“Tsodranon’ny fisoronana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Tsodranon’ny fisoronana
Manasa ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika
Na firy taona isika ary na aiza na aiza ambarantongam-piainana misy antsika dia hahatsapa ho mila fanampiana maika isika tsirairay indraindray mba hahatsiahy ny fitiavan’ Andriamanitra sy handray fitarihana avy any an-danitra. Mizara ny fitiavany sy ny fahendreny ary ny heriny amintsika amin’ny alalan’ireo loharanom-panampiana manan-danja ny Raintsika any An-danitra. Tafiditra ao anatin’ireo fomba sasany ahafahantsika mahazo fitarihana manokana sy fanampiana avy amin’ Andriamanitra ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, ny tsodranon’ny patriarika nomena antsika, ary ny fananana ny Fanahy Masina ho namana.
Ny fomba iray hafa ahafahantsika mahatsapa an’ Andriamanitra mikarakara ireo zavatra ilaintsika dia amin’ny alalan’ny fandraisana tsodranon’ny fisoronana. Afaka mangataka tsodranon’ny fisoronana manokana isika isaky ny miaina fisalasalana na marary na isaky ny maniry ny hahazo fanampiana ara-panahy fanampiny. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Ny tanjon’ny fandraisantsika ny fisoronana dia ny hahafahantsika misolo tena ny Tompo amin’ny fitahiana ny olona sy manao izany amin’ny anarany.” Ny fanomezana tsodrano amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia efa lamina narahin’ireo mpihazona fisoronana tao anatin’ny tantaran’izao tontolo izao hatrizay (jereo ny Genesisy 48:14–15; Asan’ny Apôstôly 8:14–17; Almà 6:1).
Inona no atao hoe tsodranon’ny fisoronana?
Ny tsodranon’ny fisoronana dia ôrdônansy iray izay ahitana mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka voatendry iray mametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny olona iray (jereo ny Nomery 27:18; Hebreo 6:1–2; Môrmôna 9:24) ary manonona teny mifono torohevitra, na fampaherezana, na fanasitranana araka izay itarihan’ny Fanahy. Ny fahatanterahan’ireo tsodrano ireo dia tonga araka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny finoan’ilay olona an’i Jesoa Kristy. Raha ny tokony ho izy dia atolotry ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na rahalahy manompo, na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana ny tsodranon’ny fisoronana, saingy azon’izay mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka voatendry omena izany. Ny tsodranon’ny fisoronana omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia fomba iray manan-danja hanoloran’ Andriamanitra fanentanam-panahy sy fampeherezana avy aminy ary hery manasitrana mihitsy aza eo amin’ny fiainantsika.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fametrahan-tanana, Tsodranon’ny Fisoronana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fisoronana Melkizedeka, Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Fahagagana
Fizarana 1
Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ireo mpihazona ny fisoronana rehefa mitsodrano ny hafa izy ireo
Nanompo ireo nila fanampiana tamin’ny alalan’ny hery masina miavaka i Jesoa Kristy (jereo mba hahitana ohatra ny Matio 4:23–24; 3 Nefia 17:6–9). Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia nitsodrano ny hafa Izy mba hahazo famelan-keloka (jereo ny Lioka 7:47–50), fiadanana sy fiarovana (jereo ny Marka 4:38–39), ary fanasitranana (jereo ny Jaona 9:1–7). Ary satria fantany fa tsy hiaraka amin’ny olona mandritra ny fotoana maharitra Izy dia nomeny fahefana hitsodrano ny hafa koa ireo mpianany roa ambin’ny folo (jereo ny Matio 10:1, 8; Môrônia 2:1–3).
Ankehitriny ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika dia mampiasa izany fahefana izany ihany hanomezana tsodrano ny hafa. Amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana no hanomezan’ireo mpihazona ny fisoronana tsodrano arakaraka ny fahatsapana sy fanentanam-panahy voarain’izy ireo avy amin’ny Fanahy (jereo ny 2 Nefia 4:12). Matetika ny tsodranon’ny fisoronana dia omena rehefa mangataka izany ilay olona mila fanampiana. Ireo tsodrano dia azo omena mba hanolorana fiadanana, na fampaherezana, na fanasitranana, na torohevitra. Indraindray ireo tsodranon’ny fisoronana dia afaka miaraka amina ôrdônansin’ny fisoronana iray, toy ny mandritra ny fanomezana anarana sy ny fitsofan-drano ny zaza, ny fandraisana ho mpikambana mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina, na ny fanendrena ho amin’ny fisoronana.
Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay manome tsodrano amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia mijoro ho solontenan’i Jesoa Kristy amin’ny fanompoana ny hafa. Ny herin’ny fisoronana dia ampanantenaina an’ireo izay miaina ireo fitsipiky ny fahamarinana sy manakaiky an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fankatoavana ny didiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Rehefa manome tsodrano olona iray ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia manao asa amin’ny anaran’ny Tompo sy amin’ny heriny izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2 ka diniho tsara ny zavatra fonosin’ny tenin’ny Mpamonjy ao anatin’ireo andininy ireo. Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Harold B. Lee ity:
“Eto ny Tompo [ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2] dia milaza fa rehefa mametraka ny tanany amin’ny alalan’ny fahefana nomena azy eo ambonin’ny lohan’ny olona iray homena tsodrano ny iray amin’ireo mpanompony nahazo lalana, dia toy ny hoe Izy mihitsy no nametraka ny tanany teo amin’ilay olona mba hanatanteraka ilay ôrdônansy. Noho izany dia manomboka mahita ny fomba hanehoany ny heriny eo anivon’ny olona isika amin’ny alalan’ireo mpanompony izay nampiandraiketany an’ireo fanalahidin’ny fahefana”.
Inona no fiantraikan’io andinin-tsoratra masina io eo amin’ny fomba fijerinao momba ny tsodranon’ny fisoronana? Inona avy ireo zavatra niainanao niaraka tamin’ny Fanahy rehefa nandray na nanome tsodranon’ny fisoronana ianao?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Na dia mety mirona amin’ny fampifandraisana ny tsodranon’ny fisoronana amin’ny olona manome azy aza isika, izay lehilahy mihazona ny Fisoronana Melkizedeka, dia ilaina ny mahatsiaro fa avy amin’i Jesoa Kristy irery ihany no ahatongavan’ny herin’ny fisoronana. Vakio miaraka amin’ny vondrona ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–37, 41–46. Inona no nianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amin’izay olona maniry hahazo hery ara-panahy lehibe kokoa? Ahoana no ahafahan’ny tsirairay amintsika mikolokolo tsara kokoa ireo toetra ireo eo amin’ny fiainantsika?
-
Jereo miaraka amin’ny vondrona ilay horonan-tsary hoe “Sanctifiez-vous” (4:37). Alohan’ny hanombohanao ilay horonan-tsary dia asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba haka sary an-tsaina ny tenany ao anatin’ilay toe-javatra aseho rehefa mijery izy ireo. Aorian’ny fijerena ilay horonan-tsary dia asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hizara ny eritreriny. Nahoana no zava-dehibe ho an’izay olona mila ny herin’ny lanitra ny fikatsahana ny ho madio?
Hianatra misimisy kokoa
-
Genesisy 48:14–15; Asan’ny Apôstôly 6:5–6; 3 Nefia 17:18–24; Fotopampianarana sy Fanekampihavanana 20:70
-
“Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, toko 18, Médiathèque de l’Évangile
-
Julie B. Beck, “An Outpouring of Blessings,” Liahona, mey 2006, 11–13
-
“Sanctifiez-vous” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 2
Tsodranon’ny fisoronana ho an’ny fanasitranana ny marary
Nanompo ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny fomba manan-danja maro i Jesoa Kristy fony Izy niaina teto an-tany. Naneho fitiavana tonga lafatra Izy rehefa nanamaivana ny fijalian’ny marary sy ny ory tamin’ny alalan’ny fanasitranana azy ireo (jereo ny Matio 8:16–17; Môzià 3:5–6). Nandidy ny mpianany Izy mba handeha ary hanasitrana ny marary (jereo ny Matio 10:1). Ny Testamenta Vaovao dia mampiseho fa io lamin’ny fametrahan-tanana eo amin’ny marary io mba hanasitranana azy ireo dia narahina tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy fahiny (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:1–8; 9:12, 17; 28:8; Jakoba 5:14–15). Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka amin’izao fotoana izao dia manaraka io lamina io ihany rehefa manosotra ny marary amin’ny alalan’ny menaka voatokana sy mitodrano azy ireo amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–44; 66:9).
Nampahatsiahy antsika ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Rehefa mampiasa ilay hery marin’ny fisoronan’ Andriamanitra isika sy rehefa manome lanja ilay fampanantenany fa hihaino sy hamaly ny vavaka atao amim-pinoana Izy, dia tokony hahatsiaro lalandava isika fa ny finoana sy ny hery manasitran’ny fisoronana dia tsy afaka ny hanome vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ilay tompon’ny fisoronana. Io fitsipika io dia ampianarina ao amin’ny fanambarana izay mandidy ireo loholon’ny Fiangonana mba hametra-tanana amin’ny marary. Ny fampanantenan’ny Tompo dia hoe, –izay manam-pinoana Ahy mba ho sitrana, ary tsy voatendry ny ho faty, dia ho sitrana– (F&F 42:48; nampiana fanamafisana)”.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ahoana no ahafahanao manomana ny tenanao ara-panahy rehefa mikatsaka tsodranon’ny fanasitranana ho an’ny tenanao na ho an’ny hafa ianao? Rehefa mandinika io fanontaniana io ianao dia vakio ny Jakoba 5:15; Jakôba 3:1; Almà 15:10–11; ary ny Etera 12:12. Inona no dikan’ny andian-teny hoe “fivavaky ny finoana” aminao? Inona avy ireo fitsipika manan-danja hafa hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
-
Ny fahavononana hatoky ny sitrapon’ Andriamanitra dia lafiny iray manan-danja eo amin’izay mety ho vavaka na tsodranon’ny fisoronana. Vakio ny Môzià 4:9–10. Ahoana no ahafahan’ilay fitsipika ampianarin’i Benjamina Mpanjaka ao amin’io andinin-tsoratra masina io manampy anao hahatsapa ho vonona kokoa hanaiky ny sitrapon’ Andriamanitra?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Rehefa marary ny olona iray dia maniry ho azy ny hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanampiana azy sy hanamaivanana ny fijaliany. Samy manan-danja ny tsodranon’ny fisoronana sy ny fitsaboana. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ity:
“Te hiresaka … momba ny fanasitranana ny marary aho, amin’ny alalan’ny siansa momba ny fitsaboana, amin’ny alalan’ny fivavaky ny finoana, ary amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana. … Mazava ho azy fa tsy miandry ny tsy fahombiazan’ny fomba hafa isika vao hivavaka amim-pinoana na hanome tsodranon’ny fisoronana ho amin’ny fanasitranana. Rehefa mitranga ny hamehana dia ny vavaka sy ny tsodrano no atao voalohany. Matetika ataontsika miaraka daholo ireo ezaka rehetra ireo”.
Nahoana no zava-dehibe ny manambatra ny vavaka ataontsika amim-pinoana sy ireo tsodranon’ny fisoronana amin’ny fikatsahana fanampiana ara-pitsaboana?
Hianatra misimisy kokoa
-
1 Mpanjaka 17:8–24; Matio 8:5–13; Marka 5:25–34
-
Dallin H. Oaks, “Healing the Sick,” Liahona, mey 2010, 47–50
-
Donald L. Hallstrom, “Moa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?,” Liahona, nôv. 2017, 88–90
-
“Why Are People Anointed with Oil When They Receive a Priesthood Blessing?,” Liahona, mar. 2010, 44–45
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Guérison,” Médiathèque de l’Évangile
Loharanom-pitaovana hafa momba ireo tsodranon’ny fisoronana
-
Loharanom-pitaovana ho an’ny ankizy