Seminera
Mosesy 8: Manaraka ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray


“Mosesy 8: Manaraka ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mosesy 8: Manaraka ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Genesisy 6–11; Mosesy 8: Lesona 19

Mosesy 8

Manaraka ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray

Jesus Christ walking along a path  by a river. There are a number of sheep following him.

Niantso an’i Noa ho mpaminany ny Tompo tamin’ny fotoana nilazana ny olona ho mpanao “ny ratsy lalandava” (Mosesy 8:22). Nifidy ny hanaraka an’i Jesosy Kristy i Noa sy ireo zanany lahy, na dia tao anivon’ny faharatsiana be aza. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka tsara kokoa ny Mpamonjy na dia miaina ao anatina tontolo ratsy aza izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fanamby na fahasarotana atrehan’izy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Angataho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny zavatra nanampy azy ireo handresy an’izao tontolo izao sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Miaina ao anatin’izao tontolo izao nefa tsy naman’izao tontolo izao

Atombohy amin’ny alalan’ny fampisehoana rano iray siny sy zavatra maina kely amin’ireo mpianatra ny fotoam-pianarana.

  • Afaka mitoetra ho maina hatrany ve ny zavatra iray raha apetraka ao anaty siny misy rano? Amin’ny fomba ahoana?

    Rehefa nahazo fahafahana nizara ny eritreriny ireo mpianatra dia apetraho ao anaty harona plastika na fitoeran-javatra mihidy ilay zavatra, dia apetraho ao anaty siny misy rano izany.

  • Ahoana no mety hifandraisan’ity lesona azo tsapain-tanana ity amin’ny ezaka ataontsika mba hitoetra ho marina ao anatin’ny tontolo ratsy iray?

Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto ireo mpianatra mba hanampiana azy ireo hanombantombana ny fahafahan’izy ireo miaina amim-pahamarinana ao anatin’ny tontolo ratsy iray. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny maha-marina ireo fanambarana tsirairay ho azy ireo manokana.

Sarotra amiko ny manohitra ny fitaoman’izao tontolo izao sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Fantatro hoe aiza no azoko itodihana hahazoana fanampiana mba hitoetra ho mahatoky ao anatin’ny tontolo ratsy iray.

Manokana fotoana isan’andro aho mikatsaka ny hianatra minimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy hanara-dia Azy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Fanahy Masina dia hampiseho amintsika ny tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:5). Asao ireo mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy hahafantarana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hijanonana ho mahatoky ao anatina tontolo izay miha-ratsy hatrany.

Tontolo ratsy iray

Rehefa naka an’i Enoka sy ny tanànany ho any an-danitra ny Tompo (jereo ny Mosesy 7:69), dia nitoetra teto an-tany ny zanakalahin’i Enoka, dia i Metosela izay olo-marina (jereo ny Mosesy 8:2). “Niara-nandeha tamin’ Andriamanitra” ny zafikelin’i Metosela, dia i Noa, ary ireo zanakalahin’i Noa telo (Moses 8:27), raha nisafidy ny faharatsiana kosa ny ankamaroan’ny olona izay nijanona teto an-tany.

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto torolalana sy tabilao manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hanao ny tabilao ao amin’ny diary fandalinany. Azon’ireo mpianatra atao ny mameno ilay tabilao ao anatina vondrona kely.

Vakio ny Mosesy 8:12–22, 28–29 hitadiavana ny toe-piainana ara-panahin’ny olona tamin’ny andron’i Noa.

Fantaro avy eo ny fitoviana misy eo amin’ny toe-piainana ara-panahy tamin’ny andron’i Noa sy ny toe-piainana hitantsika amin’izao androntsika izao.

Ny toe-piainana ara-panahin’ny olona maro tamin’ny andron’i Noa

Ireo fitoviana amin’ny andron’i Noa sy ny androntsika

Asao ny vondrona hizara ny zavatra hitany amin’ireo vondrona hafa. Amporisiho ireo mpianatra hampiditra ny zavatra zarain’ny mpiara-mianatra aminy ao amin’ny tabilaon’izy ireo manokana.

Azonao atao ny manasongadina ireo fitoviana toy ireto manaraka ireto, raha mila fanampiana ireo mpianatra:

1. Manary ireo fitahiana omen’ Andriamanitra azy ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay, tahaka ireo zafikely vavin’i Noa, ny olona sasany amin’izao fotoana izao (jereo ny andininy 12–15).

2. Miady amin’ny mpaminany ary mandà ny toroheviny ihany koa ny olona sasany ankehitriny (jereo ny andininy 18–20).

Avereno jerena ny Mosesy 8:16–17 hahitana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’i Noa raha tsy mibebaka ny vahoaka.

  • Hafiriana no nomen’ny Tompo ny olona hibebahana?

  • Inona no azon’izany ampianarina antsika momba ny toetran’ Andriamanitra?

Manaraka ny Mpamonjy ao anatina tontolo ratsy iray

Hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fanantenana fa afaka manaraka ny Mpamonjy ao anatin’ny tontolo ratsy izy ireo.

Nizara ny fomba ahafahana mandresy ity tontolo lavo ity ny Filoha Russell M. Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Satria nandresy ity tontolo lavo ity i Jesoa Kristy, ary satria nanonitra ho antsika tsirairay avy Izy dia afaka mandresy ity tontolo izay feno fahotana sy tia tena ary matetika mandreraka ity koa ianareo. (“Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 96)

  • Inona no hampiasainao avy amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson mba hanampiana olona iray izay mahatsapa ho tototry ny faharatsiana manodidina azy?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity teny tsy feno manambara fahamarinana manaraka ity. Asao ireo mpianatra hanomboka hieritreritra fomba samihafa ahafahan’izy ireo mameno izany.

Afaka misafidy ny hanaraka ny Mpamonjy ao anatin’ny tontolo ratsy aho amin’ny alalan’ny …

sary famantarana ny seminera Omeo ireo mpianatra ny torolalana etsy ambany sy tahadikan’ilay taratasy zaraina miaraka aminy, mba hanampiana azy ireo hahita ny fomba ahafahany manaraka ny Mpamonjy ao anatin’ny tontolo ratsy iray. Afaka miasa anatina vondrona ireo mpianatra. Afaka miara-mandalina ireo loharanom-pitaovana izy ireo, na afaka misafidy andalan-tsoratra masina sy teny nambara hafa ny mpikambana ao amin’ny vondrona mba hohalalininy manokana ary mifanakalo hevitra avy eo.

Misafidiana amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo zavatra azontsika atao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny faharatsiana sy ny fakam-panahy manodidina antsika.

Hevero ny hanasa ny vondrona tsirairay hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra iray hitany hamenoana ilay fehezan-teny manambara fahamarinana, rehefa nahazo fotoana ampy handalinana sy hamoronana lisitra ireo vondrona. Ohatra, avy ao amin’ny Mosesy 8:13, 23–24, ny mpianatra dia mety hahita ny fihainoana ny Tompo sy ireo mpaminaniny, ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Afaka mizara ny antony maha-zava-dehibe amin’izy ireo ny zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy.

Hevero ny hampiseho ny horonan-tsary hoe “Sharing Your Light” (2:56), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Io horonan-tsary io dia maneho zatovovavy iray manaraka ny Mpamonjy na dia eo aza ny safidin’ny hafa manodidina azy.

2:56

sary famantarana ny seminera

Ny fiatoana sy ny fisaintsainana ny toe-javatra miavaka iainan’ireo mpianatra dia afaka manasa ny fanahin’ny fahaiza-manavaka, fitiavana ary fangorahana tahaka ny an’i Kristy amin’ny fifandraisanao amin’izy ireo. Ohatra, mety hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny fomba hafa noho ny hanaovanao azy ireo mpianatra sasany, arakaraka ny zavatra iainany. Katsaho ny hahatakatra ny fomba fijerin’izy ireo, valio amin’ny fitiavana sy fangorahana izy ireo, ary derao ireo ezaka ataon’izy ireo hanaraka ny Mpamonjy. (Jereo ny “Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra misy azy, ireo filany ary ireo tanjany.” ao amin’ny fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra, mba hahazoana fiofanana fanampiny momba ny fampitomboana ny fahatakaranao ny toe-javatra miavaka iainan’ireo mpianatra.)

Saintsaino ny zavatra nataonao mba hanampiana ny tenanao hahatohitra ny faharatsiana manodidina anao. Mety ho ireo zava-madinika sy tsotra izay ataonao tsy tapaka izany, na ireo tanjona efa niasanao tao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy ny Zatovo, na zavatra niainana hafa.

  • Inona no nataonao mba hanampiana ny tenanao hanaraka tsara kokoa ny Mpamonjy sy hahatohitra ny faharatsiana manodidina anao?

  • Nisy sakana natrehinao ve tamin’ny ezaka nataonao? Raha eny, inona no nataonao na azonao natao mba handresena ireo sakana ireo? Inona no torohevitra azonao omena ny hafa?

Ny drafitro hanaraka an’i Jesoa Kristy

Ampio ireo mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka an’i Jesoa Kristy. Azonao atao izany amin’ny fanasana azy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. Mety hamporisika ireo mpianatra ianao hanoratra ny valin-teniny any amin’ny toerana izay hahitany izany matetika, na hizara ny drafiny amin’ireo namana azo itokisana, na ireo olona ao amin’ny fianakaviana, na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Afaka mampahatsiahy ireo mpianatra ny zavatra nianarany sy tiany hatao ireo sosokevitra ireo.

  1. Inona no tsapanao fa nahazoanao fitaomam-panahy ho atao anio?

  2. Ahoana no hampitomboan’ny fanarahana ireo fahatsapana ireo ny fahafahanao manaraka ny Mpamonjy sy handresy izao tontolo izao?

Hevero ny hamarana amin’ny fizaran’ireo mpianatra ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny zavatra nianarany sy tsapany androany, ary mikasika ny fomba hanampian’ny fanarahana ny Mpamonjy azy ireo handresy izao tontolo izao. Azaonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona.