Fampitana fanao isan-taona
Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fampidirana


4:41

Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fampidirana

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025

Alakamisy, 23 janoary 2025

Rahalahy Jason Willard: Manahoana, Jason Willard no anarako. Sahala aminareo, dia tiako amin’ny foko manontolo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Tiako ny zatovo sy ny tanora manerana izao tontolo izao. Sahala aminareo, ny faniriako lehibe indrindra dia ny hanampy azy ireo hampitombo ny fiovam-pon’izy ireo ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa, ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

Mba hanatratrarana izany dia tiako ny hizara hevitra vitsivitsy izay hanamora ny fanomananareo sy fampianaranareo ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana. Tamin’ny janoary 2024, Rahalahy Chad Webb dia nampahafantatra ireto lesona ara-poto-kevitra ireto izay hampianarina indray na indroa isan-kerinandro. Novolavolaina avy amina lohahevitra toy ny asa fitoriana, ny fiomanana amin’ny fandehanana any tempoly sy ny fiomanana amin’ny fianarana, ireo fahaiza-manao eo amin’ny fandalinana ny soratra masina, ny fahaiza-miarina ara-piheteham-po, ireo fahaiza-manao izay ahafahana miatrika ny fiainana, ary ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany.

Nozarainy tamintsika ihany koa ny vina sy ny tanjon’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo rehefa nilaza izy hoe:

Rahalahy Chad H Webb: Ny fanantenanay dia ny mba hanampy amin’ny fanomanana taranaka zatovo iray hahafantatra ny fomba handalinana ny soratra masina ary mba hifamatotra amin’ireo fampianaran’ireo mpaminany velona. Taranaka zatovo mahay miarina ara-pihetseham-po iray, izay manana ny fahaiza-manao sy fahafahana mba hahomby any an-tsekoly sy ho ray sy reny mendrika ary hitarika ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Ny zavatra antenaintsika dia ny mba hanampy taranaka iray ho vonona ny hahatakatra ireo fanekempihavanan’ny tempoly, ary ho feno fanolorantena lalina mba hitandrina azy ireny, ary taranaka misiônera izay mendrika, mahafeno fepetra, manana hery ara-panahy, ary vonona ny hisolo tena ny Mpamonjy amin’ny fanasana izao tontolo izao mba hanatona Azy.

Ny zavatra antenaintsika dia ny mba hanomana taranaka mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay manana fiovam-po lalina ao Aminy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny mandritra ny androm-piainan’izy ireo.

Rahalahy Jason Willard: Rehefa nifampiresaka tamin’ireo mpampianatra izay nampianatra ireo lesona ara-poto-kevitra ireo izahay tamin’ny taon-dasa, dia hitanay fa nanomboka tanteraka izany fanantenana izany. Ireo mpampianatra izay manana an-tsaina io tanjona io dieny ety am-boalohany, io fahitana izay antenaintsika hahatongavan’ny taranaka vao misondrotra io, dia mahita ireo fahagagana novinavinain-drahalahy Webb. Miaraka amin’ny anton’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana miraikitra mazava tsara ao an-tsaintsika dia andao hiresaka momba ny fomba hanomanana sy hampianarana ireo lesona ara-poto-kevitra ireo. Vao haingana aho no nandeha nanatrika kilasina seminera iray mba hampianatra ny iray amin’ireo lesona Fiomanana hiatrika fiainana ireo. Noho ny tenako voatendry ho patriarika ao amin’ny tsatòka misy ahy, dia nieritreritra aho fa ho mora fotsiny ny hampianatra ny lesona momba ny tsodranon’ny patriarika. Noho izany dia nandeha tao amin’ilay kilasy aho niaraka tamin’ny fikasana hampianatra momba ny tsodranon’ny patriarika.

Zavatra niainana nahafinaritra izany. Rehefa avy nampianatra ny kilasy aho dia tafaresaka tamin’ny iray tamin’ireo mpanoratra ny fandaharam-pampianaranay ka nianatra aho fa ity lesona ity, miaraka amin’ireo lesona hafa momba ny Fiomanana hiatrika fiainana, dia nosoratana tamin’ny fomba iray mba hanampiana ny mpampianatra hanao mihoatra noho ny fampianarana fotsiny ny lohahevitra iray. Tsikaritro fa ny lesona tsirairay dia ahitana singa fototra telo: tanjona iray manokana, fahamarinana iray nasongadina avy ao amin’ny tenin’ Andriamanitra, ary sahanasa iray izay ahafahan’ny mpianatra tsirairay mampiseho ny zavatra nianarany.

Niaraka tamin’ireo zava-dehibe telo ireo tao an-tsaiko dia niomana ny hampianatra io lesona io ihany aho tany amin’ny kilasina seminera iray hafa herinandro vitsivitsy taty aoriana. Nahavariana ny fahasamihafan’ny traikefa tao anatin’ny fianarana. Ireo mpianatra izay efa nahazo ny tsodranon’ny patriarika dia naneho faniriana amin-kitsimpo mba handalina ny tsodranon’izy ireo amim-kitsimpo kokoa. Nisy zatovolahy iray izay tsy hohadinoiko mihitsy nizara tamin’ny iray kilasy ny faniriany hiomana amim-pahazotoana kokoa amin’ny asa fitoriana izay nolazaina tao anatin’ny tsodranony.

Tao anatin’ireo mpianatra izay tsy mbola nahazo ny tsodranon’ny patriarika dia nisy zatovovavy iray izay nizara tamin-dranomaso ny filana maika tsapany ny handraisana ny tsodranony tsy misy hatak’andro. Tsy izaho intsony ilay manam-pahaizana, ilay patriarika, nampianatra momba ny tsodranon’ny patriarika. Nanao izay azon’ny mpampianatra atao na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao aho noho ireo fahaiza-manao fototra telo ireo. Mba hanampiana anao sy ny mpianatrao hanana lesona Fiomanana hiatrika fiainana izay manova fiainana dia andeha hojerentsika hoe toy ny ahoana izany ao anatina lesona hanofanana mpampianatra, sy ao anatina fanomanana lesona manokana ataon’ny mpampianatra iray, ary farany ao anatina efitrano fianarana miaraka amin’ny mpianatra.