Seminera
Mosesy 7:53–69: Hitsimbina ny olony ny Mpanjakan’i Ziona


“Mosesy 7:53–69: Hitsimbina ny olony ny Mpanjakan’i Ziona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mosesy 7:53–69: Hitsimbina ny olony ny Mpanjakan’i Ziona,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mosesy 7: Lesona 18

Mosesy 7:53–69

Hitsimbina ny olony ny Mpanjakan’i Ziona

Jesus Christ is standing on a hill over looking a river

Iray amin’ireo fiantso ny Mpamonjy ny hoe “ny Mpanjakan’i Ziona” (Moses 7:53). Miambina ny olony Izy, ary hitsimbina azy ireo ao anatin’ireo fahoriana lehibe hitranga amin’ny andro farany. Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra sy hankasitraka ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana azy ireo handresy ireo fitsapana amin’izao androntsika izao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara andalan-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo rehefa niatrika fitsapana izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahoriana lehibe amin’ny andro farany

Lightning Storm

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe hisy tafio-drivotra lehibe ho avy ao amin’ny tanàna misy anareo. Azonao atao ny mampiseho sarina tafio-drivotra lehibe raha toa ka manampy izany.

  • Inona avy ireo fitsapana lehibe na fahasarotana amin’ny andro farany? Ahoana no hampitahana ireo fitsapana sy fahoriana ireo amin’ny tafio-drivotra iray?

  • Inona avy ireo fomba sasany hitadiavana fiarovana amin’ireo tafio-drivotra ireo?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fahatsapany mikasika ireo tafio-drivotra ireo sy ny ezaka ataon’izy ireo mba hitadiavana fiarovana. Fomba iray ahafahanao manao izany ity fanombanan-tena manaraka ity.

Saintsaino ny fahamarinan’ireto fanambarana manaraka ireto momba anao:

  • Fantatro ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana ahy amin’ireo tafio-drivotra (fitsapana sy fahasarotana) atrehiko.

  • Ankasitrahako izay nataon’ny Tompo ary te hahazo amim-kitsim-po ny fanampiany aho.

Asao ireo mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina. Afaka mampianatra momba ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy ireo mpianatra amin’ireo tafio-drivotra atrehin’izy ireo ny Fanahy Masina.

Ny Mpanjakan’i Ziona

Nanorina “ny Tanànan’ny Fahamasinana, dia i Ziona” i Enoka sy ny olony (Mosesy 7:19). Nampanantena ny Tompo fa “hitoetra amim-pilaminana mandrakizay” izy ireo (Mosesy 7:20). Nahita ary nitomany noho ny fandringanana izay ho avy mandritra ny Safodrano i Enoka avy eo. Nitady fampiononana i Enoka ka nanontany raha hamindra fo amin’ireo olona tonga taorian’ny Safodrano ny Tompo. Nampianatra sy naneho tamin’i Enoka ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ny Tompo ho setrin’izany (jereo ny Mosesy 7:42–57).

Vakio ny Mosesy 7:53 hitadiavana ny fomba namariparitan’ny Mpamonjy ny Tenany.

  • Ahoana no ahafahan’ireo zavatra nozarain’ny Tompo ao amin’io andininy io mampahery an’i Enoka?

Asao ireo mpianatra hanisy marika ary hifanakalo hevitra momba ireo anaram-boninahitra sy anjara asa isan-karazany sahanin’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 53. Hifantoka amin’ny anaram-boninahiny hoe “Mpanjakan’i Ziona” ity lesona ity. Azonao atao ny mametraka fanontaniana hanombanana ny fahatakarana momba an’io anaram-boninahitra io toy ny hoe:

  • Ahoana no maha-Mpanjaka mahery sy be fitiavana ho antsika an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo andian-teny hafa avy ao amin’io andininy io izay mamaritra ireo fitahiana tadiavinao avy amin’ny fanarahana ny Mpanjakan’i Ziona?

Hevero ny ampahatsiahy ireo mpianatra fa i Ziona dia ahitana ny olona rehetra izay “madio am-po” tahaka ny vahoakan’i Enoka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21)—ireo olona izay tahaka ny Tompo.

Hitsimbina ny olony ny Tompo

Nanontany ny Tompo i Enoka raha hiverina eto an-tany indray Izy. Nasehon’ny Tompo an’i Enoka ny andro farany sy ny zavatra hataony ho an’ny olona izay miezaka ny hanaraka Azy.

Vakio ny Mosesy 7:60–61 hitadiavana izay nampanantenain’ny Tompo fa hataony.

  • Araka ny eritreritrao, midika inona ho an’ny Tompo ny “mitsimbina” ny olona izay miezaka ny hanaraka Azy?

Rehefa eo am-pamakina ny Mosesy 7:62 araka ny toromarika etsy ambany ny mpianatra, dia azonao atao ny manampy azy ireo hahita ny fahavitrihan’ Andriamanitra amin’ny fitsimbinana ny olony. Fomba iray hanaovana izany ny manasa ireo mpianatra handinika ny fampiasana ny mpisolo tena hoe -ko sy ireo matoanteny mialoha izany. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo mba hahatsikaritra hoe rahoviana ny Tompo no mampiasa ny mpisolo anarana -ko na -tro sy ny teny izay ampifandraisina amin’izany.

Na dia hitan’i Enoka tamin’ny fahitana aza ilay safodrano nandrava tamin’ny andron’i Noa, dia nasehon’ny Tompo tamin’i Enoka avy eo ny fomba hanangonany ny olona ho eo Aminy sy ny hitsimbinany azy reo.

Vakio ny Mosesy 7:62 hitadiavana ny zavatra hataon’ny Tompo mba hitsimbinana ny olony.

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay hataon’ny Tompo mba hitsimbinana ny olony?

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Mba hitsimbinany ny olony amin’ny andro farany, ny Tompo dia …

    Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto rehefa mamaly ireo mpianatra:

    hampidina fahamarinana avy any an-danitra.

    handefa ny marina avy ao amin’ny tany.

    hanangona ny olony any Ziona (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6).

  • Inona avy ireo fomba sasany izay hanatanterahan’ny Tompo io faminaniana io amin’izao androntsika izao?

Fahamarinana avy any an-danitra sy marina avy ao amin’ny tany mba hanangonana antsika ho ao Ziona

Azonao atao ny manoratra tsirairay eny amin’ny solaitrabe amin’ny tsanganana samihafa ny hoe “Fahamarinana avy any an-danitra,” “Marina avy ao amin’ny tany,” ary “Ziona”, mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo lafin-javatra telo samihafa amin’io fahamarinana io. Fehezan-teny sy sary mifandray amin’ny lafiny tsirairay ireto manaraka ireto. Soraty amin’ny taratasy misaraka ny fehezan-teny tsirairay na asehoy ireo sary. Afaka mampifanaraka ilay fehezan-teny na sary amin’ny iray amin’ireo lohateny eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra avy eo.

Fahamarinana avy any an-danitra

  • Nahazo ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith.

Painting of the first vision by Walter Rane.  The Father and Son appear to Joseph Smith in the sacred grove.
  • Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith i Jaona Mpanao Batisa.

John the Baptist laying his hands on a kneeling Joseph Smith conferring the Aaronic Priesthood on him.  Oliver Cowdery is kneeling with him. They are in a grove of trees.
  • Nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Peter, James, and John conferring Melchizedek Priesthood upon Joseph Smith, with Oliver Cowdery kneeling at Joseph Smith's side. They are in a grove of trees and plants.
  • Nambaran’ny Tompo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Doctrine & Covenants
  • Manambara ny teniny amin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina ny Tompo.

The assembly hall of the Conference Center during a General Conference session.

Ny marina avy ao amin’ny tany

  • Nahazo ary nandika ireo takela-bolamena i Joseph Smith.

Joseph Smith kneeling and holding the gold plates in his hands. He is looking up at the angel Moroni who stands in the air above him. Moroni is dressed in white. A square hole is in the ground in front of Joseph Smith.

Ziona

  • Tafiditra ao anatina paroasy na sampana iray isika rehetra.

A congregation singing.

Ampio ireo mpianatra hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny zavatra nataon’ny Tompo. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fanasana ireo mpianatra hameno ireto manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany. Afaka misafidy zavatra avy amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra, raha nampiasa ilay sahanasa teo aloha ianao.

Mitadiava fomba roa iarovan’ny Tompo ny olony amin’ny fahoriana amin’izao androntsika izao ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto. Mieritrereta ohatra iray manokana, raha azo atao. Azonao atao ny miresaka zavatra niainana momba ny fisoronana, andalan-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zavatra niainana iray tao amin’ny paroasy na sampana misy anao, sy ny sisa.

  • Ahoana no nanampian’ity ohatra ity anao hahafantatra kokoa ny Mpamonjy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izany na ahafahan’izany manampy amin’ireo fahasarotana amin’ny andro farany?

Asao ny mpianatra maromaro hizara ny valin-teniny.

sary famantarana ny seminera Mitadiava fomba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hankasitraka izay rehetra nataon’ny Tompo mba hanampiana azy ireo amin’ireo fitsapana sy fahasarotana amin’ny andro farany. Fomba iray ahafahanao manao izany ny fihainoana tsara ny zavatra lazain’ireo mpianatra ary milaza ny zavatra azon’izany ampianarina antsika momba ny toetra sy ny endriky ny Tompo. (Mba hahazoana fiofanana fanampiny amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo, dia jereo ny “Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)