“Fanekem-pinoana,” Namana.
Fanekem-pinoana
13. Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ny olon-drehetra; afaka milaza marina tokoa isika fa manaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe—Isika dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka hiaritra ny zavatra rehetra. Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.