“Mosesy 6–11; Mosesy 8: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 6–11; Mosesy 8: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Genesisy 6–11; Mosesy 8
Genesisy 6–11; Mosesy 8
Topimaso
Niantso an’i Noa ho mpaminany ny Tompo tamin’ny fotoana nilazana ny olona ho mpanao “ny ratsy lalandava” (Mosesy 8:22). Voavonjy tamin’ny safo-drano tsy mbola nisy toa azy sy mahagaga ny fianakavian’i Noa satria nankatò ny didin’ Andriamanitra mba hanamboatra sambofiara izy ireo.
Katsaho ny hahafantatra ireo mpianatra—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Vonona kokoa ireo mpianatra hianatra avy amin’ny olona iray izay fantany fa mitsimbina azy. Ankoatra izany, afaka mahazo fitaomam-panahy mikasika ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo mpianatra hahita lanjany manokana ary hery ao amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika rehefa miezaka ny mahafantatra azy ireo amim-pitiavana. Ahitana ohatra iray amin’ny fomba ahafahan’ny fikatsahana hahatakatra ireo mpianatra hisy fiantraikany amin’ny fampianarantsika ao amin’ny lesona 19: “Mosesy 8.” Raha te hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Fantatry ny Mpamonjy isika ary takany ireo toe-javatra iainantsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny tanjatsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 13).
Miomàna hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Mosesy 8
Tanjona amin’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hanaraka tsara kokoa ny Mpamonjy na dia miaina ao anatin’ny tontolo ratsy aza.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo fanamby na fahasarotana atrehan’izy ireo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Angataho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara ny zavatra nanampy azy ireo handresy an’izao tontolo izao sy hanara-dia an’i Jesoa Kristy.
-
Fitaovana haseho: Siny misy rano, zavatra kely maina ary harona plastika na fitoeran-drano tsy tantera-drano antonona ilay zavatra kely maina.
-
Votoatin-javatra haseho: Fanombanan-tena amin’ny alalana fanambarana; toromarika sy tabilao mampitaha ny andron’i Noa amin’ny androntsika
-
Taratasy zaraina: “Mandresy izao tontolo izao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”
-
Horonan-tsary: “Sharing Your Light” (2:56)
Genesisy 6–8
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hankatò ny didin’ Andriamanitra.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina sy ho tonga vonona hizara ny fomba anehoan’ny didy iray manokana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika sy ny faniriany hiaro antsika.
-
Sary haseho: Filasiana; andian-jazakely; I Noa mitory teny sady manamboatra sambofiara
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy ho an’ny vondrona tsirairay
-
Votoatin-javatra haseho: Fanambarana nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball; fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson; tari-dresaka momba ny fandinihan-tena manokana
Tombano ny fianaranao 1
Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina lalina ireo tanjona napetrak’izy ireo sy ny fivoarana niainany nandritra ny fandalinany ny Mosesy 1 ka hatramin’ny Genesisy 11.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ny zavatra nianarany na ny fomba nitomboany ara-panahy hatramin’ny nanombohan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ity taona ity. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamerina hijery ny diary fandalinany na ireo fanamarihana ao amin’ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hahatsikaritra ny fitomboany sy ny fianarany.
-
Sary haseho: Sarin’ny vahoakan’i Enoka; sarin’i Jesoa Kristy
-
Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy kely ho an’ireo mpianatra tsirairay; kiboky noforonin’ireo mpianatra tao amin’ny Lesona 11: “Mosesy 4:5–32: 5:1–15, fizarana 1” sy ny Lesona 12: “Mosesy 4:5–32: 5:1–15, fizarana 2” (raha misy)
-
Fitaovana haseho: Voankazo singany iray