe misy lafin-javatra azonareo ivoarana ireny. Ary mivavaka aho mba hanampian’ny Fanahy amin’ny fampisehoana ireo fahafahana ireo ao amin’ny fampianaranareo manokana.

Mamaky isika ao amin’ny Torio ny Filazantsarako hoe: “Manan-danja ny mianatra avy amin’ny mpampianatra tsara, saingy zava-dehibe ihany koa ny hanananao traikefa amin’ny fianarana manan-danja avy amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina.” Iray amin’ireo fomba anasantsika ny mpianatra mba hiomana hianatra ny fanasana azy ireo handalina ny soratra masina. Tokony hanampy ny mpianatra isika mba tsy hiankin-doha firy amin’izay ao an-dakilasy mba hahazoana fampaherezana ho an’ny tena manokana rehefa mianatra manorina fifandraisana mivantana sy manokana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina izy ireo. Ankoatra ny fanasana bambaray ataontsika mba hanatrehana seminera na institiota, dia manasa ny tsirairay avy amin’ny mpianatsika isika mba hamaky ny soratra masina sy ireo hafatra hafa avy amin’ny mpaminany. Mandaitra indrindra izany rehefa ataontsika alohan’ny fifanakalozan-kevitry ny iray kilasy satria ilay fiomanana dia mahatonga ny fianarana ho lalina ary manondrotra fifanakalozan-kevitra atao mivantana na an-jotra.

Misy fomba maro be hanampiana ny mpianatra hiomana hianatra. Anisan’ireo fomba anaovako izany ny famaranana lesona rehetra amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana ny famakiana ho an’ny fotoam-pianarana manaraka. Rehefa ao an-dakilasy aho dia matetika aho no manao izany amin’ny alalan’ny fanoratana ny vakiteny ampanaovina eny amin’ny sisiny havanana ambony eny amin’ny solaitrabe sy ny firesahana momba izany any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana. Mazava ho azy fa amin’ny sehatra an-jotra dia azo atsofoka ho ao anatin’ny firafitr’ilay taranja izany. Anisan’ireo fomba hafa hanaovana izay handalinana soratra masina mialohan’ny fotoam-pianarana ny fandefasana mailaka na hafatra fampahatsiahivana ny mpianatra mialoha ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Azonao hamafisina ihany koa ny fandalinana ny soratra masina hianarana amin’ny manaraka amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny fiomanana nataon’ny mpianatrao amin’ny alalan’ny fanasana olona iray hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny soratra masina novakiny na fanontaniana iray antenainy fa hahazoany valiny rehefa tonga tao am-pianarana izy tamin’io hariva io.

Ankoatra ny fandalinana soratra masina dia misy fomba hafa hanasana ny mpianatra hiomana hianatra. Nahita mpampianatra mahomby aho izay mandefa fanontaniana hosainina any amin’ireo mpianany mialoha ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Loharanon-kevitra iray hafa ho an’ny fiomanana mahomby ny fifantenana ny mpianatra asaina hiomana mialoha ny fotoam-pianarana mba hampianatra ny iray amin’ireo hevitra voizin’ny lesona na hizara traikefa iray izay mety hahatonga ny fianaran’ny hafa ho lalim-paka. Ireo asa ireo dia mitaky fotoana sy ezaka avy amin’ny mpampianatra ary matetika izy ireo no mitaky ny hahafantaranao misimisy tokoa momba ny filan’ny mpianatrao sy ny zavatra iainany, kanefa misy fiantraikany lehibe amin’ny fahatongavan’ny traikefam-pianaran’ny kilasy iray manontolo ho lalim-paka izany.

Fantatro eny foana rehefa nanasa ny mpianatra hiomana mialoha ny fotoana ny mpampianatra satria ireny fanasana ireny dia miseho amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny mpianatra; lalina kokoa sy manan-danja kokoa ny fifanakalozan-kevitra ary tsapa ny fanatrehana fenon’ny Fanahy mandritra izany. Iangaviako ianareo mba hisaintsaina ny mety ho fomba hanasanareo ny mpianatra hiomana hianatra mialoha ny fifanakalozan-kevitra na sahanasa atao ao an-dakilasy.

Mitaky mihoatra ny fihainoana befahatany fotsiny ny fianarana lalina. Ilaintsika ny mpianatsika ho liana sy ho mpianatra mpandray anjara. Iray amin’ireo fomba hitrangan’izany ny famelana ny mpianatra hizara amin’ny hafa ny zavatra ianaran’izy ireo. Raha toa ianao ka andrandraina mba hizara ny zavatra ampianarina anao dia hafa mihitsy ny fomba hiomananao. Io zavatra andrandraina io koa dia manampy anao hanova ny fomba fihainonao ary ho hanongilan-tsofina kokoa ianao rehefa mihaino. Mazava ho azy fa ny fanehoana ny zavatra nianaranao dia mahatonga ireny hevi-baovao ireny ho lalim-paka ary manazava ny zavatra ianaran’ny mpianatra sy ny zavatra iainany.

Toroina hevitra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy.”

Mazava ho azy fa mazàna ilay mpampianatra notendrena no hiaina zavatra misimisy kokoa ary inoana fa nandalina ilay boky tamin’ny fomba lalina kokoa raha mitaha amin’ny ankamaroan’ny mpianatra. Saingy tsaroanareo ve ilay traikefa nozaraiko tany am-piandohan’ny hafatro mikasika an’ireo misiônera izay tsy natoky ny hafa tamin’ny fandraisana andraikitr’izy ireo ho an’ny fivoarany manokana? Rehefa mibahana amin’ny traikefam-pianarana ny mpampianatra iray dia mety hahatsapa tena ho mpampianatra mahomby izy satria toa maharesy lahatra sy mifanaraka tsara amin’ny fahatsapan’ny tenany manokana ny hafany. Kanefa azo inoana fa noho ny tsy fampandraisany anjara ireo mpianatra dia tsy ho fantany raha toa ka nisy fiantraikany marina tamin’ny fianaran’izy ireo ilay fampianarana. Ankoatra izany dia matetika ny fampianarana avy amina loharano tokana no manakana ireo mpianatra hafa tsy hanana fahafahana mitovy mba hizara ny zavatra ianaran’izy ireo.

Misy fomba maro hanomezana ny mpianatra fahafahana hizara ny zavatra ianarany. Iray amin’ireo fomba tsotra indrindra hanaovana izany ny famelana ny mpianatra hieritreritra lalina. Mety hipongatra amin’ny alalan’ny diary fianarana izany na amin’ny alalan’ny sahanasa fisaintsainana mandritra ny fifanakalozan-kevitra iray. Azo atao ihany koa izany amin’ny alalan’ny fampidirana fanoharana, toe-java-misy eo amin’ny fiainana, na fampiharana amin’ny tena manokana ary avy eo dia manome ny mpianatra fahafahana hirakitra an-tsoratra ny heviny mialoha ny hizarana izany amin’ny hafa.

Fomba iray hafa mba hananan’ny rehetra zo mitovy amin’ny traikefa amin’ny fianarana ny fitarihana fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fanontaniana izay manasa ny mpianatra hieritreritra sy hizara ny hevi-baovao azony. Fomba fiteniko taloha ny hoe raha manana fanontaniana maharesy lahatra telo monja aho dia afaka mampianatra mandritra ny adiny iray. Mandritra ny fanomanako lesona aho dia hamorona fanontaniana amin’ny alalan’ny fifotorana amin’ny lohahevitra sy ireo tanjon’ny fianarana voizin’ny lesona aloha. Manapa-kevitra aho hoe inona no andinin-tsoratra masina, teny nambaran’ny mpaminany, na traikefan’ny tena manokana mety hampifantoka indrindra amin’ireo tanjon’ny fianarana ireo, avy eo dia soratako sy averiko soratana amin’ny endriny maro samihafa ireo fanontaniana izay tsapako fa hanampy ny mpianatra hamantatra sy hianatra ireo fahamarinana momba an’ireo tanjon’ny fianarana ireo. Maharesy lahatra kokoa noho ny hafa ny sasany amin’ireo fanontaniana soratako saingy ny hafa kosa dia mahomby ka mahatonga ny fanontaniana ho any lohahevitra fototra na foto-dresaka voiziko ho lalim-paka.

Misy fomba koa ahafahanareo manao izay hampahomby ny fanontanianareo sy ny sehatraifanakalozanareo hevitra. Mitovy amin’ny mpampianatra mibahana amin’ny fampiarana ihany ny fisian’ny mpianatra iray na roa mibahana amin’ny fifanakalozan-kevitra. Rehefa mametraka fanontaniana ao amin’ny vondrona aho dia matetika aho no manisy fotoana kely aorian’ny ametrahako fanontaniana izay vao mitady ny valin-tenin’ny mpianatra. Mety ho tsy mampahazo aina ny mpampianatra izay matetika no mila valin-teny eo no eo izy io, kanefa miteraka zavatra roa farafahakeliny ny fanisiana fotoana iatoana. Voalohany, izany dia manome ny mpianatra fotoana isainana. Faharoa, manome fotoana fanampiny ny mpampianatra izany mba hivelatra kokoa ireo mandray fitenena ao amin’ny vondrona izay mamaly mandritra ny fifanakalozan-kevitra. Tsarovy fa tsy voatery ilay olona mananga-tanana voalohany no hotendrenao. Hitako koa fa ny fametrahana mialoha amin’ny mpianatra ny fanontaniana mety hapetrakao mandritry ny fotoam-pianarana dia manampy azy ireo hiomana ary afaka ny hahomby manokana ho an’ny mpianatra saro-kenatra na mahatsapa fa mety tsy homen-danja ny teniny. Tsarovy koa fa mitaky tontolo manome lanja ny hevitry ny mpianatra amin’ny fomba rehetra ny fanasana mba handray anjara. Ny fanamafisana ny tenin’ny mpianatra na ny fandefasana hafatra kely aorian’izany aza dia isan’ny fomba hamporisiana ny fandraisana anjara sy hanampiana ny mpianatra hahatsapa fa omen-danja ny fandraisana anjaran’izy ireo.

Farany, na dia tsara toy inona aza ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona dia mety tsy ny rehetra na ny ankabeazan’ny mpianatra mihitsy aza no afaka handray anjara mandritra ilay fotoana fohy. Matetika aho no maka iray amin’ireo fanontaniako fototra ary mangataka ny mpianatra hizara ny valiny ao anatina vondron’olon-droa na vondrona kely mba hakana antoka fa nanana fahafahana iray farafahakeliny ny mpianatra rehetra mba hizarana ny fahamarinana niarahany nianatra tamin’ny hafa. Rehefa amporisihantsika hizara ireo fahamarinana izay ianarany ny mpianatra dia manasa azy ireo handray an-tanana ny fianarany isika.

Mampianatra antsika i Nefia fa ny herin’ny fahafahana misafidy dia ny mitoetra ao amin’ny famelan’izany antsika hietsika ho an’ny tenantsika fa tsy etsehina. Moa ve ny firafitry ny kilasintsika mamela ny mpianatra hihetsika sy handray an-tanana ny fianarany sa ve izany tontolo andraisan-javatra fotsiny ka etsehana fotsiny ireo mpianatra satria mihaino amim-pahanginana izy ireo? Raha misy olona mitsidika ny efitrano fianaranareo amin’ity herinandro ity, moa ve izy hahita mpianatra omena fahafana handray anjara amin’ny fizotry ny fianarana? Sarotra ny manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana raha tsy avelantsika ny mpianatra hizara ny heviny manokana sy ny fitaomam-panahy azony sy mandinika fahamarinana. Miangavy aho mba amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany ary ataovy ho singa mandrafitra ny traikefa ao an-dakilasinareo izany.

Nampianatra ny Loholona A. Bednar fa “Manan-danja ny fanasana mba hampihatra satria ny finoana ny Mpamonjy dia fitsipiky ny asa sy hery. Amin’ny maha mpanompon’ny Tompo ahy, ny andraikitro dia tsy ny mampiely fampahalalana fotsiny. Raha te hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny olona dia mila manao asa mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy.”

Ny tanjon’ny fianarana ny filazantsara ato amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana dia ny “mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny fomba izay hanampiana ny mpianatra tsirairay ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana izay manao sy mitandrina fanekempihavanana, izay tia an’ Andriamanitra sy ny hafa ary izay afaka sy vonona ary manolo-tena mba hanangona an’i Isiraely avy amin’ny lafy roa amin’ny voaly.” Tsy hisy izany karazana mpianatra izany raha tsy ahitana fanasana mba ho lasa zavatra lehibe kokoa sy hiaina ny zavatra ianarantsika ao amin’ny fampiarantsika.

Ity andalana manaraka ity dia nalaina mivanta avy ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: “‘Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.’ ‘Tiava ny fahavalonareo.’ ‘Mangataha, dia homena hianareo.’ ‘Midira amin’ny vavahady ety ianareo.’ [Matio 5:16,44; 7:7,13.] Ny sasany tamin’ny fanasana tena mafonja sy tsy hay hadinoana natolotry ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nambara rehefa nampianatra ny mpianany teo amin’ny sisin-tendrombohitra iray teo ambonin’ny Ranomasina Galilia Izy. Ny tanjon’ny Mpamonjy dia ny hanova fiainana, izay nataony nazava tsara tao anatin’ny fanasany farany: ‘Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azydia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy’ [Matio 7:24; nampiana fanamafisana].” Iangaviana ianao mba hanasa ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao mba hihaina ny zavatra ianarany.

Ho fiomanana ho amin’ny hafatra hozaraiko dia nangataka anareo tsirairay avy aho mba hiomana amin’ny alalan’ny fandalinana ny fizarana “Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Koa satria tsy mivory mivantana isika, ary ny sasany aminareo dia mety hijery izao samirery, dia mamporisika anareo aho hizara hevi-baovao mikasika an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ireo vondron’ny mpampiofana mivory mivantana na an-jotra izay angatahanay mba hotarihan’ireo mpitarika mpampiofana anareo. Tafidiatra ao amin’ireo fanontaniana ireo ny hoe:

  • Nahoana ny fianarana ny filazantsara no mahomby kokoa rehefa ahitana asa ataon’ny tena manokana, fiomanana sy fizarana ary famaliana fanasana atao amin’ny tena manokana?

  • Inona ireo teny avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ny mpaminany izay manohana ny hevitrao momba an’ilay fanontaniana teo aloha?

  • Ary inona mikasika ireo teny ireo no miantraika sy manan-danja aminao manokana?

Farany, miangavy aho mba diniho ny tsirairay avy amin’ireto fitsipika manaraka ireto izany nojerentsika sy ny fomba ahafahan’izy ireo manao izay hampisy fianarana amim-pahavitrihana ao amin’ireo mpianatrareo: voalohany, asao ny mpianatra hiomana hianatra; faharoa, amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany; ary fahatelo, asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo.

Ny fanasana farany ataoko dia ny handinihana ny fomba azonareo anamafisana orina ny fampianaranareo manokana ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo lafiny telo ireo:

  • Ahoana no ahafahako manasa tsy tapaka sy amim-pahombiazana kokoa ny mpianatro mba hiomana mialoha ny traikefam-pianarana?

  • Inona avy ireo fomba azoko amporisihana ny mpianatro hizara ny zavatra ianarany sy mba ho mpandray anjara mavitrika ao amin’ny kilasiko?

  • Farany, inona no fanasana hampahatanjaka ny mpianatro sy hanampy azy ireo hiaina ny zavatra ianarany?

Ry rahalahy sy ranabavy, tianay tokoa ianareo ary manana fahafahana isika hanaraka ny môdelin’ny Mpamonjy amin’ny fanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Miangavy re, matokia ny mpianatrareo. Izany no hany fomba hahatonga azy ireo ho ny olona ilain’ny Tompo hahatongavan’izy ireo. Tsy mampiely fampahalalana isika sady tsy mitaona ny mpianatsika amin’ny alalan’ny toetrantsika mavitribitrika sy lesona mahaliana fotsiny. Manomana ny mpianatsika isika mba ho velon’aina ara-panahy amin’izao vanim-potoana isian’ny fahasarotana tsy mitsaha-mitombo izao. Hiankina amin’ny fahafahana mamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fahavelomana ara-panahy.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”

Rehefa mampianatra ireo mpianatsika mba hianatra amim-pahavitrihana isika amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika, dia mampianatra azy ireo ny fomba fikatsahana sy fandraisana fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa isika. Io karazana fahaiza-manao io no hitahy azy ireo rahatrizay, fotoana ela aorian’ny fialan’izy ireo ao an-dakilasintsika. Rehefa miezaka manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana ianareo dia mampanantena aho fa hahita fahagagana hitranga eo amin’ny fiainan’ny mpianatrareo ianareo. Ao amin’izy ireo ny hery, ijoroako ho vavolombelona izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.