“Mosesy 7:22–47: Ny fahitan’i Enoka,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mosesy 7:22–47: Ny fahitan’i Enoka,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mosesy 7: Lesona 17
Mosesy 7:22–47
Ny fahitan’i Enoka
Oviana ianao no nahatsapa ny famindram-pon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao? Nasehon’ny Tompo tamin’i Enoka ny fahitana ny tantaran’ny tany nanomboka tamin’ny androny ka hatramin’ny Arivotaona. Nianatra tamin’ny fomba lalina mikasika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra manokana ny zanany i Enoka. Afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fitiavany ny zanany rehetra ity lesona ity.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra niainana sy soratra masina izay manampy azy ireo hahafantatra hoe manao ahoana ny Ray any An-danitra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mangataka ny ray aman-dreny na mpitarika na namana mahatoky mba hizara zavatra niainana na soratra masina amin’izy ireo. Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara momba izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mitolona mba hahatsapa ny famindram-po sy fitiavan’ Andriamanitra
Vakio na asehoy ireto rafi-tantara manaraka ireto mba hanomanana ireo mpianatra hianatra kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny toetrany:
Nanontany tena i Kaleba raha toa ka tsy miraharaha afa-tsy ny olona manao ny tsara Andriamanitra.
Manahy i Zo fa mety ho tezitra amin’ny safidy ataon’ireo olona akaiky azy Andriamanitra. Manahy izy fa mety te hanasazy azy ireo Izy.
Mihevitra i Olivia fa tsy mbola nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra mihitsy izy.
-
Inona no mety mahatonga ireo olona ireo hahatsapa toy izany?
Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara ireo mba hosaintsainina rehefa manohy ity lesona ity ianao.
Mba hanampiana ireo mpianatra ho mora mandray ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity dia amporisiho izy ireo hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra izay afaka manampy anao raha toa ka manana olana mitovitovy amin’izany ianao?
-
Inona no fanontaniana anananao momba ny Ray any An-danitra?
Mitadiava fanampiana avy amin’ny Tompo mba hahafantarana sy hahatsapana ny fitiavany anao sy ny zanany rehetra.
Ny fahitan’i Enoka momba ireo izay tsy nakarina tany an-danitra
Hevero ny hamintina ireto manaraka ireto amin’ny teninao manokana:
Tsarovy fa tamin’ny alalan’ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo no nanorenan’i Enoka ny tanànan’i Ziona. Niray hina tao amin’ny Tompo ny vahoakan’i Ziona, niaina tamim-pahamarinana ary nifampikarakara (jereo ny Mosesy 7:16–19). Naneho tamin’i Enoka ny Tompo tao anatin’ny fahitana iray, fa hampiakatra ny vahoakan’i Ziona ho any an-danitra Izy noho ny finoany sy ny fahamarinany (jereo ny Mosesy 7:20–21). “Nahatazana koa ny vahoaka sisa” i Enoka (Mosesy 7:22), ilazana ireo olona izay tavela teto an-tany noho izy ireo tsy te hanaraka ny Mpamonjy.
Vakio ny Mosesy 7:23–26 ka tadiavo ny zavatra hitan’i Enoka.
-
Inona no ianaranao momba an’i Satana?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra ireo zavatra momba an’i Satana ireo?
Hitan’i Enoka ny fihetsik’ Andriamanitra manoloana ny faharatsiana
Avy eo i Enoka niaina fangorakorahana rehefa nahita an’ Andriamanitra nandinika ireo olona izay nisafidy ny tsy hankatò Azy.
Azonao atao ny manazava fa nahita an’i Jehovah, na Jesoa Kristy i Enoka. I Jehovah no miseho sy miresaka amin’ireo mpaminany, nanomboka tamin’ny Fahalavoan’i Adama. Matetika Izy no miteny toy ireny hoe ny Ray ireny mihitsy no miteny. Toy izany no maha iray ny Ray sy ny Zanaka ka maneho ny Ray ihany koa ny fihetseham-pon’ny Mpamonjy. Noho izany, afaka manampy ireo mpianatra hianatra momba ny Ray any An-danitra koa ny zavatra hohalalinin’izy ireo momba io fahitana nisy teo amin’i Enoka sy Jehovah io.
Rehefa mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ireo mpianatra dia azonao atao ny mamporisika azy ireo hamaky miadana, hiato kely hisaintsaina ny zavatra vakiany, ary angamba hamaky ireo andininy ireo mihoatra ny indray mandeha. Afaka manampy ireo mpianatra hanasa ny Fanahy hampianatra azy ireo misimisy kokoa momba ny Rainy any An-danitra ny famakiana toy izany.
Vakio ny Mosesy 7:28–33 ary mariho ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahafantatra ary hahatakatra tsara kokoa ny Ray any An-danitra.
-
Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Hevero ny hanoratra hoe: “Andriamanitra dia …” eny amin’ny solaitra be, ary angataho ireo mpianatra hamita io fanambarana io avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo. Amporisiho ny fanomezana valiny isan-karazany. Mety hahitana toy izao ireo valiny sasantsasany:
-
tia antsika loatra (andininy 28–33).
-
namorona izao rehetra izao kanefa Izy dia eo ho antsika (andininy 30).
-
feno famindram-po sy tsara fanahy (andininy 30).
-
nanome antsika fahafahana misafidy (andininy 32).
-
maniry ny hifankatiavantsika (andininy 33).
-
maniry ny hisafidianantsika Azy (andininy 33).
Hevero ny hametraka fanontaniana fanombanana fahatakarana rehefa mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra, toy ny hoe:
-
Nahoana no manan-danja aminao izany fahamarinana momba ny Ray any An-danitra izany?
-
Ahoana no ahafahan’ny fahalalana izany fahamarinana izany manampy ilay olona ao anatin’ilay toe-javatra nofidinao? Ahoana no hanampian’izany anao?
Nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra niainan’i Enoka ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, fa mampiseho amintsika ny toetran’ny Ray any An-danitra sy ny halehiben’ny fitiavany antsika ny Mpamonjy. Nizara izao fahakatarana manaraka izao momba ny Ray any An-danitra izy:
Teo anivon’ny fahitana lehibe iray momba ny zanakolombelona izay nosokafan’ny lanitra mba hohitany, raha nandinika ireo fitahiana sy ny zava-tsarotra amin’ny fiainana eto an-tany i Enoka, dia nitodika tany amin’ny Ray izy ka talanjona nahita Azy nitomany. Hoy izy, sady gaga no talanjona, tamin’ity Olona mahery indrindra eto amin’ity tontolo rehetra ity: “Manao ahoana loatra re no dia afaka mitomany Ianao?” …
Mampianatra misimisy kokoa ny tena toetran’ Andriamanitra mihoatra noho izay mety omen’ny fampitaovana teôlôjika rehetra misy izany tranga tokana sy mahaliana izany. …
Tena sary tsy azo fafaina momba ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika izany! Halahelo tokoa ny an’ny ray na ny reny rehefa tsy mifidy Azy na ny “filazantsaran’ Andriamanitra” nalefany ny zanany! [Romana 1:1]. Tena mora ny mitia olona iray izay tena tia antsika manokana! …
Mijoro ho vavolombelona aho anio momba ny Andriamanitra velona iray izay mahafantatra ny anarantsika, mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika ary mankamamy antsika mandrakizay amin’ny maha fanahy zanany antsika. (”The Grandeur of God,” Liahona, Nov. 2003, 72)
Asao ireo mpianatra hizara izay zavatra niavaka tamin’izy ireo avy amin’ny fanambaran’ny Filoha Holland.
Hevero ny hanoratra ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo anatina vondrona kely. Asao ihany koa izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba mety hampiharana ireo hevitra ireo amin’ireo rafi-tantara izay nofidiny tany am-piandohan’ny lesona. Mandehana mivezivezy eran’ny efitrano, rehefa mamaly ireo mpianatra, ary henoy ny sasantsasany amin’ireo valiny omen’izy ireo.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mitomany noho ny amintsika ny Ray any An-danitra rehefa tsy mifankatia isika?
-
Nahoana Izy no mety hitomany noho ny amintsika rehefa tsy misafidy ny hanaraka sy ho tia Azy isika?
-
Inona avy ireo lainga tian’i Satana hinoantsika momba ny fihetseham-pon’ Andriamanitra amintsika?
Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia anontanio ny zavatra henon’izy ireo avy amin’ny mpianatra iray hafa, izay mety hanampy ny fizarana izany amin’ny kilasy manontolo. Ahafahan’ireo mpianatra mamerina mijery ny valin-teniny sady mifanome sitraka noho ny valin-tenin’izy ireo izany. Azonao atao koa ny manasongadina ireo valiny mahasoa renao.
Hitan’i Enoka ny fiainana sy ny asa nanirahana ny Mpamonjy
Nasehon’ny Tompo tamin’i Enoka avy eo fa ho faty amin’ny safo-drano ireo olona tavela eto an-tany izay tsy mibebaka (jereo ny Mosesy 7:34–44). Nitomany i Enoka, setrin’izany. Nampionona an’i Enoka ny Tompo avy eo, nanao hoe: “Asandrato ny fonao dia mifalia ka jereo” (Mosesy 7:44).
Vakio ny Mosesy 7:44–47, hitadiavana ny zavatra nasehon’ny Tompo an’i Enoka mba hankaherezana azy. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny Marina” (andininy 45 sy 47) dia anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy.
-
Nahoana araka ny eritreritrao ny fahitana ireo zavatra ireo no hahatonga ny fanahin’i Enoka hiravoravo? (andininy 47).
-
Amin’ny fomba ahoana ny fandefasana an’i Jesoa Kristy no maneho ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Ray?
Azonareo atao, raha manampy, ny mifanakalo hevitra momba ny fomba hanampian’ny Mpamonjy ny zanak’ Andriamanitra rehetra, eny fa na dia ireo olona ratsy fanahy sy maty tamin’ny safo-drano aza. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa na dia maty tamin’ny safo-drano aza ny olon-dratsy ary tsy maintsy nijaly noho ny fahotany any amin’ny tontolon’ny fanahy, dia mbola afaka mibebaka amin’ny alalan’ny Mpamonjy ihany izy ireo (jereo ny Mosesy 7:38–39; 1 Petera 3:18–20).
Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra
Asao ireo mpianatra hitady fanampiana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa manao ity sahanasa manaraka ity izy ireo, ho famaranana ny fotoam-pianarana. Afaka manoratra amin’ny olona fantany izay mila mahatsapa ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ihany koa ireo mpianatra.
Manorata taratasy iray mba hanampiana ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara izay nofidinao tany am-piandohan’ny lesona. Ampidiro ho isan’ny ao anatin’ny taratasinao ireto manaraka ireto:
-
Ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny Mosesy 7 momba ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Ampidiro ao ireo andian-teny manokana na andinin-tsoratra masina izay heverinao ho tena manan-danja.
-
Ireo soratra masina hafa na traikefa izay nanampy anao hahatsapa ny famindram-po sy ny fitiavan’ Andriamanitra.
-
Ireo hevitra fanampiny izay heverinao fa mety hanampy io olona io hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.
Farano amin’ny fanasana ireo mpianatra hizara ny eritreritra, ny traikefa, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo ny lesona. Hevero ny hanampy ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny fitiavan’ny Ray.