Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Mampiofana mpampianatra
Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025
Alakamisy 23 janoary 2025
Rahalahy Jaren Dyreng: Mahafaly anay tokoa ny fahatongavana eto androany sy ny fahafahantsika hiresadresaka. Mety efa henonareo ny ankamaroan’ny zavatra momba ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo sy ireo zavatra horesahanay androany. Ireo fahaiza-manao ireo raha ampiharina dia ho lasa fanampiana goavana rehefa miomana ny hampianatra ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo isika amin’ny herintaona.
Koa ho fampidirana ny fiofanantsika anio dia te hanasa an-drahalahy Cavanaugh aho mba hamaky ny teny fampidirana. Nomena taratasy zaraina isika tsirairay ary te hanasa an-drahalahy Cavanaugh aho mba hamaky ny teny fampidirana mikasika izany izay hanome antsika karazana sahan-kevitra momba ny zavatra horesahantsika miaraka anio. Vakio ary.
Rahalahy Cavanaugh: Ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana dia manolotra ny mpianatra ireo fahaiza-manao mba hiomanana amin’ireo olana eo amin’ny fiainana sy ireo fahafahana manao zavatra azo araraotina izay tena tsara eo amin’ny fiainana. Tahaka ireo lesona hafa rehetra ao anatin’ny taranja fianarana soratra masina, ny lesona Fiomanana hiatrika fiainana dia natao hanampiana ny zatovo hampitombo ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, ho mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny tempoly, hiomana sy hanomana ny fianakaviany sy ny hafa amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.
Ireo lesona ireo dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy, mifototra amin’ny tenin’ Andriamanitra ary miompana amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra. Misy fahaiza-manao manan-danja vitsivitsy izay afaka manampy anao hiomana hampianatra amim-pahombiazana mba hanatanterahana ny tanjon’ny S&I. Diniho ity fifanahafana manaraka ity: Ny mpanazatra iray eo amin’ny tir à l’arc izay miomana ny hampianatra dia tsy maintsy hanome faribolana kendrena (cible), tsipìka (arc), zana-tsipìka (flèche) ary fahafahana ho an’ny mpianatra tsirairay mba hanao fanazaran-tena.
Andeha hampiharina io fanahafana io mba hiomanana hampianatra lesona iray ao amin’ny seminera.
Rahalahy Dyreng: Misaotra betsaka. Mamporisika antsika rehetra aho mba hanao vavaka ao am-pontsika mandritra ity fifanakalozan-kevitra ataontsika androany ity. Araka ny nolazaiko dia tena faly aho noho ity fotoana ity ary fantatro fa ho fitahiana goavana ho antsika sy ireo mpianatsika izao rehefa mampihatra ireo fahaiza-manao ireo isika. Noho izany dia andeha isika hanomboka amin’ny alalan’ny firesahana momba ilay zava-kendrena sy ny zavatra asehony ao amin’io fifanahafana io.
Te hanasa an-drahalahy Simmons aho mba hamaky ny andiam-pehezan-teny voalohany indrindra ao amin’io taratasy zaraina io eo ambanin’ilay tanjon’ny lesona.
Rahalahy Simmons: Ny tanjon’ny lesona dia manolotra zava-kendrena iray mazava izay miompana amin’ny zavatra antenaintsika fa ho fantatry ny mpianatra, na ho tsapany, na hataony vokatr’ilay traikefa amin’ny fianarana. Rehefa manana tanjon’ny lesona mazava isika ho an’ny fianaran’ny mpianatra, dia afaka mifantoka kokoa amin’ny zavatra kasaintsika mba hasaina hataon’ny mpianatra mandritra ny lesona. Fahaiza-manao laharana voalohany: Mitady sy manisy marika ny tanjon’ny lesona hita any amin’ny fehezan-teny farany ao amin’ny andiam-pehezan-tenin’ny teny fampidirana ny lesona.
Rahalahy Dyreng: Eny ary, raha hanomana ny lesona faha-177, izay ny “Mandray andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia”, dia manana ny tahadikan’izany ianareo tsirairay. Jereko ny andiam-pehezan-tenin’ny teny fampidirana ka ny fehezan-teny farany indrindra dia milaza ny tanjon’io lesona io. Milaza izany hoe: “Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hampihatra aroloza mba handraisan’izy ireo andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia.” Asiako marika mazava izany ao amin’ilay lesona.
Izao isika dia hanao fanazaran-tena hampihatra io fahaiza-manao tsotra io. Ny lesona faha-185 no lesona manaraka ao amin’ny fandrindram-potoanantsika dia ny “Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo” izany. Te hanome fotoana fohy anareo tsirairay aho mba hamakiana ilay andiam-pehezan-tenin’ny teny fampidirana ka hitady sy hanisy marika mazava ny tanjon’io lesona io.
Rahalahy Dyreng: Izao isika dia hiditra amin’ilay fahaiza-manao faharoa. Rahalahy Alcala no hangatahiko. Azonao vakina ve azafady ny famaritana ny fahaiza-manaontsika faharoa eo ambanin’ilay hoe Fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina? Izao isika dia hiresaka momba ny tsipìka sy ny zana-tsipìka.
Rahalahy Alcala: Ny fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, tahaka ny tsipìka sy ny zava-tsipìka, dia manolotra ny mpianatra ireo fitaovana ilaina mba hanatanterahana ny tanjon’ny lesona. Rehefa miorim-paka ao amin’ny tenin’ Andriamanitra ny traikefa amin’ny fianarana dia mampitombo ny fanampoizana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika. Fahaiza-manao faharoa: Mitady ilay fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina ao amin’ny lesona sy manisy marika ny toerana ahitana izany ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo fampianan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Rahalahy Dyreng: Misaotra betsaka. Andeha ary hiverenantsika ny lesona faha-177. Rehefa nanomana io lesona io aho dia mitady ireo fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina ary mahatsikaritra fa misy fahamarinana anankiroa ao amin’io lesona iray manokana io. Ny voalohany dia milaza hoe: “Irin’ny Tompo isika mba hazoto hirotsaka amin’ny fanaovan-tsoa ary tsy handanilany ny fotoanantsika.” Ary ny faharoa dia milaza hoe: “Izay manazava ny saina amam-panahy sy mandresy lahatra hanao ny tsara dia avy amin’ Andriamanitra.”
Avy eo aho dia mandalina ny soratra masina sy ireo teny anankiroa nambaran’ny Loholona Bednar ary manisy marika ireo teny sy andian-teny izay mampianatra ireo fahamarinana ireo ao anatin’ireo loharanom-pitaovana ireo. Andeha isika ohatra hijery io fahamarinana voalohany io: “Irin’ny Tompo isika mba hazoto hirotsaka amin’ny fanaovan-tsoa ary tsy handanilany ny fotoanantsika.” Ary hamaky ny soratra masina izay mifandray amin’io fahamarinana io isika.
Raha afaka miaraka mamaky amiko ianareo dia andeha isika hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana faha-58, andininy faha-26 sy faha-27.
Ary rehefa mamaky ireo soratra masina ireo aho dia asiako marika ilay andian-teny hoe, “ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony”. Andeha isika izao hamaky ny soratra masina manaraka, izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-60, andininy faha-13. Ary asiako marika ny andian-teny hoe “Tsy holanilanianao foana ny fotoana” ao amin’io soratra masina io. Ary ataoko amin’ireo soratra masina hafa izay voatanisa ao amin’ny lesona izany avy eo.
Andeha isika izao hamaky ilay teny nambaran’ny Loholona Bednar izay mifandray amin’io fahamarinana io. Ary rehefa mamaky io teny nambara io aho sy mijery ilay fahamarinana, dia misafidy ny hanisy marika andian-teny anankiroa. Ny voalohany dia eo amin’ilay zavatra lazain’ny Loholona Bednar hoe: “Ny [olona] iray tsy matotra na diso lalana dia mety hanokana fotoana be loatra amin’ny filalaovana jeux vidéos, fifampiresahana amin’ny internet, na amin’ny fomba hafa ahafahan’ny nomerika hibahana ny zavatra araka ny tena izy.”
Ary avy eo any amin’ny fiafaran’io teny nambara io dia asiako marika koa ilay milaza hoe: “Ny fialamboly toa tsy hatahorana dia mety ho lasa endrika fanandevozana manimba tsikelikely.” Andeha isika hiverina any amin’ny lesona faha-185 ka homena fahafahana ianareo amin’izao fotoana izao hanao fanazaran-tena hampihatra io fahaiza-manao io. Miangavy anareo noho izany mba hitady ilay fahamarinana nasongadina amin’ny soratra matevina ao amin’io lesona io sy ireo soratra masina sy tenin’ny mpaminany mifandray amin’io fahamarinana io avy eo ary hanisy marika ny toerana izay ampianarana mazava io fahamarinana io ao amin’ny tenin’ Andriamanitra.
Eny ary! Mitondra antsika any amin’ilay fahaiza-manaontsika fahatelo izany. Te hanasa anao aho rahavavy Robbins, raha mety, mba hamaky ny fahaiza-manaontsika fahatelo.
Rahavavy Robbins: Mampiseho ny zavatra nianarana. Ilay sahanasa momba ny fianarana any amin’ny faran’ny lesona dia manome fahafahana ny mpianatra tsirairay mba hampiseho ny zavatra nianarany na hanandrana handefa zana-tsipìka eny amin’ny faribolana kendrena. Ireo ohatra sasantsasany mikasika ny zavatra mety hataon’ny mpianatra ao anatin’ity sahanasa mikasika ny fianarana ity dia mety hahitana fanoratana diary, na fanomezana fanazavana, na fizarana, na fanaovana drafitra, na fanazaran-tena hampihatra fahaiza-manao iray, na famoronana zavatra iray. Ny fahaiza-manao laharana fahatelo dia miompana amin’ny fitadiavana sy ny fanasiana marika ny sahanasa ao amin’ny lesona izay hanomezana fahafahana ny mpianatra hampiseho ny zavatra nianarany araka ny tanjon’ny lesona.
Rahalahy Dyreng: Efa napetratsika izao ny faribolana kendrena. Ananantsika ireo fitaovana, dia ny tsipìka sy ny zana-tsipìka izany. Ka homena fahafahana izao ny mpianatra mba handefa izany zana-tsipìka izany eny amin’ny faribolana kendrena. Rehefa mamerina mijery ny lesona faha-177 aho dia mijery ny any amin’ny faramparan’ny lesona ary mitady ny toerana ahitana ny fanomezana ny mpianatra tsirairay fahafahana hampiseho ny tanjon’ny lesona. Ary tsikaritro ao anatin’io lesona iray manokana io fa misy anankiroa ao izay manampy ny mpianatra hampihatra ny aroloza amin’ny fampiasan’izy ireo ny teknôlôjia.
Ny iray amin’izy ireo dia manampy ny mpianatra hanao fanazaran-tena hanao drafitra iray mialoha mikasika ny fomba handraisan’izy ireo andraikitra eo amin’ny fampiasan’izy ireo ny teknôlôjia. Ary avy eo ilay iray hafa dia fahafahana ho azy ireo mba hanao drafitra momba ny fomba hampiatoan’izy ireo ny fampiasany ny teknôlôjia rehefa mahita zavatra tsy mendrika ao amin’ny haino vaky jery izy ireo. Noho izany dia asiako marika mazava ao amin’ny lesona ireo fahafahana azo araraotina anankiroa ireo.
Izao isika dia hiverina any amin’ny lesona faha-185 sy hanome anareo fahafahana hanao fanazaran-tena hampihatra io fahaiza-manao io. Noho izany raha sitrakareo dia jereo ny amin’ny faramparan’ny lesona ary tadiavo ny toerana ahitana ny fanomezana ny mpianatra fahafahana hampiseho ny tanjon’ny lesona ary asio marika izany avy eo. Homeko fotoana kely ianareo hitadiavana izany.
Te hanolotra fanasana ho anareo tsirairay aho. Moa ve ianareo, rehefa miomana sy mampianatra ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana amin’ity taona ity, hampihatra ireo fahaiza-manao miisa telo noresahintsika androany ireo?
NY REHETRA: Eny.
Rahalahy Dyreng: Fantatro fa raha manao izany isika dia hanampy ny mpianatsika hampitombo ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary hisy zavatra hitranga koa ao am-pontsika ao anatin’izany dingana arahina izany.
Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona fa tarihin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika ary hitahy antsika Izy Ireo raha manaraka sy mihaino ireo mpitarika izay notendreny hitarika antsika amin’izao andro farany izao isika. Feno fankasitrahana aho noho ity fandaharam-pampianarana izay nomena antsika ity sy ny fahafahana atolony antsika mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fampitomboana ny fiovam-po ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ary izany no apetrako aminareo androany amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.