Tahirim-pitaovana
Fahadiovam-pitondrantena


“Fahadiovam-pitondrantena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovovavy mijoro eo amin’ny tendrombohitra mijery lavitra ny tempoly eny ambany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahadiovam-pitondrantena

Ny lalàn’ Andriamanitra momba ny fahadiovana ara-nofo

Ny fahadiovam-pitondrantena dia lalàn’ Andriamanitra mba hitandremana ny firaisana ara-nofo ho masina. Ny fiezahana ny ho madio fitondrantena amin’ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny zavatra ataontsika dia mitondra fitahiana maro—fitahiana ara-panahy, ara-pihetseham-po ary ara-batana. Ny ezaka ataontsika mba hijanona ho madio ara-nofo, ary hibebaka sy hikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo raha toa ka naloto ara-pitondrantena dia hitondra fiadanana sy fifaliana ho antsika eto amin’ity fiainana ity, ary hanomana antsika hiaina miaraka amin’ Andriamanitra indray aorian’ny fahafatesantsika.

Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia atao amban-javatra ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fisafidianana ny hanao firaisana ara-nofo aloha na ivelan’ny fanambadiana dia mahazatra. Saingy nomen’ Andriamanitra antsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena mitovy amin’ny antony nanomezany antsika ireo didy rehetra ihany: Tia antsika Izy, ary fantany fa ny fiainana ny didy dia miaro antsika ary hitarika antsika any amin’ny fahasambarana marina sy maharitra.

Inona no atao hoe fahadiovam-pitondrantena?

Ny hoe fahadiovam-pitondrantena dia ny fahadiovana ara-nofo amin’ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny asantsika. Ny fahadiovam-pitondrantena dia midika ho tsy fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana. Midika ihany koa izany hoe mahatoky tanteraka amin’ny vady mandritra ny fanambadiana—na ara-batana na ara-pihetseham-po. Tafiditra ao amin’ny hoe madio fitondrantena ny fisorohana ny pôrnôgrafia na ny votoatin-javatra hafa izay natao hamoha ireo fahatsapana ara-nofo. Ny fahadiovam-pitondrantena dia didy avy amin’ Andriamanitra, ary zava-dehibe ny fankatoavana izany lalàna izany mba hanampiana antsika hiomana hiditra ny tranon’ny Tompo. Any amin’ny tempoly dia asaina isika hanolo-tena feno kokoa amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ny hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahadiovam-pitondrantena

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fahafahana misafidy, Fiainana an-tany, Pôrnôgrafia, Fibebahana

lehilahy mijery telefaonina

Fizarana 1

Ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahadiovam-pitondrantena

Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika. Amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo dia afaka ny ho lasa mpahary miraka amin’ Andriamanitra isika ary hitondra ireo zanany eto amin’izao tontolo izao. Ny madio fitondrantena dia maneho fanajana ny herin’ny fahariana izay an’ Andriamanitra, izay avelany ho ampiasantsika. Maneho fankasitrahana ny vatana nomen’ Andriamanitra antsika ihany koa izany.

Manan-danja mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitra ny fifandraisan’ny fianakaviana miforona rehefa manambady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray aryrehefa teraka ny zanak’izy ireo. Izany no antony iray nandidiany ny firaisana ara-nofo tsy hisy afa-tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay mivady ihany. Ankoatra izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpivady dia afaka mampiroborobo tontolo mahasoa hitaizana ny ankizy ary afaka mamorona fototra mafy orina ho an’ny fianakaviana mandrakizay.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Eritrereto ny antony maha ampahany manan-danja ny fahadiovam-pitondrantena eo amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks: “Ny fahefana hamoronana aina eto an-tany no hery ambony indrindra nomen’ Andriamanitra ireo zanany.” Avy eo dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fihazonana ny eritreritrao ho madio ara-nofo amin’ny toe-javatra samihafa manampy anao hifehy io hery io sy hijanona ho matanjaka ara-panahy. Inona no ho fiantraikan’ny fiezahana ho madio fitondrantena eo amin’ny eritreritrao momba ny olon-kafa? Ahoana no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fialam-boly sy ny haino aman-jery safidinao harahina? Inona no mety fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny fianakavianao? Azonao atao ny misafidy fihirana na hiran’ny Fiangonana na soratra masina tianao indrindra izay azonao hiraina na averimberina ao an-tsainao rehefa alaim-panahy amin’ny alalan’ny eritreritra na fahatsapana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo tsy mahasoa ianao. Afaka manao tanjona ny hitadidy izany hira na andinin-tsoratra masina izany ianao ary hamerina hijery izany matetika.

  • Diniho ny antony maha zava-dehibe aminao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena na ny antony mety ho maha zava-dehibe izany. Soraty ny fehezanteny hoe “Misafidy ny hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena aho satria …” Avy eo dia mitadiava fomba azonao hamaliana io fehezanteny io amin’ny alalan’ny famakiana ny fizarana “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Azonao atao avy eo ny mieritreritra ny fomba hamalianao ny olona iray izay nanontany anao ny antony maha zava-dehibe aminao ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Indraindray ny fahadiovam-pitondrantena dia lazain’ny soratra masina hoe “hatsaran-toetra.” Nilaza ny Tompo fa ny hatsaran-toetra dia tokony “handravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tsika],” avy eo dia “hihamahery ny fahatokian-tenan[tsika]” ary “ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahin[tsika ary] ny Fanahy Masina no ho naman[tsika] lalandava” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana121:45–46). Inona no dikan’ny teny hoe handravaka eto? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hatsaran-toetra nanome fahatokian-tena sy tanjaka olona teo amin’ny fiainan’izy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Avereno jerena miaraka ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo. Io andininy io dia milaza fa mino isika fa tokony ho madio fitondrantena, ary manasa antsika hikatsaka ireo zavatra izay tsara sy maha-te ho tia izany. Ahoana no ahafahantsika mamaritra raha toa ka tsara toetra sy maha-te ho tia ny zavatra iray? Rehefa avy mizara hevitra ianao dia azonao atao ny miresaka momba ireo zavatra eo amin’ny fiainanao izay mifanaraka amin’izany famaritana izany sy ny fomba hanampian’izany anao ho madio fitondrantena. Avy eo dia azonareo atao ny miara-manao tanjona izay hanampy anareo tsy handray anjara afa-tsy amin’ny resadresaka, sy toe-javatra, ary haino aman-jery sy fialam-boly izay tsara sy maha-te ho tia. Resaho ny fomba ahafahanareo mifanampy mba hanarahana ny tanjonareo. Aorian’izay dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaranareo avy amin’ilay zavatra niainana.

  • Ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia mampianatra hoe: “Satria tena masina sy mahery vaika tokoa ny fahatsapana ara-nofo, dia nomen’ Andriamanitra anao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena mba hanomanana anao hampiasa ireo fahatsapana ireo rehefa mikasa Izy. … Olona maro eto amin’izao tontolo izao no tsy miraharaha na maneso mihitsy aza ny lalàn’ Andriamanitra, kanefa ny Tompo dia manasa antsika ho lasa mpianany sy hametraka ambony kokoa fitsipika iray mihoatra ny an’izao tontolo izao.” Inona avy ireo hafatra omen’ny Tompo antsika momba ny fananahana sy ny fahadiovam-pitondrantena? (Azonao atao ny mikaroka ny “Fahadiovam-pitondrantena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny topimaso momba ny “Fahadiovam-pitondrantena” ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana mba hahazoana hevitra.) Inona no hafatra omen’izao tontolo izao matetika antsika momba ireo lohahevitra ireo? Ifanakalozy hevitra ny zavatra azonao atao rehefa mahita hafatra diso momba ny fahadiovam-pitondrantena na ny fakam-panahy haloto fitondrantena ianao.

Hianatra misimisy kokoa

mpivady mandeha eo akaikin’ny renirano

Fizarana 2

Afaka mitondra fitahiana mahatalanjona ny fiezahana ho madio fitondrantena

Voatahy amin’ny fomba maro isika rehefa miezaka miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, anisan’izany ny fisorohana ny pôrnôgrafia. Rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra ny ho madio fitondrantena isika dia manasa ny Fanahy Masina ho namana ary mitondra tanjaka sy hery ara-panahy tsy mitsaha-mitombo eo amin’ny fiainantsika. Ny madio fitondrantena dia manampy antsika ho lasa masina sy matanjaka ara-panahy, tahaka an’i Jesoa Kristy. Io fiomanana ara-panahy io dia mamela antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra bebe kokoa sy hivoatra eo amin’ilay lalana miverina any Aminy. Ny fiainana madio fitondrantena ihany koa dia mamela antsika ho ohatra ho an’ny hafa sy hijoro amim-pahamendrehana eo anatrehan’ny Tompo.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hatsaran-toetra dia ‘soa sy sarobidy indrindra tambonin’ny zava-drehetra’, sy efa toy izany hatramin’izay, ary mbola ho toy izany hatrany (Môrônia 9:9).” Anisan’ny zavatra mahatonga ny fahadiovam-pitondrantena ho sarobidy tokoa ny fiadanana sy ny fifaliana izay afaka entin’izany ho antsika tsirairay sy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika. Ny fiainana io lalàna io dia afaka manampy antsika hanana fitiavana sy fahatokiana ary firaisan-kina bebe kokoa eo amin’ny fanambadiantsika. Afaka misoroka ny ankamaroan’ny ratram-po eto amin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fahadiovam-pitondrantena alohan’ny fanambadiana sy ny fahatokiana tanteraka amin’ny vadintsika mandritra ny fanambadiana. Ary afaka misoroka ireo mety ho vokatra ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana maro hafa avy amin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika rehefa mankatò io didy io mandritra ny fiainantsika.

Mitondra enta-mavesatra ny fahotana ara-nofo, saingy ny famelan-keloka avy amin’ny Tompo dia azon’ireo rehetra izay mibebaka amin-kitsimpo.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Vakio ny tantaran’ny Josefa sy ny vadin’i Potifara ao amin’ny Genesisy 39:7–23. Inona no zavatra ianaranao momba an’i Josefa avy amin’io tantara io? Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehony tamin’ny fahavononany ara-panahy mba hahafahany mijanona ho madio fitondrantena na dia miatrika fakam-panahy aza? Ahoana no nitahiana azy tamin’ny farany noho ny fanapahankevinyhankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Jereo ohatra ny Genesisy 41:37–45; 45:1–28.) Eritrereto ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehony manampy anao hanana herim-po hijanona ho matanjaka rehefa alaim-panahy hanao zavatra hanohitra ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Azonao vakina ny tantaran’ilay zatovolahy ao amin’ny hafatry ny Filoha Jeffrey R. Holland hoe “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy.” Inona no zavatra nianaran’ilay zatovolahy avy tamin’ny zavatra niainany? Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’izany ny fiainany? Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hananana ny herimpo hijanona ho mendrika rehefa alaim-panahy hanao zavatra tsy madio na tsy masina ianao. Ahoana no mety hitahiana anao rehefa mitoetra ho mendrika ianao? Raketo an-tsoratra ny fahatsapana voarainao.

  • Tian’i Satana isika hino fa rehefa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika amin’ny alalan’ny fanaovana fahotana ara-nofo na fijerena pôrnôgrafia dia tsy mendrika ny fitiavan’ Andriamanitra intsony isika. Saingy tsy marina tsora izao izany. Vakio ny Lioka 15:11–32, na jereo ilay horonan-tsary “The Prodigal Son” (5:36). Ahoana no hanehoan’io tantara io ny fitiavan’ Andriamanitra antsika, na dia manao fahotana goavana aza isika? Avy eo dia vakio ny Isaia 43:25, ary eritrereto ny fanantenana omen’io andininy io. Raha toa ka manana fahotana ara-pitondrantena izay ilainao hibebahana ianao dia makà fotoana hiresahana amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ary atombohy ny dingan’ny fibebahana, na mivavaha mba haniriana hanao izany. Ny fibebahana sy ny fiantehitra amin’ny Mpamonjy sy ny heriny manavotra dia hitondra fanasitranana sy fanantenana ary hanampy anao hanakaiky kokoa Azy.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nampahatsiahy ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson fa fitahiana lehibe no ho tonga rehefa misafidy ny “hisaina amin’ny fomba selestialy” isika, tafiditra amin’izany ny fotoana hijanona ho madio fitondrantena. Hoy izy hoe: “Ny fisainana amin’ny fomba selestialy dia hanampy anao … hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Vitsy ihany ny zavatra hafa hanasarotra haingana kokoa ny fiainanao raha oharina amin’ny fandikana io lalàna io. Ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia ny fahalotoam-pitondrantena amin’ny firaisana ara-nofo no isan’ireo fomba haingana indrindra mahavery ny fijoroana ho vavolombelona anananao. … Nanambara ny Tompo fa tsy misy olona tsy madio fitondrantena ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy. Noho izany, rehefa mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny fitondrantena ianao dia saino amin’ny fomba selestialy.” Azonao atao ny miresaka momba ny fomba ahafahan’ny fisainana amin’ny fomba selestialy manampy anao hijanona ho madio ara-pitondrantena sy ireo fomba ahafahanao ho voatahy noho ny fanaovana izany.

  • Jereo ny horonan-tsary “I Choose to Be Pure” (4:19), ary resaho ny antony nisafidianan’ireo zatovo samihafa ao amin’ilay horonantsary ny hijanona ho madio ara-pitondrantena sy ireo fitahiana izay tsapan’izy ireo fa ho avy vokatr’izany. Azonao atao ny mifampizara ny zavatra ataonao mba hahatsiarovana ny fanaovana safidy izay manampy anao hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Na azonao atao ny manoratra ny fahavononanao manokana hijanona ho madio ara-pitondrantena mandritra ny fiainanao ary hametraka ilay taratasy any amin’ny toerana izay hahitanao izany matetika.

  • Ao amin’ilay lahateniny mitondra ny lohateny hoe “Ho Sahy amin’ ny Herim-po, sy ny Tanjaka ary ny Asa” ny Loholona Gary E. Stevenson dia nampianatra hoe: “’Fomba lehibe handrefesana ny hatsaran-toetranao ny zavatra safidianao ho eritreretina sy ho atao rehefa irery ianao ary mieritreritra fa tsy misy mahita’ [Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 118]. Mahereza! Matanjaha! ‘Mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8].” Resaho ny antony maha zava-dehibe ny fahadiovam-pitondrantena rehefa irery ianao. Azonao atao avy eo ny mizara hevitra momba ny “toerana masina” izay azonao itoerana sy ireo zavatra masina azonao atao izay hanampy anao hijanona ho madio fitondrantena, indrindra rehefa irery ianao. Inona avy ireo fitahiana azonao raisina rehefa mitady ireo toerana masina ireo ianao sy misafidy ny ho madio fitondrantena?

Hianatra misimisy kokoa

  • Eksodosy 20:14; 1 Korintiana 10:11–13; 1 Tesaloniana 4:2–4; 1 Timoty 4:12

  • David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–44

  • Mary N. Cook, “A Virtuous Life—Step by Step,” Liahona, May 2009, 117–19

  • Lori Cluff Schade, “Marriage, Technology, and Emotional Infidelity,” Ensign, Jan. 2017, 50–55

  • Virtue—A Cornerstone on Which to Build Our Lives,” Teachings of Presidents of the Church: Gordon B. Hinckley (2016), 249–57

Loharanom-pitaovana hafa momba ny Fahadiovam-pitondrantena

Fanamarihana

  1. Jereo ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 83.

  2. Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika. Rehefa mitondra zanaka eto amin’izao tontolo izao isika dia miara-miasa Aminy, manome fahafahana ireo fanahy zanany ho tonga ety an-tany sy hahazo vatana.

  3. Dallin H. Oaks, “The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 74.

  4. Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022), 23

  5. David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44.

  6. Jeffrey R. Holland, “Let Virtue Garnish Thy Thoughts Unceasingly,” New Era, Oct. 2007, 4–7.

  7. Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 118.

  8. Gary E. Stevenson, “Ho sahy amin’ny herim-po, sy ny tanjaka ary ny asa,” Liahona, nôv. 2012, 52.