Fanomanana sy fampianarana lesona fiomanana hiatrika fiainana: Fanomanana lesona
Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2025
Alakamisy 23 janoary 2025
Ny lesona rahampitso dia ny lesona 185: “Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo.” Ho karohiko eto ny tanjon’ity lesona iray momba ny Fiomanana hiatrika fiainana ity. Eto indrindra izany. “Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ho mahazo toky fa hanohana azy ireo ny Mpamonjy eo amin’ny fanorenana fahaiza-miarina eo amin’ny ara-pihetseham-po.” Andeha ho raketiko izany. Eny ary. Ankehitriny dia hikaroka ny fahamarinana omen-danja ao anatin’ity lesona ity aho.
Toa eto mihitsy no ahitana izany. “Afaka mampionona sy mampahery antsika i Jesoa Kristy rehefa mandalo olana ara-pihetsehampo isika satria efa niainany ihany koa ireny.” Andeha horaketiko ihany koa izany. Tiako ho hita hoe aiza ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany no ahafahantsika mahita izany fahamarinana izany. Toa voatondro ny ao amin’ny Isaia 53:3–5. Andeha hanokatra izany mihitsy aho izao.
Hikaroka ity fahamarinana ity ao anatin’ireto soratra masina ireto aho avy eo. Ho marihiko mazava tsara ny hoe: “nitondra ny aretintsika sy fahoriantsika, nampahoriana, voalefona noho ny fahadisoantsika.” Toa misy teny nambaran’ny Loholona Soares ihany koa ity. Ho marihiko ihany koa izay ampahany maneho ity fahamarinana ity hitako ato. “Feno famindram-po ny kibon’ny Mpamonjy satria niainany manokana ary nentiny tao anatin’ny nofo ny fanaintainana avy amin’ny fahalementsika sy ny kilemantsika.”
Manaraka izany dia andeha hikaroka fomba aho hoe aiza no ahafahan’ny mpianatra tsirairay avy hampiseho ity fahamarinana ity. Toa voalaza eto fa any am-pamaranana ny lesona dia hasaina izy ireo hanakimpy ny masony, ary haka sary an-tsaina fa miaraka amin’izy ireo ny Mpamonjy izay nitsangana tamin’ny maty mandritra ny fitsapana lalovan’izy ireo. Andeha ho raketiko ihany koa izany.