Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo mpampianatra
Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025
Alakamisy 23 janoary 2025
Rahalahy Jason Willard: Misaotra ry Rahalahy Dyreng nanome fahafahana ahy hiresaka amin’ireo mpampianatrareo. Fotoana vitsivitsy lasa izay no nampahafantaran-dRahalahy Webb ireo Lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo. Inona no tao an-tsainareo voalohany raha vao nandre ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo?
Ranabavy Hunt.
Rahavavy Hunt: Fahatsapana ho tototry ny asa no eritreritro voalohany. Miezaka mampianatra ny soratra masina aho, ary mpampianatra vaovao be. Ka raha mbola ampiana Lesona fiomanana hiatrika fiainana, dia hoy aho nieritreritra hoe: “Andriakaky ô! Inona koa izao no mbola handeha ampanaovin’izy ireo ahy?
Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Iza koa no nahatsapa ho tototra? Misy vonona hibaboka ve? Eny. Misaotra Ranabavy Hunt.
Rahalahy Cavanaugh, inona no zavatra niainanao?
Rahalahy Cavanaugh: Tsapako hoe … ohatra an’ny hoe montagne russe izany ilay izy. Vao naheno an’ilay izy aho sy nahita ireo lohahevitra dia nientanentana ery. Ary rehefa nahita ny fitombon’ny torolalana handrindrana ny taom-pianarana aho ary nahafantatra fotsiny hoe im-piry isika no hampianatra izany, dia somary diso fanantenana aho. Tiako ny soratra masina. Ny soratra masina ihany no tiako nampianarina kanefa amin’izao aho nahazo ireto Lesona fiomanana hiatraka fiainana rehetra ireto. Fa rehefa nihanahazo traikefa tamin’izany dia hitako fa betsaka soratra masina ao anatiny, ary soratra masina azo ampiharina kokoa ilay izy, toy ny mampianatra soratra masina amin’ny fomba azo hampiharana izany kokoa. Saingy somary diso fanantenana aho tamin’ny voalohany.
Rahalahy Willard: Dia manao ahoana ary ianao izao hatramin’izay fotoana izay? Efa nampianatra izany elaela ianao izao. Inona no tsapanao hatramin’io fahadisoam-panantenana tany am-boalohany io?
Rahalahy Cavanaugh: Niova ilay izy. Niresaka tamina mpianatra iray aho herinandro vitsy lasa izay, ary nilaza izy fa ny lesona fiomananahiatrika fiainana no lesona tiany indrindra amin’ny seminera, satria tsapany fa tena azo ampiharina amin’ny tenany sy ny fiainany tokoa ny soratra masina.
Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Ary mampianatra ny Loholona Bednar fa indraindray isika dia mampianatra araka ny filaharan’ny lesona, ary indraindray isika mampianatra araka ny lohahevitra. Ary mbola afaka manao izany hatrany isika ao amin’ny soratra masina. Tena tsara izany ry Rahalahy Cavanaugh. Misaotra.
Misaotra Ranabavy Wheeler.
Rahavavy Wheeler: Nahatsapa fiontanam-po vitsivitsy aho. Ny fiontanam-po iray dia tsotra, tsy dia tena hoe fiontanam-po loatra fa hoe “Oay e! Fiovana ilay indray izany,” Be dia be ny fanovana natao. Inty no taona fahadimy nampianarako, ary fiovana, fiovana, fiovana foana no nisy. Misy fiovana vaovao vitsivitsy isan-taona. Kanefa sady nientanentana be koa aho, arakaraka ny namakiko ireo lesona ireo no nieritreretako fa “tena hanampy ny maro amin’ireo mpianatsika ireo zavatra ireo.”
Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Tsapanao ve izany fa fiovana tsara ilay izy?
Rahavavy Wheeler: Eny, tsapako hoe fiovana tsara ilay izy, kanefa mbola zavatra mila hanaovantsika ezaka mba ho lasa fahazarana izany, raha ny hevitro.
Rahalahy Willard: Mahafinaritra. Faly aho mandre izany. Misaotra. Inona no traikefa azonareo tamin’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo rehefa nampianatra ianareo?
Ranabavy Robbins.
Rahavavy Robbins: Mbola hitako hatrany ilay lohahevitra amin’ny fampandraisana anjara ny Tompo eo amin’ny fiainanao sy amin’ny fianaranao. Tsy maninona na lesona Fiomanana hiatrika fiainana inona izany na inona. Mifantoka foana amin’ilay hoe: “Izao ny fomba ahafahanao mampandray anjara ny Tompo eo amin’ny fiainanao” ilay izy. Na fitantanana ny volanao izany, na fandaminana na fametrahana ho laharampahamehana, raha afaka mampianatra azy ireo io fahaiza-manao mba hiantehitra amin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo io isika ary hampandray anjara Azy amin’ireo zavatra manan-danja amin’izy ireo, dia hanan-danja Aminy izy ireo.
Rahalahy Willard: Tiako ny mandre izany. Milaza ve izany ianao fa mifantoka amin’i Kristy ireo lesona ireo araka ny zavatra niainanao?
Rahavavy Robbins: Mbola ao foana ireo singa manan-danja. Hita ao ny mifantoka amin’i Kristy, sy ny mifantoka amin’ny mpianatra, ary koa ny mifototra amin’ny soratra masina. Noho izany dia ao daholo ireo singa manan-danja ilaina. Ary izany no zavatra fototra ifantohanao. Mahazo aina ianao satria fantatrao izany singa ilaina izany ary mbola ao daholo izy rehetra.
Rahalahy Willard: Misaotra anao y amin’izany. (ho an’i Rahavavy Robbins)
Rahalahy Cyril. (ho an’i Rahalahy Cyril)
Rahalahy Cyril: Dieny mbola kely izy ireo amiko, dia afaka mizara lesona manan-danja amin’ny fiainan’ny mpianatra ianao. Mijery ny lesona Fiomanana hiatrika fiainana tsirairay ianao. Fomba tena tsara izany ahafahana mahatakatra hoe tena manan-danja tokoa ny manohy sy mianatra izany. Tiako izany. Tena mampiorina ny fatokian-tenako tokoa izany amin’ny fampianarana fa misy lanjany lehibe ny zavatra rehetra izay ataontsika, isan’izany ny mifantoka amin’i Kristy sy ny mifototra amin’ny soratra masina.
Rahalahy Willard: Tiako izany fanontaniana izany. Izay no mahatonga ilay hoe mbola ireo lesona efa nataontsika hatrizay ihany ireo lesona ireo, fa mety hoe mitondra ilay fahatsapana fanampiny fa mahakasika ny fiainan’ny mpianatsika izany. Tena mahafinaritra ry Rahalahy Cyril, misaotra anao. Fa andao hiresaka momba ny fampiofanana noraisinareo.
Vao haingana ianareo no nianatra momba ireo fahaiza-manao anankitelo izay hanampy anareo hanamora ny fiainanareo mpampianatra rehefa manomana ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo ianareo. Nifantoka tamin’ny tanjon’ny lesona ianareo. Nanana ireo fahamarinana mafonja izay hita ao amin’ny tenin’ Andriamanitra mba ho ampiasaina ianareo, ary avy eo dia nisy sahanasa nahafahan’ireo mpianatra naneho ny zavatra nianaran’izy ireo. Ka rehefa mieritreritra ireo zavatra telo ireo, sy rehefa avy nampihatra kely izany ianareo amin’izao, dia inona no traikefa azonareo? Inona no fahasamihafana hitanareo tao amin’ny kilasinareo rehefa nampiasa ireo fahaiza-manao telo ireo?
Eny, Ranabavy Wheeler.
Rahavavy Wheeler: Miezaka aho … Te hanokana fotoana misimisy kokoa hanakarana izany aho, ary avy eo dia tsy ampy intsony ny fotoana ahafahako mampihatra ilay izy amin’ny farany. Fa rehefa mampihatra ilay izy aho, miezaka manampy azy ireo hahatakatra izay haingana kokoa, hahalala ny tanjon’ny lesona, ary avy eo dia hitady ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina, dia lasa manana fotoana betsaka kokoa hanaovana fampiharana izahay. Vokatr’izany dia manana fotoana misimisy kokoa ahafahana mampihatra ao an-dakilasy izy ireo mihoatra izay tsapako fa nomeko azy ireo teo aloha.
Rahalahy Willard: Raha azoko tsara izany dia hoe, ianao koa, tahaka ny maro aminay, dia tsy mamela fotoana betsaka hanaovana ilay fampiharana any amin’ny faran’ny lesona, sa ahoana?
Ranabavy Wheeler: Eny.
Rahalahy Willard: Ary izany dia mamela anao hanokana fotoana amin’ny nahim-po kokoa ho an’ny mpianatra tsirairay mba hanana traikefa amin’ny fanehoana fa tena nahatsapa na nianatra na te hanao zavatra hafa tokoa izy ireo. Sa tsy izany?
Rahavavy Wheeler: Ie! Ary avy eo dia mandray anjara misimisy kokoa ny mpianatra rehefa manana fotoana betsaka kokoa hampiharana izany.
Rahalahy Willard: Misaotra anao. Tena tiako izany.
Rahalahy Cyril: Raha ny hevitro dia manampy ahy haka antoka mora foana ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina fa mifototra amin’ny soratra masina ny lesona zaraiko. Azonao atao ihany koa ny manoratra azy io eny amin’ny solaitrabe ary manampy ao amin’izany mandritra ny lesona. Ary ho afaka ihany koa hampiasa ny tenin’ireo mpaminany sy hanampy ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina, fitsipika iray izay azon’izy ireo ianarana amin’izay andro izay. Manampy antsika hahazo fahombiazana ny fampiharana ataontsika satria manokana fotoana ho an’ny soratra masina sy tenin’ireo mpaminany velona isika.
Rahalahy Willard: Mahakasika ny nolazain-dRahalahy Cavanaugh teo aloha momba ny hoe sao sanatria isika ka tsy mampifantoka ny lesona amin’ny soratra masina. Isan’ireo zavatra mampanahy antsika ny hoe mety hahatsapa ny mpampianatra iray fa satria izy mampianatra lohahevitra ara-nofo, dia tsy mampiasa soratra masina mba hampianarana momba ny herin-tsaina hanana tanjaka ara-pihetseham-po.
Rahalahy Cyril: Eny tokoa.
Rahalahy Willard: Saingy takatsika fa tsy afaka mampianatra momba ny herin-tsaina hanana tanjaka ara-pihetseham-po izy ireo raha tsy mampiasa soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Sa tsy izany? Ilay fahamarinana amin’ny soratra matevina no manambatra izany ho iray. Fa misaotra tamin’izay ry Rahalahy Cyril. Tena marina izany.
Rahalahy Alcala.
Rahalahy Alcala: Isan’ireo teny nindramina tiako indrindra avy amin’ny Loholona Packer ny hoe hanova haingana kokoa ny fitondrantena ny fandalinana ny fotopampianaran’i Kristy raha oharina amin’ny fomba hanovan’ny fandalinana ny fitondrantena ny fitondrantena. Ary mahavariana ahy, lehilahy tia mamaky boky momba fampivoarana ny tena manokana aho, tia mihaino mpandaha-teny mizara hafatra mamporisika. Saingy na dia mampianatra fahamarinana vitsivitsy aza izy ireo, dia tsy manana ny fahamarinana feno.
Ary ao anatin’ireo lesona fiomanana ireo, dia mampianatra lesona afaka manampy azy ireo eo amin’ny fiainany isika, ary mandray anjara amin’izany i Jesoa Kristy. Hampitombo ny fahafahany hahomby izy ireo noho izany. Hanova zavatra haingana kokoa izy ireo. Hahita fitahiana betsaka kokoa izy ireo. Dia mieritreritra aho hoe, mpianatra eny amin’ny oniversite aho. Ka noho izany dia nitondra fitahiana be dia be ho ahy ireo lesona fiomanana ireo.
Ary mieritreritra aho fa noho ny fahitako fotsiny ny fomba nitahian’izany ahy, dia azoko antoka fa afaka mitahy ny fiainan’ireo mpianatra izay ampianarintsika izany.
Rahalahy Willard: Tiako ny voalazanao ry Rahalahy Alcala. Ianao manokana izany izao dia notahiana rehefa niezaka nanampy ny mpianatrao tamin’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo, satria azo ampiharina amin’ny rehetra izany, na dia mpianatra any amin’ny oniversite aza. Sa tsy izany?
Rahalahy Alcala: Eny.
Rahalahy Willard: Tsara be. Misaotra nizara izany. Ary ahoana ny momba ny tanjon’ny lesona? Ahoana ny amin’io tanjona io? Nanampy olona ve ilay izy rehefa niezaka nampifantoka ny lesonareo tamin’izany ianareo ary nanampy ny mpianatra hikendry izany tarigetra izany? Ary tamin’ny fomba ahoana?
Rahalahy Cavanaugh.
Rahalahy Cavanaugh: Isan’ireo zavatra hitako ny hoe rehefa manomboka ny lesoko amin’ny alalan’ny fametrahana izany tanjona izany eny amin’ny solaitrabe aho na koa mizara fotsiny hoe: “O ry zareo a, ity lesona ity dia hanampy anareo na amin’inona na amin’inona,” ny mpianatra sasany izay tsy dia mahatakatra firy ny soratra masina toy ny hafa, rehefa mahita izany tanjona izany eo dia manana zavatra andrandraina ao amin’ny soratra masina. Koa fantatr’izy ireo ny fomba famakiako ity andininy ity, sy izay tokony hanampian’izany ahy. Dia mora kokoa ho azy ireo ny mahatakatra izay vakiany sy mampihatra izany eo amin’ny fiainany. Izay farafahakeliny no hitako tao amin’ny kilasiko. Tsy fantatro ianareo raha mahita zavatra toy izany ao amin’ny anareo.
Rahalahy Willard: Misy hafa mahita izany koa ve? Manampy ny zavatra toy izany. Mametraka fotsiny izany eny aloha, Rahalahy Cavanaugh. Tena marina mihitsy izany, fa rehefa nampianatra ny lesona Fiomanana hiatrika fiainana aho herinandro vitsy izay, satria te hampihatra izany aho, dia nifantoka tamin’izany ny lesoko iray manontolo mba hahafahana miteny hoe, misy tarigetra kendrentsika, ary nanampy ahy izany haka antoka hoe mbola nikendry ilay tarigetra foana aho nandritra ny lesona. Ka dia faly aho fa nanana izany hevitra izany ianao. Misaotra nizara izany.
Eny, Rahalahy Dyreng.
Rahalahy Dyreng: Izany dia ahafahana manana drafitra izay azontsika hiverenana foana. Ary fantatsika fa rehefa manana fahitana sy manolotra izany fahitana izany amin’ny mpianatra isika, dia misy tanjona bebe kokoa ao amin’ny efitrano fianarantsika, ary mora lavitra ny manatratra izany tanjona izany rehefa fantatra mialoha hoe inona ilay tarigetra.
Rahalahy Willard: Eny tokoa. Mamelà ahy ianao ry Rahalahy Dyreng hanontany anao hoe: Mety ho toy ny ahoana raha nampianatra momba ny herin-tsaina hanana tanjaka ara-pihetseham-po tsy nisy izany tanjona izany ianao? Raha miditra ao amin’ilay kilasy fotsiny ianao dia mampianatra lohahevitra vitsivitsy?
Rahalahy Dyreng: Afaka nahita fifanakalozan-kevitra mahasoa maro mikasika ny zavatra maro isan-karazany aho. Saingy mety hanadino hifantoka amin’izay manan-danja indrindra isika, araka ny nolazain-dRanabavy Robbins, dia ny hampifandray ny zavatra rehetra ampianarintsika amin’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Ny fampifandraisana ny zavatra ampianarintsika amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, sy ny fananana izany tanjona izany dia mahatonga antsika hifototra amin’izany ary mamela ireo zavatra ireo hitranga fa tsy hoe manao fifanakalozan-kevitra mahasoa miaraka amin’ny mpianatra momba ny lohahevitra iray fotsiny.
Rahalahy Willard: Eny tokoa. Tsapanareo ve fa ahafahana manao fifanakalozan-kevitra mahasoa ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo?
Raha fifanakalozan-kevitra mahasoa fotsiny no ataontsika, dia tsy manampy azy ireo ho lasa miova fo lalina kokoa amin’i Jesoa Kristy isika. Tsy manampy azy ireo ho mendrika ireo fitahian’ny tempoly isika. Tsy manampy azy ireo hanomana ny tenany sy ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra isika. Ka mila mitandrina isika noho izany mba hifototra hatrany amin’ny tenin’ Andriamanitra, mba tsy ho zavatra mahasoa voasoratra anaty pejy fotsiny ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina, fa fahamarinana mahery vaika avy amin’ny Ray any An-danitra hita ao amin’ny teniny izy ireny, ary miezaka manatratra araka ny tokony ho izy izany tanjona izany isika mba hifantoka amin’izany ny zavatra rehetra ataontsika ao amin’ilay lesona.
Ary avy eo, araka ny nolazain-dRanabavy Wheeler, dia afaka miroso amin’ilay sahanasa fianarana amin’ny fiafaran’ny lesona isika mba hanomezana ny mpianatra tsirairay izany fahafahana izany. Tena marina izany. Mbola misy manana hevitra hafa momba ireo fahaiza-manao telo ireo ve?
Rahavavy Wheeler.
Rahavavy Wheeler: Zavatra iray azo atao tsara fotsiny. Indraindray dia misy zavatra tsy ampoizina mitranga eo amin’ny fiainana, ary mety tsy hanana fotoana betsaka araka izay heverinao ianao. Fantatrao fa mila manomana zavatra mihoatra izay anananao fotoana ianao. Ka noho izany dia manampy ahy hahafantatra ny zavatra azoko esorina amin’ny lesoko izany tanjona izany kanefa mbola mahazo ihany ny zavatra ilaintsika mba hahafahana mahatakatra ilay tanjona.
Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Manampy be anao handrindra ny fotoana hanaovanao ny lesona mandritra ny lesona izany. Satria teo aloha ianao hoy ianao dia fotoana kely loatra ny fotoana avelantsika ho an’ny fampiharana. Fa amin’izao rehefa misy ilay tanjona, ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina sy ny sahanasa, dia afaka mandrindra ny fotoananao amin’izay ianao mandritra ilay lesona mihitsy ary maka antoka fa ho ampianarina ireo zavatra manan-danja na ho voarain’ireo mpianatra ireo, fa tsy hoe hivaona na hiresaka momba ny boky nivoaka farany momba ny herin-tsaina hanana tanjaka ara-pihetseham-po na momba ny fitantanana ara-bola.
Rahavavy Wheeler: Ary azonao atao ao anatin’ny fotoana fohy kokoa izany raha ilaina.
Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Eny. Manafohy sy mahatonga ny lesona hifintina kokoa sy hahomby kokoa izany ilay izy. Fa mbola mampianatra zavatra manan-danja ihany izany. Tena tsara izany. Hevitra roa hafa raha misy.
Ranabavy Hunt.
Rahavavy Hunt: Te hiteny aho hoe mora ho ahy ny manomana ireo lesona ireo rehefa manana tanjona sy ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina ary ny fomba entina maneho izany aho. Satria imbetsaka isika, tahaka ny voalazanao, no mety hampianatra amin’ny fomba maro isan-karazany raha tsy manana tanjona. Noho izany dia afaka mampiasa ireo boky literatiora isan-karazany ireo aho. Fa noho izaho manana tanjona sy manana ny soratra masina ary ireo fahamarinana amin’ny soratra matevina, dia mora kokoa amiko ny manomana. Afaka miteny aho hoe eny ary, hifantoka amin’izao sy izao ary izao ny lesontsika. Dia tsapako avy eo fa ny mpianatra no namita ny sisa tamin’ny fianarana, ary tena nahafinaritra izany.
Rahalahy Willard: Misaotra anao ny amin’izany. (ho an’i Rahavavy Hunt)
Rahalahy Alcala. (ho an’i Rahalahy Alcala)
Rahalahy Alcala: Efa ho herintaona sy tapany teo izay, dia nampanantena ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa, amin’ny andro farany isika dia hahita ny fisehon’ny herin’ny Tompo lehibe indrindra. Ary mihevitra aho fa ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo dia manampy antsika hahafantatra ireo fahamarinana izay manome antsika ny maso hahita mazava kokoa ny tanany sy hahita ny heriny.
Ary io fahamarinana io fotsiny ihany dia manome antsika ilay fahatakarana hoe tsy i Nefia ihany no nampatanjahan’i Jesoa Kristy, fa afaka mampatanjaka ahy koa Izy. Tsy nampianatra an’i Nefia ny fomba fanamboarana sambo fotsiny i Jesoa Kristy, fa afaka manampy ahy hianatra ny fomba hanorenako ny fiainako eo Aminy Izy. Tsy nanampy fotsiny ny Jaredita na ny Nefita hiroborobo Izy, fa afaka ihany koa manampy ahy amin’ny fiainako ara-bola.
Noho izany amiko, ny tanjon’ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana dia ny hanampy antsika hahatakatra fa tsy miova ny fahamarinana. Ary i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Rahalahy Willard: Rahalahy Alcala, mino ve ianao fa afaka ny ho porofon’ny iray amin’ireo fisehon’ny herin’ny Tompo amin’ny fomba lehibe kokoa amin’izao andro farany izao ireo lesona fiomanana hiatrika fiainana ireo?
Rahalahy Alcala: Eny, satria hitako teo amin’ny fiainako izany.
Rahalahy Willard: Izaho ihany koa. Misaotra anao nizara izany fijoroana ho vavolombelona izany taminay. Ny fanontaniantsika farany anio dia hoe inona no torohevitra homenareo an’ireo mpampianatra manerana izao tontolo izao izay vao manomboka ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo? Efa nahazo traikefa tamin’ny fampianarana ireo lesona ireo ve izao ianareo? Inona no holazainareo amin’ ireo mpampianatra maneran-tany?
Anao ny fitenenana Rahalahy Simmons.
Rahalahy Simmons: Raha ny hevitro dia rehefa iainana ny fahamarinana dia lasa mianatra ny lanjan’izany na ny mpampianatra na ny mpianatra. Noho izany dia mila miaina ilay izy ny mpampianatra. Mety ho tianareo fa hitondra fiantraikany tsara kokoa ny fampianaranareo raha miaina ny zavatra ampianarinareo ianareo. Ary raha afaka manampy ny mpianatrareo hiaina ny zavatra ampianarina azy ireo ianareo dia tena manan-danja tokoa izany.
Rahalahy Willard: Mahatalanjona. Raha azoko tsara izany dia miaina marina ireo lesona ireo ianao, ary hanome anao hery lehibe kokoa ny fiainana ireo fitsipika ireo rehefa mampianatra ny mpianatra ianao?
Rahalahy Simmons: Eny tokoa. Nanana traikefa aho, ary tamin’izay aho dia niomana hampianatra ilay lesona momba ny fizakan-tena ara-panahy, dia nahatsapa aho hoe: “toa tsy dia manana fizakan-tena ara-panahy loatra aho.” Dia nanao ezaka tamin’izany aho ary nisy zavatra iray novaiko teo amin’ny fiainako mba hanampy ahy hanana fizakan-tena ara-panahy kokoa. Mbola miezaka manao izany aho izao. Ary nanampy ahy hampianatra tamin-kery kokoa izany raha ny fahitako azy.
Rahalahy Willard: Tsara be izany. Misaotra nizara izany. Tena tsara.
Eny, Ranabavy Robbins.
Rahavavy Robbins:Tena tsara tokoa ilay fandaharam-pampianarana ka isan’ireo zavatra tena tiako atao indrindra ny mitady ireo fanontaniana. Ary indraindray aho dia afaka manao izany anaty diapositive na mametraka izany amin’ny mpianatra fotsiny, dia miteraka fifanakalozan-kevitra mampiverina anay amin’ilay tanjona, sy amin’ilay fahamarinana izany. Ary tena hoe, efa nohamaivanin’ilay fandaharam-pampianarana ireo zavatra sarotra atrehantsika rehefa mametraka fanontaniana lehibe amin’ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo miaina ilay fahamarinana. Izay no itiavako ireo fanontaniana ireo. Ny torohevitra omeko dia hoe jereo ireo fanontaniana ireo dia ampiasao.
Rahalahy Willard: Manana ireo singa telo fototra ireo izany ianao ao amin’ny lesona. Fa mbola manana ihany koa ireo fanontaniana izay miparitaka manerana ny lesona. Ary hitanao fa tena manampy ireo fanontaniana ireo?
Rahalahy Robbins: Tena manampy izy ireo.
Rahalahy Willard: Misaotra anao nilaza izany.
Rahalahy Cyril: Ho an’ny mpampianatra vaovao, raha ny hevitro, dia tsy voatery ho mahay be ny sasany amin’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo ianareo, na mahafehy be izany. Mila manaraka ilay fandaharam-pampianarana fotsiny ianareo ary afaka mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, dia ampy izay. Tsy voatery ho manam-pahaizana manokana momba ny fihetseham-po sy ny fahasalaman’ny saina ianareo, na tsy maintsy mahay ny zavatra rehetra izay misy ifandraisany amin’ny fiatrehana ny tebitebin-tsaina. Araho ny fandaharam-pampianarana. Ho fantatry ny zatovo ny zavatra ilainy fantarina mba hianteherana amin’ny Mpamonjy mba ho tafavoaka amin’ireo olana izay lalovany.
Rahalahy Willard: Faly aho ry Rahalahy Cheryl fa niteny izany ianao, satria maro be ireo mpampianatra no mahatsapa ho tototra be, tahaka ny nolazain-dRanabavy Hunt tamin’ny voalohany, ary mahatsapa izy ireo fa tokony ho manam-pahaizana manokana momba izany fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hampianatra ilay izy. Fa tiako ny zavatra nolazain-dRahalahy Simons hoe: Raha miezaka miaina ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanareo ianareo, dia ho tonga ny Fanahy Masina ary hijoro ho vavolombelona amin’ny mpianatrareo sy hitahy ireo taranaka maro amin’ny alalanareo. Noho ny fiezahanareo manaraka ity fandaharam-pampianarana kanto ity sy ny fahafahanareo miezaka mitahy ny fiainan’izy ireo amin’ny mbola maha-mpampianatra vaovao anareo, fa tsy matihanina.
Rahalahy Cyril: Eny tokoa. Ary tsara raha ny hevitro ny hahafantaran’ny zatovo fa tsy manam-pahaizana manokana ianareo. Ampitodihanareo any amin’ny Mpamonjy izy ireo satria Izy no ilay manam-pahaizana manokana.
Rahalahy Willard: Izy no ilay manam-pahaizana manokana! Tena tiako izany ry Rahalahy Cyril. Misaotra nilaza izany. Misy zavatra hafa tianareo hozaraina ve amin’ireo mpampianatsika manerana izao tontolo izao?
Ranabavy Wheeler.
Rahavavy Wheeler: Raha toa ianareo, raha toa ny sasany amin’izy ireo ka mahatsapa ho tsy mahay ny fomba hampifantohana ny lesona amin’i Kristy? Tahaka ilay fanaovana drafitra ara-bola e. Ary amiko, raha toa isika ka mampifantoka ny lesona amin’ny drafitry ny famonjena ary mahatsiaro fa ny tanjona dia ny hahatongavantsika tahaka ny Raintsika any An-danitra, ny hanana fiainana tahaka ny Azy, ary manontany tena fotsiny hoe ahoana no hahatratrarana ny tanjona amin’izany lesona izany?
Rahalahy Willard: Mahatalanjona.
Rahavavy Wheeler: Mahatonga izany hifantoka mafy amin’i Kristy izany.
Rahalahy Willard: Tsara be. Tsy mifantoka amin’i Jesoa Kristy fotsiny, fa amin’ny drafitry ny famonjena izay Izy no ivony. Ary avy eo dia mijery ny fomba hanampian’izany ireo mpianatsika hivoatra mba ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra. Tena tsara izany. Misaotra Ranabavy Wheeler.
Rahalahy Dyreng.
Rahalahy Dyreng: Ny torohevitro dia hoe atombohy fotsiny ny lesona, manàna finoana. Atombohy dia manaova ezaka. Ary tsikaritro rehefa nampiahatra ireo fahaiza-manao ireo aho fa nanampy ahy hanova ny foto-pisainako izany rehefa miomana aho avy amin’ny hoe “Inona no hataoko?” ka hatramin’ny “Ampiako hanao inona ny mpianatro mba hahatonga azy ireo hiova fo ho an’ny Mpamonjy aho?” Ary nitondra fiovana goavana izany fanovana natao izany. Ary fitahiana goavana no nentin’izany rehefa nampianatra sy nifanerasera tamin’ny mpianatra aho.
Rahalahy Willard: Ry Rahalahy Dyreng, fotoana vitsivitsy lasa izay, nandritra ny fampiofanana nataonao dia nampanantena zavatra an’ireo mpampianatra any aminareo ianao. Nahita izany nitranga tao amin’ny kilasin’izy ireo na tao amin’ny kilasinao ve ianao?
Rahalahy Dyreng: Izany mihitsy. Satria izahay manana fahafahana hifampijery rehefa mampianatra, ary fahafahana hampianatra samirery ireo lesona ireo, dia manamafy ny zavatra nolazain-dRahalahy Alcala aho, izay nindrana ny tenin’ny Filoha Nelson, fa efa miseho izao ireo fahagagana ireo, ary hatanjahina amin’ny sehatra samihafa rehetra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, ary mifantoka amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy avokoa izany rehetra izany. Fitahiana lehibe sy goavana izany.
Rahalahy Willard: Misaotra anao.
Rahalahy Dyreng: Tsy misy fisaorana.
Rahalahy Willard: Misaotra ny tsirairay aminareo nampianatra. Misaotra anareo tena tia ireo zanak’ Andriamanitra ary maniry ny hitahy ny fiainan’izy ireo. Manova zavatra ianareo. Raha ny marina dia te hisaotra ireo mpampianatra ato amintsika manerana izao tontolo izao aho, ny tsirairay amin’izy ireo, noho ny soa rehetra ataon’izy ireo. Miasa amim-pahazotoana tokoa ianareo mba hitahy ny taranaka vao misondrotra. Tianay ianareo. Tsy mora ity asa ity. Tianay ho fantatrareo fa tsy misy very maina ny ezaka ataonareo. Tsy misy ho very maina ny zavatra rehetra ataonareo any amin’ny kilasy rehetra mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra. Misaotra nizara izany. Rehefa mandinika ilay lohateny hoe “Lesona Fiomanana hiatrika fiainana” ianareo dia diniho izao ho toy ny lohatenin’ny Lesona Fiomanana hiatrika fiainana: Ahoana raha ampiantsika teny iray, ary izany dia “Lesona Fiomanana hiatrika fiainana mandrakizay”? Tadidinareo ve, taona maro lasa izay, fa nampianatra antsika ny Filoha J. Reuben Clark hoe tsy ny fotoana ihany fa ny mandrakizay no lohahevitra ampianarinareo.
Manan-danja ireo lesona manaraka lohahevitra ireo, saingy manan-danja be tokoa ny fiainana mandrakizain’izy ireo, ary amin’ny alalan’ny Zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy ihany no ahafahan’izany mitranga. Fantatro fa velona Izy. Fantatro fa tia anareo sy ny mpianatrareo amin’ny fomba tsy hay lazaina Izy. Hanampy antsika Izy. Hanampy anareo Izy. Fantatro izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.