“Mosesy 7:1–21: -Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha (2026)
“Mosesy 7:1–21: -Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra semineran’ny Testamenta Taloha
Mosesy 7: Lesona 16
Mosesy 7:1–21
“Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona”
Nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany i Enoka hitory ny hafatry ny filazantsara. Ny vahoaka izay nisafidy ny hanaraka an’i Enoka dia niangona ary niaro azy ireo tamin’ny faharatsiana nanodidina azy ireo ny Tompo. Tamin’ny farany izy ireo dia nanangana tanàna feno hafaliana sy masina izay nantsoin’ny Tompo hoe “Ziona” (Mosesy 7:18). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampivelatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy nananan’i Enoka sy ny vahoakany.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny androny omaly sy ny mety ho fiantraikan’ny zavatra nataon’izy ireo tamin’ny olon-kafa.
Sahanasa fianarana azo atao
Hery ananana amin’ny alalan’ny faka mifandray
Eritrereto ny fomba iray hanombohana ny lesona amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hahafantatra ny hery izay mety hisy avy amin’ny firaisan-tsaina amin’ny hafa. Fomba iray ahafahanao manao izany ity manaraka ity.
-
Araka ny hevitrao, tonga hatraiza ny halavan’ny karazana hazo maniry avo indrindra?
Ny hazo avo indrindra maneran-tany dia ny séquoias. Afaka maniry mihoatra ny 92 metatra ny haavony.
-
Mba hihazonana ny hazo ho avo toy izany, dia toy ny ahoana araka ny eritreritrao ny fakan’ny hazo séquoia iray?
Mahagaga fa ny fakan’ny hazo séquoia dia eo amin’ny 1–2 metatra lalina eo monja. Miparitaka amina 100 metatra mahery anefa ireo faka ireo ary lasa mifamatopatotra amina fakan-kazo hafa. Io famatopatorana io dia ahafahan’ny séquoia mijoro tsara mandritra ny an-jato taonany ao anatin’ny rivotra sy ny tondra-drano (jereo ny Richard H. Winkel, “Web of Friendship,” New Era, Aug. 2003, 10–11).
-
Araka ny hevitrao, inona no azontsika ianarana avy amin’ireo séquoias ireo ka mety hisy fiantraikany amin’ny fianakaviantsika, ny any am-pianarana, ary ny paroasy na ny sampana misy antsika?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hahita hery miaraka amin’ny hafa manodidina antsika sy ao Aminy ihany koa isika?
Mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny fifandraisan’izy ireo tsara amin’ireo olona manodidina azy ireo, dia asao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra:
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampiana sy hanohanan’ny hafa anao, indrindra amin’ny ezaka ataonao mba hanatonana akaiky kokoa ny Mpamonjy? (Izany dia mety ho ao amin’ny fianakavianao, ny paroasy na ny sampana, ny vondrona mpinamana, ny fiaraha-monina, sy ny sisa.)
-
Amin’ny fomba ahoana ianao no miezaka manohana sy manampy ny hafa hahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy?
Rehefa mandalina ity lesona ity ny mpianatra, dia asao izy ireo hifantoka amin’ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia afaka mampianatra azy ireo amin’ny fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny hery izay tsapany miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’ireo olona manodidina azy ireo.
Hery ao Ziona
Tao amin’ny fahitana iray ny Tompo dia niantso an’i Enoka mpaminany mba hitory ny fibebahana sy ny batisa amin’ny tanàna maro. Nivondrona ny olona nanaraka an’i Enoka.
Vakio ny Mosesy 7:13, 16–17, ary tadiavo ny fahasamihafana misy eo amin’ny olona izay miezaka ny hanaraka ny Tompo sy ny olona izay manohitra azy ireo.
-
Inona no nanaitra anao momba ireo fitahiana nomen’ny Tompo an’ireo olona izay niezaka ny hanaraka Azy?
Mba hamantarana tsara kokoa ny mampiavaka ny vahoakan’ny Tompo, dia vakio ny Mosesy 7:18–21. (Mety hanampy ny manamarika fa ny hoe voaozona dia midika hoe tsy mandray fitahiana noho ny tsy fahamarinana. Jereo koa ny hoe “Ozona,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)
Ny Mosesy 7:18 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy ireo.
Ampio hahatakatra ny zavatra nianarany ny mpianatra. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao sary ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo mampiseho ny fanehoana tsotsotra ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny andininy 18. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny sary nataon’izy ireo sy ny antony nahatonga azy ireo hanao izany miaraka tamin’ny mpiara-mianatra iray, na ao anaty vondrona kely, na ny iray kilasy.
-
Inona no ianaranao momba ny vahoakan’ny Tompo ao amin’ny andininy 18?
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “iray fo sy iray saina”?
Ampio ny mpianatra hahita fahamarinana iray mitovitovy amin’ny hoe ny vahoakan’ny Tompo dia miezaka ny miray saina sy miaina amim-pahamarinana ary miahy ny mahantra ao aminy. Mety ho tianao ny manamarika fa toetran’ny Mpamonjy ihany koa ireo. Ny hoe tonga vahoakan’ny Tompo dia midika hoe tonga kokoa tahaka Azy.
Tonga vahoakan’ny Tompo
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba hiraisan-tsaina, hiainana amim-pahamarinana ary hiahiana ny olona sahirana, dia hevero ny hangataka ny mpianatra hiasa amin’ny alalan’ity taratasy zaraina manaraka ity ao anatin’ny vondrona kely. Afaka miezaka mifanampy sy mifanohana izy ireo mandritra ilay sahanasa. Ireto ambany ireto ny fomba roa azonao ampiasana ny taratasy zaraina.
-
Asao ny mpianatra hizara ireo fizarana ao amin’ilay taratasy zaraina amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy azy sy handalina samirery ny fizarana azony. Rehefa nahavita ilay fizarana izy ireo dia afaka mizara ny zavatra nianaran’izy ireo ny mpianatra.
-
Apetaho eny amin’ny rindrina ny tahadikan’ilay fizarana ao anaty taratasy zaraina ary asao ireo vondrona kely mba handehandeha manodidina ny efitrano ka hameno ny fizarana tsirairay.
Manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra nianarany na nohalalininy ka nanan-danja tamin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manontany hoe nahoana no nampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ny fanaovana sahanasa tao anaty vondrona.
-
Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy ny Tenany ho ohatra amin’ny toetra mampiavaka ananan’i Ziona nandritra ny fiainany?
Mba hanehoana ohatra ny amin’ireo toetran’i Ziona tahaka ny an’i Kristy, dia azonao atao ny mizara ilay horonan-tsary hoe “Charity: An Example of the Believers” (4:50), izay hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Hevero ny hanasa ny mpianatra hitady ny fomba nanehoana an’ohatra an’i Ziona tamin’ny alalan’ireo zatovovavy ireo.
Manaova drafitra
Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fahatsapana mety nananan’izy ireo nandritra ny lesona ary hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:
-
Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy ananan’i Ziona izay tsapanao fa azonao hatsaraina eo amin’ny fiainanao? (Mety any an-trano, any am-piangonana, na miaraka amin’ny hafa izany)
-
Inona no zavatra hatombokao hatao amin’ity herinandro ity mba hanamafisana orina io toetra tahaka ny an’i Kristy io? (Mety ho anisan’ny tanjonao ho an’ny fandaharanasa Ankizy sy Zatovo izany.)
Manao tsianjery
Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny “Mosesy 7:18” dia ny hoe “Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe i Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina.” Ireo hevitra ho an’ny asa fanaovana tsianjery dia ao amin’ny tovana eo ambanin’ilay hoe “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana.”