Fampitana fanao isan-taona
Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fampianarana lesona


4:54

Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fampianarana lesona

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025

Alakamisy 23 janoary 2025

Rahavavy Katrina Hunt: Eny ary. Androany dia mba tiako ianareo hiresadresaka fotsiny amin’ny mpiray dabilio aminareo momba ny toe-javatra iray izay sarotra ara-pihetseham-po lalovan’ny tanora. Eny ary, andao hiresadresaka mandritra ny fotoana fohy.

CLASS: (Chatter)

Rahavavy Hunt: Tiako ianareo izao hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanareo ny toe-javatra iray izay sarotra ara-pihetseham-po lalovanareo amin’izao fotoana izao.

Rehefa mody ianareo anio dia manantena aho fa hahatsapa fahatokiana kokoa ianareo fa ny Mpamonjy dia afaka manampy anareo ary tena hanampy anareo ao anatin’ireo fanamby izay atrehanareo amin’izao fotoana izao na amin’ny fanamby rehetra ho avy.

Eny ary. Ho fanombohana ny fifanakalozan-kevitra, iza no ohatra tsara indrindra ho antsika amin’ny zava-drehetra?

CLASS: I Jesoa Kristy.

Rahavavy Hunt: Tsara. Tiako izany. Afaka mamadika pejy any amin’ny Isaia toko faha 53 ve ianareo? Dia afaka mijery ny andininy 3 ka hatramin’ny 5 ve ianareo? Afaka mamaky izany mangina samirery ve ianareo? Dia afaka manoratra eto amin’ity taratasy miraikitra ity ny andian-teny izay tianareo sy nanan-danja taminareo ve ianareo? Ahitana teny nindramina avy amin’ny Loholona Soares ao ambadika. Mba tsipiho fotsiny ny zavatra iray izay manan-danja aminareo, toy ilay nataonareo tao amin’ny soratra masina.

Eritrereto miaraka amin’ireo mpiray dabilio aminareo ity soratra masina ity, Isaia 53:3–5, sy ny teny nambaran’ny Loholona Soares. Dia manolòra fahamarinana iray izay azontsika tsoahina avy amin’ireo loharanom-pahalalana roa nankatoavin’ Andriamanitra ireo. Atombohy ary.

CLASS: (Chatter)

Rahavavy Hunt: Eny ary. Misy vondrona te hizara zavatra aminay ve? Inona no fahamarinana hitanareo?

Opia.

Opia: Tao amin’ilay teny nindramina ny fahamarinana hitako. Manao hoe: “Manolotra fanamaivanana sy fampiononana ho antsika ny Mpamonjy.” Ary ny zavatra tiako amin’izany dia ny hoe fantany ny zavatra lalovantsika, ary eo foana Izy ho antsika. Ary indraindray isika dia mieritreritra fa irery, kanefa raha mangataka fanampiana avy Aminy fotsiny isika dia hamaly antsika foana Izy.

Rahavavy Hunt: Tiako izany. Mahafantatra ny zavatra lalovantsika ny Mpamonjy.

Ary inona no zavatra azony atao amin’izany?

Opia: Afaka manolotra olona iray ho antsika Izy mba hanampy antsika, olona iray izay fantatsika fa azontsika hatonina foana, manone fiadanan-tsaina ho antsika.

Rahavavy Hunt: Tiako izany. Toa nilaza ianao tany am-piandohana hoe mampionona antsika, sa tsy izany? Afaka manome antsika fiadanana sy fampiononana Izy.

Fantatro ry zareo fa ity fahamarinana izay notsoahinareo avy tao amin’ny soratra masina sy avy amin’ny Loholona Soares ity dia marina. Teo amin’ny fiainako manokana dia efa nisy ny fotoana izay tsy nisy olona hafa mety nahafantatra ny zavatra tsapako. Saingy fantatro fa ny Mpamonjy dia nahafantatra, ary nanome ahy fiadanana sy fampiononana Izy. Koa dia handramantsika amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina izany.

Eny ary. Akimpio fotsiny ary ny masonareo rehetra. Dia miaraha daholo misaintsaina ilay toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po izay nosoratanareo tao amin’ny diary fandalinanareo. Dia hametraka fanontaniana vitsivitsy aminareo aho. Tiako ianareo hieritreritra momba izany. Aorian’izay, rehefa afaka minitra vitsivitsy, dia avelako ianareo hampihiratra ny masonareo ary hanoratra ireo hevitra sy fahatsapana sasantsasany. Raikitra ve?

Ny fanontaniana voalohany: Raha niaraka taminareo ny Mpamonjy, inona araka ny eritreritrareo no ho nataony? Inona araka ny eritreritrareo no ho nataon’ny Mpamonjy rehefa mandalo ny toe-javatra sarotra ara-pihetseham-po izay atrehinareo ianareo? Toy ny ahoana no mety ho eritreritrareo na fahatsapanareo?

Fanotaniana iray hafa: Inona no mety ho nolazainy anareo? Inona no mety ho nasainy hataonareo?

Ny zavatra manaraka: Mety ho nanampy anareo hahafehy sy handresy inona ao amin’ny adin-tsainareo ara-pihetseham-po ny fanatrehany sy ny fitiavany ary ny fanohanany?

Afaka mampihiratra ny masonareo ve ianareo dia manoratra ao amin’ny diary fandalinanareo ireo eritreritra sy fahatsapana nanananareo?