“Tenin’ny Fahendrena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Tenin’ny Fahendrena
Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana izay mitahy antsika ara-batana sy ara-panahy
Fahagagana ny vatan’ny olombelona. Ny tsirairay dia ahitana sela, kambantsela, taova, ary rafitra sarotra takarina izay miara-miasa avokoa mba hampandeha tsara ny fiasany. Eritrereto fotsiny anie e! Midoboka mihoatra ny in-dray hetsy (100.000) ny fon’ny olombelona ao anatin’ny andro iray. Ny atidoha dia mifehy ny eritreritra sy ny fisefoana ary ny fahitana, miaraka amin’ireo dingana marobe hafa. Ary afaka manasitrana ny tenany sy miady amin’ny fihanaky ny aretina mihitsy aza ny vatana.
Fa na dia mahagaga aza ireo rehetra ireo, ny zavatra mahatalanjona indrindra momba ny vatan’olombelona dia ny hoe nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny olona tsirairay (jereo ny Mosesy 2:27). Fanomezana avy Aminy ny vatantsika. Manampy antsika hanatanteraka ny tanjontsika mandrakizay izany mba ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa rehefa misafidy ny hankatò ny didiny isika. Afaka manome voninahitra Azy isika noho ny fanomezany antsika ny vatantsika izay sarobidy amin’ny alalan’ny fitondrana izany amim-pitandremana sy amim-panajana. Fomba iray manan-danja ahafahantsika manao izany ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena—fitsipiky nambara momba ny fananana fahasalamana tsara izay sady mitahy antsika ara-batana no ara-panahy.
Inona no atao hoe Tenin’ny Fahendrena?
Ny Tenin’ny Fahendrena dia fanambarana nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith ny taona 1833, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ankehitriny. Ny Tenin’ny Fahendrena dia mampianatra antsika hihinana zavatra toy ny voa, voankazo, ary zavamaniry ary hisoroka ny zavatra toy ny paraky sy ny zava-pisotro misy alikaola, ny dite, ary ny kafe. Ankoatra izany dia nampianatra ireo mpaminany fa tokony hialantsika “ireo zavatra manimba, na tsy ara-dalàna, na mampiankin-doha, na manimba ny fahafahana misafidy.” Ny Tenin’ny Fahendrena sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tsy mamaritra mazava tsara ireo zavatra na fomba fanao rehetra izay manimba antsika—amporisihina isika hampiasa “fahendrena sy fandanjalanjana ombam-bavaka … rehefa manao safidy” izay misy fiantraikany amin’ny fahasalamantsika.
Na dia nomena “tsy [t]amin’ny fandidiana na fanerena” aza ny Tenin’ny Fahendrena tamin’ny voalohany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:2), dia nampianatra ireo mpanompon’ny Tompo hatramin’izay fa ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena dia fepetra takina amin’ny fandraisana ireo fitahiana fenon’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, anisan’izany ny batisa, ny asa fitoriana ary ny ôrdônansin’ny tempoly.
Topimaso momba ny lohahevitra: Tenin’ny Fahendrena
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ireo didy, Fiovam-po, Fankatoavana
Fizarana 1
Ny Tenin’ny Fahendrena no lalàn’ny Tompo momba ny fahasalamana
Milaza zavatra manan-danja mombaAzy sy momba antsika ny hoe hanome fanambarana tahaka ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo. Mety manantena ny olona sasany fa ny fivavahana dia tsy hahakasika afa-tsy ny zavatra ara-panahy ihany ary tsy dia hifantoka loatra amin’ny vatantsika izany. Saingy ampianarina isika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa masina ny vatantsika eo imason’ Andriamanitra, ary mifandray akaiky ny ara-batana sy ny ara-panahy. Ny Tenin’ny Fahendrena dia famantarana ny fitiavan’ Andriamanitra—Nomeny antsika izany satria tiany isika ho salama sy ho faly, na ara-batana na ara-panahy.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ny Tenin’ny Fahendrena dia azo, tamin’ny ampahany, avy tamin’ny fanentanam-panahy noho ny olana nananan’i Emma Smith. Mamakia momba izany ao amin’ny “La Parole de Sagesse” ao amin’ny Révélations dans leur contexte. Avy eo, rehefa mamaky ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra izay nahavita mihoatra ny famahana ny olan’i Emma. Inona no ampianarin’io fanambarana io anao momba ny Tompo sy ny fomba ampianarany ireo zanany?
-
Nantsoin’ny Tompo hoe “fitsipika omban’ny fampanantenana” ny Tenin’ny Fahendrena (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3). Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 ianao dia afaka mitanisa ireo fitsipika sy fampanantenana hitanao. Mety hanampy ity famaritana ny “fitsipika” avy amin’ny Loholona David A. Bednar ity: “ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy.” Rehefa vitanao ny lisitra nataonao dia saintsaino ny mety ho dikan’ny hoe manaraka ireo fitsipika ireo “amin’ny fahamalinana sy ny fankasitrahana” (andininy 11). Moa ve tsikaritrao ny fihazonan’ny Tompo ny fampanantenany teo am-panajanao ny Tenin’ny Fahendrena ianao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Iaraho mamaky ny “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Avy eo dia lalaovy an-tsehatra ny zavatra tokony holazaina rehefa misy olona manontany hoe nahoana isika no tsy manao zavatra toy ny mifoka sigara na misotro zava-pisotro misy alikaola, kafe, na dite. Mety ho tianareo ny hampiditra ao amin’ny valinteninareo ireo fitahiana ampanantenaina antsika noho ny fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena sy mizara ny antony maha-manan-danja io fanambarana io aminareo manokana. Resaho ny zavatra nianaranareo avy tamin’io fanazaran-tena io sy ny fomba ahafahanareo mampiasa ny valinteninareo any aoriana any.
-
Ny sahan-kevitra ara-tantara dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny Tenin’ny Fahendrena sy ny antony hanarahantsika izany. Ny horonan-tsary toy ny “Word of Wisdom: What Is It?” (5:09) na ny “The Word of Wisdom: Development and Practice” (5:05) dia afaka manampy antsika hianatra momba ny fototra niavian’ilay fanambarana. Mety ho tian’ny ankizy ny mijery ny “The Word of Wisdom” (2:10) ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Resaho ny antony naha-zava-dehibe tamin’ Andriamanitra ny nanambara ny lalàn’ny fahasalamana tamin’ny fotoana nanaovany izany. Ahoana araka ny eritreritrareo no hanehoan’ny Tenin’ny Fahendrena ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany? Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo horonan-tsary ireo manampy anareo hamaly ny fanontanian’ny hafa momba ny Tenin’ny Fahendrena.
Hianatra misimisy kokoa
-
Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 166–68
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Parole de Sagesse (F&F 89),” Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 2
Afaka mitondra fitahiana ara-batana sy ara-panahy ho antsika ny fankatoavana ireo fitsipiky ny Tenin’ny Fahendrena
Na dia toy ny fanambarana momba ny zavatra ara-batana aza ny Tenin’ny Fahendrena dia sady ara-batana no ara-panahy ny fitahiana entiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21). Nohazavain’ny Filoha Boyd K. Packer toy izao izany: “Nanomboka nahafantatra aho … fa ny tanjona fototry ny Tenin’ny Fahendrena dia misy hidiran’ny fanambarana. … Raha toa ka sarotra ho an’ny olona iray izay -eo ambany fitaoman’ny- zava-maha-domelina ny mihaino resaka mazava iray, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izy ireny mamaly ny bitsika ara-panahy izay mikasika ny tena fahatsapany lalina? Na dia sarobidy aza ny Tenin’ny Fahendrena amin’ny maha-lalàn’ny fahasalamana azy, dia mety ho sarobidy kokoa ho anao ara-panahy izany noho ny ara-batana.” Ny fitandremana io didy io dia afaka manampy antsika hanana ny Fanahy Masina ho namantsika mba hahafahantsika mandray fanambarana sy fandrosoana eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Na dia mampianatra antsika hisoroka ny fihinanana zavatra sasantsasany aza ny Tenin’ny Fahendrena dia mampianatra antsika koa izany mba hanao zavatra tsara ho an’ny fahasalamantsika. Jereo ny horonan-tsary “Word of Wisdom” (1:48) mba hahafantarana ny fomba nanovan’ny lehilahy iray ny fiainany tamin’ny fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena tamin’ny fomba tsara kokoa. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny fanaovana fanatanjahan-tena, ny torimaso ampy tsara ary ny fahazarana mihinana sakafo ara-pahasalamana dia mampitombo ny fahafahantsika mahazo sy mahatakatra fanambarana.” Saintsaino ny fomba ahafahanao manatsara ny fomba fiainanao ny Tenin’ny Fahendrena. Ahoana no mety hitondran’ireo fiovana ireo tombontsoa ara-panahy ho anao sy hanampy anao handray fanambarana?
-
Nampianatra Ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny vatanao … dia zavaboary mahatalanjona nataon’ Andriamanitra. Tabernakelin’ny nofo izany—tempoly ho an’ny fanahinao.” Saintsaino ireo teny ireo eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 6:19–20 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21. Eritrereto ny fomba ifandraisan’ny vatana sy ny fanahy. Inona avy ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy azonao noho ny fiainanao ny Tenin’ny Fahendrena? Azonao atao ny misaintsaina ny fomba ahafahan’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena manome fahafahana anao “[hankalaza] an’ Andriamanitra amin’ny tena[nao]” (1 Korintiana 6:20). Raketo an-tsoratra izay mety ho fahatsapana tonga ao aminao, ary avy eo dia manaova asa araka izany.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Tsy voatery ho tonga foana amin’ny fotoana na ny fomba andrasantsika ireo fitahiana raisintsika rehefa mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena isika. Miaraha mamaky ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’ny fihaonambe hoe “Persévérer avec patience”, mba hahafantarana ny fomba nahitany izany tamin’ny ezaka nataony. Azonareo atao avy eo ny miresaka momba ny fomba nitahian’ Andriamanitra anareo ara-batana sy ara-panahy noho ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena sy ny fomba ahafahany mitahy anareo amin’ny hoavy.
-
Amin’ny toe-javatra sasantsasany dia mety hahatsapa ho iharan’ny tsindry tsy hanaraka ny Tenin’ny Fahendrena isika. Iaraho mamaky ny Daniela 1 dia jereo ny fihetsika nasetrin’i Daniela sy ireo namany tao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany. Vakio avy eo ireto teny avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ireto: “I Daniela dia efa nobeazina mba ho mpanara-dia an’i Jehovah. Nino sy nidera Ilay Andriamanitr’i Abrahama, Isaka ary Jakoba izy. Efa nandalina ireo tenin’ny mpaminany izy ary nahafantatra ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olombelona.
“Ankehitriny anefa, amin’ny maha-mbola tanora kely azy dia sady mpianatra no babo tany Babylona izy. Ny fanerena tsapany ny mba handaozana ireo zavatra ninoany taloha sy ny mba hanekeny ny an’i Babylona dia mety tena goavana tokoa. Nitoetra marina tamin’ny finoany anefa izy—na tamin’ny teny na tamin’ny asa. …
“Ary ny Tompo dia nitahy an’i Daniela. Na dia notsapaina sy nalaim-baraka aza ny finoany dia nitoetra ho marina tamin’izay fantany tamin’ny alalan’ny traikefany manokana fa marina izy.”
Ahoana no nanampian’ny Tompo an’i Daniela sy ireo namany tamin’ny toe-javatra niainan’izy ireo? (jereo ny Daniela 1:9). Ahoana no nitahiany azy ireo noho ny fitandreman’izy ireo ny fanoloran-tena nataon’izy ireo? (jereo ny Daniela 1:15, 17–20). Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahanareo hitovy amin’i Daniela isaky ny sedraina ny fanoloran-tenanareo hanaraka ny Tenin’ny Fahendrena.
Hianatra misimisy kokoa
-
Levitikosy 10:9; 1 Korintiana 6:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:18–21
-
Quentin L. Cook, “Lorsque le mal revêt l’apparence du bien et le bien l’apparence du mal,” Liahona, mar. 2018, 30–37
-
David A. Bednar, “Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123–24
-
Boyd K. Packer, “La Parole de Sagesse: principes et promesses,” Liahona, mai 1996, 17–19
-
“Vaping, Coffee, Tea, and Marijuana,” New Era, Aug. 2019, 28