Seminera
Genesisy 6–8: “Ary Noa nanao … izay rehetra nandidian’i Jehovah azy”


“Genesisy 6–8: -Ary Noa nanao … izay rehetra nandidian’i Jehovah azy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Genesisy 6–8: -Ary Noa nanao … izay rehetra nandidian’i Jehovah azy,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineral

Genesisy 6–11; Mosesy 8: Lesona 20

Genesisy 6–8

“Ary Noa nanao … izay rehetra nandidian’i Jehovah azy”

The Old Testament prophet Noah standing on a log as he preaches to a group of assembled people. The people are laughing and mocking Noah. The partially completed ark is visible in the background.

Mangataka antsika amim-pitiavana Andriamanitra mba hankatò ireo didiny. Mety ho sarotra takarina ny didy sasany, saingy ho soa ho antsika mandrakariva izany. Voavonjy tamin’ny safo-drano tsy mbola nisy toa azy sy mahagaga ny fianakavian’i Noa noho izy ireo nankatò ny didin’ Andriamanitra hanamboatra sambofiara. Afaka manampy ireo mpianatra hampitombo ny faniriany hankatò ny didin’ Andriamanitra ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina sy ho tonga vonona hizara ny fomba anehoan’ny didy iray manokana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika sy ny faniriany hiaro antsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo didin’ Andriamanitra

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hisaintsaina ny antony nanomezan’ny Raintsika any An-danitra didy antsika. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana ireto sary manaraka ireto sy ny fanaovana fifanakalozan-kevitra amin’ny fampiasana ireo fanontaniana etsy ambany. Fomba iray hafa ny fangatahana ny mpianatra hizara ireo lalàna apetraky ny ray aman-dreniny mba hiarovana ny zanany.

A young man Starting a campfire at Burraston Ponds, Utah
A group of little boys and girls play together outside.

Alaovy sary an-tsaina hoe mikarakara andian-jazakely marobe ianao ao amin’io toeram-pilasiana io.

  • Inona avy ireo lalàna voafaritra tsara azonao omena ny ankizy mba hiarovana azy ireo?

  • Raha tezitra aminao ny ankizy noho ny fametrahana lalàna dia inona no hazavainao aminy?

    Asao ireo mpianatra hizara amin’ny namana iray ny fomba mety hampitahan’izy ireo izany toe-javatra izany amin’ireo didin’ny Ray any An-danitra ho antsika.

    Asao ireo mpianatra avy eo hirakitra ny fahatsapany manokana momba an’ Andriamanitra sy ny didiny ao amin’ny diary fandalinany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo tari-dresaka tahaka izao manaraka izao. Azonao atao ny manasa izay mazoto vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no tian’ Andriamanitra hitandrina ny didiny ianao io?

  • Manao ahoana ny fahavononanao hankatò izay angatahan’ Andriamanitra, na dia tsy azonao aza ny anton’ilay didy? Nahoana?

Ny vahoaka tamin’ny andron’i Noa

Hevero ny hampiseho ilay sarin’i Noa any am-piandohan’ny lesona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra efa fantany momba ireto zavatra manaraka ireto. Asao izy ireo hampiasa ireo andalan-tsoratra masina naroso raha ilaina izany.

  • Ny toe-piainana ara-panahin’ny olona tamin’ny andron’i Noa sy ny zavatra nataon’ Andriamanitra vokatr’izany (jereo ny Mosesy 8:17, 20, 22, 28–29)

  • Inona no nandidian’ Andriamanitra an’i Noa hataony mba hamonjena ny mpankatò (jereo ny Mosesy 7:43)

Amporisiho ireo mpianatra, rehefa eo am-pandalinana iny, hikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hahatakarana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Ny zava-drehetra ataon’ Andriamanitra, anisan’izany ny safodrano, dia noho ny fitiavany (jereo ny 2 Nefia 26:24). Ampio ireo mpianatra hamantatra fa nijaly noho ny fahotan’ireo olona izay maty tamin’ny safodrano i Jesoa Kristy, mba hahafahan’izy ireo mianatra sy mibebaka any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Mosesy 7:38–40; 1 Petera 3:18–20). Niaro ny zanany ara-panahy hafa tsy ho teraka tao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza sy ratsy toy izany ihany koa ny safidin’ Andriamanitra handefa ny safodrano (jereo John Taylor, ao amin’ny Journal of Discourses, 19:158–59).

Ny sambofiara

Hevero ny hanome taratasy ho an’ireo vondrona kelina mpianatra sy ny hanome azy ireo fotoana fohy hiarahana mamita ity sahanasa manaraka ity. (Alaivo antoka tsara ny hahafahana manokana fotoana aorian’ity sahanasa ity, hifanakalozan’ireo mpianatra hevitra ny amin’ny zavatra nianarany sy hampifandray izany amin’ny fiainan’izy ireo.)

  1. Vakio ny Genesisy 6:14–22; 7:1–12, 23; 8:13–17, hitadiavana ny zavatra ampianarin’ity tantara ity momba an’ Andriamanitra sy ny zavatra azontsika ianarana avy amin’i Noa.

  2. Ataovy an-tsary tsotsotra ny zava-nitranga.

  3. Ampidiro ao amin’ilay sary ataonao ny zavatra iray nianaranao momba an’ Andriamanitra sy zavatra iray nianaranao avy tamin’ny ohatr’i Noa.

Asao ireo vondrona haneho sy hanazava ny sariny (na dia tsy feno aza) amin’ny vondrona hafa. Asao ireo vondrona avy eo hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany momba an’ Andriamanitra sy ny zavatra nianarany avy amin’ny ohatra nasehon’i Noa.

Fahamarinana iray izay mety ho hitan’ireo mpianatra avy amin’io tantara io ny hoe rehefa mankatò ny Tompo amim-pinoana isika dia hitahy sy hiaro antsika Izy.

Hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka ity ary asao ireo vondrona hamaky sy hifanakalo hevitra momba ny fomba iharan’izany amintsika ankehitriny.

Nizara antony sasantsasany izay nilan’i Noa sy ny fianakaviany ny finoana an’i Kristy ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), mba hanatanterahana ny didy hanamboarana ny sambofiara.

Portrait of President Spencer W. Kimball. He is holding an open book in his hands.

Tsy mbola nisy porofo akory fa hisy orana sy tondradrano. Nandrabiraby sy niantso azy ho adala ny vahoakan’[i Noa]. Niantefa tamin’ny sofina marenina ny fitoriany. Noheverina ho tsy misy dikany ireo fampitandremany. Tsy mbola nisy teo aloha; ary tsy fantatra velively fa ny safodrano [na tondradrano] dia afaka handrakotra ny tany. Hadalana tokoa ny manao sambofiara eo amin’ny tany maina miaraka amin’ny masoandro mamirapiratra sy ny fiainana mandroso toy ny mahazatra! (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 140–41)

  • Inona no sasantsasany amin’ireo didin’ny Tompo izay odian’ny olona ho tsy fantatra na atao tsinontsinona ankehitriny?

  • Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra sy ireo mpaminaniny izay afaka manampy antsika hankatò ny Tompo na dia eo aza ny fanoherana?

Asao ireo mpianatra hizara ireo didy izay inoany fa fiarovana feno fitiavana avy amin’ Andriamanitra.

Fankatoavana an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika

Hevero ny hampiseho ity fanambarana manaraka ity miaraka amin’ireo soso-kevitra hoenti-mandinika ny tena manokana etsy ambany.

Nizara ny iray amin’ireo lesona lehibe indrindra azontsika ianarana eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018).

Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Nanana finoana tsy voahozongozona i Noa mba hanarahana ireo didin’ Andriamanitra. Enga anie isika hanao toy izany. Enga anie isika hahatsiaro fa ny fahendren’ Andriamanitra dia miseho matetika ho hadalana amin’ny olombelona; kanefa ny lesona lehibe indrindra azontsika ianarana eto ambonin’ny tany dia hoe rehefa miteny Andriamanitra ka mankatò isika, dia ho marina mandrakariva isika. (“Models to Follow,” Liahona, Nov. 2002, 61)

Raketo ao amin’ny diary fandalinanao:

  1. Ny zavatra tsapanao momba ny tenin’ny Filoha Monson izay mifandray amin’ireo toe-javatra na didy eo amin’ny fiainanao.

  2. Ny zavatra nianaranao na tsapanao androany momba ny Ray any An-danitra sy ireo didiny.

  3. Izay inoanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao mba hanarahanao ny ohatra nasehon’i Noa momba ny fankatoavana amim-pahatokiana.

Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra hanisy marika ny ohatr’i Noa ao amin’ny Genesisy 7:5 ary hampifandray izany amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ao amin’ny Mosesy 4:2. Hevero ny hijoro ho vavolombelona fa hitahy ireo mpianatrao Andriamanitra noho ny ezaka mahatoky ataon’izy ireo hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fankatoavana.