Seminera
Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo: “Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka”


“Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo: -Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo: -Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Manorina fizakan-tena: Lesona 177

Manorina fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo

“Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka”

A young Asian man working on a bicycle.

Ny fanorenana fizakan-tena dia manampy antsika hanaraka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny famatsiana ho an’ny tenantsika sy hitahiana ny hafa. Ny fianarana manorina fizakan-tena amin’ny maha zatovo dia mitarika ho amin’ny fahaiza-manao lehibe kokoa rehefa tonga amin’ny maha-olon-dehibe. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fanorenana fizakan-tena ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hangataka ny mpianatra hanao manokana zavatra izay nataon’ny hafa ho azy ireo foana taloha. Ohatra, afaka mikarakara sakafo izy ireo, na manasa lamba, na mividy zavatra izay mazana vidin’ny ray aman-dreniny, na manamboatra zavatra ao an-tranony.

Sahanasa fianarana azo atao

Mivoatra amin’ny alalan’ny fanaovana asa isika

Alohan’ny anombohan’ny fotoam-pianarana dia omeo tahadikan’ilay teny nambaran’ny Eveka Waddell ny mpianatra iray ary ny tahadikan’ilay teny nambara ao amin’ny Lohahevitra sy fanontaniana ny mpianatra iray hafa. Asao izy ireo hamaky ireo teny nambara ary hiomana hizara ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanazavany ny atao hoe fizakan-tena amin’ny teniny manokana.

Hevero ny hanomboka ity lesona ity amin’ny alalan’ny fampisehoana ity sarina zana-borona ity sy ny fampisehoana ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely maromaro mba hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fampisehoana izany tsirairay ary manome fotoana ifanakalozana hevitra momba ny fanontaniana tsirairay.

Baby Bird
  • Inona no mety hitranga amin’io vorona io raha toa ka avelan’ny ray aman-dreniny hijanona ao amin’ilay tranom-borona mandrakizay izy, ka omen’izy ireo sakafo izy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mampitaha izany amin’ny fitomboantsika sy ny fivoarantsika ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny ankamaroan’ny fitomboantsika dia miankina amin’ny fahavononantsika hianatra sy handray andraikitra amin’ny fivoarantsika manokana. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ny fahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hivoatra.

Fizakan-tena

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hoe fizakan-tena ary asehoy ireto fanambarana roa manaraka ireto. Asao ny mpianatra hamaky ireo teny nambara sy hiomana hanazava ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy sy ny dikan’ny hoe fizakan-tena. Raha nomenao ny mpianatra talohan’ny fotoam-pianarana ireo fanambarana ireo dia asao izy ireo hizara ny hevi-baovao hitany mialoha ny hanokafana ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpianatra ambiny.

Ny Eveka W. Christopher Waddell ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nanazava hoe:

W. Christopher Waddell Official portrait 2017

Tsy mitaky ny hanaovantsika mihoatra izay vitantsika ny Tompo saingy andrasany amintsika kosa ny hanaovantsika izay vitantsika, rehefa afaka manao izany isika. Araka ny nampahatsiahivan’ny Filoha Nelson antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo hoe: “Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka.”

…Ny hoe voaomana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana sy ny fizakan-tena dia midika hoe “mino fa amin’ny alalan’ny fahasoavana, na hery mampahatanjaka, an’i Jesoa Kristy sy ny ezaka ataontsika manokana, dia afaka mahazo ireo zavatra ilaina fototra ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ilaintsika ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika.” (“Mbola nisy hanina ihany”, Liahona, nôv. 2020, 43)

Ny lohahevitra sy fanontaniana, ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile dia milaza fa:

Manasa antsika rehetra ny Mpamonjy mba hanao zavatra, hahazaka tena, ary ho tonga tahaka Azy. Hanampy antsika Izy. … Anisan’ny fomban’ny Tompo ny fianarana sy fiainana ny fitsipiky ny fizakan-tena—“ny fahafahana sy ny fanoloran-tena ary ny ezaka atao mba hamatsy ny zavatra ilain’ny tena sy ny fianakaviana eo amin’ny fiainana” (Providing in the Lord’s Way: Summary of a Leader’s Guide to Welfare [2009]). (Sujets et questions, “Autonomie”, Médiathèque de l’Évangile)

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo fanambarana ireo?

  • Ahoana no hamariparitanao ny fizakan-tena amin’ny teninao manokana?

Rehefa mizara ny valinteniny amin’ilay fanontaniana teo aloha ny mpianatra dia hevero ny hanoratra ny zavatra lazain’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny hoe fizakan-tena. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fanorenana fizakan-tena dia manampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Hevero ny hampiseho ireto toromarika sy fanontaniana manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hisaintsaina ny faniriany sy ny ezaka ataon’izy ireo mba ho lasa mizaka tena.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamaritanao ny dikan’ny hoe manamafy orina ny fahafaha-manao ho an’ny zatovo amin’ireto sehatra manaraka ireto?

Fahalalana momba ny filazantsara

Filàna ara-bola amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy

Fianarana sy asa ivelomana

Filàna ara-batana

Filàna ara-pihetseham-po sy ara-piarahamonina

  • Amin’ny fomba ahoana no itahian’ny fanamafisana orina ny fahafaha-manao anananao amin’ireo sehatra ireo ny fiainanao eto an-tany sy ny fivoaranao mandrakizay?

Ohatra amin’ny fizakan-tena

Hanampy ny mpianatra ny fahalalana ny fomba nitahiana ny olona tsirairay ao amin’ny soratra masina tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’izy ireo hanorina fizakan-tena mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’izy ireo ara-panahy sy ara-nofo.

Hevero ny hampiseho ireto toromarika sy andinin-tsoratra masina ary fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona misy olona telo sy manasa ny mpianatra tsirairay hamaky andinin-tsoratra masina samihafa. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mamintina amin’ny vondrona misy azy ny zavatra novakiany sy mizara ny heviny avy amin’ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Vakio ny iray amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina manaraka ireto ary saintsaino ny fanontaniana miaraka amin’izany.

Mosesy 4:23–25; 5:1 (Nandao ny Saha Edena i Adama sy i Eva)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva raha nitaky azy ireo hiasa mba hihinan’izy ireo hanina raha mitaha amin’ny hoe nataon’ Andriamanitra namokatra ho azy ny tany mba hihinanan’izy ireo fotsiny?

Genesisy 6:14–16 (Nila fiarovana ho an’ny fianakaviany tamin’ny safo-drano izay nanambana i Noa)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana an’i Noa raha namboatra ilay sambofiara mihoatra noho ny hoe nanome izany azy tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra?

Eksodosy 19:19–20 (Nikatsaka toromarika avy tamin’ny Tompo tany an-tany efitra i Mosesy)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana an’i Mosesy tamin’ny alalan’ny fiandrasana azy hianika ilay tendrombohitra nialoha ny nanomezan’ Andriamanitra fanambarana fanampiny azy?

Rehefa nahavita nizara ny heviny ireo vondrona dia azonao atao ny mandefa ilay horonan-tsary hoe “All I needed” (1:44) mba hanampiana ireo mpianatra hahita ohatra maoderina amin’ny fanorenana fizakan-tena.

1:44

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Mora ny manadino fa efa nandalo ny maha zatovolahy azy i Jesoa Kristy. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra toko vitsivitsy momba ny fahaterahany mahagaga sy ireo toko maro mikasika ny fiainany tamin’ny naha olon-dehibe Azy. Afaka mianatra kely momba ny fomba nandaniany ny fahatanorany anefa isika.

Vakio ny Lioka 2:52 ka karohy ireo sehatra izay nitomboan’ny Mpamonjy sy nivoarany fony Izy zatovolahy.

Hevero ny hampiandraikitra vondrona mpianatra vitsivitsy ny iray amin’ireo lafin-javatra (ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ara-piarahamonina) ao amin’ny andininy 52 mba hifantohana amin’ny fifanakalozan-kevitra manaraka.

Mifandiniha amin’ny vondrona misy anao momba ny fomba sasantsasany mahatonga ny zatovo:

  • Mety hiantehitra amin’ny hafa mihoatra noho izay ilain’izy ireo ao amin’izany lafiny izany.

  • Ho afaka mampitombo ny fahafahamanaon’izy ireo manokana amin’izany lafiny izany.

Ny ohatra sasantsasany izay eritreretin’ny mpianatra dia mety ahitana hoe miantehitra amin’olon-kafa hanao ny asa rehetra nampanaovina ao anaty vondrona (ara-tsaina), miantehitra amin’ny ray aman-dreny hanao ny raharaha any an-tokantrano (ara-batana), miandry ny mpitarika zatovo mba hampianatra ireo lesona sekoly Alahady rehetra (ara-panahy), na manantena foana ny hafa hikarakara hetsika hiaraha-mivondrona (ara-piarahamonina).

Zarao ny zavatra nianaranao

Omeo fahafahana hieritreritra sy hizara ny zavatra nianarany na tsapany momba ny fizakan-tena ny mpianatra. Ny fomba iray anaovana izany dia amin’ny alalan’ity sahanasa manaraka ity. Afaka mamita izany samirery na miaraka amin’olon-kafa ny mpianatra.

Alaovy sary an-tsaina hoe nisy mpitarika iray nangataka anao hizara ny zavatra nianaranao nandritra ny seminera tamin’ity herinandro ity amin’ny zatovo ao amin’ny paroasinao. Soraty ny zavatra nianaranao momba ny fizakan-tena amin’ny alalan’ny fampiasana izao manaraka izao:

  1. Famariparitana ny atao hoe fizakan-tena

  2. Nahoana ny fanorenana fizakan-tena no zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika

  3. Ohatra iray manokana na ao amin’ny soratra masina momba ny olona iray izay mampiseho fizakan-tena

  4. Fomba iray ahafahan’ny zatovo mizaka tena bebe kokoa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’izy ireo

Asao ny mpianatra vitsivitsy hanolo-tena hizara ny zavatra nosoratany. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ireo hevi-baovao ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo eo am-pihainoan’izy ireo ny mpiara-mianatra aminy.