Mendrika ireo fitahiana avy amin’ny tempoly
Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025
Alakamisy, 23 janoary 2025
Rahalahy Chad H Webb: Tena feno fankasitrahana aho noho ity fiofanana mikasika ity lesona Fiomanana hiatrika fiainana ity. Mihevitra aho fa isika rehetra dia afaka mankasitraka ny haha-manan-danja ireo lesona ireo ho an’ny zatovontsika. Ary rehefa nijery ilay horonan-tsary isika dia nahatsiaro aho fa afaka ny hifantoka amin’i Kristy ireo lesona ireo. Tena nahery vaika ny fampiasana ilay ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy sy ny fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara ireo ary ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahany manampy ireo mpianatsika ao anatin’ny toe-javatra iainan’izy ireo.
Tiako koa ny fifotoran’ny lesona amin’ny tenin’ Andriamanitra ka sady mampiasa ohatra avy ao amin’ny soratra masina no mampiasa ireo fampianaran’ireo mpaminany maoderina. Mino aho fa ireo fomba izay manampy antsika mba hampianatra amim-pahombiazana ny soratra masina dia azo amboarina mba hampianarana amim-pahombiazana ireo hafatra manentana fanahy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Misaotra anareo noho ity lamina tena tsara sy fiofanana miavaka ity.
Izao aho dia te hitodika any amina zavatra iray hafa ka hiresaka lohahevitra iray hafa izay nibahana tato an-tsaiko sy tato am-poko. Efa nahazo fitahiana avy amin’ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny asa fanompoana nataony isika rehetra. Tena feno fankasitrahana aho noho ny aminy ary mijoro ho vavolombelona fa mpaminany nofinidin’ny Tompo izy. Feno fisaorana ny Tompo aho noho ny fitsimbinany azy sy noho ny fahalalana sy ny torolalana ary ny tanjaka noraisiko manokana tamin’ny alalan’ny fanentanam-panahy izay avy amin’ny Tompo ka noraisin’ny Filoha Nelson.
Ny iray amin’ireo fanasana naverimberin’ny Filoha Nelson matetika tamintsika dia ny mba hianarantsika ny fomba hahazoana ny herin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny tempoly. Noho izany, nandritra ny fivorian’ireo tale eo anivon’ny vondromparitra natrehanay vao haingana dia nanapa-kevitra izahay fa hanomboka isa-maraina amin’ny fandalinana ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fanekempihavanana sy ny tranon’ny Tompo. Tena nanohina ahy lalina izany zavatra niainana izany ka nangataka ny sasany tamin’ireo mpandray anjara aho mba hizara ny zavatra nianarany.
Rahalahy: Rehefa nampianatra ny dikan’ny hoe ao anatina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny Filoha Nelson dia nianatra aho fa tsy tokony hijery Azy ho toy ny tale jeneraly na talen’ny rafitra lehibe iray any an-danitra izay miandry ny tsy hanajako ny fifanarahana iray natao. Fa fifandraisana mifono fanekempihavanana natao tamin’ny Ray be fitiavana kosa izany ary noho izany dia tsy ho reraka velively Izy amin’ny ezaka ataony mba hanohana ahy ary tsy ho lany velively ilay faharetany feno famindram-po amiko. Satria nianatra aho fa noho ny fanekempihavanana, dia manana toerana manokana aho ao am-pon’ Andriamanitra. Nanova ny fomba fijeriko zavatra toy ny vavaka ataoko izany, izay raha tokony hanana fahatsapana hoe handohalika aho rehefa mifarana ny andro sy hibebaka ary ho vesatra ho Azy izany, dia voasarika mankany Aminy aho sy te hiresaka Aminy ary fantatro fa ny hany zavatra hafa tiako hatao dia ny hamaly fitia ilay fitia nasehony tamiko.
Rahavavy: Rehefa mieritreritra ny fanekempihavanana aho dia mieritreritra ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson antsika, fa ny zavatra rehetra inoantsika sy ny fampanantenana rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany dia mitambatra any amin’ny tempoly. Tsy azoko sarahina amin’ny fanekempihavanana nataoko ny tempoly satria ao aho no mianatra ny dikan’ireo fanekempihavanana izay nataoko tamin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ireo fampanantenana mifono fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly ireo no hanomezana ahy amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra ahy ireo fitahian’ny lanitra rehetra. Ary nihanitombo izany tao anatin’ny taona maro rehefa lasa nahatakatra tsara kokoa ny fanafiana masina sy izany fanomezana tena miavaka nomen’ny Ray An-danitra antsika izany aho.
Rahalahy: Nianatra avy amin’ny Filoha Nelson aho fa raha vao manao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra isika dia hiova mandrakizay ny fifandraisantsika Aminy. Ary manan-danja amiko izany satria fantatro fa tia ahy ny Ray any An-danitra ary Izy dia namorona lalana iray izay ahafahako manakaiky Azy sy mahafantatra Azy kokoa ary hanana hery ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Ny zavatra iray momba ny fanekempihavanana dia na inona na inona zavatra atrehinao eo amin’ny fiainana dia miaraka aminao ny Ray any An-danitra, mandeha eo akaikinao Izy, mihazona ny tananao Izy, ary mitarika anao eny an-dalana. Ary izany rehetra izany dia noho ireo fanekempihavanana.
Rahalahy: Mahatsapa ho feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana avy amin’ny fananana mpaminany iray. Tamin’ny alalan’ny fampianarany dia manana fahatakarana tsara kokoa an’ilay fitiavan’ Andriamanitra manokana an’ireo izay manao fanekempihavanana Aminy aho. Ary noho Izy tsy hamoy velively izany fifandraisana izany, dia tsy hitsahatra ny hanome antsika fahafahana hibebaka sy hiova izy ankoatra izany. Ny fahafantarana ny toetran’ Andriamanitra dia loharanon’ny fanantenana sy ny fanasitranana ho an’ny foko.
Rahalahy: Rehefa voafatotra amin’i Kristy isika, araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson marina, dia mandeha any amin’izay alehany, sy manao ny zavatra ataony. Raha miray zioga Aminy aho ka Izy no omby zokiny, ohatra, dia mandeha any amin’izay alehany aho sy milaza izay lazainy ary manao izay ataony. Ary antenaiko, fa izany fifandraisana izany dia hanampy ahy ho tonga tahaka Azy . Te hanao izay hahafaly Azy mihoatra noho ny zavatra hafa eo amin’ny fiainako aho. Te ho tonga eo amina ambaratonga iray aho izay ahitana eo amin’ny fiainako sy ao am-poko fa mahafaly Azy izay ataoko rehetra. Tsy haiko ny fomba hafa hanonerana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho ahy ka ny fanaovana izay angatahiny amiko no hany hanonerako izany.
Rahalahy: Rehefa nihaino ny Filoha Nelson aho dia naheno fa rehefa miditra ao anatina fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra isika dia omena hery fanampiny eo amin’ny fiainantsika isika. Hery azo tsapain-tanana izany. Zavatra izay afaka mitondra fanantenana sy fanasitranana ary finoana ho antsika izany ary afaka ny ho zavatra izay hampitraka antsika ao anatin’ireo fotoana faran’izay sarotra atrehintsika. Ny ampahany tena tsara mahakasika io fifamatorana ara-panekempihavanana io dia ny fananantsika Ray any An-danitra izay tsy handao antsika velively. Rehefa mitolona amin’ny fanahiana isika dia hanampy antsika Izy mba hanolo izany amin’ny finoana. Rehefa mitolona amin’ny fiankinan-doha isika dia hanampy antsika Izy mba hanolo izany amin’ny fahafahana. Rehefa mitolona amin’ny fahakiviana isika dia hanampy Izy mba hameno ny fanahintsika amin’ny fahazavana. Ny fahagagana avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy dia ny fanolorany antsika karazana fitiavana sy famindram-po manokana izay misintona antsika lalandava hiverina Aminy.
Rahalahy Webb: Mety lasa zavatra tena ankamamianao manokana ny maro amin’ireo fampianarana avy amin’ny Filoha Nelson na ireo teny manokana nambarany. Ohatra, mety tsaroanareo fa nandritra ny valandresaka nataony voalohany tamin’ny mpanao gazety amin’ny maha-filohan’ny Fiangonana azy tamin’ny 2018 dia nangataka antsika ny Filoha Nelson mba hanomboka amin’ny tanjona farany ao an-tsaina. Hoy izy raha niresaka avy tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake: “Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo.”
Tamin’ny 2021 dia hoy izy hoe: “Ny toerana hahatsapan-tena ho voaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ireo fanekempihavanana nataonareo.”
Nampianatra izy tamin’ny 2024 hoe: “Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly. … Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa. … Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona.”
Nandritra ny lahateny vao haingana nataony nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana dia nilaza izy hoe: “Izao no fampanantenako aminareo: Hahita Azy ao amin’ny tempoly izay rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy.”
Ary farany tao anatin’ny lahatsoratra nosoratany tao amin’ny Liahona izay mitondra ny lohateny hoe Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” dia nampianatra izy hoe: “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. … Hanohy hiasa ho azy ireo Izy ary hanolotra azy ireo fahafahana hiova. Hamela azy ireo Izy rehefa mibebaka izy ireo. Ary raha sanatria mania izy ireo, dia hanampy azy ireo hahita ny lalana hiverenana Aminy Izy. … Noho ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany velively ny faharetany feno famindram-po amintsika.”
Tsy hoe nony lasa filohan’ny Fiangonana fotsiny ny Filoha Nelson no nampianatra momba ny tempoly sy ny fanekempihavanana, fa 15 taona lasa mahery kely izay, rehefa sahirana izahay nitady ny teny marina hanambarana ny tanjon’ny S&I vaovao, dia ny Loholona Russell M. Nelson, izay filohan’ny Kômity mpanatanteraky ny filankevim-pitantanana ny Fampianarana tamin’izany, no namporisika anay mba hampiditra ilay andian-teny faharoa ao amin’ny tanjonay izay milaza hoe “Isika dia natao mba hanampy ny zatovo sy ny tanora ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny tempoly.”
Manontany tena aho sao tao anatin’ilay ezaka nataontsika mba hanafohezana ny fanambarana momba ny tanjontsika, dia tsy niresaka afa-tsy ny fampitomboana ny fiovam-po isika? Na dia tena tsara aza ny fivoarantsika, ary tokony hitohy ny fanamafisana izany, dia mino aho fa misy zavatra bebe kokoa azontsika atao mba hanamafisana ilay ampahany faharoa ao amin’ny tanjontsika ka hanampy zatovo sy tanora maro kokoa mba ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly. Tsy manoro hevitra anareo rehetra akory aho mba hanoratra lesona vaovao na hamorona fandaharan’asa vaovao, fa mangataka anareo kosa aho mba handinika tsara sy hivavaka mafy mihitsy aza mikasika ny zavatra azonareo atao manokana ao anatin’ny sahan-kevitry ny zavatra efa ataonareo.
Rehefa nametraka io fanontaniana io tamin’ny olona aho dia naheno valiny tsara maro. Anisan’izany ireto sosokevitra ireto: voalohany, mahafantatra ireo zavatra antitranterin’ny mpaminany sy ny fampianaran’ny mpaminany amin’izao fotoana izao mikasika ny fanekempihavanana sy ny tranon’ny Tompo. Faharoa, manao izay ampifandraisana amin’ny nahim-po ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy sy ny finoantsika Azy amin’ilay fahamendrehana hahazo ireo fitahian’ny tempoly. Fahatelo mampiasa ireo fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, rehefa mety izany. Fahaefatra, miresaka momba ireo fanekempihavanana manokana rehefa mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara isika ka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fotopampianaran’ny fanekempihavanana. Ary fahadimy, mizara ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika manokana ny tempoly sy manampy ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana izay tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitandremany ireo fanekempihavanana. Hanana hevitra maro hafa ianareo. Miangavy aho mba hanohizanareo ny fifanakalozan-kevitra momba izany amin’ny maha-mpampianatra sy vondrona mandray fiofanana anareo sy hizara ny zavatra nianaranareo.
Mba ho ohatra iray momba ny zavatra inoako fa afaka mitranga sy hitranga, dia te hizara aminareo zava-niseho iray vao haingana aho. Taona vitsy lasa izay dia nivory niaraka tamin’ireo talentsika eo anivon’ny vondromparitra sy ny faritra avy any Asie sy Pacifique tany Guam aho. Tao anatin’ny iray tamin’ireo fivoriana dia nifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahanay manampy mpianatra maro kokoa mba ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny tempoly izahay. Taorian’ireo fivoriana ireo dia nivory niaraka tamin’ny filankevitry ny talen’ny faritra i Julius Barientos izay talen’ny vondromparitsika any Philippines ka nanapa-kevitra izy ireo fa hiara-hiasa akaiky kokoa amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanampy zatovo sy tanora maro kokoa hihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Namporisihin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra nisy azy ireo izy ireo, izay efa nanana tanjona tao anatin’ny drafitry ny vondromparitr’izy ireo fa hampitombo ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Nivory niaraka tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana teo an-toerana tao amin’ny ambaratonga rehetra koa ireo mpitarika sy tompon’andraikitra misahana ny S&I, ary niaraka niresaka momba ny ezaka ataon’izy ireo sy nanao tatitra mikasika ny fivoaran’izy ireo.
Aoka anefa hazava fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny torolalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Nanampy ireo mpitarika izay efa nanana tanjona sy drafitra izy ireo sy nanaraka ny torolalan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra nisy azy ireo. Saingy ny S&I kosa dia nanampy tamin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny fanekempihavanana sy ny tempoly amin’ny alalan’ny fampianarana ireo zavatra ireo amin’ny fomba tsotra isaky ny afaka manao izany sy amin’ny alalan’ny firesahana matetika momba ireo fitahian’ny tempoly.
Tao anatin’ny telo taona, vokatry ny ezaka nifarimbonan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ireo ray aman-dreny ary ireo mpampianatra ao amin’ny S&I, dia nitombo teo amin’ny 277 isan-jato ny isan’ny zatovo nihazona fahazoan-dalana tany Philippines. Saingy tsy tao anatin’ny isa fotsiny no nahitana ny fitahiana fa nisy fiantraikany goavana hita teo amin’ny zatovo sy ny fianakaviany izany. Izany no nitranga tamin’ny fianakaviana Topyador avy amin’ny Tsatòkan’i Bayambang izay eto amin’ity sary ity. Tahaka ireo fianakaviana maro hafa any Philippines dia miaraka mandeha matetika any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao ry Topyador mianakavy. Misy lanjany mandrakizay ny fitahiana avy amin’ny fiarahan’ny fianakaviana iray mandeha any amin’ny tempoly ary ivon’ny zavatra tian’ny Tompo ho an’ny zanany izany. Mino aho fa amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika mba hifantoka amin’ireo fitahian’ny tranon’ny Tompo dia afaka manampy zatovo sy tanora maro kokoa manerana izao tontolo izao isika mba hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo sy hitandrina izany.
Hamaranana azy dia te hizara lesona tsotra iray ampiasana zavatra azo tsapain-tanana aho. Nieritreritra momba ny herin’ny fanekempihavanana aho sy ny fomba ahafahantsika manazava izany amin’ny fomba tena mazava ka na ankizy aza afaka mahatakatra izany. Rehefa nieritreritra izany aho dia nahatsiaro lesona iray ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay efa hitan’ny sasany aminareo. Rahalahy Chad Wilkinson no hitako voalohany nampiasa izany raha ny eritreritro.
Raha hangataka olona mba hanatona ka hanapaka ity pensilihazo ity aho dia ho afaka ny hanao izany daholo ianareo. Saingy ahoana raha alaiko ilay pensilihazo ary apetako amin’ny alalan’ny pilasitika manify mpampiraikitra eo amin’ity fikapoham-baolina baseball ity? Ho afaka ny hanapaka ilay pensilihazo ve ianareo amin’izay fotoana izay? Raha ao anatin’io fanoharana tsotsotra io dia inona na iza ilay pensilihazo? Inona na iza ilay fikapoham-baolina? Inona na iza ilay pilasitika manify mpampiraikitra? Ilay lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia mampiseho fa ilay pensilihazo dia maneho ahy sy ianao, ilay fikapoham-baolina dia maneho an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ary ilay pilasitika manify mpampiraikitra dia maneho ireo fanekempihavanana nataontsika.
Ny herin’ny fanekempihavanana dia ny famatorany antsika amin’i Jesoa Kristy. Tsarovy, tsy misy na inona na inona hiaro anao kokoa. Ny toerana hahatsapan-tena ho voaro indrindra dia ny miaina ao anatin’ireo fanekempihavanana nataontsika. Ary arakaraky ny fanavaozantsika ny fanekempihavanantsika no hahamafy kokoa ilay fifamatorana. Ary na dia tapaka aza ilay pensilihazo, dia afaka manasitrana antsika ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana. Ary raha te hiaraka mandrakizay ny olon-droa dia hamatotra azy ireo miaraka amin’ny Tompo ireo fanekempihavanana.
Feno fankasitrahana aho fa tena tia antsika ny Tompo ka nomeny fanekempihavanana isika. Enga anie isika ka ho mpitandrina fanekempihavanana ary enga anie isika ka hanampy zatovo sy tanora bebe kokoa mba ho mendrika ireo fitahian’ny tranon’ny Tompo izay hahitan’ireo rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
Voninahitra ho ahy izao ny mampahafantatra ny Loholona Clark G. Gilbert. Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2021 ny Loholona Gilbert . Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana izy amin’izao fotoana izao. Nahazo diplaoma avy tao amin’ny BYU, Stanford, ary Harvard izy ary nisantatra asa tamin’ny naha-prôfesora tao amin’ny Oniversite Harvard azy. Efa tale jeneralin’ny Deseret News sy ny Deseret Digital Media izy. Efa filohan’ny BYU–Idaho sy BYU–Pathway koa izy. Manambady an’i Christine Calder izy ary manan-janaka valo izy ireo.
Feno fankasitrahana aho noho ny Loholona Gilbert. Mpanorohevitra miavaka izy. Tena miraharaha ny momba ny asa eo anivon’ny Seminera sy Intitiota izy. Mankasitraka ny fanarahany ny fitarihan’ny Filoha Nelson sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana aho sy ny fitadiavany lalandava fahafahana hanamafisana ny fampianaran’izy ireo. Tia ny Tompo Izy ary tsy mitandro hasasarana amin’ny fanompoana Azy, ary manararaotra ny fotoana rehetra mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Tena faly ary feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana hianatra avy aminy androany.