“2 Mpanjaka 18–19: Matoky ny Tompo Andriamanitr’i Isiraely,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Mpanjaka 18–19: Matoky ny Tompo Andriamanitr’i Isiraely,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Mpanjaka 16–25: Lesona 86
2 Mpanjaka 18–19
Matoky ny Tompo Andriamanitr’i Isiraely
Tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanampy antsika rehefa mametraka ny fitokiantsika Aminy isika. Taorian’ny nandresen’ny Asyriana an’i Samaria dia nanomboka nanafika an’i Joda izy ireo. Nitodika tany amin’ny Tompo i Hezekia Mpanjaka sy ny vahoakany mba hahazo hery sy fiarovana. Nanafaka azy ireo tamin’ny Asyriana ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatokian’ireo mpianatra fa hanampy azy ireo hiatrika ny olany ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra niainana iray izay nahatsapan’izy ireo ny fanohanan’ Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra iray.
Sahanasa fianarana azo atao
Mandritra ny fotoan-tsarotra
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanoratana ireto teny manaraka ireto eo afovoan’ny solaitrabe: tsy afa-manoatra, sahiran-tsaina, kivy, feno tahotra, ary feno fisalasalana. Avy eo dia azonao atao ny manoratra ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo amin’ny ilany havian’ny solaitrabe ary ilay fanontaniana iray hafa eo amin’ny ilany havanan’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin’ny fanontaniana tsirairay omen’izy ireo.
-
Inona avy ireo toe-javatra izay mety hahatsapan’ny zatovo iray ny iray na ny maromaro amin’ireo fihetseham-po ireo?
-
Aiza ny tanora no mety hitodika mba hangataka fanampiana rehefa miaina ireo fihetseham-po ireo izy ireo?
Azonao atao avy eo ny manasa ny mpianatra mba hieritreritra na hanoratra ao anatin’ny diary fandalinany momba ny toe-javatra miseho amin’izao fotoana izao na hiseho any aoriana izay mety hahatsapan’izy ireo fihetseham-po mitovy amin’ireo. Hanana fahafahana hiverina amin’ireo fihetseham-po ireo ny mpianatra any aoriana any ao amin’ny lesona.
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto noho izy ireo misy ifandraisany amin’ny toe-javatra iainanao manokana:
-
Rehefa miaina ireo fihetseham-po ireo ianao dia aiza no itodihanao mba hahazoana fanampiana?
-
Hatraiza ny fahatokianao fa hanampy anao ny Tompo rehefa mitodika any Aminy ianao?
Mandritra ity lesona androany ity dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao rehefa miaina ireo fihetseham-po ireo ianao amin’izao fotoana izao na hiaina izany any aoriana. Henoy tsara ireo fahatsapana izay tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao avy amin’ny Fanahy Masina.
Natoky ny Tompo i Hezekia
Hazavao amin’ny mpianatra fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fomba nisafidianan’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, ny hitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana rehefa niatrika fanamby lehibe izy sy ny vahoakany.
Vakio ny 2 Mpanjaka 18:1–7, ka tadiavo ny zavatra nataon’i Hezekia rehefa lasa mpanjaka izy.
-
Inona no hitanao?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny andininy 5–7?
Ampio ny mpianatra hitady fitsipika toy ny hoe: Rehefa matoky ny Tompo isika sy mitandrina ny didiny dia hiaraka amintsika Izy.
Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika
Resin’i Asyria i Isiraely, ilay firenena teo amin’ny sisintany avaratr’i Joda. Avy eo dia notafihin’ny Asyriana ny vahoakan’i Hezekia ary nobaboiny ireo tanàna mimanda rehetra tao amin’ny fanjakan’izy ireo (jereo ny 2 Mpanjaka 18:9–13). Avy eo dia tonga tao Jerosalema, renivohitr’i Joda ireo iraka Asyriana mba hampitandrina an’i Hezekia sy ny vahoakany.
-
Avereno jerena ireo fihetseham-po eny amin’ny solaitrabe. Inona no mety ho fihetseham-po tsapan’ny vahoakan’i Jerosalema araka ny eritreritrao?
Hevero ny hampiasa ilay taratasy zaraina “Ohatra iray maneho ny fahatokiana ny Tompo” mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fitsipika hitan’izy ireo tany aloha sy hampifandray an’i Hezekia sy ny fiainan’izy ireo.
Azon’ny mpianatra atao ny mameno ilay taratasy zaraina ao anatina vondrona na miaraka amina mpianatra miara-miasa. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina handrindra ireo vondrona rehefa avy nameno ny fizarana tsirairay ao amin’ilay taratasy zaraina izy ireo, mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hiara-hiasa amin’ireo mpianatra hafa ao amin’ny kilasy sy hifankahafantatra amin’izy ireo.
Ireo fanontaniana izay manampy ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ilay andian-tsoratra masina dia afaka mamela ny Tompo hampianatra sy hanentana ny fanahin’izy ireo manokana. Ireo fanontaniana ao amin’ilay taratasy zaraina dia afaka manampy ny mpianatra hampifandray ireo andininy izay nohalalinin’izy ireo amin’ny fiainany manokana.
Mba hahitana fanofanana fanampiny eo amin’ny fanampiana ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainana ao amin’ilay andian-tsoratra masina dia jereo ny: “Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.
Miaraka amintsika ny Tompo
Vakio ny 2 Mpanjaka 19:32–35, ka tadiavo ny fomba nanafahan’ny Tompo an’i Hezekia sy ny vahoakany.
-
Inona no hitanao?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika ilay andian-teny hoe “Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy” ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:34. Raha ilaina dia hazavao fa ho tonga amin’ny fotoanany sy ny fombany ny fanafahan’ny Tompo.
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba hanampian’ny Tompo antsika hiatrika ireo fanamby ananantsika dia azonao atao ny mampiseho ny “Fantatry ny Ray any an-danitra Aho” (3:18) ary angataho ireo mpianatra hitady ny fomba nanafahany ity zatovovavy ity tamin’ny fanamby natrehiny. Asao ny mpianara hizara ny zavatra niainany manokana. Azonao atao ny mizara zavatra niainanao manokana momba ny fahatokiana ny Tompo na ny fomba nanampiany anao nandritra ireo fotoan-tsarotra.
-
Ahoana no fomba nanohanan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na ny olona iray fantatrao nandritra ny toe-javatra sarotra iray?
Azonao atao koa ny mamela ny mpianatra hahatsapa ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny mpaminany momba ny Mpamonjy mba hamaranana ny fotoam-pianarana. Mba hamaranana izany dia azonao asaina ny mpianatra hamaky ny Almà 36:3 na ity teny nambara manaraka ity.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nijoro ho vavolombelona momba ny hery avy amin’ny fitokiana an’ Andriamanitra.
Raha tokony hitoetra ao anatin’ny fieritreretana ny hasarotry ny olana mianjady amintsika isika, dia tsy tsaratsara kokoa ve ny mifantoka amin’ny halehiben’ilay Andriamanitsika sy ny hatsarany tsy manam-petra sy ilay heriny faratampony, ka matoky Azy ary ny miomana amin’ny fo falifaly ny amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy?
Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanany antsika dia tsy tokony halemin’ny tahotra isika satria mety hisy zavatra ratsy hitranga. Fa afaka mandroso amim-pinoana sy amin-kerimpo ary amim-pahavononana kosa isika, ary matoky an’ Andriamanitra eo am-piatrehantsika ireo olana sy ireo zavatra mahasoa azo araraotina ho avy. (“Ny fitiavana tonga lafatra mandroaka ny tahotra,” Liahona, mey 2017, 106)
Amporisiho ny mpianatra hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny fotoan-tsarotra.